Seminera
Miomana hiditra ny tempoly amim-pahamendrehana: Ny Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly


“Miomana hiditra ny tempoly amim-pahamendrehana: Ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Miomana hiditra ny tempoly amim-pahamendrehana: Ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana ho any amin’ny tempoly: Lesona 203

Miomana hiditra ny tempoly amim-pahamendrehana

Ny fahazoan-dalana hidirana ny Tempoly

Youth entering Louisville Kentucky Temple with Family History Cards

Tao anatin’ny taona vitsivitsy vao tsy ela ny Tompo no nanafaingana ny fanorenana tempoly manerana izao tontolo izao. Ankehitriny mihoatra noho ny teo aloha dia manana fahafahana lehibe kokoa hiditra ny tranony masina ireo mpikamban’ny Fiangonany rehefa vonona sy mendrika ny hanao izany izy ireo. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fahamendrehany hiditra ny tempoly masin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Mba hanampiana ny mpianatra hiomana hianatra misimisy kokoa momba ireo fitsipika napetraky ny Tompo mba hidirana ny tempoly dia asao izy ireo hamaky ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay hita ao amin’ny tovana ho an’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022]. Asao izy ireo ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’izay fanontaniana mety ananany momba ireo fitsipika ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mendrika ho an’ny Tompo

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ireo fenitry ny Tompo hidirana ny tranony dia azonao atao ny manasa azy ireo hieritreritra ny valinteniny amin’ny iray na maromaro amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Iza no mendrika aminao mba:

    • Hanatanteraka fandakam-baolina manan-danja? Nahoana?

    • Hanampy anao hianatra amin’ny fitsapam-pahaizana iray ho avy? Nahoana?

    • Hihira samirery? Nahoana?

    • Hanoro lalana anao? Nahoana?

Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara traikefa iray nolalovany rehefa nitsidika ny rafozan-dahiny rehefa izy akaiky ho faty iny. Rehefa tonga namangy ny Loholona Rasband dia teo an-dalam-podiana ny evekan’ny rafozan-dahiny. Notantarainy ny zavatra nitranga taorian’izay:

Official Portrait (as of June 2016) of Elder Ronald A. Rasband of the Quorum of the Twelve Apostles.

Nolazaiko i Blaine [rafozan-dahiny] hoe: “Mahafinaritra ery fa tonga mitsidika anao ny eveka.”

Nijery ahy i Blaine ary namaly hoe: “Tsy izay fotsiny ihany. Nangataka ny eveka aho mba ho avy satria te hanao dinidinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Tiako ny handao ny tany rehefa mendrika ho an’ny Tompo aho.” Dia izany tokoa no nitranga! (“Mendrika ho an’ny Tompo”, Liahona, nôv. 2020, 23)

  • Midika inona aminareo ny hoe “mendrika ho an’ny Tompo”?

Raha tsy voalazan’ny mpianatra izany dia azonao atao ny mizara fa ao anatin’ny drafitra be fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany, Izy sy i Jesoa Kristy Mpamonjy dia efa nanorina fenitra mba hidirana ny tempoly. Ny fanarahana ireo fenitra ireo dia manome lalana antsika mba hidirana amim-pahamendrehana ny tranon’ Izy Ireo.

Rehefa mandalina isika anio, dia henoy tsara ireo fahatsapana sy eritreritra izay mety ho tonga ao an-tsainao sy ao am-ponao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3). Izany no fomba ahafahan’ny Fanahy Masina sady manampy anao hamantatra ny zavatra ataonao tsara, no fomba ahafahanao manatsara ny ezaka ataonao mba hanarahana ny fenitr’Izy Ireo mba hidirana amim-pahamendrehana ao an-tranon’Izy Ireo.

Miditra ny tempoly mba hitsaoka ny Tompo

Ireto fanambarana sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahita fa ny Tompo dia nanorina fenitra mba hidirana ao amin’ny tranony masina. Hevero ny handamina ireo mpianatra ho vondrona misy olona telo ary ataovy mamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpikambana tsirairay ao amin’ilay vondrona.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity sy ireo soratra masina voatanisa etsy ambany, ary tadiavo ny zavatra azonao ianarana momba ny fidirana ao amin’ny tranon’ny Tompo:

Official Portrait (as of June 2016) of Elder Ronald A. Rasband of the Quorum of the Twelve Apostles.

Ny tempoly no tranon’ny Tompo ary toerana masina hialana amin’izao tontolo izao. Ny Fanahiny dia manenika ireo izay mitsaoka ao anatin’ireo rindrina masina ireo. Izy no mametraka ny fenitra ahafahantsika miditra ho vahininy. (“Mendrika ho an’ny Tompo”, Liahona, nôv. 2020, 23)

Salamo 24:3–4 (“tendrombohitr’i Jehovaha” dia afaka maneho ny tempoly)

Jeremia 7:1–3 (i Jeremia no mpaminany nandritra ny fotoanan’ny faharatsiana tao Joda.)

Ezekiela 44:4–5, 9 (“diniho tsara” ao amin’ny andininy 5 dia mety midika hoe “mifantoka amin’ny”; Ny hoe “tsy mifora fo” ao amin’ny andininy 9 dia mety midika hoe tsy miala amin’ny fahotana sy amin’izao tontolo izao)

  • Inona avy ireo fahamarinana mikasika ny fidirana ao amin’ny tranon’ny Tompo izay azontsika ianarana avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona Rasband sy ireo andinin-tsoratra masina ireo?

    Mety hahita karazana fahamarinana maro ny mpianatra, toy ny hoe:

    Mametraka ireo fenitry ny fahamendrehana hidirana ny tranony ny Tompo.

