“Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: Mandre ny tenin’ny Mpamonjy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: Mandre ny tenin’ny Mpamonjy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Lesona 205
Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Mandre ny tenin’ny Mpamonjy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Miresaka amintsika tsirairay amin’ny alalan’ireo mpanompony ny Tompo mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny fiomanana an-tsitrapo ho amin’ny fihaonambe dia afaka manampy antsika handray fanambarana ho an’ny tena manokana. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hiomana handray ny hafatra avy amin’ny Mpamonjy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Fanomanana ’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana izay mety ho azo rehefa mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana manaraka sy ny fomba ahafahan’izy ireo miomana amin’izany.
Sahanasa fianarana azo atao
Miomana amin’ireo fotoana miavaka
Fanamarihana: Satria atao indroa isan-taona ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia mety ilainao ny mampianatra ity lesona ity indroa. Mba hahitana fomba hafa hampianarana ity lesona ity dia jereo ny fizarana Sahanasa fianarana fanampiny ato amin’ity lesona ity ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ao amin’nyChurchofJesusChrist.org.
Mba hanampiana ny fanomanana ny mpianatra handalina dia hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanaovana sary toy izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe:
Asao ny mpianatra hitadidy hafatra iray izay noraisin’izy ireo ka nanan-danja tamin’izy ireo. Ohatra amin’izany ny fanamarihana avy amin’ny ray aman-dreny, hafatra avy amin’ny namana, fankasitrahana avy amin’ny mpifanolobodirindrina na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na torohevitra avy amin’ny ray aman-drenibe.
Hevero ny hizara ohatra iray amin’ny hafatra noraisinao ka nanan-danja taminao. Apetraho amin’ny mpianatra ity fanontaniana manaraka ity:
-
Nahoana no nanan-danja taminao ilay hafatra noraisinao?
Alaovy sary an-tsaina hoe handefa hafatra ho anao ny Tompo. Makà fotoana kely hanoratana ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra antenainao ho ampidiriny ao amin’ny hafany, ohatra, fitarihana ho an’ny fiainanao, hafatra mitondra fanantenana sy fanomezan-toky, fanamafisana ny fahamarinana, na valin’ny fanontaniana iray.
Ny fomba handefasan’ Andriamanitra hafatra ho antsika
Vakio ny maromaro amin’ireto andininy manaraka ireto, ka tadiavo ny fomba iray handefasan’ny Tompo ny hafany sy ny andian-teny izay maneho ny antony maha-manan-danja izany:
-
2 Tantara 36:15
-
Jeremia 7:25
-
Amosa 3:7
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany ary amporisiho izy ireo hanisy marika ireo andian-teny henon’izy ireo avy amin’ireo namany izay tian’izy ireo hotsaroana.
Mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara, miaraka amin’ireo mpitarika hafa nentanim-panahy ao amin’ny Fiangonana dia mizara hafatra avy amin’ny Tompo.
Nampianatra izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Omeko anareo ny tenivavolombeloko fa i Jesoa no Kristy, fa Izy no mitarika ny raharahan’ity asa masina ity, ary ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no iray amin’ireo fotoana tena manan-danja hanomezany fitarihana ho an’ny Fiangonany sy ho antsika manokana. …
Ireo fampianarana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no ireo fifantohana irian’ny Tompo ho eo anoloantsika manomboka izao sy mandritra ireo volana manaraka. (“Ny feon’ny Tompo”, Liahona, nôv. 2017, 122, 124)
-
Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Loholona Andersen?
Fahamarinana iray mety holazain’ny mpianatra ny hoe: mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny Tompo dia manome torolalana ho an’ny Fiangonany sy ho antsika manokana amin’ny alalan’ireo mpanompony, dia ireo mpaminany izany.
-
Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka mahatonga ny hafatra iray avy Aminy ho manan-danja?
Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina momba ny fiomanany ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia hevero ny hampiseho ireto fanontaniana fanombanan-tena manaraka ireto.
Saintsaino ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Hatraiza ny fahatokisanao fa hainao ny mamantatra ireo hafatry ny Tompo manokana ho anao mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany? Nahoana?
