“Fiomanana ho any amin’ny tempoly: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fiomanana ho any amin’ny tempoly: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fiomanana ho any amin’ny tempoly
Fiomanana ho any amin’ny tempoly
Topimaso ankapobeny
Ny tempoly dia toerana masina natokana sy nohavahana amin’izao tontolo izao mba hanampiana antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny ivon’ny fitsaohantsika any amin’ny tempoly dia hita ao amin’ny zavatra voasoratra eo amin’ny tempoly tsirairay: “Ny tranon’ny Tompo.” Rehefa vonona sy mendrika ny hiditra ny tempoly isika dia manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra. Manana fahafahana ihany koa isika hiaraka amin’ny Mpamonjy amin’ny asany amin’ny maha- “mpamonjy” (jereo ny Obadia 1:21) rehefa mirotsaka amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ireto lesona ireto dia azo ampianarina amin’ny fotoana rehetra mandritra ny taom-pianarana na mandritra ny herinandro araka ny fandaminana ny fotoana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Misy zavatra vitsivitsy azo atao voatanisa etsy ambany ho an’ny lesona tsirairay manokana.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly
Sosokevitra momba ny fandaminana ny fotoana: Koa satria ity lesona ity dia hitrandrahana ireo zavatra nampanantenain’ny Tompo ny vahoakan’ny fanekempihavanany rehefa manorina trano ho Azy izy ireo, dia azonao atao ny mampianatra izany manodidina ny fotoana ampianarana ny “Lesona 52: Eksodosy 25; 35–40”; “Lesona 79: 1 Mpanjaka 6–9”; na ny “Lesona 155: Hagay.”
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitsaoka an’i Jesoa Kristy ao amin’ny tranony.
-
Fiomanan’ny mpianatra: Mba hanampiana ny mpianatra hiomana amin’ity lesona ity dia asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana izay azon’izy ireo, na ny hafa izay fantany tamin’ny alalan’ny fandehanana any amin’ny tempoly.
-
Votoatiny haseho: Kodiarana bisikileta, na zavatra hafa misy ivony miavaka; fandrefesana ho an’ilay fanombantombanan-tena ataon’ny mpianatra; sarin’ny tabernakely sy ny tempolin’i Solomona ao amin’ny Testamenta Taloha
-
Horonan-tsary: “A Symbol of Jesus Christ” (1:11)
The Laws of Obedience and Sacrifice
Sosokevitra momba ny fandrindrana fotoana: Ity lesona ity dia mampiasa ny Abrahama 3:24–25 mba hampianarana momba ny lalàn’ny fankatoavana sy ny Mosesy 5:4–9 mba hampianarana momba ny lalàn’ny fahafoizan-tena. Hevero ny fampianarana ity lesona ity manodidina ny “Lesona 3: Abrahama 3” na ny “Lesona 12: Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Tapany 2.”
Tanjon’ny lesona: Manampy ny mpianatra hahatakatra ireo lalàn’ny fankatoavana sy ny fahafoizan-tena izay ataontsika fanekempihavanana ny hitandrina azy ireo ao amin’ilay ôrdônansy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ity fanontaniana ity alohan’ny hidirana ao an-dakilasy: Ahoana no hitahian’ny fanaovana fanekempihavanana fanampiny amin’ny Ray any An-danitra ny fiainako?
-
Zavatra tokony hoentina: Lastika fanaovana fanatanjahantena telo ho an’ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana
-
Horonan-tsary: “Stronger and Closer Connection to God Through Multiple Covenants” (28:13) manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:13 hatramin’ny 5:44
-
Taratasy zaraina: “Ireo lalàn’ny fankatoavana sy ny fahafoizan-tena”
Miomana hiditra am-pahamendrehana ao amin’ny tempoly
Tanjon’ny lesona: Manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fahamendrehan’izy ireo hiditra ny tempoly masin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Mba hanampiana ny mpianatra hiomana hianatra misimisy kokoa momba ireo fitsipika napetraky ny Tompo mba hidirana ny tempoly dia asao izy ireo hamaky ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay hita ao amin’ny tovana ho an’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022]. Asao izy ireo ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’izay fanontaniana mety ananany momba ireo fitsipika ireo.
-
Fitaovana ilaina entina: Tahadikan’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ho an’ny mpianatra mba hamerenany mijery ireo fanontaniana apetraka mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.
-
Taratasy zaraina: “Ireo fanontaniana apetraka mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly”
-
Horonan-tsary: “Ny hitondra anao hiverina any Aminy no fikasan’ Andriamanitra” (11:34) manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:15 hatramin’ny 3:01
Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana
Sosokevitra momba ny fandrindrana fotoana: Ity lesona ity dia mampiasa andininy avy ao amin’ny Obadia mba hampianarana momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Azonao atao ny mampianatra ity lesona ity manodidina ny andiany ao amin’ny Avia , hanaraka Ahy izay hianarana ny Amosa sy Obadia ary Jona.
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hametraka tanjona mba hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao zavatra mifandray amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, toy ny iray amin’ireto manaraka ireto:
Mamorona kaonty ao amin’ny FamilySearch.org.
Mandany minitra vitsy hamantarana ny mombamomban’ny fianakavianao ao amin’ny FamilySearch.org.
Mitady anaran’ny iray amin’ireo razambenao izay mbola mila ôrdônansy tontosaina any amin’ny tempoly.
Mangataka ray na reny na raibe na renibe iray hizara zavatra momba ny fiainan’izy ireo na momba ny razambeny.
-
Votoatiny haseho: Sarin’ireo andian-tsarety mpisava lalana Martin na Willie izay nila fanampiana fatratra, sary maneho ireo razambe, sarina tendrombohitra sy tempoly
-
Horonan-tsary: “More Than a Hero” (10:12) manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:11 hatramin’ny 4:50
-
Taratasy zaraina: “Fomba efatra handraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana”