“Mika: -[Inona no] ilain’i Jehovah aminao-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mika: -[Inona no] ilain’i Jehovah aminao”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mika; Nahoma; Habakoka; Zefania: Lesona 152
Mika
“[Inona no] ilain’i Jehovah aminao”
Maro amintsika no manontany tena raha toa ka tena sitraky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny ezaka ataontsika amin-kitsim-po. Ny mpaminany Mika dia nanontany tena hoe inona no azony atao mba hahafaly ny Tompo. Nampianarina i Mika ny mba “hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ny fanetrentena” (Mika 6:8). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao drafitra mba hanao ny marina sy hitia famindram-po ary hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fanetrentena.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra olona vitsivitsy ao amin’ny fianakaviana na namana, ary avy eo dia hieritreritra zavatra manokana izay hataon’izy ireo mba hahafaly ny tsirairay avy amin’ireo olona ireo. Azon’izy ireo soratana ny fomba mety hanaovan’izy ireo zavatra samihafa ho an’ny tsirairay avy amin’izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Mampifaly olona samy hafa.
Mialoha ny fotoam-pianarana dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana tsy feno manaraka ity.
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ny mpianatra hamaly ilay fanontaniana imbetsaka, ka hameno ny banga amin’ny olona samihafa isaky ny mandeha (neny, dada, mpampianatra, eveka, namana). Afaka mizara izany ao anatina vondron’olon-droa na ao anatina vondrona kely ny mpianatra. Avy eo dia afaka manasa olona nanolo-tena vitsivitsy ianao mba hizara izany amin’ny iray kilasy.
Raha ilaina atao ohatra dia azonao atao ny mizara ny valinteninao manokana amin’ny alalan’ny fampiasana olona samihafa eo amin’ny fiainanao.
-
Raha te hampifaly ny ______________ -nao ianao dia inona no hataonao?
-
Nahoana isika no mety hanao zavatra amin’ny fomba samy hafa arakaraka ny olona ezahintsika hampifaliana?
Rehefa avy mizara valinteny vitsivitsy amin’ireo fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia soraty eo amin’ilay faritra banga eo amin’ny solaitrabe ny hoe Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Saintsaino ny zavatra tsapanao fa mahafaly ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Eritrereto ireo zavatra ataonao amin’izao fotoana izao izay mety mahafaly Azy Ireo sy ireo zavatra azonao ovaina amin’ny ataonao. Any amin’ny fiafaran’ny lesona ianao dia hasaina hanao drafitra mba hanarahana ireo fahatsapana voarainao.
Inona no azontsika atao mba hampifaly ny Tompo?
Raha niresaka tamin’ny vahoakan’i Isiraely sy i Joda i Mika dia naminany ny fitsarana izay hianjady amin’izy ireo noho ny faharatsian’izy ireo. Nitalaho tamin’i Isiraely i Mika mba hahatsiaro ireo fitahiana lehibe noraisin’izy ireo avy tamin’ny Tompo ary nanasa azy ireo hibebaka sy hangonina ao Aminy (jereo ny Mika 2–5).
Vakio ny Mika 6:4, dia tadiavo ny sasany amin’ireo fomba nanehoan’ny Tompo ny fitiavany an’i Isiraely.
Avy eo dia vakio ny Mika 7:7–8, 18–20, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Mika fa hataon’ny Tompo ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany.
-
Inona no hitanao?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy an’ireo zavatra ireo ho anao?
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaly ilay fanontaniana teo aloha ao amin’ny diary fandalinany ary avy eo dia hizara amin’ny namana iray na amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratany.
Rehefa avy mizara ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa rehefa mahafantatra ireo zavatra lehibe nataon’ny Tompo ho antsika isika dia tsy mahagaga raha manontany tena hoe ahoana no ahafahantsika manompo sy mampifaly Azy. Hazavao fa ny mpaminany Mika dia niady saina mafy momba ilay fanontaniana mikasika ny zavatra azontsika atao mba hahafaly ny Tompo.
