Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandritra ny Testamenta Taloha ireo mpaminany dia nanambara ny fanasan’ny Mpamonjy mba hitodika na hiverina any Aminy na inona na inona antony nialan’izy ireo (jereo ny Deoteronomia 4:30–31; Nehemia 1:9). Indraindray isika dia miala nefa tsy tonga saina hoe nivily lalana.
Asao ny mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo na ny olona akaikin’ny fony ka mety hiala amin’ny Tompo. Azonao atao ny manasa azy ireo hamita ity fanombanan-tena manaraka ity.
Iza amin’ireto teny nambara manaraka ireto no tsapanao fa marina aminao?
Te hanampy ny olona tiako izay miala amin’ny Tompo aho.
Tsy tena nieritreritra loatra aho hoe hatraiza ny maha-akaiky ahy amin’ny Tompo.
Mahatsapa ho alaim-panahy hiala amin’ny Tompo aho.
Manao izay tsara indrindra vitako aho mba hijanona ho akaikin’ny Tompo ary manantena fa afaka mijanona ho mahatanjaka.
Rehefa mandalina ny Zakaria ianao dia mikatsaha fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao amin’ny toe-javatra iainanao manokana.
Mitodika amin’ny Tompo
Taorian’ny 50 taona nahababo azy dia Isiraelita maro no niverina tany Jerosalema sy tany amin’ny faritra manodidina. Nanorina indray ilay tanàna sy nanomboka nanorina indray ny tempolin’ny Tompo izy ireo (jereo ny Ezra 5:1–2; 6:14). Saingy na dia niverina ara-batana tany Jerosalema aza izy ireo dia olona maro no mbola lavitra ny Tompo ara-panahy. Nandefa ny mpaminany Zakaria Izy mba hanampy ny vahoaka hitodika any Aminy mba hahafahany hitoetra eo afovoan’izy ireo (Zakaria 2:10).
Vakio ny Zakaria 1:1–3, ka tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ny vahoakany.
Mamoròna tsanganana efatra eo amin’ny solaitrabe Soraty na asao ny mpianatra iray hanoratra ity fahamarinana tsy feno manaraka ity eny amin’ny solaitrabe eo ambonin’ireo tsanganana: Miverina amin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny …
Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, iray isaky ny tsanganana tsirairay. Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra ary asao ny mpikambana tsirairay ao amin’ny vondrona handalina ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mameno ilay fehezanteny manambara fahamarinana amin’ny alalan’ny fampiasana ny andinin-tsoratra masin’izy ireo.
Zakaria 1–4
Zakaria 3:7 (Ny hoe “Homeko lalana ho amin’ireo mitsangana ireo ianao” dia mety hilazana ny fahatsapana ho madio sy mendrika eo anatrehan’ireo iraka avy any an-danitra .)
Zakaria 7:9–10
Zakaria 8:16–17 (mariho ilay andian-teny hoe “fiadanana ao am-bavahadinareo”)
Mety hizara teny samihafa ny mpianatra, kanefa ampio izy ireo hameno ilay fahamarinana natao sora-matevina amin’ny alalan’ny fehezanteny toy ny hoe:
… fialana amin’ny ratsy (Zakaria 1:4).
… mandeha araka ny fomban’ny Tompo (Zakaria 3:7).
… mamindra fo sy mangoraka ny hafa (Zakaria 7:9–10).
… mitoetra ho mpampihavana (Zakaria 8:16–17).
Hevero ny hanoratra ny andian-teny tsirairay eny amin’ny solaitrabe eo amin’ny tsanganana tokony hisy azy.
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy hampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ireo fahamarinana hitan’izy ireo avy ao amin’i Zakaria. Omeo ny tahadikan’ilay taratasy zaraina hoe “Afaka mitodika any amin’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny …” ny vondrona tsirairay. Asao ny mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa na anatin’ny vondrona kely mba hamenoana ilay taratasy zaraina. Raha tsy izany dia azonao atao ny manome rafi-tantara samihafa ho an’ny vondron’olon-droa samihafa ary ataovy miomana izy ireo mba hizara amin’ny vondron’olon-droa izay niasa tamina rafi-tantara hafa.
Zarao ny zavatra nianaranao
Asao ireo vondrona hizara ny zavatra nianarany. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny vondrona tsirairay hanoratra ny valintenin’izy ireo momba ny fisarihan-tsaina faha-2 na faha-3 ho an’ny iray amin’ireo rafi-tantara ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe.
Rehefa avy nizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hisaintsaina ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanao izao manaraka izao.
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra iray na roa izay tsapanao fa afaka manampy anao hitodika amin’ny Tompo. Asao ombam-bavaka ny Rainao any An-danitra mba hanampy anao amin’ny ezaka ataonao.
Azonao faranana amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika sy ny fanasan’Izy Ireo feno fitiavana tsy tapaka mba hitodika any Amin’Izy Ireo.