“Zakaria 10–14: Hisy andron’i Jehovah ho avy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Zakaria 10–14: Hisy andron’i Jehovah ho avy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Hagay 1–2; Zakaria 1–4; 10–14: Lesona 157
Zakaria 10–14
Hisy andron’i Jehovah ho avy
Amin’ny alalan’ireo mpaminaniny no hanambaran’ny Tompo antsipiriany momba ireo zavatra hitranga amin’ny ho avy mba hahafahantsika mamantatra sy miandrandra azy ireo amim-pahatokiana. Naminany i Zakaria fa hiverina ny Mpamonjy ka hiaro ny olony amin’ireo firenena nivondrona mba hiady amin’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fahatokian-tena fa homba azy ireo ny Mpamonjy mandritra ireo tranga mialoha ny Fiaviana Fanindroany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Seconde venue de Jésus-Christ” ao amin’ny Sujets et questions (Médiathèque de l’Évangile). Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na ny fanontaniana ananan’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Fiandrandrana ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hieritreritra ireo tranga lehibe sasany izay antenain’izy ireo amin’ny hoavy, toy ny hoe mandeha manao fialan-tsasatra, na manao asa fitoriana, na manambady. Asao izy ireo hizara ny fahatsapany momba ireo tranga ireo.
Avy eo dia mampisehoa sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Asao ny mpianatra hitanisa teny maromaro eny amin’ny solaitrabe izay mety haneho ny zavatra mety ho tsapan’ny olona momba io tranga io. Mety ho tafiditra ao anatin’ilay lisitra ny teny toy ny hoe mientanentana, vonona, matoky tena, tony, na matahotra, misafotofoto, na mitaintaina, na tsy mahazo antoka.
Mba hanombanana ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany dia afaka manao izao manaraka izao ny mpianatra.
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo teny izay mamaritra ny zavatra tsapanao momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?
-
Inona no mitondra fiantraikany amin’ny zavatra tsapanao momba io tranga io?
Soraty izay fanontaniana anananao momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.
Rehefa mandalina ireo tranga mifandray amin’ny Fiaviana Fanindroany ianao dia henoy ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy mba hahafantarana ny fomba ahafahanao mahatsapa fahatokian-tena kokoa fa homba anao ny Mpamonjy mandritra ireo tranga ireo.
Azonao atao ny manasa mpianatra hizara ny zavatra nosoratany. Amporisiho ny mpianatra hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto mandritra ny fandalinan’izy ireo ny Zakaria.
Fanamarihana: Tsy mila mamaly ny fanontaniana rehetra momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ianao. Raha te hianatra misimisy kokoa ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mandalina loharanom-pahalalana toy ny “Seconde venue de Jésus Christ” ao amin’ny Sujets et questions (Médiathèque de l’Évangile).
Naminany momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany i Zakaria
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo faminanian’i Zakaria momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany dia azonao atao ny mamaky na mamintina ity andiam-pehezanteny manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamaky ny sasin-teny ho an’ny Zakaria 10; 12–14.
Naminany i Zakaria fa amin’ny andro farany dia hisy ady lehibe izay fantatra amin’ny hoe adin’i Hara-magedona (jereo ny Apokalypsy 16:16) hitranga eo akaikin’i Jerosalema. Ny firenena rehetra eto an-tany dia hiangona hanohitra an’i Jerosalema (jereo ny Zakaria 12:2–3). Ao anatin’ilay ady dia ho eo ambanin’ny fahirano i Jerosalema rehefa misy tafika hiodidina ny tanàna (jereo ny Zakaria 14:2). Avy eo ny Mpamonjy dia hiseho eo amin’ny Tendrombohitra Oliva (jereo ny Zakaria 14:4).
Mba hanampiana ny mpianatra hianatra bebe kokoa momba ny fomba hanampian’ny Mpamonjy ny vahoakany mandritra ireo tranga ireo dia hevero ny hampiasa ilay taratasy zaraina hoe “Inona no hataon’ny Mpamonjy ho an’ny …” Azonao atao ny mamaky ireo andininy ireo miaraka amin’ny iray kilasy ary manasa ny mpianatra hanoratra eo ambanin’ny fanontaniana tsirairay ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy fa hataony ho an’ireo mahatoky.
