“Habakoka: Miandry ny valin’ireo fanontaniana amin-kitsim-po ananantsika”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Habakoka: Miandry ny valin’ireo fanontaniantsika amin-kitsim-po ananantsika” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania: Lesona 153
Habakoka
Miandry ny valin’ireo fanontaniana amin-kitsim-po ananantsika
Rehefa nanana fanontaniana momba ny faharatsiana nanodidina azy ny mpaminany Habakoka dia nikatsaka sy niandry valiny avy tamin’ny Tompo izy. Tahaka an’i Habakoka dia afaka mitodika amin’ny Tompo isika amin’ireo fanontaniana ananantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hihazonana ny finoany an’i Jesoa Kristy rehefa manana fanontaniana izay toa tsy voavaly izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana raha toa ka efa nanana olana tamina fanontaniana izay toa tsy voavaly izy ireo. Raha izany no izy, dia afaka manontany ny zavatra nataon’io olona io ny mpianatra mba hijanonana ho mahatoky tamin’ny Tompo teo am-piandrasany valiny.
Sahanasa fianarana azo atao
Zavatra voajanahary ny manana fanontaniana
Atsangano ambony amin’ny tanana iray ny tavoara iray misy baraingo ary tavoara iray misy sarin’i Kristy amin’ny tanana ilany. Hazavao fa ny tavoara iray dia maneho ireo fanontaniana na ahiahy mety hananantsika ary ilay tavoara iray hafa dia maneho ny finoantsika ny Tompo sy ny filazantsarany.
Asao ny mpianatra hieritreritra ity fanontaniana manaraka ity mialoha ny hamakiana ny teny nambaran’ny Filoha Uchtdorf.
-
Mitombina ve izany hoe sady sahirana amin’ny fanontaniana sarotra no manana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny?
Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Ny fametrahana fanontaniana no hiavian’ny fijoroana ho vavolombelona. Mety hahatsiaro ho menamenatra na ho tsy mendrika ny sasany satria manana fanontaniana lalina mikasika ny filazantsara, kanefa dia tsy tokony hahatsiaro ho toy izany izy ireny. Ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena; fa fiantombohan’ny fitomboana.
Mandidy antsika hikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika Andriamanitra ary mangataka ny hikatsahantsika “amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy” fotsiny [Môrônia 10:4]. Rehefa manao izany isika dia azo ampahafantarina antsika “amin’ny herin’ny Fanahy Masina” ny fahamarinan’ny zava-drehetra [Môrônia 10:5].
Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Meteza ho tia karokaroka, saingy aza misalasala! Tano mafy hatrany ny finoana sy ny hazavana efa noraisinao. (“The Reflection in the Water” [Church Educational System fireside for young adults, Nov. 1, 2009], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mila mahatakatra ny zavatra nampianarin’ny Filoha Uchtdorf ny zatovo?
Fanontaniana sarotra
Niantso an’i Habakoka ny Tompo mba ho mpaminany ho an’ny fanjakan’i Joda talohan’ny fahirano babyloniana tao Jerosalema. Tahaka ireo mpaminany hafa dia nanana fanontaniana i Habakoka ary nikatsaka fahatakarana avy tamin’ny Tompo (jereo ny Jeremia 12:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6).
Vakio ny Habakoka 1:2–4, ka tadiavo ireo fanontaniana nanahirana an’i Habakoka. Farito ao amin’ny diary fandalinanao ny fomba mety hanehoan’ny olona iray amin’izao fotoana izao fanontaniana na olana mitovitovy amin’izany.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratany. Mety hizara zavatra toy izao manaraka izao izy ireo:
-
Tompo ô, mahare ahy ve ianao? (andininy 2)
-
Nahoana no feno herisetra sy fahotana manodidina ahy? (andininy 3)
-
Nahoana ny olon-dratsy no afa-maina nefa be ny ratsy vitany? (andininy 4)
Omeo taratasy kely ny mpianatra tsirairay hanoratana ny valinteniny amin’ity fanentanana manaraka ity.
Tahaka an’i Habakoka dia mety hanana fanontaniana ihany koa isika. Manorata fanontaniana sarotra iray izay mety hanananao izay tsapanao fa tsy mbola voavaly.
Azon’ny mpianatra atao ny mametraka ny zavatra nosoratany ao amin’ilay tavoara maneho ny fanontaniantsika.
Atsangano ambony ilay tavoara misy fanontaniana ary apetraho ilay tavoara maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Hazavao fa rehefa manana fanontaniana isika dia mety halaim-panahy hanao ankilabao ny finoantsika an’i Jesoa Kristy satria tsy manana valiny.
-
Inona no loza ateraky ny fanaovana ankilabao ny finoantsika sy ny fifandraisantsika amin’ny Tompo rehefa manana fanontaniana isika?
Hazony eo an-tananao ireo tavoara roa ary hazavao fa tsy voatery hanao ankilabao ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika noho ireo fanontaniana ananantsika. Afaka mandroso amim-pitokiana ny Tompo isika eo am-pitadiavana valiny.
Rehefa mandalina ny Habakoka ianao dia henoy tsara ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina izay mety hanampy anao handroso amim-pinoana ny Tompo eo am-piandrasana valiny.
