“-Fanantenana ho an’i Isiraely-: Mandalina ny Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“-Fanantenana ho an’i Isiraely-: Mandalina ny Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Lesona 208
“Fanantenana ho an’i Isiraely”
Mandalina ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana
Mandritra ny taona ny mpianatra dia hanana fahafahana maro handalinana ny hafatry ny Tompo izay nomen’ireo mpitarika nentanim-panahy. Ny tahirin-kevitra hoe “Maodely fampianarana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana” dia fitaovana azonao ampiasaina mba hanampiana hitarihana ny mpianatrao rehefa mandalina ireo hafatra ireo izy ireo. Ity lesona ity dia manome ohatra iray mikasika ny fomba ahafahanao mampiasa ny maodely mba hampianarana ny lahatenin’ny Filoha Nelson hoe “Fanantenana ho an’i Isiraely” ([fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], Médiathèque de l’Évangile). Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hanao asa araka ny fanasan’ny Filoha Nelson.
Fanomanana ny mpianatra: Zarao amin’ny mpianatra ny lohatenin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson hoe “Fanantenana ho an’i Isiraely.” Amporisiho izy ireo hamaky, hijery, na hihaino ny ampahany na izy rehetra amin’ilay lahateny mialoha ny fotoam-pianarana. Asao izy ireo hanomana ny fon’izy ireo ombam-bavaka mba handray ny fampianaran’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny hafatr’ireo mpanompon’i Jesoa Kristy.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanamarihana: Ity lesona ity dia manome ohatra amin’ny fomba ahafahan’ireo mpampianatra mampiasa ilay antontan-kevitra hoe “Maodely fampianarana ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana” mba hanampiana ny mpianatra handalina ireo hafatra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Azonao ampifanarahana amin’izany ireo hevitra ao amin’ity lesona ity, na azonao ampiasaina ny tamba-kevitra samihafa avy ao amin’ilay maodely na ny hevitrao manokana izay mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao.
Atombohy ny lesona
Atombohy amin’ny fomba mamorona fahalianana ao an-tsaina sy ao am-pon’ny mpianatra mba hanampy azy ireo hiomana amin’ny traikefa fandalinana ny lesona. Hevero ny hampiasa ny hevitrao manokana na ireto hevitra manaraka ireto “Fanontaniana momba ilay lohahevitra” ao amin’ny fizarana hoe “Paika hanombohana ny lesona” ao amin’ilay maodely.
Asehoy ity teny nambara manaraka ity. Hevero ny hanasongadina na hanisy tsipika ilay andian-teny hoe hanangona an’i Isiraely.
Nizara izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ry zatovo mahavariana malalako, nalefa tety an-tany ianareo ho amin’izao fotoana izao indrindra, ny fotoana manan-danja indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao, mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely! Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho izany eto amin’ity tany ity amin’izao. Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy. (“Fanantenana ho an’i Israely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], Médiathèque de l’Évangile)
Afaka mifanakalo hevitra tsiroaroa na ao anatina vondrona kely momba ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra. Na azon’izy ireo soratana samirery ao amin’ny diariny izay fanontaniana mety hipetraka.
-
Inona no fanontaniana anananao na ananan’ny hafa momba ny fanangonana an’i Isiraely—ilay zava-nitranga izay antsoin’ny Filoha Nelson hoe ilay zavatra manan-danja indrindra “eto amin’ity tany ity amin’izao”?
Asao ny mpianatra hizara ireo fanontaniana izay hitan’izy ireo. Mety hamaly fanontaniana isan-karazany izy ireo, anisan’izany ireto manaraka ireto:
-
Inona no antsoina hoe fanangonana an’i Isiraely?
-
Nahoana ny fanangonana no zavatra manan-danja indrindra mitranga eto an-tany amin’izao fotoana izao?
-
Nahoana aho no mila mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ireo fanontaniana izay hitany eny amin’ny solaitrabe, ka hamela toerana eo ambanin’ny fanontaniana tsirairay.
