“Jona: -Ianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Jona: -Ianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Amosa; Obadia; Jona: Lesona 151
Jona
“Ianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra”
Nanolotra ny sandrin’ny famindram-pony tamin’i Jona sy ny vahoakan’i Ninive ny Tompo na dia teo aza ireo fahadisoana lehibe nataon’izy ireo. Rehefa tsapantsika fa notolorana an’io fitiavana sy famindram-po io isika dia afaka mihiaka koa isika fa “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po” ny Tompo (Jona 4:2). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavana sy ny famindram-pon’ny Tompo ho azy ireo sy ho an’ny hafa.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny tantaran’i Jona miaraka amin’ny fianakaviany na hamerina hijery izany samirery ary hisaintsaina ny zavatra tsapany fa hafatra fototra entiny. Afaka mamoaka ny fanontaniana na hevi-baovao avy amin’ny fandalinany ihany koa izy ireo.
Ity fanasana ity dia ohatra iray amin’ny fanampiana ny mpianatra hampifandray ny zavatra ianarany any an-trano amin’ny fandalinany ao an-dakilasy. Afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fianarany momba ny soratra masina sy ny Mpamonjy izany. Ho fanofanana fanampiny amin’ny fampifandraisana ny zavatra ianaran’izy ireo any an-trano amin’ny zavatra iainany ao an-dakilasy dia jereo ny “Mandrafeta ary mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hampifandray ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinana soratra masina izay nataony manokana sy niaraka tamin’ny fianakaviana, amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny fomba fijerintsika
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanaovana sary ity mari-drefy manaraka ity eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ireo teny miaraka amin’izany eo akaikiny. Rehefa manontany ny mpianatra ianao hoe ahoana ny mety ho fahitan’ny hafa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia ampio andalana vitsivitsy amin’ny toerana samihafa eo amin’ilay mari-drefy mba hanehoana ny valin-tenin’izy ireo.
Alaivo sary an-tsaina hoe maneho ny fomba fahitan’ny olona iray ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy io mari-drefy io.
-
Nahoana ny olona sasany no mety hahita Azy Ireo ho be fitiavana sy feno famindram-po ary hatsaram-panahy fa ny hafa kosa tsy mahita izany?
Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny fahitany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia hevero ny hanasa azy ireo hisaintsaina izao manaraka izao.
Saintsaino hoe aiza eo amin’ilay andalana no hametrahanao ny fomba fijerinao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Eritrereto ny antony nisafidiananao izany toerana izany eo amin’ilay andalana.
Izao dia alaivo sary an-tsaina hoe maneho ny fomba fieritreretanao na fitondranao ny hafa izany mari-drefy izany.
-
Inona avy ireo antony mety hitondrantsika ny olona sasany amin’ny fomba iray, fa ny olona hafa kosa amin’ny fomba tena hafa tanteraka?
Rehefa mandalina ny tantaran’i Jona ianao dia katsaho ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahita ny tena toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Eritrereto ny fomba fiantraikan’ny zavatra ianaranao momba Azy Ireo amin’ny fomba fijerinao, ny fieritreretanao, na ny fitondranao ny hafa.
Ny tantaran’i Jona
Mety hanampy ny manazava fa nonina tao Isiraely i Jona nandritra ny fanjakan’ny Mpanjaka Jeroboama II (jereo ny 2 Mpanjaka 13–15, indrindra fa ny 14:25). Naminany nanodidina izany fotoana izany ihany koa ny mpaminany Amosa sy Hosea. Mety ho tianao ny mampiseho sary iray izay manome topimaso momba ny Testamenta Taloha ary manasa ireo mpianatra hitady an’i Jona.
Vakio ny Jona 1:1–3, dia tadiavo ny torolalan’ny Tompo ho an’i Jona sy ny fomba namalian’i Jona izany.
Hevero ny hanazava fa i Ninive dia tanàn-dehibe iray an’ny Asyriana. Fantatra tamin’ny herisetrany ireo mpanjaka sy miaramila Asyriana, toy ny fampijaliana sy ny famonoana ny vahoaka izay resin’izy ireo.
Azonao atao ihany koa ny manazava fa i Tarsisy no mety ho Espagne amin’izao fotoana izao, ka izany dia milaza fa nandao an’i Isiraely i Jona ary nandeha tamin’ny lalana nifanohitra tamin’i nakany Ninive. Azonao atao ny mampiseho sarintany ho an’ny mpianatra ary mangataka azy ireo hitady an’i Ninive sy Tarsisy.
-
Ahoana no fahitanao ny valin-tenin’i Jona mikasika ny zavatra tsapany momba ny torolalan’ny Tompo mba hitory amin’ny vahoakan’i Ninive?
Mba hanampiana ny mpianatra handalina ny tantaran’i Jona dia azonao atao ny manasa azy ireo hameno ilay taratasy zaraina hoe “Ny tantaran’i Jona” samirery, na tsiroaroa, na ao anatina vondrona kely. Raha tsy izany dia azonao atao ihany koa ny manome ny mpianatra ny andalan-tsoratra masina fotsiny ao amin’ilay taratasy zaraina ary manasa azy ireo mba hanao sary tsotsotra sady hanoratra famintinana ho an’ny andalan-tsoratra masina tsirairay.
