Seminera
Malakia 3: Manokatra ny varavaran’ny lanitra ny fandoavana fahafolonkarena


“Malakia 3: Manokatra ny varavaran’ny lanitra ny fandoavana fahafolonkarena”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Malakia 3: Manokatra ny varavaran’ny lanitra ny fandoavana fahafolonkarena”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Malakia: Lesona 158

Malakia 3

Manokatra ny varavaran’ny lanitra ny fandoavana fahafolonkarena

Girl filling in a tithing donation slip

Hatramin’ny andro fahiny ny Ray any An-danitra no nitahy ireo zanany noho ny fahavononan’izy ireo hankatò ny lalàn’ny fahafolonkarenany. Ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany Malakia dia manampy antsika hianatra ny fomba hitahiany antsika noho ny fankatoavantsika ny lalàny. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana mba hankatò ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara tantara iray izay nitahiana ny olona iray tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo mba handoa fahafolonkarena. Raha manampy dia azon’ny mpianatra atao ny manontany ny ray aman-dreniny na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na mitady tantara ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile.

Sahanasa fianarana azo atao

Fandoavana fahafolonkarena

Mba hanombohana ny lesona dia azonao atao ny mizara ampahany amin’ny tantara iray izay maneho toe-javatra izay mety hahasarotra ny mandoa fahafolonkarena. Azonao atao ny mizara ny zavatra niainan’ny Loholona Cordón na ny iray amin’ireo zavatra niainanao manokana.

Raha ilaina dia hazavao fa ny fahafolonkarena dia fanomezana “ny iray ampahafolon’ny vola miditra amintsika ho an’ny Fiangonana” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [2023], 85; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4).

Vakio ity traikefa manaraka avy amin’ny Loholona Valeri V. Cordón ao amin’ny Fitopololahy ity, ka tadiavo ny antony mety nahasarotra ny fankatoavan’ny ray aman-dreniny ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena.

12:28
Official Portrait of Elder Valeri V. Cordon.  Photographed March 2017.

Taorian’ny trangan-javatra vitsivitsy nifandray tamin’ny ady an-trano iray tao Amerika Afovoany dia bankirompitra ny orinasan’ny raiko. Niainga tamin’ny fananana mpiasa 200 niasa tamin’ny fotoana feno izy ary niafara tamin’ny mpanjaitra latsaky ny dimy izay niasa tao amin’ny efitra fiantsonan’ny fiara tao an-tranonay rehefa nilaina. Indray andro, tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany, dia reko niresaka ireo ray aman-dreniko raha toa izy ireo ka tokony handoa fahafolonkarena na hividy sakafo ho an’ny zanany. (“Ny fitenin’ny filazantsara”, Liahona, mey 2017, 56)

  • Inona avy ireo toe-javatra hafa mety hatrehantsika ka mety hampanahirana ny fandoavana fahafolonkarena?

Ity sary manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra handamina ny eritreriny mandritra ity lesona ity. Asao ny mpianatra hanao sary na zavatra mitovitovy amin’izany, eo amin’ny pejy banga ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao atao koa ny manao sary mitovitovy amin’izany eny amin’ny solaitrabe.

Tondroy ilay faribolana hoe “Ireo zavatra tsapako”. Ampahafantaro ny mpianatra fa any amin’ny faran’ny lesona dia hanana fahafahana hanoratra ny zavatra tsapany momba ny fahafolonkarena izy ireo. Azon’izy ireo atao ny misaintsaina amin’izao fotoana izao momba ireo olana na fanamby atrehan’izy ireo amin’ny fandoavana fahafolonkarena. Azon’izy ireo atao ihany koa ny misaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mahazo tombontsoa avy amin’ny famantarana ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo olona izay mandoa fahafolonkarena.

Rehefa mandalina ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena ianao dia afaka manampy anao hahatakatra ireo fitahiana izay afaka ny ho azonao sy hanamafy orina ny fanirianao hanaraka io lalàna io ny Fanahy Masina.

Mandrotsaka fitahiana

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny Malakia 3, dia zarao amin’ny teninao manokana ity famintinana ny Malakia 1–2 ity.

Na dia nanohy nanolotra sorona ho an’ny Tompo aza ny olona tamin’ny andron’i Malakia dia tsy nanaja Azy izy ireo tamin’ny alalan’ny fanolorana “hanina voaloto” sy biby jamba, mandringa ary marary (jereo ny Malakia 1:7–8, 13) ho sorona izay noheverina ho tandindon’i Jesoa Kristy. Ny Tompo dia nandevilevy ireo mpisorona izay “nivily [tamin’ny làlan[’ny Tompo]” sy “nampahatafintohina olona maro” (andininy 2:8) noho ny ohatra ratsin’izy ireo. Ao amin’ny Malakia 3 ny Tompo dia nampianatra fomba iray ahafahantsika manao sorona amin’ny nahim-po ho Azy.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Malakia 3:8–10 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Malakia 3:7–12, ka tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo ho an’ireo olona izay manolotra Azy ny fahafolonkarenany. Soraty manodidina an’ilay hoe “Ireo fitahian’ny Tompo” eo amin’ny sary nataonao ireo fitahiana hitanao.

