“Amosa; Obadia; Jona: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Amosa; Obadia; Jona: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Amosa; Obadia; Jona
Amosa; Obadia; Jona
Topimaso
Na dia tsy noraisin’ny vahoakany tsara aza izy dia nijoro ho vavolombelona momba ny anjara asan’ny mpaminany i Amosa (jereo ny Amosa 3:7) ary naminany ny amin’ny apôstazia izay ho avy (jereo ny Amosa 8:11–12). Nandosiran’i Jona ny antso feno famindram-po nataon’ny Tompo ny hampitandrina ny vahoakan’i Ninive. Natsipy tao anaty ranomasina i Jona, ny trozona no namonjy azy tamin’ny fomba mahagaga, ary nataony ihany izay nangatahin’ny Tompo tamin’ny farany. Nibebaka sy niova ny vahoakan’i Ninive, ary nampianatra an’i Jona ny antony tokony hamindrany fo amin’izy ireo ny Tompo.
Amporisiho ny mpianatra ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro. Ny fandalinana tsy an-kiato ny soratra masina dia afaka manampy antsika ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy sy hahatsapa ny fitiavany. Amporisiho ny mpianatra mba hanana fahazarana handalina ny soratra masina isan’andro. Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hampifandray ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinana soratra masina izay nataony manokana sy niaraka tamin’ny fianakaviany, amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy. Ny ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany dia hita ao amin’ny fanomanana ny mpianatra ho an’ny Lesona 151: “Jona.” (Jereo ny antsipiriany etsy ambany ho an’ity lesona ity.)
Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba hanaovana izany dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa ho lasa mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fandalinana ny teniny” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Amosa 3; 7
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia manambara torohevitra sy fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
-
Fitaovana haseho:
-
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo valiny azo tao amin’ny tambajotran-tserasera izay hanombohana ny lesona
-
Sarin’ny mpaminany velona
-
Ireo toromarika amin’ny fomba hamaliana fanehoan-kevitra ao amin’ny tambajotran-tserasera izay nasiana hoe “1” sy “2” eo ambanin’ny lohateny hoe: “Manaraka ny mpaminanin’ny Tompo”
-
Amosa 8
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatokisan-tenan’izy ireo fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manome fahafaham-po amin’ny hanoanan’izy ireo ara-panahy manokana amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe mety hanao ahoana ny fiainan’izy ireo raha toa ka tsy nanana ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany izy ireo. Afaka tonga ao an-dakilasy vonona hizara ny zavatra noeritreretiny ny mpianatra.
-
Fitaovana haseho: Sarina sakafo na mitondrà sakafo tsotsotra
-
Horonan-tsary: “Dispensations: The Pattern of Apostasy and Restoration” (6:52).
Jona
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fangorahana sy famindram-pon’ny Mpamonjy ho azy ireo sy ho an’ny hafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny tantaran’i Jona miaraka amin’ny fianakaviany na hamerina hijery izany samirery ary hisaintsaina ny zavatra tsapany fa hafatra fototra entiny. Afaka mamoaka ny fanontaniana na hevi-baovao avy amin’ny fandalinany ihany koa izy ireo.
Ity fanasana ity dia ohatra iray amin’ny fanampiana ny mpianatra hampifandray ny zavatra ianarany any an-trano amin’ny fandalinany ao an-dakilasy. Afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fianarany momba ny soratra masina sy ny Mpamonjy izany. Ho fanofanana fanampiny amin’ny fampifandraisana ny zavatra ianaran’izy ireo any an-trano amin’ny zavatra iainany ao an-dakilasy dia jereo ny “Mandrafeta ary mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hampifandray ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinana soratra masina izay nataony manokana sy niaraka tamin’ny fianakaviana, amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
-
Fitaovana haseho:
-
Manaova sarina mari-drefy eny amin’ny solaitrabe izay manomboka amin’ny hoe “ratsy toetra, tsy mamindra fo, ratsy fanahy” ka mankany amin’ny hoe “be fitiavana, be famindram-po, tsara fanahy”
-
-
Taratasy zaraina: “Ny tantaran’i Jona”
-
Horonan-tsary: “Moving On from Past Mistakes” (3:43)