Seminera
Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana: “Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona”


“Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana: -Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana: -Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana ho any amin’ny tempoly: Lesona 204

Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana

“Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona”

Family Temple Names

Ny Mpamonjy sy Mpanavotra ary Mpanafaka dia anaram-boninahitra iantsoana an’i Jesoa Kristy ho Ilay Voaosotry ny Ray any An-danitra mba hanavotra antsika amin’ny fahalavoantsika (jereo ny Isaia 61:1–3). Manasa antsika ny Mpamonjy hiaraka Aminy amin’ny asa fanompoany amin’ny maha “mpamonjy” (jereo ny Obadia 1:21) rehefa mirotsaka amin’ny fanavotana ireo razambentsika efa maty isika. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hametraka tanjona mba hitovy amin’ny Mpamonjy kokoa amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao zavatra mifandray amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, toy ny iray amin’ireto manaraka ireto:

Mamorona kaonty ao amin’ny FamilySearch.org.

Mandany minitra vitsy hamantarana ny mombamomban’ny fianakavianao ao amin’ny FamilySearch.org.

Mitady anaran’ny iray amin’ireo razambenao izay mbola mila ôrdônansy tontosaina any amin’ny tempoly.

Mangataka ray na reny na raibe na renibe iray hizara zavatra momba ny fiainan’izy ireo na momba ny razambeny.

Sahanasa fianarana azo atao

Ho an’ny fanavotana

Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanoratana ny teny hoe Fanavotana eny amin’ny solaitrabe.

Avy eo dia ampisehoy ny sarin-dry Martin sy Willie izay mpamaky lay nitondra sarety tarihin-tanana ary asao ny mpianatra hizara ny antsipiriany avy amin’ilay sary izay maneho ny filana famonjena. Na azonao atao ny manontany ny mpianatra ny zavatra fantany momba ilay zava-nitranga aseho eo amin’io sary io. Mety hanampy ity famintinana manaraka ity.

Mormon pioneers at Red Buttes Camp on October 19, 1856. The pioneers are trying to light a fire to cook with in heavy snow and wind. The painting is part of the exhibits at the Mormon Handcart Visitors' Center at Martin's Cove in Wyoming.

Nanomboka tamin’ny 1856 ka hatramin’ny 1860 dia Olomasin’ny Andro Farany an’arivony maro no nandeha nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake tamin’ny alalan’ny fampiasana sarety tarihin-tanana. Tamin’ny ôktôbra 1856 i Brigham Young no naniraka ireo mpanavotra mba hanampy ireo andian-tsarety tarihin-tanana nentin’i Martin sy i Willie izay mbola kilaometatra an-jatony maro kanefa efa nanakaiky faingana ny ririnina.

Ny Eveka W. Christopher Waddell ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nizara izao manaraka izao:

10:8
W. Christopher Waddell Official portrait 2017

Notantarain’ny olona iray tao amin’ny andiany notarihin’i Willie ny toe-javatra niainana nahakivy talohan’ny nahatongavan’ilay ekipa lehibe mpanavotra. Hoy izy nitantara: “Rehefa iny toa tsy hisy ho avotra iny intsony, … ary toa tsy nisy antony mbola tokony hiezahana ho velon’aina, dia namaly ny vavakay toy ny kotro-baratra nivoaka avy teo amin’ny lanitra manga Andriamanitra. Nisy vondrona mpamonjy voina, nitondra sakafo sy vatsy … , tazan’ny masonay. … Nisaotra an’ Andriamanitra izaitsizy tokoa izahay noho ny famonjena anay.”

Ireo mpanavotra ireo dia maherifo ho an’ireo mpamaky lay, izay nanao sorona ny ainy tao anatina toetrandro tena ratsy mba hitondra olona maro araka izay vitany hody soa aman-tsara. (“Mihoatra lavitra noho ny maherifo”, Liahona, nôv. 2023, 89)

  • Raha anisan’ireo mpamaky lay tafahitsoka ireo ianao dia ahoana no mety nandraisanao ireo mpamonjy voina maherifo ireo?

Hevero ny hampiseho ny sarin’ny iray amin’ireo razambenao. Azonao zaraina amin’ny mpianatra ny mombamomba io razambe io.

Family History/Genealogy

Torak’izany koa, ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mamporisika antsika hanavotra ireo razambentsika efa maty. Afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Ahoana no mety hilàn’ireo razambentsika efa maty famonjena tahaka ireo mpamaky lay nitondra sarety tarihin-tanana?

Raha ilaina dia azonao atao ny manazava fa mila ôrdônansy manan-danja isika rehetra mba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra, anisan’izany ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Tsy afaka mandray irery ireo ôrdônansy ireo ny razambentsika efa nodimandry. Nanomana lalana ho azy ireo ny Tompo mba handraisany ireo ôrdônansy ireo amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15).

Saintsaino izao manaraka izao:

  • Inona no tsapanao momba ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny mikasika ny tantaram-pianakaviana? Nahoana?

Mandritra ity lesona ity dia raketo izay fitaomam-panahy rehetra ka manampy anao hamantatra ireo fomba ahafahanao ho isan’ireo mpanavotry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho an’ireo razambenao.

Mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona

Hevero ny hanao sarina tendrombohitra sy tempoly tsotsotra ary asao ireo mpianatra hanao toy izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Omeo anarana hoe Tendrombohitra Ziona ilay sary. Avy eo dia fintino na vakio izao manaraka izao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ho an’i Obadia.

