“Amosa 3; 7: Manambara fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Amosa 3; 7: Manambara fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Amosa; Obadia; Jona: Lesona 149
Amosa 3; 7
Manambara fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo
Ao anatin’ny tontolo izay ahenoana feo mandresy lahatra maro dia mety ho sarotra ny mahafantatra hoe iza no feo azo itokisana. Soa ihany fa manambara ny drafiny amintsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny velona ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy be fitiavana. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia manambara torohevitra sy fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Famaliana ireo torohevitra avy amin’ny mpaminany
Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fihetsik’izy ireo manoloana ireo mpaminany. Mety hanampy ny manoratra ireto famaliana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera telo manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.
Ho solon’ity sahanasa manaraka ity dia azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina fa nozarain’ireo namany ireo famaliana ireo rehefa avy nihaino ny lahatenin’ny mpaminany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo izy ireo. Azonao dinganina avy eo ny fanontaniana miaraka amin’izany.
Alaivo sary an-tsaina ny fahitana ireto manaraka ireto ho famaliana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera:
“Tsy manana antony hiresahana momba izany izy. Tsy takany ilay izy.”
“Tsy mahafantatra ny tena zava-misy izy.”
“Amin’ireo zavatra hafa rehetra tokony hataoko dia tsy hitako ny fomba ahafahako mampihatra io torohevitra io amin’ny fiainako izay efa tena feno zavatra atao.”
-
Iza no mety resahina ao amin’ireo famaliana ireo?
Azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny mpaminany velona ary manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina fa ireo fanehoan-kevitra ireo dia famaliana eo anatrehan’ny zavatra iray nolazain’ny mpaminany. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny antony mety ananan’ny olona iray ny iray amin’ireo toe-tsaina etsy ambony ireo.
Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny fahatsapany momba ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany.
Makà fotoana hisaintsainana ny fomba fijerinao ny mpaminanin’ny Tompo ety an-tany amin’izao fotoana izao. Azonao heverina ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no fahatsapako momba ny torohevitry ny mpaminany? Miova ve ny zavatra tsapako miankina amin’ny torohevitra omeny?
-
Inona avy ireo antony homeko amin’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany? Moa ve misy zavatra mampananosarotra ny fanarahako ny torohevitry ny mpaminany?
Rehefa mandalina ny ao amin’ny bokin’i Amosa isika androany dia afaka manampy anao hianatra kokoa momba ny maha-zava-dehibe ny tenin’ Andriamanitra izay omena antsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Fanahy Masina. Azonao atao ny manoratra hevi-baovao na izay fanontaniana anananao rehefa mandalina ianao androany.
Manambara ny drafiny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo.
Tamin’ny fotoana nanompoan’i Amosa tamin’ny naha mpaminany azy tao amin’ny fanjakana avaratr’i Isiraely, dia maro tamin’ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra no niala Taminy sy tamin’ireo mpaminaniny ary nanaraka ny fomba ratsin’ireo firenena nanodidina (jereo ny Amosa 2:6–12). Nisafidy an’i Amosa mba hiantso azy ireo hibebaka ny Tompo. Naminany ny faharavana sy ny fahababoan’ny Mpanjaka Jeroboama II sy ny vahoakany i Amosa (jereo ny Amosa 7:8–9; 11, 17).
Vakio ny Amosa 7:10–15, ka tadiavo ny fomba namalian’i Amazia, ilay mpisoron’ny Mpanjaka Jeroboama II ny torohevitry ny mpaminany nomen’i Amosa.
-
Inona no hitanao?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no nihevitra ny olona fa tsy “zaka[ny] ny tenin[’i Amosa] rehetra” (Amosa 7:10) izy ireo ary naniry azy handeha haminany any an-toeran-kafa (jereo ny Amosa 7:12)?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no manohy mampianatra ireo mpaminanin’ Andriamanitra na diaamin’ny fotoana ahitan’ny olona sasanyazy ireo ho olona tsy malaza na tsy maharaka na tsy ilaina aza ?
Raha tsy milaza izany ny mpianatra dia azonao atao ny manontany ny zavatra nataon’i Amosa talohan’ny niantsoana azy ho mpaminany (jereo ny Amosa 7:14) sy ny zavatra nataon’ny Tompo ao amin’ny andininy 15 mba hiantsoana an’i Amosa ho lasa mpaminany. Hazavao fa toy ny tamin’i Joseph Smith sy ny hafa, ny Tompo dia tsy mitaky ireo mpaminaniny hoe mitana toerana ambony na efa nahavita zavatra betsaka alohan’ny hiantsoany azy ireo ho mpaminany. Raha mila fanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao zaraina ny teny nambaran’ny Filoha Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ato amin’ity lesona ity ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
Toko vitsivitsy talohan’izany, dia nanambara fahamarinana mahery vaika momba ny Tenany sy ny mpaminaniny tamin’ny alalan’i Amosa ny Tompo.