Rehefa avy nomena fotoana hamitana ilay asa atao ny mpianatra dia asao izy ireo hametraka izay fanontaniana ananany na hizara ny hevi-baovao azony avy amin’ny fandalinana ity tantara ity.
Raha ilaina dia hazavao fa ny Jona 4 dia mampiseho fa na dia feno fankasitrahana tamin’ny famindram-pon’ny Tompo sy ny famelany azy aza i Jona, dia nahasosotra azy ireo toetra ireo rehefa tamin’ny vahoakan’i Ninive no nanehoan’ny Tompo izany. Nampianatra an’i Jona ny Tompo fa tena sarobidy Taminy mihoatra lavitra noho ny tanantanamanga ny vahoakan’i Ninive.
Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana tsy feno manaraka ity. Asao ny mpianatra hameno ireo fahamarinana amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra vao nianarany avy amin’ny tantaran’i Jona.
Ny Tompo dia …
Mba hahatongavantsika tahaka ny Tompo dia tsy maintsy …
Hevero ny hameno ireo fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe amin’ny teny na andian-teny izay zarain’ny mpianatra, toy ny hoe:
Ny Tompo dia mamindra fo sy mamela heloka.
Mba hahatongavantsika tahaka ny Tompo dia tsy maintsy mamindra fo sy tsara fanahy ary mamela heloka tahaka Azy isika.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ohatra manokana avy amin’ny tantaran’i Jona izay maneho ireo fahamarinana ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny antony ahatsapany fa manan-danja ho azy ireo ny mahafantatra ireo teny na andian-teny nosafidiany.
-
Nahoana no mety ho sarotra amintsika indraindray ny mitia na mamindra fo amin’ny hafa?
-
Miantraika amin’ny fomba fijerintsika, ny fieritreretantsika, na ny fitondrantsika ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fahalalana momba ny famindram-po sy ny fitiavan’ny Tompo?
Lasa tahaka ny Tompo
Mety namantatra fahamarinana hafa ankoatra ireo voatanisa etsy ambony ireo ny mpianatra. Raha izany no izy dia hevero ireo fomba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra ny fahamarinana hitany. Ireto sahanasa manaraka ireto dia manampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ireo fahamarinana etsy ambony sy hahatsapany ny fitiavan’ny Tompo ho azy sy ny hafa.
Azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho tsiroaroa ary asaivo mamita samirery ny iray amin’ireo sahanasa ireo ny mpianatra tsirairay. Avy eo dia afaka mifampianatra ny zavatra izay hitany izy ireo. Na afaka mamita io sahanasa io ny tsiroaroa ary mifampizara ny zavatra nianarany.
Misafidiana iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto:
Rafi-tantara A. Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay mahatsapa fa ratsy fanahy sy tsy mamindra fo, na tsy mamela heloka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Rafi-tantara B. Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray izay manana olana amin’ny fanomezana famindram-po, hatsaram-panahy, na famelana ny heloky ny olon-kafa ianao.
Ataovy ireto manaraka ireto:
-
Mitadiava andininy iray avy amin’ny tantaran’i Jona izay hozarainao amin’ilay namanao. (Afaka mitady andalan-tsoratra masina fanampiny izay mety hanampy ihany koa ianao.)
-
Mieritrereta zavatra niainana iray ka mety hanampy. Ho an’ny rafi-tantara A: eritrereto ny fotoana nanehoan’ny Tompo fitiavana na famindram-po taminao na tamin’ny olona iray fantatrao. Ho an’ny rafi-tantara B: eritrereto ny fotoana nanampian’ny Tompo anao na ny olona iray fantatrao haneho fitiavana na famindram-po amin’ny hafa.
Ohatra sasantsasany amin’ireo soratra masina fanampiny izay mety hanampy amin’izany ireto manaraka ireto: ho an’ny rafi-tantara A: Isaia 1:18 na Etera 12:27; ho an’ny rafi-tantara B: Môrônia 7:45–48 na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11.
Avy eo dia afaka manazava amin’ny iray kilasy ny mpianatra manolo-tena iray hoe iza ilay na ireo andininy izay hozarain’izy ireo amin’ny namany sy ny anton’izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainany. Ireo valin-tenin’ny mpianatra dia afaka manasa ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo ho azy ireo sy ho an’ny hafa.
ChurchofJesusChrist.org Asao ny mpianatra hitady ny fomba nanehoan’ny Tompo fitiavana sy famindram-po tamin’i Rachel raha nanao fahadisoana izy fony zatovo.
Inona no nianaranao?
Mba hanampiana ny mpianatra hahita sy hahatsapa ny fitiavana sy famindram-pon’ny Tompo ho azy sy ny hafa, dia hevero ny hanasa azy ireo hanao sary ao amin’ny diary fandalinany izay mampahatsiahy ny tantaran’i Jona, toy ny trozona na zavamaniry lehibe iray. Avy eo dia asaivo manoratra ny valiny amin’ny iray amin’ireo fanontaniana etsy ambany izy ireo, ao anatin’ilay sary na eo akaikiny.
Hevero ny hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao:
-
Inona no nianaranao androany ka manampy anao hahatsapa fa be famindram-po sy tsara fanahy ary mamela heloka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Inona no zavatra niainanao androany ka manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo ho an’ireo izay mety ho manana olana amin’ny fanomezana fitiavana na famelana?