Seminera
Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania: Topimaso ankapobeny


“Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania

Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania

Topimaso ankapobeny

Nampianatra ny mpaminany Mika fa ny Tompo dia maniry antsika “hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ny fanetrentena” (Mika 6:8). Rehefa nanana fanontaniana momba ny faharatsiana nanodidina azy ny mpaminany Habakoka dia nikatsaka valiny avy tamin’ny Tompo izy ary nisafidy ny hihazona ny finoany teo am-piandrasana azy ireny.

sary famantarana ny semineraMifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovam-po sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy. Ny fametrahana fanontaniana fikarohana sy fanontaniana fanombanana fahatakarana izay manampy ny mpianatra hamantatra ireo fahamarinana mampiova fo dia afaka manorina ny finoan’izy ireo an’i Kristy sy ny fanirian’izy ireo hankatò Azy. Ahitana ohatra amin’ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Lesona 152: “Mika”.

Raha te hianatra misimisy kokoa momba ny maha zava-dehibe ny fifantohana amin’ireo fahamarinana mampiova fo dia jereo ny “Nampianatra fahamarinana izay miteraka fiovam-po sy manorina finoana ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 22).

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.

Mika

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanao drafitra mba hanao ny marina sy hitia famindram-po ary hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fanetrentena.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra olona vitsivitsy ao amin’ny fianakaviana na namana, ary avy eo dia hieritreritra zavatra manokana izay hataon’izy ireo mba hahafaly ny tsirairay avy amin’ireo olona ireo. Azon’izy ireo soratana ny fomba mety hanaovan’izy ireo zavatra samihafa ho an’ny tsirairay avy amin’izy ireo.

  • Taratasy zaraina:Inona no takin’ny Tompo?

  • Fitaovana: Taratasy mandraiki-tena na taratasy kely sy fomba iray hampiraikitra izany eny amin’ny solaitrabe

  • Votoatin-javatra haseho: Torolalana sy tari-dresaka hanao drafitra any amin’ny faran’ny lesona.

Habakoka

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hihazonana ny finoany an’i Jesoa Kristy rehefa manana fanontaniana izay toa tsy voavaly izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana raha toa ka efa nanana olana tamina fanontaniana izay toa tsy voavaly izy ireo. Raha izany no izy, dia afaka manontany ny zavatra nataon’io olona io ny mpianatra mba hijanonana ho mahatoky tamin’ny Tompo teo am-piandrasany valiny.

  • Zavatra haseho: Tavoara misy baraingo; tavoara misy sarin’i Kristy

  • horonan-tsary:Le reflet dans l’eau” (44:24) avy eo amin’ny mari-potoana 38:18 ka hatreo amin’ny 39:20; “His Grace: Choosing to Believe in God” (4:07)

  • Fitaovana: Taratasy kely maromaro ho an’ny mpianatra tsirairay

Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 10

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hizara ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo sy hanampy azy ireo hianatra sy hampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andrimanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha izay nianaran’izy ireo. Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy omban’ny fahavononana hizara ny anankiray izay nampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany, na ny fahatakarany ny filazantsara, na ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hita any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Fitaovana: Taratasy kely maromaro ho ana vondrona kely