“Malakia: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Malakia: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Malakia
Malakia
Topimaso ankapobeny
Tamin’ny alalan’ny mpaminany Malakia ny Tompo dia nampanantena fa raha mandoa fahafolonkarena isika dia hanome antsika fitahiana bebe kokoa noho izay azontsika raisina Izy (jereo ny Malakia 3:10). Naminany ny amin’ny famerenan’ny Mpamonjy ny fanalahidin’ny famehezana ihany koa i Malakia mba “hampody ny fon’ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ ny rainy” (Malakia 3:24).
Mamoròna tontolo azo antoka izay hanajana ny mpianatra rehetra sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo. Nampianatra ny olon-drehetra ny Mpamonjy, anisan’izany ireo olona izay nanota na ailikilika. Namboly izany toetra maneho fanekena ny hafa sy maneho fitiavana izany teo anivon’ny mpanara-dia Azy Izy. Rehefa mampianatra ianao dia mitadiava fomba hanampiana ny mpianatra rehetra hahatsapa ho voaray tsara sy ekena. Ampio izy ireo hahafantatra fa zava-dehibe sy omen-danja ny fandraisan’izy ireo anjara ao an-dakilasy. Mba hianarana bebe kokoa momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny “Nataon’ny Mpamonjy izay hahatsapan’ny rehetra ho voahaja sy manana ny lanjany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 13–14). Mba hahitana ohatra amin’ny fomba hanampiana ny mpianatra hahafantatra fa omen-danja ny anjara biriky entin’izy ireo dia jereo ny Lesona 160: “Tombano ny fianaranao 10.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.
Malakia 3
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa faniriana mba hiaina ny lalàn’ny Mpamonjy mikasika ny fahafolonkarena.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara tantara iray izay nitahiana ny olona iray tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo mba handoa fahafolonkarena. Raha manampy dia azon’ny mpianatra atao ny manontany ny ray aman-dreniny na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na mitady tantara ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile.
-
Horonan-tsary: “Ny fitenin’ny filazantsara” (12:27) manomboka eo amin’ny mari-potoana 6:10 ka hatramin’ny 7:41 sy 6:42 ka hatramin’ny 7:40
-
Zavatra haseho: Lapoaly, kaopy iray, ary zinga lava taho misy rano
-
Taratasy zaraina: “Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena”
Malakia 3:19–24
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitodika ny fony ho amin’ny ray aman-dreniny sy ny razambeny ary ny taranaka ho avy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handany minitra vitsy hamantarana ny FamilySearch.org na ny application [Arbre Familiale de FamilySearch] FamilySearch Tree . Ohatra, azon’izy ireo atao ny mijery ireo havana ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviany mba hahafantarana misimisy kokoa momba azy ireo. Na azon’izy ireo atao ny mamita ny sasany amin’ireo sahanasa momba ny tantaram-pianakaviana hita ao amin’ny tranonkala na ao amin’ny zava-misy “More” ao amin’ny application. Raha tsy manana ireo loharanom-pitaovana ireo ny mpianatra dia afaka miresaka amin’ny ray aman-dreny na olona iray ao amin’ny fianakaviana izy ireo mba hianatra zavatra vaovao momba ny razambe iray.
-
Horonan-tsary: “Par la main d’Élie le prophète” (3:32) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:35
-
Sary: tempoly iray
-
Votoatin-javatra haseho: teny nambara faharoa nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Ho Zatovo Mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy; ny Lohahevitry ny Zatovovavy sy ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna
Tombano ny fianaranao 10
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hisaintsaina ireo tanjona napetrak’izy ireo sy ny fivoarana niainan’izy ireo nandritra ny fandalinany ny Testamenta Taloha tato ho ato.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy omban’ny fahavononana hizara sary iray maneho talenta na fahaiza-manao izay nezahiny hananana, na fomba nitomboan’izy ireo, na zavatra niainan’izy ireo nandritra ny taona lasa na toy izany. Raha tsy mahita sary izy ireo dia afaka tonga miaraka amin’ny ohatra iray mba hozaraina fotsiny.
-
Sary: Sary maromaro ana tranga ao amin’ny Testamenta Taloha izay maneho ny Mpamonjy na ny heriny (ohatra vitsivitsy amin’izany ny Mpamonjy mandritra ny Fahariana; Mosesy sy ilay menarana teo amin’ny tehana; ny Mpamonjy tao anaty lafaoro niaraka tamin’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego; ary i Daniela nandà ny hena sy ny divain’ny mpanjaka).