“Hagay: -Hevero ny làlanareo-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Hagay: -Hevero ny làlanareo-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Hagay 1–2; Zakaria 1–4; 10–14: Lesona 155
Hagay
“Hevero ny làlanareo”
Eo amin’ny fiainantsika izay tototra zavatra atao, ahoana no ahafahantsika manokana fotoana ho an’ny Tompo sy ireo zavatra asainy ataontsika? Afaka mahazo tombontsoa isika avy amin’ny fanarahana ny fanasan’ny Tompo ny Jiosy mba hihevitra ny lalantsika (Hagay 1:5) mikasika ny fomba hanokanana fotoana ho Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao ny lisitr’ireo zavatra fanaon’izy ireo mandritry ny tontolo andro iray. Azon’ny mpianatra atao ny manisy soratra famantarana eo amin’ireo zavatra izay tsapan’izy ireo ho manan-danja indrindra ary saintsaino ny antony iheveran’izy ireo ireo zavatra ireo ho manan-danja. Azon’izy ireo entina ao an-dakilasy ny lisitra nataon’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Mametraka ny Tompo ho lohalaharana
Ity lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana manaraka ity dia hita ao amin’ny lahatsoratra “Making Good Use of Your Time [Mampiasa tsara ny fotoana anananao]” (New Era, Jolay 2020, 34–35).
Alohan’ny fotoam-pianarana dia fenoy vato ny tavoara iray dia ampio fasika eny amin’ny tampony, ahontsankontsano izany mba hifatratra. Izany dia mba hakana antoka fa manana fasika ampy hamenoana ilay tavoara ianao. Avy eo dia saraho indray ny fasika sy ny vato. Mitondrà tavoara sy fasika ary vato ao an-dakilasy. Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia asehoy ny mpianatra ireo zavatra ireo, ary hazavao fa ilay tavoara dia maneho ny fotoanantsika, ireo vato no laharam-pahamehantsika, ary ny fasika no ireo asa ataontsika isan’andro.
-
Inona avy ireo zavatra andanianao fotoana isan’andro?
-
Inona avy ireo zavatra angatahan’ny Tompo antsika mba hatao laharam-pahamehana?
Mety hamaly ilay fanontaniana faharoa ireo mpianatra amin’ny alalan’ny valiny toy ny fandalinana soratra masina, vavaka, fotoana iarahan’ny mpianakavy, asa fanompoana, sns. Hevero ny hanoratra ny valintenin’ny mpianatra eo amin’ireo vato.
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny lanjan’ny fanaovana laharam-pahamehana dia fenoy fasika aloha ilay tavoara. Avy eo dia andramo ampidirina ireo vato, izay tsy ho omby ao. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahana mampiditra izany. Esory indray izay ao anatin’ilay tavoara dia andramo indray. Ampidiro aloha ireo vato dia avy eo ny fasika, ahontsankontsano ilay tavoara avy eo mba hamenoana ireo banga rehetra.
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’io lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana io?
-
Nahoana no mety ho sarotra ny manokana fotoana ho an’ny Tompo sy ireo zavatra asainy ataontsika isan’andro?
Rehefa mandalina ny Hagay ianao dia mitadiava fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba ahafahan’ny Tompo mitahy ny fiainanao rehefa manokana fotoana ho Azy ianao.
Manorina indray ny tempoly
Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny sahan-kevitry ny Hagay dia hevero ny hizara ity famintinana manaraka ity.
Taorian’ny niverenan’ny Jiosy tany Jerosalema avy tany amin’ny fahababoana tao Babylona, dia nanao ezaka lehibe izy ireo mba hanorenana indray ny tempolin’izy ireo, ny tanànany, ny tokantranony ary ny fiainany (jereo ny Ezra 1:1–6). Saingy rehefa lasa ny 15 taona teo ho eo, dia tsy faly ny Tompo fa tsy nataon’izy ireo ho laharam-pahamehana ambony kokoa ny hananganana indray ny tempoly (jereo ny Ezra 4:24; Hagay 1:3–4). Nandefa an’i Hagay mpaminaniny Izy mba handresy lahatra ny vahoaka hanao ho laharam-pahamehana ny fananganana ny tranon’ny Tompo.
Vakio ny Hagay 1:2–4, ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay mampiseho fa tsy nifantoka tamin’ny fanorenana indray ny tempoly ny Jiosy.
Azonao atao ny manazava fa ny hoe “valin-drihana” dia midika hoe voaravaka. Mety hilaza izany fa raha navelan’ny vahoaka ho tsy vita ny tempoly, dia nanangana trano tsara sy voaravaka ho azy ireo manokana kosa izy ireo.
-
Ahoana no ifandraisan’ireo andininy ireo amin’ilay lesona nampiasana zavatra azo tsapain-tanana?
Vakio ny Hagay 1:5–11, dia tadiavo ireo voka-dratsy natrehan’ny Jiosy noho ny fanaovan’izy ireo ho laharam-pahamehana zavatra hafa fa tsy ny fananganana indray ny tempoly.
-
Inona avy ireo voka-dratsy sasantsasany mety hiainantsika raha tsy manao ho laharam-pahamehana ny Tompo eo amin’ny fiainantsika isika?
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanondro na hanisy marika ilay andian-teny miverimberina ao amin’ny andininy 5 sy 7.
-
Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo holazaina rehefa nanasa ny vahoaka Izy mba hihevitra ny lalan’izy ireo? (Hagay 1:5, 7)
“Hatramin’izao andro anio izao no hitahiako anareo”
Hevero ny hamaky na hamintina ity andiam-pehezanteny manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tohin’ilay tantara.