Simple drawing of the Salt Lake Temple with a mountain behnd it

Taorian’ny nambaboana an’i Jerosalema dia naminany ny mpaminany Obadia fa maro amin’ireo taranak’i Esao (ilay rahalahy kambana amin’i Jakoba mpaminany) no horavana noho ny faharatsiana. I Obadia koa dia naminany momba ny ezaka fanavotana ho an’ireo taranaka ireo sy ny maro hafa. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny “Tendrombohitra Ziona” ao amin’ity andininy ity dia mety hilazana ny tanànan’i Jerosalema sy ny tempoly ao aminy.

Vakio ny Obadia 1:17, 21,, dia tadiavo ireo teny izay mampahatsiahy anao ny tempoly.

Mety hanondro teny toy ny hoe fanafahana, fahamasinana, na mpamonjy ny mpianatra. Asao ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona” (Obadia 1:21).

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mpamonjy … ao an-tendrombohitra Ziona” (Obadia 1:21)?

Nanazava izao ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Official Portrait of Gerrit W. Gong.  Photographed in 2018.

Ny Tompo dia manome antsika fahafahana masina mba ho tonga tahaka Azy kokoa rehefa manolotra ireo ôrdônansin’ny tempoly isoloan-tena ho an’ny famonjena izay ilain’ny hafa kanefa tsy azony atao ho an’ny tenany manokana. Lasa feno sy tanteraka kokoa isika rehefa lasa “mpamonjy … [ao] an-tendrombohitra Ziona.” (“Sambatra sy mandrakizay”, Liahona, nôv. 2022, 85)

Azonao atao ny manazava fa ny hoe isoloan-tena dia midika hoe misolo tena olon-kafa.

Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valinteniny amin’ity fanontaniana manaraka ity eo ambanin’ny sarin’ny tempoly nataony.

  • Inona no ianaranao avy amin’i Obadia sy ny Loholona Gong momba ny fahatongavana ho “mpamonjy … ao an-tendrombohitra Ziona” (Obadia 1:21)?

    Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia afaka mizara ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Afaka ny hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy isika rehefa mitady ireo razambentsika sy manatanteraka ireo ôrdônansy ho an’ny famonjena ho azy ireo any amin’ny tempoly.

  • Ahoana no mety hampitovy kely ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambenao efa maty amin’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

    Azonao atao ny manazava fa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, ny Mpamonjy dia afaka nanavotra antsika tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana—zavatra izay tsy azontsika atao ho an’ny tenantsika (jereo ny Almà 34:8–12). Torak’izany koa, isika dia afaka manampy amin’ny fanavotana ireo razambentsika rehefa manatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena ho azy ireo—zavatra izay tsy azon’izy ireo atao ho an’ny tenany manokana.

  • Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy azontsika ampitomboina rehefa mahita ireo razambentsika sy manatanteraka ireo ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly isika?

Hanomboka

sary famantarana ny semineraZarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra ary asao izy ireo hisafidy tarehimarika eo anelanelan’ny 1 sy 4. Avy eo dia zarao ilay taratasy zaraina hoe “Fomba efatra handraisana anjara amin’ny asa fanompoana any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.” Asao ny vondrona tsirairay hamaky ny andiam-pehezan-teny izay mifanaraka amin’ny isa nosafidin’izy ireo ary avy eo dia hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana etsy ambany ao anatin’ny vondrona misy azy. Na azon’izy ireo atao ny mamaky ireo fomba efatra rehetra ary misafidy iray izay tian’izy ireo hifantohana.

nomerika ihany

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valinteniny manodidina ny sarin’ny tempoly nataon’izy ireo.

  • Inona avy ireo fomba azon’ny zatovo iray atao araka ny torohevitra naroson’ny Loholona Gong?

  • Inona avy no fomba hafa ahafahantsika mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana? (Azonao atao ny mampiditra zavatra niainanao na niainan’ny hafa.)

Asao ny mpianatra maromaro hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valinteniny manodidina ilay tempoly natao sary teny amin’ny solaitrabe. Mety hahita hevitra fanampiny ianao ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Family History Is for Everyone: 9 Fun Ways to Participate (Ny Tantaram-pianakaviana dia natao ho an’ny olon-drehetra: Fomba 9 mahafinaritra handraisana anjara),” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Raha misy ny fotoana dia ampiasao ny endrika fiasa ny Ordinances Ready (Ôrdônansy Vonona) ao amin’ny FamilySearch.org mba hampisehoana amin’ny mpianatra ny fomba famandrihana anarana ho an’ny tempoly.

  • Inona avy ireo fitahiana na traikefa nanananao rehefa nandray anjara tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ianao?

Ny tanjonao

Katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa manao tanjona ao amin’ny diarinao ianao mba hanao ny iray amin’ireo sosokevitra voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Afaka hanampy anao ireto hevitra manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba hoana ary rahoviana ianao no afaka manao asa mikasika ny tantaram-pianakaviana

  • Iza no afaka manampy anao

  • Ahoana no ahafahan’io tanjona io manampy anao hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy

Hevero ny hilaza fa paroasy sy sampana maro no manana mpanoro hevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay afaka manampy ireo mpianatra hanomboka handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Farano amin’ny alalan’ny fanehoana fa ianao dia matoky ny fahafahan’ny mpianatrao ho tonga mpanavotra sy “mpamonjy … ao an-tendrombohitra Ziona” (Obadia 1:21).