Mety hanampy ny mpianatra ny fahafantarana fa ilay andian-teny hoe “izahao toetra amin’izany Aho” dia mety hidika fa ny Tompo dia miteny hoe: “Sedrao amin’izany Aho.”

  • Inona avy ireo fahamarinana ianaranao momba ny fahafolonkarena avy amin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Malakia 3:7–12?

Avelao ny mpianatra hizara ireo fahamarinana hitany. Asao ny mpianatra hanoratra fahamarinana toy ny hoe Rehefa mankatò ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena isika dia hitahy antsika amim-pahalalahan-tanana Izy ho toy ny fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ireo andininy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia hevero ny hitondra lapoaly sy kaopy ary zinga lava taho misy rano ao an-dakilasy. Apetraho ao anaty lapoaly ilay kaopy. Hazavao fa ny rano dia maneho ireo fitahiana homen’ny Tompo antsika rehefa mandoa fahafolonkarena isika. Asao ny mpianatra iray handrotsaka ilay rano avy ao amin’ilay zinga hankao anatin’ilay kaopy mandra-paha-feno hipoka izany ka hahatonga ny rano hihoatra hankao anatin’ilay lapoaly. Ampifandraiso amin’ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ao amin’ny Malakia 3:10 izany.

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena

sary famantarana ny seminera Ny taratasy zaraina miaraka amin’ity lesona ity, “Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena”, dia afaka mampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ireo fitahiana omen’ny Tompo antsika rehefa mankatò ny lalàny isika. Hevero ny hizara ireo mpianatra ho lasa vondrona kely maromaro ary omeo tahadikan’ilay taratasy zaraina ny tsirairay. Afaka mifandimby mamaky mafy ireo teny nambara ireo ny mpianatra. Rehefa avy mamaky ny teny nambara tsirairay ny mpianatra dia afaka manampy fitahiana misimisy kokoa eo amin’ireo sary ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Rehefa avy nanampy fitahiana tamin’ny sary nataon’izy ireo ny vondrona dia azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina ny fomba nahitan’izy ireo ny Tompo nitahy azy ireo na ny hafa noho ny fankatoavany ny lalàn’ny Fahafolonkarenany. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara fitahiana vitsivitsy izay niainan’izy ireo na niainan’ny hafa tamin’ny alalan’ny fankatoavana io lalàna io.

Hevero ny hijery ny “Ny fitenin’ny filazantsara”, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 6:42 ka hatramin’ny 7:40. Ao amin’io horonan-tsary io, ireo mpianatra dia afaka maheno ny ambin’ny zavatra niainan’ny Loholona Cordón tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana.

12:28
  • Inona no azontsika ianarana momba ny Ray any An-danitra rehefa mitahy antsika noho ny fandoavana fahafolonkarena Izy?

Aorian’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo fitahiana avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena, dia azonao atao ny manamarika fa ny olona sasany izay mandoa fahafolonkarena dia mety tsy hahazo ireo fitahiana antenain’izy ireo ary mety mbola ho sahirana ara-bola ihany. Mety hanontany tena izy ireo hoe nahoana izy ireo no tokony hanohy handoa ny fahafolonkarenany. Azonareo vakina ny Malakia 3:14, 16–17 mba hitadiavana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ny olona izay manohy mankatò Azy amim-pahatokiana.

Mankatò ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena

Soraty eo akaikin’ny “Ireo zavatra tsapako” eo amin’ny sary nataonao:

  • Ny zavatra tsapanao momba ny fankatoavana ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena.

  • Izay zavatra nohalalininao na tsapanao androany izay hampitombo ny fanirianao handoa fahafolonkarena. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny Tompo izay tianao horaisina.

Manasà mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny Tompo sy ny lalàny momba ny fahafolonkarena. Azonao atao ihany koa ny mizara ireo fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny fankatoavana io lalàna io.

Fanaovana tsianjery

Mety ho tianao ny hanampy ny mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nianarana tao anatin’ity lesona ity ary hamerina hijery izany ao anatin’ireo lesona any aoriana. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Malakia 3:8–10 dia ny hoe “Ireo fitahiana avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena”. Hita ao amin’ny votoatin’ny tovana ao amin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra hanaovana ny sahanasa fianarana tsianjery.