Manantena an’ Andriamanitra
Mandritra ny ambin’ny lesona dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hanampy zavatra tsikelikely ao amin’ilay tavoaran’ny finoana. Raha manao izany ianareo dia omeo taratasy kely maromaro ny mpianatra mba hanoratany ny zavatra nianarany avy ao amin’i Habakoka na avy amin’ireo mpiara-mianatra aminy momba ny antony na ny fomba hatokisana ny Tompo.
Ho valin’ireo fanontanian’i Habakoka momba ny faharatsiana teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy dia nilaza ny Tompo fa “[hanangana] ny Kaldeana” (Babyloniana) Izy mba hanasaziana ny zanak’Isiraely (jereo ny Habakoka 1:6). Nanontany tena i Habakoka hoe nahoana ny Tompo no hamela ny Babyloniana ratsy fanahy handresy ny olony (jereo ny Habakoka 1:12–17).
Vakio ny Habakoka 2:1–4, ka tadiavo ny zavatra nosafidian’i Habakoka hatao rehefa sahirana tamin’ny fanontaniany sy ny fomba namalian’ny Tompo azy izy.
-
Inona no hitanao?
Azonao atao ny mametraka fanontaniana fanombanana fahatakarana toy ny hoe “Manao ahoana araka ny eritreritrao izany hoe -hahitako izay holazain’[Andriamanitra]- izany? (jereo ny Habakoka 2:1)” na “Manao ahoana izany hoe -ho velon’ny finoan[tsika]- izany? (jereo ny Habakoka 2:4).”
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanampy zavatra izay ianarany ao amin’ilay tavoaran’ny finoana.
Hazavao fa nilaza tamin’i Habakoka ny Tompo fa hofaizina amin’ny farany ny Babyloniana noho ny faharatsian’izy ireo (jereo ny Habakoka 2:5–20).
Vakio ny Habakoka 3:17–19, ka tadiavo ny fomba nisafidianan’i Habakoka ny hiaina tamin’ny alalan’ny finoany ny Tompo.
Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny fahatakarana ny Habakoka 3:17–18, dia azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy 17, i Habakoka dia namariparitra vokatra maro tsy araka ny nanampoizana azy (zavamaniry tsy manome voa, saha tsy manome voly sy ny sisa). Ao amin’ny andininy 18, dia nilaza izy fa “hifaly amin’i Jehovah” na inona na inona ho vokany.
Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny tongotry ny “dieravavy” ao amin’ny Habakoka 3:19 dia ny tongotry ny ombimanga, izay manampy ny ombimanga mihanika tany sarotra. Io kisary io dia milaza fa hanome antsika fahafahana hihanika ireo tendrombohitsika an’ohatra ny Tompo.
-
Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny fihetsika sy ny zavatra nataon’i Habakoka ny finoany an’ Andriamanitra?
Ampio ny mpianatra hahita avy amin’ny ohatra nasehon’i Habakoka fa afaka misafidy ny hijanona ho mahatoky amin’ny Tompo isika eo am-piandrasana ny valin’ireo fanontaniana amin-kitsim-po ananantsika.
-
Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay manampy anao hatoky Azy Ireo eo am-piandrasana valiny?
Rehefa mizara ny zavatra fantany ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fanombanana fahatakarana toy ny hoe “Ahoana no nahafantaranao izany zavatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany?”
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanampy ny zavatra izay ianarany avy amin’i Habakoka na avy amin’ny mpiara-mianatra aminy ao amin’ilay tavoaran’ny finoana.
Ny fomba handrosoana
Ampio ny mpianatra hieritreritra ny fomba handrosoana amim-pinoana an’ Andriamanitra na dia mety hanana fanontaniana aza izy ireo. Mba hanaovana izany dia afaka mijery ny “His Grace: Choosing to Believe in God” (4:07) ireo mpianatra ka mitady ny zavatra nataon’i Adama mba hijanonana ho mahatoky amin’ Andriamanitra na dia teo aza ireo fanontaniana sy olana sarotra.
Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamaky ny 1 Nefia 10:17–22; 11:1 na ny Môzià 24:9–17, na mikaroka ny iray amin’ireo fizarana ao amin’ny “Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana (Médiathèque de l’Évangile).
-
Inona no zavatra ianaranao ka afaka manampy ny zatovo iray hisafidy ny hijanona ho mahatoky amin’ Andriamanitra eo am-piandrasan’izy ireo valiny?
Azon’ny mpianatra atao ny mizara zavatra niainana izay nisafidianan’izy ireo na ny olona iray fantany ny hatoky an’ Andriamanitra tamim-pahatokiana teo am-piandrasana valiny. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana na mijoro ho vavolombelona ny amin’ny antony hatokianao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Amporisiho ny mpianatra hanoratra ny zavatra nianarany androany izay hanampy azy ireo hatoky ny Tompo eo am-piandrasan’izy ireo valiny. Azon’ny mpianatra atao ny mampiditra ireo hevitra ireo ao amin’ilay tavoaran’ny finoana.
Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny mamaky ny sasany amin’ireo taratasy avy ao amin’ilay tavoaran’ny finoana. Rehefa mamaky ianao dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara eritreritra na fahatsapana fanampiny izay tonga ao an-tsain’izy ireo.
Hevero ny hitazona ireo tavoara mba hiresahana izany amin’ireo lesona manaraka. Ohatra, azonao atao ny mampiasa ny zavatra nampian’ireo mpianatra tao amin’ny tavoaran’ny finoana mba hanatsarana ny lesona momba ny fifehezana fotopampianarana.