    Nanome torolalana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ny Tompo mba hakana antoka fa miditra ny tranony amim-pahamendrehana isika.

    Azonao atao ny manazava fa na dia asaina hiomana handeha ho any amin’ny tempoly aza ny olona rehetra dia tsy maintsy mahafeno ny fenitry ny fahamendrehan’ny Tompo isika vao miditra ao an-tranony.

  • Ahoana no porofon’ny fitiavany sy ny faniriany ho antsika ny fenitry ny Tompo mba hidirana ao amin’ny tempoly?

Rehefa mamaly ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fa ny fiainana ireo fitsipiky ny Tompo dia manampy antsika ho tonga tahaka Azy, ka ahafahantsika mahita ny zavatra ataontsika tsara eo amin’ny ezaka ataontsika hanatonana Azy, ary hitahy antsika amin’ny Fanahiny sy ny fiadanany.

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny zavatra fantatr’izy ireo momba ireo zavatra takin’ny Tompo mba hidirana ao an-tranony dia asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny tovana ho an’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022] ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Raha tsy izany dia azonao atao ny mizara tahadikan’ny boky torolalana, pejy 36–37 avy ao amin’ny Boky torolalana Ho zatovo mahery! na manoratra mivantana ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.

Mitodiha any amin’ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay hita ao amin’ny tovana ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022] ary ataovy izao manaraka izao:

  1. Vakio ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ary saintsaino (1) raha takatrao ny zavatra anontanian’ireo fanontaniana sy (2) ny fomba ahafahan’ny fiainana ireo fenitra ireo manomana antsika hiditra ao amin’ny trano masin’ny Tompo.

  2. Misafidiana iray amin’ireo fanontaniana izay tianao hofantarina kokoa.

sary famantarana ny semineraZarao amin’ny mpianatra tsirairay ny tahadikan’ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly”. Asao izy ireo hanoratra ilay fanontaniana hitan’izy ireo tao amin’ilay efajoro ery amin’ny farany ambony amin’ilay taratasy zaraina. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mameno ny ambin’ilay taratasy zaraina. Ny fanampiana fanampiny amin’ny fahatakarana ny sasany amin’ireo fanontaniana dia hita ao amin’ny fizarana Loharanom-pitaovana fanampiny ato amin’ity lesona ity ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ireo hevi-baovao azony avy amin’ny Fanahy Masina tamin’ny fandalinany. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fandaminana azy ireo ho vondrona kely ary manasa ny olona tsirairay hizara ny zavatra nianarany avy amin’ny fandalinany. Azon’izy ireo atao ny manazava ny fomba nanampian’ny zavatra hitan’izy ireo azy ireo hahatakatra ireo fenitry ny Tompo mba hidirana ao an-tranony. Amporisiho ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ireo hevi-baovao nianaran’izy ireo avy amin’ny mpiara-mianatra aminy ao ambadiky ny taratasy zaraina.

  • Ahoana no ahafahan’ny fiainana ireo fenitry ny Tompo hidirana ny tranony manampy antsika hitovy Aminy kokoa?

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-porofon’ny fitiavany an’ireo fenitra ireo?

Fandinihana ataon’ny tena manokana

Rehefa misaintsaina ny fahamendrehany hiditra ny tempoly ny mpianatra dia eritrereto ny mety ho fahatsapana ananan’ny mpianatrao. Inona avy ireo ahiahy mety hananan’izy ireo? Ahoana no ahafahanao miomana hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny fahatokiana omen’ny Mpamonjy fa izy ireo dia afaka ny ho mendrika amin’ny alalany? Ny famakiana ity teny nambara manaraka ity dia fomba iray hanampiana ny mpianatra hahatsapa fanantenana fa afaka miditra amim-pahamendrehana ny tranon’ny Tompo miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy izy ireo.

Ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny halehiben’ny fanirian’ny Raintsika any An-danitra mba hahafahan’ireo zanany miditra ao amin’ny fanjakany. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny zavatra zarainy mihatra ihany koa amin’ny fanirian’ny Tompo mba hahafahan’ny zanany miditra ao amin’ny tranony masina.

11:35
Official Portrait of Patrick Kearon.

Ry namako, ry mpanara-dia namako eo amin’ny araben’ny fiainana an-tany, ny drafitra mahafinaritra an’ilay Raintsika, dia ilay drafitra “mahavariana[ny]” izany, dia novolavolaina mba hitondrana anao hiverina any Aminy, fa tsy hanakana anao tsy hiditra akory. Tsy misy na iza na iza nametraka sakan-dalana ary nijoro teo hamerin-dalana anao sy handroaka anao. Ny mifanohitra amin’izany aza no misy raha ny tena marina. Tsy mitsaha-mikatsaka anao Andriamanitra. “[Tiany] ny zanany rehetra hisafidy ny hiverina any Aminy”, ary manao izay fomba rehetra azo tanterahina Izy hamerenana anao. (“Ny hitondra anao hiverina any Aminy no fikasan’ Andriamanitra”, Liahona, mey 2024, 87) (mari-potoana 2:16 hatramin’ny 3:01)

Ataovy izay hananan’ny mpianatra fotoana ampy hanaovana ity fandinihana manaraka ity.

Diniho ny fahamendrehanao manokana hiditra ny tranon’ny Tompo. Fomba iray ahafahanao manao izany ny mamerina mamaky ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy mamly amim-pahanginana ny tsirairay avy amin’izany. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao na ao ambadiky ny taratasy zaraina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no eritreretinao fa tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho fantatrao, sy ho tsapanao, na hataonao?

Amporisiho ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba ho lasa mendrika hiditra ny tempoly sy ny fahavononan’ny Mpamonjy hanampy antsika hiomana hiditra ny tranony.