Seminera
Manao fanekempihavanana hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly: Ny fanekempihavanana hankatò an’ Andriamanitra sy hahafoy tena ho Azy


“Manao fanekempihavanana hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly: Ny fanekempihavanana hankatò an’ Andriamanitra sy hahafoy tena ho Azy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Manao fanekempihavanana hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly: Ny fanekempihavanana hankatò an’ Andriamanitra sy hahafoy tena ho Azy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana ho any amin’ny tempoly: Ireo lalàn’ny fankatoavana sy fahafoizan-tena: Lesona 202

Manao fanekempihavanana hitandrina ny lalàn’ny fanokanana isika ao amin’ny tempoly

Ny fanekempihavanana hankatò an’ Andriamanitra sy hahafoy tena ho Azy

youth attending temple

Tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra. Iray amin’ireo fomba hanehoan’ny Ray any An-danitra ny fitiavany ny fanasana ireo zanany hanao fanekempihavanana Aminy any amin’ny tempoly. Ireo fanekempihavanana ireo dia ahitana ny fampanantenana ataontsika hankatò ny lalàn’ny fankatoavana sy ny lalàn’ny fahafoizan-tena. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hahatakatra momba ny lalàn’ny fankatoavana sy fahafoizan-tena izay anaovantsika fanekempihavanana ny hitandrina izany mandritra ny fanafiana masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ity fanontaniana ity alohan’ny hidirana ao an-dakilasy: Ahoana no hitahian’ny fanaovana fanekempihavanana fanampiny amin’ny Ray any An-danitra ny fiainako?

Sahanasa fianarana azo atao

Ny tanjon’ireo tempoly

Atomboy amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hamantatra ny antony anirian’izy ireo hanao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ity lesona ity. Fomba iray hanaovana izany ity manaraka ity. Azonao atomboka izany amin’ny alalan’ny fahitana toe-javatra sarotra vitsivitsy mety hatrehan’ny olona eo amin’ny fiainana ka mety hitarika azy hanalavitra an’ Andriamanitra. Ny hevitra vitsivitsy amin’izany nyfisaraham-panambadiana, na aretina na fahaverezan’asa.

  • Nahoana ny toe-javatra sarotra sasany iainan’ny olona no mahatonga azy hanalavitra an’ Andriamanitra?

  • Nahoana no tena zava-dehibe tokoa mandritra ireny karazana toe-javatra ireny ny itoerantsika ho akaiky an’ Andriamanitra fa tsy manalavitra Azy?

Saintsaino ny fomba ahafahantsika miomana amin’ny fanambin’ny fiainana mba hitoetra ho akaiky an’ Andriamanitra sy handray ny fanampiany ary ny heriny.

Mitondrà lastika fanaovana fanatanjahan-tena telo ao an-dakilasy. Manasà mpianatra telo handroso eny anoloan’ny iray kilasy na hampiseho ireo sary nampiarahana tamin’ny lesona ary hamariparitra ny zavatra mitranga. Haodino hamatotra miaraka ireo hatotanan’ilay mpianatra voalohany ilay lastika voalohany. Haodino indroa hamatotra miaraka ireo hatotanan’ilay mpianatra faharoa ilay lastika faharoa. Avy eo dia haodino intelo hamatotra miaraka ireo hatotanan’ilay mpianatra fahatelo ilay lastika fahatelo.

Asao ny tsirairay amin’ireo mpianatra telo ireo mba hisintona hampihataka ny tanany hahitana hoe iza no afaka manao izany mora kokoa. Azonao atao ihany koa ny manontany ny iray kilasy hoe iza amin’ireo mpianatra telo no heverin’izy ireo fa afaka manaisotra mora foana ny tanany amin’ilay lastika.