Nankatò ny feon’ny Tompo ny Jiosy sy ny mpitarika azy ireo. I Zerobabela (ilay governora) sy i Josoa (ilay mpisorona avo) dia nitarika ny ezaka mba hananganana indray ny tempoly (jereo ny Hagay 1:12–14). Nanampy ihany koa ny mpaminany Hagay (jereo ny Ezra 5:1–2). Rehefa niasa izy ireo dia nanolotra teny fampaherezana ny Tompo.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana tsy feno ity: Raha mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika isika …
Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona telo, ka ny vondrona tsirairay dia mamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto.
Vakio ny iray na ny maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ny famporisihana avy amin’ny Tompo izay afaka mameno ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe:
Hagay 2:4–5
Hagay 2:6–9
Hagay 2:18–19
Azon’ny mpianatra atao ny mankeny amin’ny solaitrabe ary manoratra ny fomba hamenoan’izy ireo ilay fehezanteny. Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ny zavatra mety hosoratany:
… dia homba antsika Izy.
… dia hanome fiadanam-po antsika Izy.
… dia hitahy antsika ara-panahy sy ara-batana Izy.
Mba hahitana fitahiana fanampiny izay azontsika raisina amin’ny alalan’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana dia azon’ny mpianatra vakina ny Môzià 2:41 sy ny 3 Nefia 13:31–33. Azonao atao avy eo ny manoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona amin’ireo fitahian’ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo no tena tianao indrindra? Nahoana?
Ampio ny mpianatra hamantatra ireo fomba ahafahan’izy ireo mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana mba hanasana ireo fitahiana avy Aminy. Raha tsy nampiseho ilay horonan-tsary “The Soul’s Sincere Desire [Ny faniriana marin’ny fanahy]” (3:28) ianao tamin’ny nampianatra ny Lesona 93: “Nehemia”, dia hevero ny hampiseho izany manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 2:01. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady ireo fomba ahafahan’izy ireo mamaly ireo fanontaniana etsy ambany.
Raha tsy izany, dia azonao atao koa ny mizara ity rafi-tantara manaraka ity. Avy eo ny mpianatra dia afaka mamaly ireo fanontaniana miaraka amin’izany ao anatina vondron’olon-droa, na anaty vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy.
Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray antsoina hoe Alex ianao izay mahatsapa fa tsy manana fotoana hanaovana an’ Andriamanitra ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany. Heniky ny fianarana sy namana ary fialamboly ireo androny, ka mahatonga azy ho reraka sy tsy vonona ny hanao zavatra ara-panahy izany. Hitany fa mila miova izy saingy tsy mahafantatra izay tokony hatao.
-
Inona no torohevitra mety homenao an’i Alex hanampiana azy hanao an’ Andriamanitra ho lahalaharana?
-
Ahoana no mety hitahian’ Andriamanitra azy noho ny fametrahana Azy ho lohalaharana?
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia azonao atao ny mampiseho ny ambin’ny “The Soul’s Sincere Desire” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:02 ka hatramin’ny 3:28, ka asao ny mpianatra hitady ny zavatra ataon’i Alex mba hiovana.
3:29 -
Inona koa no torohevitra hafa homenao olona iray izay mahatsapa fa tsy afaka mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany noho izay mety ho antony hafa?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ Andriamanitra anao na ny hafa izay fantatrao tamin’ny fametrahana Azy ho lohalaharana?
Manaova drafitra
Ity fizarana ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany. Asehoy ity teny nambara manaraka ity.
Zarao ity fanasana nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:
Averiko ny fananarana nataon’ny Tompo tamin’ny vahoakany nafahana tamin’ny alalan’i Hagay ilay mpaminanin’ny Testamenta Taloha: “Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny lalanareo” [Hagay 1:5].
Tokony hanombatombana amin-kitsim-po sy amim-bavaka ny laharam-pahamehantsika ara-nofo sy ara-panahy isika tsirairay avy mba hahitana ireo zavatra eo amin’ny fiainantsika izay mety manakana ireo fitahiana miavosa izay tian’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy harotsaka amintsika. Ary azo antoka fa hanampy antsika hahita ny tenantsika araka ny tena izy ny Fanahy Masina. (“Tafio ny herinao, ry Ziona ô”, Liahona, nôv. 2022, 94)
Manaova asa araka ilay fanasan’ny Tompo manao hoe “hevero ny lalanareo” (Hagay 1:5, 7) amin’ny alalan’ny fisaintsainana ireo laharam-pahamehanao manokana. Saintsaino raha toa ka misy zavatra ilainao atao laharam-pahamehana na esorinao eo amin’ny fiainanao mba hanasana ireo fitahiana mahavonona ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny hanome azy ireny anao.
Apetaho ao anatin’ny diarinao ny tavoara iray misy vato, ary soraty eo amin’ireo vato ny fanoloran-tena izay hataonao mba hanaovana an’ Andriamanitra ho laharam-pahamehana aminao. Manaova sarina fasika eo ivelan’ilay tavoara ary petaho ny anaran’ireo zavatra tianao hofoanana izany. Misafidiana vato iray na roa ary manaova drafitra hoe inona, rahoviana, ary ahoana no hanatanterahanao ireo fanoloran-tena ireo.
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao na ny eritreritrao momba ireo fitahiana omen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mametraka Azy Ireo ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika isika.