Seminera
I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly: “Dia honina eo aminy Aho”


“I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly: -Dia honina eo aminy Aho-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly: -Dia honina eo aminy Aho-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana ho any amin’ny tempoly: Lesona 201

I Jesoa Kristy no ivon’ny fitsaohana rehetra any amin’ny tempoly

“Dia honina eo aminy Aho”

Salt Lake temple at sunset

Ny tempoly dia toerana masina notokanana sy misaraka amin’izao tontolo izao mba hanampiana antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny ivon’ny fitsaohantsika dia hita ao amin’ny izay voasoratra amin’ny tempoly tsirairay: “Ny tranon’ny Tompo.” Ny zavatra rehetra ao amin’ny tempoly dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hanakaiky an’i Jesoa Kristy ao an-Tranony.

Fiomanan’ny mpianatra: Mba hanampiana ny mpianatra hiomana amin’ity lesona ity dia asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana izay azon’izy ireo, na ny hafa izay fantany tamin’ny alalan’ny fandehanana any amin’ny tempoly.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny ivon’ny fitsaohana any amin’ny tempoly

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana kodiaram-bisikileta na zavatra hafa izay manana ivony miavaka. Azonao amboarina miainga avy amin’ilay zavatra nosafidinao haseho ny fanontaniana.

Bicycle tire wheel isolated on white background.
  • Nahoana no zava-dehibe ny ivon’ny kodiaram-bisikileta iray?

  • Inona no ho fiantraikan’ny fanesorana ny ivon’ny kodiarana amin’ny tanjona ilana ny kodiarana?

Raha niresaka momba ny tempoly ny Loholona Allen D. Haynie ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Official Portrait of Elder Allen D. Haynie.  Photographed in March 2017.

[I Jesoa Kristy] no antony ahatongavantsika any amin’ny tempoly. Izy no irin’ny Raintsika any An-danitra hihaonantsika any amin’ny tempoly. Izy no ivon’ny tandindona rehetra, ny ôrdônansy rehetra, ny fanekempihavanana rehetra, ary ny fitahiana rehetra antenaina any amin’ny tempoly. Ny fikatsahana an’i Jesoa ao amin’ny tempoly dia manome fahafahana antsika hahatakatra ny antony mahatonga antsika ho ao amin’ny tempoly sy ny antony tokony hiverenantsika indray. (“Meeting Jesus in the House of the Lord,” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young , ôkt. 10, 2023], 6, speeches.byu.edu)

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fitadidiana fa ny Mpamonjy no ivon’ny zavatra rehetra ataontsika any amin’ny tempoly amin’ny zavatra iainanao any?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa sady trano tsara tarehy aza ny tempoly no mampanakaiky antsika kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny zavatra mitranga ao anatin’ny tempoly.

Mba hanehoana bebe kokoa io hevitra io dia azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “A Symbol of Jesus Christ” (Tandindon’i Jesoa Kristy) (1:11)).

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany momba ny tempoly dia hevero ny hampiseho ireto mari-drefy sy toromarika manaraka ireto.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ny maridrefy nomena, dia eritrereto ny fomba handaharanao ny fanekenao ireto fanambarana tsirairay manaraka ireto:

  • Ny tempoly dia toerana hahatsapako ho akaikin’i Jesoa Kristy.

  • Maniry ny hanamafy orina ny fifandraisako amin’ny Mpamonjy ao amin’ny tranony masina aho.

Soraty mandritra ny lesona anio ireo fahatsapana izay mety ho azonao avy amin’ny Fanahy ka hampitombo ny fanirianao ho ao amin’ny tempoly.

Ny Tempoly ao amin’ny Testamenta Taloha

Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny tanjon’ny tempoly amin’ny fampiasana ny Testamenta Taloha dia hevero ny hanoratra ny hoe “Ny tabernakely” sy ny hoe “tempolin’i Solomona” eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny mampiseho ny sarin’ireo trano ireo izay nampiarahina tamin’ny lesona ka manasa ny mpianatra hanandrana hampifandray ilay sary amin’ilay anarana ary hizara ny zavatra fantany momba ny tsirairay amin’izany.

Raha manampy dia azonao atao ny mizara izao manaraka izao:

Ny tabernakely no tranon’ny Tompo voalohany, na tempoly, izay voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha (manodidina ny 1300 taona talohan’i JK). Trano azon’ny Isiraelita nolanjaina izany raha nandeha tany an-tany foana izy ireo. Ny tempolin’i Solomona dia tranon’ny Tompo izay tsy azo nafindra izay naorina tao Jerosalema (manodidina ny 1000 taona talohan’i JK). Taty aoriana dia rava sy naorina indray ny tempoly (manodidina ny 500 taona talohan’i JK). Isaky ny nandidy ny vahoakany hanorina trano ho Azy ao amin’ny Testamenta Taloha ny Tompo dia fampanantenana mitovy no nomeny.

Azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona misy olona telo ary manasa ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona mba hamaky sy hanao tatitra momba ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny tanjon’ny Tompo ho an’ny tempoly dia azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hampifandray ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ny vahoakan’ny fanekempihavanany raha toa ka manorina trano ho Azy izy ireo.

  • Eksodosy 25:8 (tabernakely)

  • 1 Mpanjaka 6:12–13

  • Hagay 2:7

    Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Ny vondrona tsirairay dia afaka mamintina fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andalan-tsoratra masina telo ireo ka azo ampiharina amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao.

    Ny mpianatra dia mety hahita zavatra mitovy amin’ny hoe nandidy ny olony hanangana tempoly ny Tompo mba hahafahany mitoetra eo anivon’izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe afaka “mitoetra” eo anivontsika amin’ny alalan’ny tempoly ny Tompo?

Ny hoe “mitoetra” eo anivontsika dia mety midika hoe mahatsapa ny fanatrehany sy ny heriny, lasa mahafantatra Azy tsara kokoa, ary manamafy orina ny fifandraisantsika Aminy.

Ireo fitahiana avy amin’ny fitsaohana ny Tompo ao an-tranony

Ny fomba iray ahitantsika porofo fa ny Tompo dia mitoetra eo anivontsika ao amin’ny tranony dia amin’ny alalan’ireo fitahiana omeny antsika rehefa mankao amin’ny tempoly isika.

  • Inona avy araka ny eritreritrao ireo fitahiana hitanao, na mety ho tonga, avy amin’ny fitsaohana ny Tompo ao an-tranony?

Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.

Ny fandalinana ity teny nambara manaraka ity dia manampy ny mpianatra hamantatra ireo fitahiana fanampiny izay azo avy amin’ny fitsaohana ny Tompo ao an-tranony. Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa. Asao izy ireo hiaraka hamaky an’ilay fanambarana ary hamaly ny fanontaniana miaraka amin’izany.

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

[I]reo izay manompo sy mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo … dia afaka manantena ny hahazo valim-bavaka, fanambarana ho an’ny tena manokana, finoana lehibe kokoa, hery, fampiononana, fitomboana fahalalana, ary fitomboana hery izy ireo.

Hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy sy hahatakatra tsikelikely momba ny tena maha-izy anao sy izay olona mety hahatongavanao ary ny karazana fiainana mety ho azonao mandrakizay ny fotoana lany ao amin’ny tempoly. Ny fitsaohana tsy tapaka any amin’ny tempoly dia hanatsara ny fomba fijerinao ny tenanao sy ny anjara toeranao eo amin’ny drafitra mahatalanjon’ Andriamanitra. Mampanantena anao an’izany aho.

… Ry rahalahy sy ranabavy malalako, indro ny fampanantenako. Tsy misy na inona na inona hanampy anareo kokoa hifikitra mafy amin’ilay anja-by mihoatra noho ny fitsaohana tsy tapaka ao amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-java-misy iainanareo. Tsy misy na inona na inona hiaro anareo kokoa rehefa tojo ny zavon’ny haizin’izao tontolo izao ianareo. Tsy misy na inona na inona hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany na hanampy anareo hahatakatra kokoa ny drafitr’ Andriamanitra mahatalanjona. Tsy misy na inona na inona hampitony kokoa ny fanahinareo mandritra ny fotoam-pahoriana. Tsy hisy hanokatra ireo lanitra kokoa. Tsy misy! (“Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana”, Liahona, mey 2024, 121, 122)

  • Inona avy ireo fitahiana nampanantenain’ny Filoha Nelson izay tena mifanaraka amin’ny filàn’ny zatovo?

  • Inona, raha misy, amin’ireo fitahiana avy amin’ny Tompo ireo no efa niainanao na ny olona iray fantatrao?

Rehefa avy nomena fahafahana hifanakalo hevitra tsiroaroa momba ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia azonao atao ny manasa ny sasany amin’izy ireo hizara ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra mikasika izay fanontaniana mety hananany momba ny fitahiana.

Manao izany ho an’ny tena manokana

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny lanjan’ireo fitahiana ireo dia omeo fahafahana izy hanoratra ny valinteniny amin’ny iray na izy rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diariny. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra izay vonona hizara ny zavatra nosoratany.

  • Amin’ny fomba ahoana no nahatsapanao ho akaiky kokoa ny Tompo tao amin’ny tempoly?

  • Amin’ny fomba ahoana no niainanao ireo fitahiana voatanisa vokatry ny fandehanana tany amin’ny tempoly?

Misafidiana iray amin’ireo fitahiana voatanisa izay tianao horaisina.

  • Nahoana ianao no mahatsapa fa afaka mampiasa io fitahiana io eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?

Hevero ny hamarana amin’ny fijoroana ho vavolombelona na amin’ny zavatra niainana manokana momba ireo fomba ahafahantsika mahatsapa ho akaikin’ny Tompo ao amin’ny tranony masina.