Ny Amosa 3:7 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.
Vakio ny Amosa 3:7–8, dia tadiavo ny zavatra ataon’ Andriamanitra mandrakariva amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
Mety hanampy ny mpianatra ny mahafantatra fa ny teny hafa ho an’ny tsiambaratelo dia ahitana ny hoe torohevitra na drafitra.
-
Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra mba hamantarana fa manambara ny drafiny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo. Azonao atao ny mizara, ho ohatra amin’io fahamarinana io, fa talohan’ny nandravana an’i Joda sy Isiraely tamin’ny farany noho ny faharatsian’ny vahoaka, dia nanambara ny zavatra hitranga ny Tompo raha tsy mibebaka ny vahoaka (jereo ny Amosa 2:4–6, 8:11–12).
Rehefa mitohy ny lesona dia mitadiava fomba hanamafisana fa tia antsika ny Tompo ary te hitarika antsika Izy.
-
Inona no azon’io fahamarinana io ampianarina anao mikasika ny antony maha-zava-dehibe aminao ny mihaino ny mpaminany na manao ahoana na manao ahoana fihetsiky ny hafa manoloana ny teniny?
Manaraka ireo mpaminanin’ny Tompo
Ity sahanasa manaraka ity dia fomba iray hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo fa manambara fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hevero ny handamina ireo mpianatra ho ao anaty vondrona kely ary hampiseho tsikelikely ireo dingana atao ao amin’ilay sahanasa.
Tsarovy ireo fanehoan-kevitra ao amin’ny tambajotran-tserasera tany am-piandohan’ny lesona dia misafidiana iray. Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hiomana hanoratra valin-teny iray.
-
Avereno vakina ny Amosa 3:7 ary saintsaino ny fomba mety hanampian’izany an’ilay olona nanao izany fanehoan-kevitra izany. Vakio ihany koa ireto andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto ka tadiavo ny fomba mety hanampian’izany. (Hevero ny hampifandrohy na hampifandray ireo soratra masina ireo amin’ny Amosa 3:7.)
-
Ampidiro ao anatin’izany ny fitahiana roa farafahakeliny izay afaka ny ho tonga rehefa mihaino ny mpaminanin’ Andriamanitra ianao. Afaka mahita ohatra ianao ao amin’ny soratra masina, na tantara avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana, na fampianarana avy amin’ireo mpaminany amin’izao fotoana izao. Miezaha mizara ohatra iray izay nitondran’ny tenin’ny mpaminany fiovana tsara teo amin’ny fiainanao.
Azonao atao ny mizara ny sasany amin’ireto ohatra manaraka ireto amin’ny mpianatra, araka izay ilaina:
-
Tamin’ny alalan’i Noa mpaminaniny no nampitandreman’ny Tompo ny vahoaka fa raha tsy mibebaka izy ireo dia horavana amin’ny safo-drano (jereo ny Mosesy 8:22–30; Genesisy 7:17–24).
-
Naminany mikasika ny zavatra hiainan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny mpaminany Isaia (jereo ny Isaia 53:3–5).
-
Ny fiangonana izay mifototra kokoa amin’ny tokantrano sy tohanan’ny Fiangonana dia “nanomana antsika … talohan’ny nitrangan’izay mety ho famantarana momba ny fisian’ny valanaretina iray, ka nahatonga antsika afaka niaritra ireo zava-tsarotra izay tonga teo” (Gary E. Stevenson, “Nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 103).
Ny valin-teniko
Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany dia manorata valin-teny mifono fanampiana ho an’ny iray amin’ireo fanehoan-kevitra tsy dia tsara tany am-piandohan’ny lesona. Ataovy izay hampidirana soratra masina iray farafahakeliny ary ohatra iray, izay mety ho zavatra niainana manokana.
Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valin-teniny. Hevero ny hizara ny zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina anao momba ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fitarihany amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
Fanaovana tsianjery
Mety ho tianao ny manampy ny mpianatra hanao tsianjery ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa manaraka. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Amosa 3:7 dia ny hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana ao amin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”