“Hagay 1–2; Zakaria 1–4; 10–14: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Hagay 1–2; Zakaria 1–4; 10–14: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Hagay 1–2; Zakaria 1–4; 10–14
Hagay 1–2; Zakaria 1–4; 10–14
Topimaso ankapobeny
Naminany tamin’ireo Jiosy izay niverina tany Jerosalema sy nanampy tamin’ny fanorenana indray ny tempoly ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakaria. Niatrika fanoherana ny Jiosy tamin’ny fanorenana ny tempoly ary nitsahatra tsy nanorina izany. Nanasa ny olona i Hagay mba handinika ny fomban’izy ireo sy hanao ny fanorenana ny tempoly ho laharam-pahamehana. Nanome fampanantenana avy amin’ny Tompo izy raha toa ka manao izany izy ireo. Nanolotra ny fanasana avy amin’ny Tompo mba hibebaka sy hitodika any Aminy i Zakaria. Naminany ny amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ihany koa i Zakaria. Nofariparitany ny ady lehibe farany tao Jerosalema sy ny fomba hahatongavan’ny Mesia hanafaka ny vahoakan’ny fanekempihavanany.
Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mila manao mihoatra noho ny mahafantatra fotsiny momba ny fitiavana sy ny hery ary ny famindram-pon’i Jesoa Kristy ny mpianatra; mila miaina izany ho an’ny tenany manokana izy ireo. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo” ao amin’ny (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 8). Mba hahitana ohatra amin’ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo, ny hery sy ny famindram-pony dia jereo ny Lesona 157: “Zakaria 10–14”.
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Hagay
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao ny lisitr’ireo zavatra fanaon’izy ireo mandritry ny tontolo andro iray. Azon’ny mpianatra atao ny manisy soratra famantarana eo amin’ireo zavatra izay tsapan’izy ireo ho manan-danja indrindra ary saintsaino ny antony iheveran’izy ireo ireo zavatra ireo ho manan-danja. Azon’izy ireo entina ao an-dakilasy ny lisitra nataon’izy ireo.
-
Zavatra: Tavoara mazava loko sy vato ary fasika; marker tsy azo fafana mba hanoratana eo amin’ireo vato
-
Horonan-tsary: “The Soul’s Sincere Desire” (3:28); “Tafio ny herinao, ry Ziona ô” (13:56) manomboka eo amin’ny mari-potoana 11:27 ka hatramin’ny 12:06
-
Votoatin-javatra haseho: Teny nambaran’ny Loholona Bednar
-
Sary: Sarina tavoara misy fasika eo amin’ny ilany
Zakaria 1–8
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fomba ahafahan’izy ireo mitodika amin’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra holazain’izy ireo amin’ny namana iray izay mahatsapa ho lavitry ny fitiavan’ny Tompo. Afaka miomana hizara ny torohevitr’izy ireo amin’ny iray kilasy ny mpianatra. Mety hanontany namana iray, ray, na reny azo antoka ny mpianatra hoe inona no torohevitra homen’izy ireo amin’io toe-javatra io.
-
Sary: Sary iray ahitana ny Mpamonjy
-
Taratasy zaraina: “Afaka mitodika any amin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny …”
Zakaria 10–14
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fahatokian-tena fa homba azy ireo ny Mpamonjy mandritra ireo tranga mialoha ny Fiaviana Fanindroany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny “Seconde venue de Jésus-Christ” ao amin’ny Sujets et questions (Médiathèque de l’Évangile). Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na ny fanontaniana ananan’izy ireo.
-
Sary: Sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany
-
Taratasy zaraina: “Inona no hataon’ny Mpamonjy ho an’ny …”
-
Horonan-tsary: “O viens, toi, Roi des rois” (3:43)