Seminera
Amosa 8: Mandresy ny hanoanana ara-panahy


“Amosa 8: Mandresy ny hanoanana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Amosa 8: Mandresy ny hanoanana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Amosa; Obadia; Jona: Lesona 150

Amosa 8

Mandresy ny hanoanana ara-panahy

191st Semiannual General Conference: Russell M. Nelson

Samy efa nahatsapa ho noana avokoa isika rehetra. Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe mijaly noho ny hanoanana ara-panahy izany. Nampianatra ny Isiraelita tamin’ny alalan’i Amosa ny Tompo raha nampiasa izany fanoharana izany. Naminany i Amosa fa tsy homena ny tenin’ny Tompo intsony ny vahoakany satria nolavin’izy ireo izany. Hitarika amin’ny mosary ara-panahy ny tsy fandraisana ny tenin’ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny fananan’izy ireo toky fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manome fahafaham-po ny hanoanana ara-panahin’izy ireo amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe mety hanao ahoana ny fiainan’izy ireo raha toa ka tsy nanana ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany izy ireo. Afaka tonga ao an-dakilasy vonona hizara ny zavatra noeritreretiny ny mpianatra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Hanoanana ara-panahy

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana sarina sakafo na ny fitondrana sakafo tsotsotra ary ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Oviana no fotoana iray nahatsapanao ho tena noana?

  • Inona no mety ho ataontsika rehefa noana isika?

    Anisan’ireo valin-teny mety ho voalaza ny fahatsapana fahasorenana, malemy, na mila sakafo mafy na inona na inona karazany.

    Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay andian-teny hoe Hanoanana ara-panahy.

  • Inona no zavatra ara-panahy mety ho katsahin’ny olona ary sarotra tadiavina aminy?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra. Mety hilaza toy ny hoe fitiavan’ Andriamanitra, tanjona eo amin’ny fiainany, fahafantarana fahamarinana, fitarihana amin’ny fanapahan-kevitra sarotra, sns, ny mpianatra.

Makà fotoana hanoratana ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fomba izay mety hahatsapanao na ny olona fantatrao hanoanana ara-panahy amin’izao fotoana izao.

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny Fanahy Masina androany rehefa mandinika ny zavatra azon’izy ireo atao mba handraisana ny sakafo ara-panahy atolotr’i Jesoa Kristy izy ireo.

Mosary amin’ny fandrenesana ny tenin’ny Tompo

Naminany momba ny hanoanana ara-panahy ny mpaminany Amosa. Nanambara ny tenin’ny Tompo tamin’ny vahoakan’i Isiraely izy, saingy tsy nihaino azy izy ireo (jereo ny Amosa 2:12; 7:11–16).

Raha tsapanao fa hanampy izany, dia asao ny mpianatra hamaky ny Amosa 7:12–13 mba hahatakarana ny fomba namalian’ny Isiraelita ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Amosa.

Vakio ny Amosa 8:11–12 hitadiavana ny vokatry ny fandavan’ny olona ny tenin’ny Tompo.

Raha ilaina dia hazavao fa ny mosary dia tsy fahampian-tsakafo diso tafahoatra.

  • Inona no fiantraikany hitanao?

    Raha tsy manamarika izany ny mpianatra dia mizarà fahamarinana tahaka izao manaraka izao: Rehefa mandà ny mpaminanin’ny Tompo ny olona dia tsy mahazo ireo fitahian’ny tenin’ny Tompo izy ireo. Raha tsy misy ny tenin’ Andriamanitra, dia noana ara-panahy isika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fampitahana tsara amin’ny fiainana tsy misy ny tenin’ny Tompo ny mosary?

  • Inona avy ireo fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Amosa?

Raha ilaina dia zarao amin’ny mpianatra fa ireo andininy ireo dia milaza vanim-potoana iray fantatra amin’ny hoe apôstazia. Ny apôstazia dia rehefa mandà ireo fitsipiky ny filazantsara ny olona na vondron’olona ary tsy mandefa mpaminany ho azy ireo intsony ny Tompo. Ny fahatanterahana iray ny amin’ny faminanian’i Amosa dia nitranga taorian’ny nahafatesan’ireo apôstôlin’i Kristy ary fantatra amin’ny hoe ny Apôstazia Lehibe. Naharitra mandra-pamerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany tamin’ny alalan’ny mpaminany Joseph Smith ny Apôstazia Lehibe.

