Seminera
Malakia 3:19–24: Herin’ny famehezana


“Malakia 3:19–24: Herin’ny famehezana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Malakia 3:19–24: Herin’ny famehezana”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Malakia: Lesona 159

Malakia 3:19–24

Herin’ny Famehezana

Cordoba Argentina Temple sealing room

Any amin’ny tempoly masina ny Mpamonjy dia mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny famehezana. I Malakia dia naminany ny amin’ny famerenan’ny Mpamonjy ny fanalahidin’ny famehezana izay “hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy” (Malakia 3:24). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampody ny fony amin’ny ray aman-dreniny sy ny razambeny ary ny taranaka ho avy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handany minitra vitsy hamantarana ny FamilySearch.org na ny application [Arbre Familiale de FamilySearch] FamilySearch Tree . Ohatra, azon’izy ireo atao ny mijery ireo havana ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviany mba hahafantarana misimisy kokoa momba azy ireo. Na azon’izy ireo atao ny mamita ny sasany amin’ireo sahanasa momba ny tantaram-pianakaviana hita ao amin’ny tranonkala na ao amin’ny zava-misy “More” ao amin’ny application. Raha tsy manana ireo loharanom-pitaovana ireo ny mpianatra dia afaka miresaka amin’ny ray aman-dreny na olona iray ao amin’ny fianakaviana izy ireo mba hianatra zavatra vaovao momba ny razambe iray.

Sahanasa fianarana azo atao

Fakany sy rantsana

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao sarina hazo misy faka sy rantsana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao atao koa ny manao izany sary izany eny amin’ny solaitrabe.

Set of line art depicting a growing tree from a seedling to a full grown tree with roots, sunlight.
  • Nahoana ireo faka sy rantsana no tena ilaina amin’ny fahasalaman’ny hazo iray?

    Asao ny mpianatra hanoratra ny anarany eo amin’ny vatan’ilay hazo izay nataon’izy ireo sary.

  • Raha toa ka maneho anao ny vatan’ny hazo iray dia maneho an’iza ireo faka sy rantsana?

    Raha ilaina dia hazavao fa ao amin’ny soratra masina, matetika ny Tompo dia mampiasa sarinteny mombana hazo iray misy faka sy rantsana mba hampianarana momba ny fianakaviana. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Par la main d’Élie le prophète” (3:32) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:35, ChurchofJesusChrist.org.

    3:32

    Asao ny mpianatra hanisy anarana ireo faka ho razambe sy ireo rantsana ho taranaka. Omeo ireto torolalana manaraka ireto:

  • Soraty eo akaikin’ireo faka eo amin’ny sary nataonao ny famaritana fohy momba ny zavatra tsapanao momba ireo razambenao (ray aman-dreny, raibe sy renibe, sy ny sns).

  • Soraty eo akaikin’ireo rantsana eo amin’ny sary nataonao ny zavatra antenainao ho an’izay mety ho taranakao na ny zavatra azonao alaina sary an-tsaina rehefa mieritreritra azy ireo ianao (zanaka, zafikely, sy ny sns).

Eo am-pandalinanao ny Malakia 3:19–24, dia eritrereto ny zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hampahatanjahana sy hitahirizana ireo faka sy rantsana ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao. Azonao atao ny manolotra vavaka mangina, mangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra azonao atao mba hanamafisana orina ny fianakavianao mandrakizay.

Satria avy amin’ny toe-javatra ao an-tokantrano samihafa ireo mpianatra dia zava-dehibe ny miresaka momba ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay amim-panajana sy amim-pahatakarana. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mahafantatra tanteraka ny toe-javatra iainan’izy ireo ny Mpamonjy ary afaka manome fanantenana sy fanasitranana ilaina ho an’ny fianakaviany taloha sy ankehitriny ary ho avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Ireo faminanian’i Malakia

Vakio ny Malakia 3:19, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny faka sy ny rantsana ao amin’io faminaniana momba ny Fiaviany Fanindroany io.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao momba ny faka sy ny rantsana dia inona araka ny eritreritrao no ampianarin’ny Mpamonjy?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava izao manaraka izao:

Portrait of Elder D. Todd Christofferson.  Photographed in March 2020.