Raha tsy izany dia azonao atao ny mizara ilay horonan-tsary hoe “Stronger and Closer Connection to God Through Multiple Covenants (Fifandraisana mafy orina sy akaiky kokoa amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana maro)”, manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:13 ka hatramin’ny 5:44 izay nanehoan’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity lesona ampiasàna zavatra azo tsapain-tanana ity tamin’ny tanora telo.

Hands With Exercise Band
  • Inona no ampianarin’ity lesona ampiasàna zavatra azo tsapain-tanana ity antsika momba ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba ahafahan’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra mitahy antsika:

Elder Dale G. Renlund takes an official portrait in 2021.

Ny fanekempihavanana tsirairay dia mampisy fifamatorana, mampanakaiky antsika kokoa sady manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

… Rehefa miatrika zava-tsarotra eo amin’ny fiainana isika dia mihena ny mety hisian’ny fanalavirana ny tenantsika amin’ Andriamanitra. (“Stronger and Closer Connection to God Through Multiple Covenants (Fifandraisana mafy orina sy akaiky kokoa amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana maro),” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young , 5 martsa 2024], 2, 3, speeches.byu.edu)

Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamantatra ny sasany amin’ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra.

Manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra isika ao amin’ny tempoly izay tafiditraao anatin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Ao anatin’ny fanafiana masina dia manao fanekempihavanana isika hitandrina ny lalàn’ny fankatoavana, ny fahafoizana, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny fahadiovam-pitondrantena, ary ny fanokanana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy Ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, 27.2). Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny lalàn’ny fankatoavana sy ny fahafoizana

Hevero ny hanasa mpianatra hanoratra izao manaraka izao ao amin’ny diarin’izy ireo: Ao anatin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika mba hiaina ny lalàn’ny fankatoavana sy ny lalàn’ny fahafoizana.

Ny lalàn’ny fankatoavana sy ny fahafoizana

sary famantarana ny seminera Ny taratasy zaraina miaraka amin’izany, “Ny lalàn’ny fankatoavana sy ny fahafoizana”, dia natao mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ireo lalàna ireo. Ireto manaraka ireto dia fomba vitsivitsy ahafahan’ny mpianatra mamita ilay taratasy zaraina:

1. Azon’ny mpianatra atao ny miasa tsiroaroa, ka ny mpiara-miasa tsirairay dia maka fizarana iray mba hovitaina. Avy eo dia afaka mifampizara ny zavatra izay nianarany izy ireo.

2. Afaka miasa samirery ny mpianatra ary misafidy fizarana iray tiany hovitaina. Rehefa avy nahavita ilay fizarana izy ireo dia afaka mitady olona iray izay nandalina fizarana hafa ary mizara ny zavatra nianarany.

3. Azo atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona misy olona telo. Avy eo dia afaka omena ny iray amin’ireo fanontaniana telo momba ny fankatoavana ny mpianatra tsirairay mba hovaliany. Rehefa avy nifanakalo hevitra momba izay nianarany momba ny fankatoavana izy ireo dia afaka manao toy izany koa ho an’ny fahafoizan-tena.

Ny zavatra nianarako

Afaka manamafy ireo fahamarinana nianaran’ny mpianatra ny Fanahy Masina rehefa mizara zavatra niainana sy fijoroana ho vavolombelona izy ireo. Asao ny mpianatra hizara zavatra niainana manokana na hieritreritra olona iray izay ohatra amin’ny fankatoavana na amin’ny fahavononana hanao fahafoizana ho an’ny asan’ny Tompo. Mety hanampy ny mizara traikefan’ny tena manokana na ohatra. Azo ampiasaina ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mizara traikefa ny mpianatra, na mandritra ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy, na mba hamalian’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

  • Ahoana no ahafahan’ny fankatoavana ireo lalàn’ny fankatoavana sy ny fahafoizana manampy antsika hanahaka kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanaovana fanekempihavanana hankatò ireo lalàna roa ireo ao amin’ny tempoly manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy hanamafy orina ny fifandraisantsika Aminy?