Seminera
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10: Fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy


“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10: Fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10: Fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania: Lesona 154

Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10

Fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

Payson High School Seminary

Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanorina ny fototra iorenan’ny fiainan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka hanampy ny mpianatra hizara ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo sy hanampy azy ireo hianatra sy hampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha izay nianaran’izy ireo. Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy omban’ny fahavononana hizara ny anankiray izay nampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany, na ny fahatakarany ny filazantsara, na ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hita any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Famerenana fifehezana fotopampianarana: Zarao

Mba hanomanana ny mpianatra hizara andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maromaro izay nisy fiantraikany teo amin’izy ireo tamin’ity taona ity, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly vetivety ity fanontaniana manaraka ity miaraka amin’ny namana iray ho an’ny tsirairay amin’ireo toe-javatra voatanisa ireo.

Inona no sakafo tianao indrindra ao anatin’ny tsirairay avy amin’ireto toe-javatra manaraka ireto?

  • Zavatra voalohany amin’ny maraina

  • Sakafo fitsaingoka amin’ny alina

  • Rehefa tsingerin’andro nahaterahanao

  • Amin’ny tolakandro mafana iray

  • Amin’ny takariva mangatsiaka

Tahaka ny sakafo tianao indrindra izay mety hiova miankina amin’ny toe-javatra samihafa, ny andinin-tsoratra masina tianao indrindra dia mety hiova ihany koa arakaraka ny filàna sy ny toe-javatra samihafa.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny valintenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity ho an’ny toe-javatra tsirairay voafaritra etsy ambany. Azonao atao ny miato kely aorian’ny fizarana ny toe-javatra tsirairay mba hahafahan’ny mpianatra mamerina mijery ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Avy eo dia asao ny mpianatra hizara ireo andinin-tsoratra masina nosafidiny sy ny antony nisafidianany izany miaraka amin’ny namana iray na vondrona kely iray.

Ataovy izay hamelana fotoana ampy ho an’ny fizarana “Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy”.

Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tianao indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha ho an’ny tsirairay amin’ireto manaraka ireto? Nahoana?

  • Mba hianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany

  • Mba hanazavana ny ilantsika mpaminany

  • Mba hahatakarana ny drafitry ny famonjena

Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia mety hanampy ny mametraka ny mpianatra ao anatin’ny vondrona misy olona telo, ka ny mpikambana tsirairay ao amin’ilay vondrona dia mifantoka amin’ny fitsipika samihafa momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Omeo fotoana ny mpianatra hamerenana fohifohy ireo andiam-pehezanteny ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana izay mifanaraka amin’ny fitsipika iainan’izy ireo. (Misy sahanasa famerenana tafiditra ao amin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” izay hita ao amin’ny tovana ho an’ity boky torolalana ity.)

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fandinihana dia omeo taratasy iray ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hampiasa ireo dingana telo etsy ambany mba hanoratana rafi-tantara azo tsapain-tanana izay ahitana ny lanjan’ny fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Raha mila fitarihana kely kokoa ny vondrona dia azonao atao ny mitarika azy ireo hamorona ny rafi-tantaran’izy ireo mifototra amin’ny zatovo iray izay manana fanontaniana na olana mikasika ny iray amin’ireto lohahevitra manaraka ireto:

  • Ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna

  • Ny ilàna Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny eto an-tany

  • Torohevitra vao haingana avy amin’ny mpaminany

Raha manampy dia misy rafi-tantara aroso ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ato amin’ity lesona ity izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ampiasao ireto dingana manaraka ireto mba hamoronana sy hifanakalozana hevitra momba ny rafi-tantara iray maneho zavatra tena misy izay ahafahan’ny zatovo iray mampiasa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana amin’ireo fanontaniana na olana.

  1. Soraty ny anaran’ilay olona sy ny taona ary ny fanamby ara-pinoana tena misy izay atrehan’izy ireo.

  2. Mitanisà fanontaniana na olana iray na roa izay ananan’izy ireo vokatry ny fanamby atrehan’izy ireo.

  3. Ifanakalozy hevitra amin’ny vondrona misy anao ity fanontaniana manaraka ity, saingy aza soratana eo amin’ny taratasinao ireo valinteninao. Ataovy izay hananan’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona fahafahana hizara ny hevi-baovao hitany.

  4. Ahoana no ahafahan’ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy tsirairay manampy io olona io amin’ny toe-javatra iainany?

    Omeo fotoana betsaka hifanakalozana hevitra momba ilay fanontaniana teo aloha ireo vondrona. Azonao atao ny mandehandeha eran’ny efitrano ary mankanesa ao amin’ny vondrona samihafa mba hianatra avy amin’ny zavatra ifampizaran’izy ireo.

    Raha tsapanao fa hanampy ny fanomezana vondrona fanontaniana voafaritra kokoa horesahina dia azonao atao ny manome ny sasany amin’ireto manaraka ireto na izy rehetra.

  5. Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ho an’ireo zanany ka afaka manampy io olona io hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  6. Inona no mety ho fiantraikan’ireo safidin’izy ireo amin’ny fifandraisany lavitra ezaka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  7. Inona avy ireo soratra masina na teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay azonao aroso mba hohalalinin’izy ireo?

Raha ampy ny fotoana, rehefa vita ny fizarana ataon’ireo vondrona dia asao izy ireo hifanakalo rafi-tantara amin’ny vondrona hafa ary hifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana (na ireo fanontaniana) amin’ny alalan’ny fampiasana ny rafi-tantaran’ilay vondrona hafa.

Fampiharana amin’ny tena manokana

Ity no lesona fifehezana fotopampianarana farany amin’ny taona andalinana ny Testamenta Taloha. Ny fahafantarana izany dia mety hanampy ny mpianatra hisaintsaina sy hanoratra ao anatin’ny diary fandalinany momba ny toe-javatra iray eo amin’ny fiainany manokana izay ahafahan’izy ireo mampiasa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Azonao atao ny mizara ohatra fohy avy amin’ny fiainanao izay nitahian’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy anao.

Azonao atao ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hameno ny iray na ny maromaro amin’ireto famporisihana hisaintsaina manaraka ireto mikasika ny toe-javatra nosoratan’izy ireo tao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hikatsaka fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina izay afaka manampy azy ireo hampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany.

  • Fomba iray ahafahako manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ny …

  • Ireo fahamarinana tsaroako momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny drafiny izay afaka manampy ahy dia …

  • Ireo loharanom-pahalalana azoko itodihana mba hanamafy orina ny finoako ny Mpamonjy sy ny fampianarany dia …

Amporisiho ny mpianatra hampihatra amin’ny nahim-po ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany sy hampihatra ireo fahatsapana voarainy.