Ny fanasana hamaky sy ny fanontaniana etsy ambany dia manasa ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray avy ao amin’ny hafatr’i Mika. Ny fanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fahamarinana avy ao amin’ny andinin-tsoratra masina iray dia afaka manampy amin’ny fanaovana ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina ho misy lanjany kokoa. Ny fandalinana soratra masina amin’ny fomba manan-danja dia singa iray manan-danja amin’ny fanorenana finoana an’i Jesoa Kristy sy fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy. (Raha mila fanofanana fanampiny mikasika ny fanontaniana izay manampy ny mpianatra hamantatra sy hilaza fahamarinana mampiova fo dia jereo ny “Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
Indraindray ny olona dia manana hevitra tsy marina momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahafaly ny Tompo. Manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fitiavan’ny Tompo ny mpaminany Mika.
Ao amin’ny Mika 6:6–7, ny mpaminany dia mampiasa ohatra lehibe mba hanehoana fa tsy misy harem-be eo amin’izao tontolo izao afaka hanao izay hahafaly ny Tompo.
Vakio ny Mika 6:8 dia tadiavo ny zavatra azontsika atao mba hahafaly ny Tompo.
-
Ahoana no mety hamintinanao ny zavatra nianaranao momba fanaovana izay hahafaly ny Tompo?
Mety hampiasa ny teniny manokana ny mpianatra mba hampitana ilay fahamarinana hoe faly ny Tompo rehefa miezaka manao ny marina sy tia famindram-po ary manaraka Azy amin’ny fanetrentena isika.
Inona no takin’ny Tompo?
Amin’ny fiafaran’ny lesona ianao dia hanasa ny mpianatra hanao drafitra hanatsarana ny ezaka ataon’izy ireo mba hahafaly ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ireo fomba hita ao amin’ny andininy 8.
Mba hanomanana ireo mpianatra hanao io drafitra io dia hevero ny hampiasa ilay taratasy zaraina hoe “Inona no takin’nyTompo?”
Rehefa avy mandalina fizarana iray na maromaro ao amin’ilay taratasy zaraina miaraka amin’ny vondrona iray ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hamorona tabilao misy tsanganana telo eny amin’ny solaitrabe izay misy soratra hoe Manao ny marina, sy hoe Tia famindram-po, ary Manaraka amim-panetrentena. Rehefa avy nandalina ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny manoratra eo amin’ny taratasy kely ireo fomba ahafahan’ny zatovo iray mampifaly ny Tompo ka mametaka izany eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny tsanganana mifanaraka aminy. Afaka mamaky ireo taratasy rehetra ireo mpianatra any amin’ny faran’ilay sahanasa. Mety hanampy azy ireo hisafidy zavatra izay tsapany fa tokony hataony izany.
Fanehoana fankasitrahana ny Tompo
Rehefa avy nandinika ny sosokevitr’ireo mpiara-mianatra aminy ny mpianatra dia ampisehoy ireto torolalana sy famporisihana hisaintsaina manaraka ireto.
Androany ny Fanahy Masina dia mety nanome hevitra tao an-tsainao na fahatsapana tao am-ponao momba ny zavatra iray izay afaka manampy anao hanao ny marina, na hitia famindram-po, na hanaraka ny Tompo amin’ny fanetrentena. Manaova drafitra mba hampiharana ny zavatra nianaranao sy tsapanao amin’ny alalan’ny famenoana ireto famporisihana hisaintsaina manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao.
-
Mba hampifaly bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia te hifantoka amin’ilay andian-teny hoe “” avy ao amin’ny Mika 6:8 aho.
-
Ny zavatra iray na roa manokana izay tiako hatao dia: .
Azonao omena toky ireo mpianatra fa tia ny ezaka ataontsika amin-kitsim-po mba hahafaly Azy ny Ray any An-danitra. Ireo ezaka ireo dia manampy antsika hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy isan’andro. Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa rehefa miezaka hatrany ny hanao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika dia hampitombo ny ezaka amin-kitsim-po ataontsika ny Mpamonjy.