Rehefa mitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ianao anio dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana.
Halalino ilay hafatra
Ny tanjon’ity fizarana ity dia ny hanampy ny mpianatra handalina ampahany amin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson hoe “Fanantenana ho an’i Isiraely.” Ampiasao ny hevitrao manokana na ity hevitra manaraka ity “Mitadiava: Valin’ny fanontaniana na olana” ao amin’ny fizarana “Fomba fandalinana ny hafatra” ao amin’ilay maodely.
Raha tsy manana tahadika vita printy na tahadika nomerikan’ilay lahateny ny mpianatrao dia hevero ny hizara ilay taratasy zaraina hoe “Ny fanangonana an’i Isiraely” ho an’ny mpianatra tsirairay. Ity taratasy zaraina ity dia ahitana ampahany nosoratana ao amin’ilay lahateny izay horesadresahana ato amin’ity lesona ity. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hijery ity ampahany amin’ilay lahateny ity ao amin’ny horonantsary “Fanantenana ho an’i Isiraely,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 30:26 ka hatramin’ny 33:37.
Raha sahirana mamaky na mihaino fizarana lava amin’ny lahateny iray ny mpianatra dia hevero ny hizara andiam-pehezan-teny iray na roa avy ao amin’ilay taratasy zaraina ary asao izy ireo hanao sary na hanoratra ny dikan’ny fanangonana an’i Isiraely amin’izy ireo.
Halalino ireo ampahany voafantina nomena avy amin’ity lahateny ity, ka tadiavo ny valin’ny izay fanontaniana rehetra notanisaina eny amin’ny solaitrabe. Azonao asiana marika ao amin’ilay lahateny izay valinteny hitanao. Azonao heverina ny manisy marika ny valin’ny fanontaniana tsirairay amin’ny fomba miavaka amin’ny fanontaniana hafa. Ohatra, azonao atao ny manisy faribolana ny valin’ny fanontaniana iray ary manisy tsipika ny valin’ny iray hafa, na azonao atao ny manisy marika azy rehetra amin’ny loko samihafa.
Rehefa avy nandalina ny ampahan’ilay lahateny nosafidinao ny mpianatra dia hevero ny handamina azy ireo tsiroaroa mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Fanontaniana inona no tsapanao fa voavaly tao amin’ireo ampahan’ny lahatenin’ny Filoha Nelson izay nohalalininao? Ahoana no namaliana izany?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fanontaniana novalian’izy ireo. Azonao atao avy eo ny manasa ireo mpianatra hanazava ny valinteniny.
Mampihatra ny hafatry ny Filoha Nelson
Ny tanjon’ity fizarana ity dia ny hanampiana ny mpianatra hampihatra ny fanasan’ny Filoha Nelson hanangona an’i Isiraely. Hevero ny hampiasa ny hevitrao manokana na ity hevitra manaraka ity “Mamantatra sy mampihatra ireo fanasana” ao amin’ny fizarana hoe “Fomba hampiharana ilay hafatra” ao amin’ny maodely.
Zarao amin’ny mpianatra rehetra ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Fanasana mba hirotsaka amin’ny fanangonana an’i Isiraely”. Hevero ny hanasa azy ireo handalina samirery ity pejy ity.
Saintsaino ireo eritreritra na bitsika avy amin’ny Fanahy Masina tonga tao an-tsainao na tao am-ponao rehefa nandalina ny fanasan’ny Filoha Nelson ho an’ireo zatovo ianao. Diniho ombam-bavaka hoe inona no fanasana tsapanao fa tian’ny Tompo ho ekenao sy arahinao mba hirosoana amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Mety hahatsapa hotaomim-panahy hanao zavatra mihoatra ny fanasana iray ianao.
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao izany fanasana izany. Azonao atao ihany koa ny manoratra ny fomba ahafahan’ny fanaovana asa araka izany fanasana izany manampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nampianarin’ny Filoha Nelson. Amporisiho ny mpianatra hanao asa araky ny bitsika izay mety tsapany.