Raha tsy nisy ireo famehezana izay manorina fianakaviana mandrakizay sy mampifandray ireo taranaka ety sy any ankoatra, dia ho tavela isika any amin’ny mandrakizay, sady tsy misy faka no tsy misy sampana, izany hoe sady tsy manana razambe no tsy manan-taranaka. (“Ny fahefan’ny famehezana”, Liahona, nôv. 2023, 21)

Saintsaino ny zavatra mety ho tsapanao raha toa ka tsy afaka ny hofehezina na hakambana ho iray mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviana izay tianao ianao.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana NyMalakia 3:22–24 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Malakia 3:22–24, ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy fa hataony mba hahafahan’ny fianakaviana ho voafehy miaraka. Mety hanampy ireo fanamarihana eny ambanin’ny pejy rehefa mamaky ianao.

  • Inona no zavatra takatrao momba an’io faminaniana io? Inona avy ireo fanontaniana anananao?

Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny fahatakarana io faminaniana io dia hevero ny hanasa azy ireo hampifandray ny Malakia 3:22–24 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16; 138:47–48. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ary mitady hevi-baovao fanampiny momba ny faminanian’i Malakia.

Ampio ireo mpianatra hamantatra fa naniraka an’i Elia ny Mpamonjy mba hamerina amin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny famehezana sy hanao izay ifampodian’ny fon’ny fianakaviana. Tanteraka io fampanantenana io ny 3 Aprily 1836, rehefa niseho tamin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland i Elia. Ireo fanalahidin’ny famehezana izay naveriny tamin’ny laoniny dia manan-kery eto an-tany sy any an-danitra. Tafiditra ao anatin’izany ireo ôrdônansy tanterahina any amin’ny tempoly masina.

Hevero ny hampiseho sarina tempoly iray sy ity teny nambara manaraka ity.

Oakland California Temple Exterior image. This image features the temple and temple grounds. You see trees, the fountain, and the entrance of the temple.

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Christofferson manaraka ity, dia tadiavo ny fomba itahian’ny Mpamonjy antsika amin’ny heriny izay mamehy any amin’ny tempoly masina:

Portrait of Elder D. Todd Christofferson.  Photographed in March 2020.

Hitantsika [ao amin’ny tempolin’ny Tompo] ny voninahitra sy fahamasinan’ny fahefan’ny famehezana, izay mahatonga ny famonjena ny olona sy ny fisandratan’ny fianakaviana ho azon’ny rehetra izay zanak’ Andriamanitra tratrarina na aiza na aiza ary na oviana na oviana izy no niaina teto an-tany. Tsy misy teôlôjia na filôzôfia na fahefana hafa azo ampitahaina amin’ny fahafahana mihatra amin’ny rehetra toy izany. Io fahefan’ny famehezana io dia endrika tonga lafatra isehoan’ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny famindram-pony ary ny fitiavany. …

Ny endriny ambony sy masina indrindra hisehoan’ny fahefan’ny famehezana dia eo amin’ny fampitambarana mandrakizay ny lehilahy iray sy vehivavy iray ao anatin’ny fanambadiana sy ny fampifandraisana ny zanak’olombelona amin’ireo taranaka rehetra mifandimby. (“Ny fahefan’ny famehezana”, Liahona, nôv. 2023, 20, 21)

  • Inona no manaitra anao amin’io teny nambara io?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny asa atao any amin’ny tempoly anao hahatsapa fifandraisana na hampitodika ny fonao tamin’ny ireo olona ao amin’ny fianakavianao tany aloha, na ankehitriny, na ho avy?

Mampody ny fontsika

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo razambeny sy handray fanapahan-kevitra izay hitahy ny taranany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamita ny iray na izy roa amin’ireo sahanasa ireo arakaraka ny fotoana. Hevero ny hanamboatra ireo toromarika mba hifanaraka amin’izay ilain’ny mpianatra. Ohatra, azonao esorina na ovaina ireo torolalana izay mitaky ny fampiasana teknôlôjia raha toa ka tsy manana izany ireo mpianatrao.