-
Inona no azonao atao mba hiomanana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ho avy ka hahafahanao mandray tsara kokoa ny hafatry ny Tompo ho anao?
Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe mialoha sy ny hoe mandritra . Asao ny mpianatra hitanisa ny zavatra azon’izy ireo atao mialoha sy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba handraisana tsara kokoa ny hafatry ny Tompo.
Aorian’izay dia hevero ny hanasa ny mpianatra hitady hevitra fanampiny amin’ny alalan’ny fampiasana ny taratasy zaraina hoe “Mandray izay soa indrindra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.” Ireto misy fomba vitsivitsy izay mety hahomby amin’ny fampiasana ilay taratasy zaraina:
-
Halalino ao anaty vondrona kely ary valio miaraka ireo fanontaniana.
-
Alamino ho vondrona misy olona efatra ny mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo teny nindramina sy ireo fanontaniana miaraka amin’izany ny mpianatra tsirairay. Aorian’ny famakiana sy ny fisaintsainana ny fizarana azony avy dia samy mizara amin’ny vondrona misy azy ny mpianatra tsirairay.
-
Omeo fanambarana samy hafa ny mpianatra efatra mialoha ny fotoam-pianarana ary asao izy ireo ho tonga efa vonona hizara izany amin’ny iray kilasy ary hamaly ny fanontaniana na ireo fanontaniana miaraka amin’izany. Raha tsy izany dia azon’izy ireo atao ny mampiasa ireo fanontaniana mba hitarihana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy.
Ho solon’izany, na ho fanampin’ilay taratasy zaraina dia azonao atao ny mizara ny horonan-tsary “The Blessings of General Conference (Ireo fitahiana avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany)” (2:24), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Rehefa avy nomena fotoana handalinana ilay taratasy zaraina sy hisaintsainana ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra dia asao izy ireo hamaly.
-
Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nandray hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay tsapanao fa avy amin’ny Tompo? Inona no fiantraikan’izany taminao na tamin’izy ireo?
Miomàna ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Manorata tanjona iray momba ny zavatra tianao hatao mba handraisana ireo hafatry ny Tompo mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Zarao amin’ny mpianatra tsirairay ny taratasy kely na taratasy miraikidraikitra ary asao izy ireo hanoratra ilay andian-teny hoe “Natao ho anao” ery ambony. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mampiasa ny diary fandalinany na ny kahie fandraisany an-tsoratra, raha tiany.
Angataho izy ireo hanoratra izay hafatra tsapany fa nalefan’ny Tompo ho azy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Amporisiho izy ireo hiverina ao an-dakilasy aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany efa vonona hizara ny zavatra nataony mba hiomanana. Raha tsy mahakasika ny tena manokana loatra, dia azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara hoe inona ireo hafatra henonin’izy ireo avy amin’ny Tompo.
Mandritra ny fotoam-pianarana manaraka aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia makà minitra maromaro hanasana ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra niainan’izy ireo.
Sahanasa famerenana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Amin’ny kilasin’ny seminera manaraka aorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia hevero ny hanome fahafahana ho an’ny mpianatra hamerina hijery sy hizara ny zavatra nianarany. Azonao atao ny manoratra fanontaniana maromaro eny amin’ny solaitrabe, toy ny hoe:
-
Inona no nampiomehy anao?
-
Inona no lahateny tsy andrinao ny handalinana azy?
-
Inona avy ireo hafatra tsapanao fa natao ho anao fotsiny?
-
Inona ny zavatra nianaranao na tsapanao momba ny Mpamonjy?
Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin’ny iray amin’ireo fanontaniana ireo. Raha tsy izany dia azon’izy ireo atao ny manoratra ny anarany eo amin’ny taratasy miraikidraikitra na taratasy kely ary mametraka izany eo akaikin’ny fanontaniana izay tian’izy ireo hovaliana. Asao ny iray kilasy hifanakalo hevitra amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra izay vonona hizara ny valinteniny amin’ireo fanontaniana. Afaka mizara ny sasantsasany amin’ny valinteninao ihany koa ianao.