Raha tsy izany dia azonao atao ny mandamina ny kilasy ho vondrona telo ka omeo fanontaniana iray hohalalinina sy hozaraina amin’ny iray kilasy ny vondrona tsirairay.
Raha manana fanontaniana momba ny zavatra hitranga amin’ireo ratsy fanahy amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ny mpianatra dia azonao asaina izy ireo hamaky ny Zakaria 14:12–13, 17–19. Ireo andininy ireo dia mamariparitra ny toe-javatra misy ho an’ny olona izay misafidy ny tsy hanaraka an’i Jesoa Kristy.
Rehefa vitan’ny mpianatra ilay taratasy zaraina dia asao izy ireo hametraka fanontaniana momba ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Raha toa ka tsy azonao antoka ny valiny iray dia lazao azy ireo fa tsy fantatrao izany. Asao izy ireo hikaroka valiny. Azonao atao ihany koa ny mikaroka valiny miaraka amin’izy ireo mandritra ny fotoam-pianaranana na any ivelan’ny fotoam-pianarana.
Ity fanontaniana manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo fahamarinana avy ao amin’ny fampianaran’i Zakaria.
-
Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao momba an’i Jesoa Kristy?
Mandritra ny fifanakalozan-kevitra dia asao ny mpianatra hamintina ny zavatra nianarany momba ny Mpamonjy ao anatin’ny fehezanteny tsotra iray manambara fahamarinana. Mety hizara valinteny isan-karazany ny mpianatra, anisan’izany ny hoe: i Jesoa Kristy dia hiverina amin’ny andro farany ary hanangona sy hamonjy ary hiaro ny olony.
Misy hery tonga rehefa mahafantatra ireo mpianatra fa ireo fahamarinana ianaran’izy ireo avy amin’ny soratra masina dia porofon’ny fitiavana sy ny hery ary ny famindram-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Izany fahatsapana izany dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fifandraisana akaiky kokoa Amin’Izy Ireo.
Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hanana an’io fahatakarana io.
(Raha mila fiofanana fanampiny mikasika ny fametrahana fanontaniana izay mifandray amin’ny fitiavan’ny Tompo, sy ny heriny ary ny famindram-pony momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny soratra masina dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
-
Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana io fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy io manampy antsika hiatrika amim-patokiana ny Fiaviany Fanindroany?
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany anangonan’i Jesoa Kristy sy amonjeny ary iarovany ny olony amin’izao fotoana izao?
Anisan’ny valin’ilay fanontaniana teo aloha ny hoe: I Jesoa Kristy dia manangona amin’ny alalan’ny fanasana ny rehetra hanatona Azy, hanaraka ny filazantsarany, ary handray ireo fitahian’ny tempoly. Mamonjy Izy amin’ny alalan’ny fanolorana ny fanomezana ny Sorompanavotany sy ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Miaro amin’ny alalan’ny fanambarana ny sitrapony amin’ny alalan’ireo mpaminany velona sy ny soratra masina Izy.
Zarao ny zavatra fantatrao
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra haneho ny fitokiany amin’ny zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy fa hataony ho an’ny vahoakany rehefa miverina indray Izy. Afaka miasa samirery na ao anatina vondrona ny mpianatra. Asao izy ireo hampiasa ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ilay taratasy zaraina mba hamitana ilay sahanasa.
Mba hanomanana ny mpianatra hanoratra ny tononkirany manokana dia azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “O viens, toi, Roi des rois” (3:43) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Vakio ny tonon-kiran’ilay fihirana manao hoe “O viens, toi, Roi des rois” (Cantiques, no. 29). Avy eo dia manorata andininy fanampiny amin’ilay hira. Ampidiro ao anatin’izany ireo fampianaran’i Zakaria mikasika ny zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy fa hataony ho an’ny vahoakany mandritra ny Fiaviany Fanindroany, ary ny fomba hanampian’ireo fampanantenana ireo anao hahatsapa fahatokian-tena fa hiaraka amin’ny vahoakany ny Mpamonjy amin’ny andro farany.
Asao ny mpianatra hizara ireo tononkira nosoratany.
Azonareo atao ny miara-mihira ilay fihirana, ka atao tafiditra ao anatin’izany ny iray na ny maromaro amin’ireo andininy nosoratan’ny mpianatra.
Ho famaranana dia azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy sy ny fomba hanampiany anao hiandrandra ny Fiaviany Fanindroany amim-pitokiana.