Sahanasa A: Atodiho amin’ireo razambenao ny fonao.

Tanteraho ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto asa manaraka ireto. Rehefa mandalina ianao dia eritrereto ny fomba hampahatanjahan’ny Mpamonjy sy ny herin’ny famehezany ireo razambenao sy ny fifandraisanao amin’izy ireo. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao eo akaikin’ireo “faka” ao amin’ilay sary ny zavatra nianaranao.

  1. Manorata fahatsiarovana tsara anananao momba ny ray aman-dreny na ny raibe na renibe na mamakia momba ny razambe iray ao amin’ny fizarana “Fahatsiarovana” ao amin’ny FamilySearch.org na ny application Arbre Familial de FamilySearch. Eritrereto ny antony mety anirian’ny Mpamonjy ny hifandraisanao amin’io razambe io.

  2. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:16–18, ka tadiavo ny antony maha-ampahany manan-danja amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanaovana batisa ho an’ny maty sy ny asa hafa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambenao.

  3. Karohy ny “tantaram-pianakaviana” eny ambany eo amin’Ireo lohahevitra ao amin’ny fizarana Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile. Misafidiana iray amin’ireo lahateny ary halalino ny sasany amin’izany na izy rehetra.

  4. Karohy ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao mba hahitana an’ireo razambenao izay mila ilay ôrdônansin’ny batisa. Raha azo atao dia mandehana ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org ary mamandriha fotoana mba hamitana ireo batisa.

Sahanasa B: Atodiho amin’ny taranakareo ny fonareo.

Tanteraho ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto asa manaraka ireto. Rehefa mandalina ianao dia saintsaino ny fomba hanampian’ny Mpamonjy sy ny herin’ny famehezany anao hanamafy orina ny taranakao. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao eo akaikin’ireo “rantsana” ao amin’ilay sary ny zavatra nianaranao.

  1. Avereno jerena ireo fanontaniana apetraka ao anatin’ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ary eritrereto ny fomba ahafahan’ny valinteninao mitahy ny fianakavianao amin’izao fotoana izao sy ny fianakavianao any aoriana. Ireo fanontaniana ireo dia hita ao amin’ny tovana ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy.

  2. Hadihadio ny Lohahevitry ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, ka tadiavo ireo andian-teny izay afaka manomana anao hitahy ny vadinao sy ny zanakao amin’ny hoavy.

  3. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17; 68:25–28, ka tadiavo ny zavatra ampianarin’ny Tompo momba ny fanambadiana sy ny fitazaina zanaka. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo safidy ataonao amin’izao fotoana izao miantraika amin’ny fanambadianao amin’ny ho avy sy ny fomba hitazainao ny zanakao.

  4. Manorata taratasy ho an’ny vadinao na ny zanakao amin’ny hoavy izay manazava ny zavatra ataonao ankehitriny mba ho mendrika ny tempoly sy hiomana ho amin’ny fianakaviana mandrakizay.

Rehefa vitan’izy ireo izany dia hevero ny hanasa mpianatra vonona hizara ny zavatra nianarany na tsapany avy tamin’ity sahanasa ity. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra nosoratan’izy ireo teo akaikin’ireo faka na rantsana tao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara ny fahatsapany momba ny Mpamonjy sy ny anjara asany amin’ny fanampiana antsika handray ireo fitahian’ny fianakaviana mandrakizay.

Fanaovana tsianjery

Mety ho tianao ny hanampy ny mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nianarana tao anatin’ity lesona ity ary hamerina hijery izany ao anatin’ireo lesona any aoriana. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Malakia 3:22–24 dia “haniraka an’i Elia mpaminany … hampody […] ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy.” Hita ao amin’ny votoatin’ny tovana ao amin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra hanaovana ny sahanasa fianarana tsianjery.