“Paska: Fanantenana sy fiadanana amin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Paska: Fanantenana sy fiadanana amin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Paska
Paska
Fanantenana sy fiadanana amin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany
Nitondra fanantenana sy fiadanana tamin’ny fomba izay noheverin’ny hafa fa tsy azo tanterahina i Jesoa Kristy Mpamonjy. Nanasitrana ny jamba sy ny marary ary ny malemy Izy. Namerina ny efa maty ho velona indray Izy. Tamin’ny farany, tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana ho an’ny olombelona rehetra Izy. Mankalaza sy mahatsiaro ny Mpamonjy isika amin’ny Paska. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fiadanana sy ny fanantenana atolotr’i Jesoa Kristy azy ireo.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao ny iray amin’ireo sahanasa efatra voatanisa any amin’ny faran’ny lesona. Ohatra, halalino ny tahirin-kevitra hoe “Ilay Kristy Velona” ka tadiavo ireo andian-teny izay mijoro ho vavolombelona momba ny fiadanana sy ny fanantenana atolotry ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ny fehezan-teny ankafizin’izy ireo indrindra.
Sahanasa fianarana azo atao
Very na mahazo fanantenana sy fiadanana
Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity.
Azonao atao ny mangataka ny mpianatra haka sary an-tsaina fa niaina tao Isiraely izy ireo ary nanatri-maso ny fiainan’ny Mpamonjy. Apetraho ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona avy ireo zavatra niainana avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay mety nanome fanantenana bebe kokoa ho anao?
Rehefa avy nizara ohatra vitsivitsy ny mpianatra dia azonao atao ny mihazona ny sarin’i Jesoa Kristy eo amin’ny hazofijaliana, toy ny “The Crucifixion [Ny Fanomboana]”, ary hazavao fa mety ho fotoana iray izay nakana fanahy ny mpianatra sasany mba ho very fanantenana izany. (Maty ny Mpamonjy, ary tsy mbola nisy olona nitsangana tamin’ny maty teo aloha.)
Avy eo dia ampisehoy ny sarin’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty, toy ny “Christ and Mary at the Tomb [I Kristy sy i Maria teo am-pasana]”, ary anontanio ny mety ho fiantraikan’izany tranga izany tamin’ny fanantenan’izy ireo.
-
Inona avy ireo antony sasantsasany mety mahatonga ny olona ho alaim-panahy ho very fanantenana ankehitriny?
-
Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahazoan’ny olona fanantenana amin’ny alalan’ny Mpamonjy ankehitriny?
Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra eo akaikin’ireo zana-tsipika mifanaraka amin’izany. Hazavao fa afaka manao sahanasa mitovy amin’izany isika amin’ny alalan’ny fanovana ny teny hoe fanantenana ho fiadanana.
Makà fotoana hisaintsainana ny fomba hanampian’ny Mpamonjy anao hahatsapa fanantenana sy fiadanana eo amin’ny fiainanao. Saintsaino ihany koa ireo antony mety hahatsapanao fa tsy manana fanantenana sy fiadanana ianao. Eritrereto ny antony mety ilanao fanantenana sy fiadanana bebe kokoa eo amin’ny fiainanao.
Mandritra ity lesona ity dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hisaintsaina ny fiadanana sy ny fanantenana atolotr’i Jesoa Kristy anao sy ny olombelona rehetra.
Fanantenana sy fiadanana eo amin’ny fiainantsika
Amin’ny Paska dia mankalaza ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty isika, izay fahatanterahan’ny sorona fanavotana nataony ho antsika. Rehefa mamaky ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity ianao dia tadiavo ny fanantenana azon’ny Mpamonjy entina eo amin’ny fiainantsika.
Rehefa nijaly noho ny fahotantsika sy ny fahalementsika Izy, maty teo amin’ny hazo fijaliana, ary nitsangana indray, dia nanitsy ny tantaran’ny olombelona indray ny Mpamonjy. Noho Izy dia tsy voatery hiatrika irery ny fahalemana sy ny fahotantsika ary ny tahotra isika. Noho Izy dia tsy fahafatesana no fiafarana. Ny fitsanganana amin’ny maty dia ho tonga amin’ireo rehetra izay efa niaina hatrizay. Noho ny Aminy dia afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana. Noho i Jesoa Kristy no ankalazantsika ny Paska. Ary ny Paska dia ny fiadanana sy ny fanantenana rehetra. …
… Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao, aoka isika hitsaoka sy hidera Azy noho ny fiadanana, ny fanantenana, ny fahazavana ary ny fahamarinana izay entiny ho antsika. (“The Peace and Hope of Easter [Ny Fiadanana sy fanantenana avy amin’ny Paska]” horonan-tsary, ChurchofJesusChrist.org)
-
Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson?
Mety hizara hevi-baovao samihafa ny mpianatra. Isaory izy ireo noho ny valinteniny. Iray amin’ireo fitsipika azontsika ianarana ny hoe afaka manana fiadanana sy fanantenana eo amin’ny fiainantsika isika amin’ny alalan’ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty.
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany nozarain’ny Filoha Nelson fa afaka manome antsika fanantenana sy fiadanana ny Mpamonjy?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no manampy antsika hikatsaka fanantenana sy fiadanana ny fahafantarana momba ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty?
Fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy
Ity sahanasa manaraka ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba ahafahantsika manana fiadanana sy fanantenana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanoratra ireto toromarika sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra handalina ny vitsivitsy amin’ireo andininy ireo na andininy hafa izay mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Na azonao omena mpianatra samihafa ny soratra masina tsirairay. Avy eo ny mpianatra dia afaka mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra hitany momba ny fomba hitondran’ny Mpamonjy fanantenana sy fiadanana eo amin’ny fiainantsika.
Vakio ny maromaro amin’ireto soratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha manaraka ireto, ka tadiavo ireo andian-teny izay mamaritra ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao ho antsika. Saintsaino ny fomba hitondrany fanantenana sy fiadanana eo amin’ny fiainantsika.
Joba 19:25–26
Salamo 16:8–11
Salamo 30:2–5
Salamo 33:18–22
Isaia 1:18
Isaia 12:2
Isaia 25:8–9
Isaia 40:28–31
Jeremia 17:7–8
Asao ny mpianatra hizara andininy hitan’izy ireo fa manan-danja manokana aminy. Azonao atao ny mangataka azy ireo hanoratra ireo andian-teny ireo eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay zana-tsipika “Mahazo fanantenana”. Anontanio azy ireo ny antony nahatonga ireo andian-teny ireo ho manan-danja. Azonao atao koa ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny nozarain’ny hafa.
Saintsaino ny fanantenana sy ny fiadanana atolotry ny Mpamonjy
Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fanantenana sy ny fiadanana izay tonga amin’ny alalan’ny Mpamonjy dia asao ny mpianatra hanao ny iray na roa amin’ireto sahanasa manaraka ireto ao an-dakilasy. Azonao atao ny misafidy ireo izay tsapanao fa tena ilaina na manampy indrindra ny mpianatra. Na azonao atao ny mamintina ireo safidy ary mamela ny mpianatra hisafidy, miaraka amin’ny iray kilasy, hoe inona avy ireo sahanasa tian’izy ireo hatao. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hitondra ny hevitr’izy ireo manokana ary hanandrana izany.
-
Halalino ny “Ilay Kristy Velona”, izay nosoratan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ka tadiavo ireo andian-teny izay mijoro ho vavolombelona momba ny fiadanana sy ny fanantenana atolotry ny Mpamonjy. Azon’ny mpianatra zaraina ny zavatra hitany sy ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo.
-
Misafidiana hira ao amin’ny fihirana na hira hafa izay mampianatra momba ny fiadanana sy fanantenana atolotry ny Mpamonjy. Hirao ny iray amin’izany. Avy eo dia mizarà andian-teny manan-danja aminao avy ao amin’io fihirana io. Ohatra vitsivitsy amin’izany ny hoe “Où pourrais-je chercher?,” Cantique, no. 68; “Velona ilay Mpanavotra ahy,” Fihirana, no. 76; ary ny “Je ressens son amour,” Cantique pour les enfants, 42.
-
Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity na jereo ny “The Peace and Hope of Easter, President Russell M. Nelson Palm Sunday Invitation” manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:50 ka hatramin’ny 5:11. Zarao ny fomba hanampian’ny fandehanana any am-piangonana na ny fihainoana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany antsika hisaintsaina ny fiadanana sy fanantenana atolotry ny Mpamonjy.
Amin’ity Paska ity dia mamporisika anareo aho mba hifantoka amin’ny Mpamonjy. Raha mitady toerana hitsaohana ianareo dia miaraha aminay azafady. Amin’ny alahadin’ny Paska [na akaiky] dia ho feno hafatra sy hira mifantoka amin’i Kristy ny fihaonamben’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany maneran-tany. Hivondrona [mivantana sy] amin’ny fomba virtoaly isika mba hitsaoka ny Mpanavotra antsika. Avy hiaraka aminay. Asao ireo namanao!
Velona i Jesoa Kristy! Amin’ny maha-Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty Azy sy nanavotra antsika, dia vonona Izy ny hanampy antsika hivoatra avy amin’ireo zava-nitranga mahatalanjona sy tsy ampoizina eo amin’ny fiainantsika. Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao dia aoka isika hitsaoka sy hidera Azy noho ny fiadanana, ny fanantenana, ny fahazavana ary ny fahamarinana izay entiny ho antsika. (“The Peace and Hope of Easter, Filoha Russell M. Nelson, Fanasana ny alahadin’ny sampan-kazo”, horonan-tsary, ChurchofJesusChrist.org)
-
Mizarà traikefa izay nahatsapanao na ny olona iray fantatrao fanantenana sy fiadanana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Rehefa nahavita ny iray na roa amin’ireo sahanasa ireo ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ny iray amin’ireto horonantsary manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahatsapa ny fiadanana sy fanantenana atolotry ny Mpamonjy:
“The Prince of Peace [Ilay Andrian’ny fiadanana]” (2:32)
“Because He Lives [Satria velona Izy]” (2:28)
Teny famaranana
Jereo indray ilay kisary eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa na dia mety ho alaim-panahy ho very fanantenana aza isika rehetra indraindray dia afaka misafidy ny hikatsaka fanantenana sy fiadanana amin’ny alalan’ny Mpamonjy.
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony ilanao ny fanantenana sy ny fiadanan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao. Avy eo dia manorata zavatra vitsivitsy izay tianao hatao mba hifantohana amin’ny Mpamonjy sy ny fanantenany ary ny fiadanany. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fitadidiana soratra masina na andian-teny avy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” izay nohalalininao androany.
Hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra hizara ny eritreriny sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy ary ny fanantenana sy ny fiadanana izay atolony.