Mety ho tianao ny mizara ny horonan-tsary “Dispensations: The Pattern of Apostasy and Restoration” (6:52) mba hanehoana ny lanjan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

6:55

Fanomezana fahafaham-po ny hanoanana ara-panahy

Tao anatin’ny famindrampon’ny Tompo dia nataony mazava tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny fa hamonjy ny olony amin’ny vokatry ny apôstazia sy hitahy ny vahoakany Izy. Naminany tamin’ny alalan’i Amosa ny Tompo fa hanangona ny olony indray Izy amin’ny andro hoavy ary hitahy azy ireo amin’ny fomba maro (jereo ny Amosa 9:14–15).

Vakio ireto andininy manaraka ireto mba hitadiavana ny zavatra hafa nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny fa hataony amin’ny fotoampitantanana farany mialoha ny Fiaviany Fanindroany:

Daniela 2:44–45

Asan’ny Apostoly 3:19–21

Efesiana 1:3, 10

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:13; 112:30; 128:18

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy hametraka izay fanontaniana ananany momba ireo andininy ireo. Mba hahazoana fanampiana fanampiny dia azonao atao ny mitarika azy ireo amin’ny “Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara,” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana.

  • Inona avy ireo fitahiana nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho an’ny tontolo noana ara-panahy tamin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny?

Azon’ny mpianatra atao ny mitanisa ny fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana, mpaminany, fanambarana, soratra masina, rafitry ny Fiangonana, ôrdônansy, ary fanomezana ny Fanahy Masina.

Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ireo fitahiana ireo manome ny zavatra ilain’izy ireo sy ny an’ireo olona izay karakarainy. Fomba iray ahafahanao manao izany ity manaraka ity.

Asao ny mpianatra hamorona rafi-tantaran’olona iray izay noana amin’ny iray amin’ireo lohahevitra voatanisa eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe Hanoanana ara-panahy. Asao ny mpianatra hanampy antsipiriany mba hahatonga ilay rafi-tantara ho miaina kokoa. Azonao atao ny mizara izao manaraka izao momba an’i Mirana mba ho ohatra. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny miara-miasa, na samirery na miaraka amin’ny vondrona kely mba hamaliana ny mombamomba ilay rafi-tantara.

Rafi-tantara: 15 taona i Mirana ary tsy maniry na inona na inona mihoatra noho ny mitady tanjona ho an’ny fiainany izy. Sarotra aminy ny matoky tena, ary tsy azony antoka hoe aiza no lalana tokony halehany.

  • Inona no azonao zaraina fa nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ka afaka manampy amin’ny famahanana ny hanoanana ara-panahin’i Mirana?

Ataovy izay hampidirana soratra masina ao anatin’ny valin-teninao; teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana; ary raha azo atao, zavatra niainanao manokana.

Raha sahirana ny mpianatra mamaly, dia azonao atao ny manasa azy ireo hijery ao amin’ny boky torolalana Ho zatovo mahery! na ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Raha mamaly ilay rafi-tantara misy an’i Mirana ny mpianatra dia azonao atao ny mampitodika azy ireo amin’ny lohatenim-pizarana hoe “Manaova safidy nentanim-panahy” ao amin’ny boky torolalana Ho zatovo mahery! na ny Mosesy 1:39: “Izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.” Mety hisaintsaina ny mpianatra fa ny fahafantarana fa ny Tompo dia miahy azy ireo ary miasa fatratra amin’ny famerenana azy ireo ho eo anatrehany dia afaka mamoky ny hanoanany ara-panahy izay tsy hahafahany mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra na tanjon’ny fiainany.

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nomaniny. Afaka mizara ny zavatra nianarany avy tamin’ilay zavatra niainana ihany koa izy ireo.

Fandinihana ataon’ny tena manokana

Ho famaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diarin’izy ireo.

  • Inona no nianaranao androany ka mampitombo ny fanananao toky fa afaka manome fahafaham-po ny hanoanana ara-panahy ananantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona no fomba iray tianao hampiharana ny zavatra nianaranao na tsapanao?