Seminera
Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Genesisy 50: “Mpahita iray no hatsangan’ny Tompo Andriamanitro”


“Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Genesisy 50: -Mpahita iray no hatsangan’ny Tompo Andriamanitro,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera: (2026)

“Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Genesisy 50: -Mpahita iray no hatsangan’ny Tompo Andriamanitro,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 42–50: Lesona 36

Dikantenin’ i Joseph Smith ho an’ny Genesisy 50

“Mpahita iray no hatsangan’ny Tompo Andriamanitro”

Joseph of Egypt having a vision of Joseph Smith receiving the gold plates from the Angel Moroni.

Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia naminany i Josefa tao Egypta fa hanangana an’i Joseph Smith hanao ny asany ny Tompo amin’ny andro farany. Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona antsika manokana isika fa mpanompon’ny Tompo i Joseph Smith. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith izay nanampy azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Afaka mangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray izy ireo mba hizara ihany koa ny eritreriny sy ny fahatsapany.

Sahanasa fianarana azo atao

Manafaka ny vahoakan’ny Tompo

Asehoy ny sarin’i Josefa tany Egypta sy i Mosesy. Angataho ny mpianatra hijery ny fomba nampiasan’ny Tompo ny tsirairay amin’ireo olona ireo mba ho mpanafaka (olona manavotra ny hafa). Manaraka izany dia asehoy ny sarin’i Joseph Smith ary anontanio ny mpianatra ny fomba nampiasan’ny Tompo azy ho mpanafaka. Farany dia manehoa sarin’i Jesoa Kristy, ilay Mpanafaka, ary hifanakalozy hevitra ny fomba nanavotan’i Jesoa Kristy antsika.

Illustration depicting Joseph of Egypt making himself known to his brothers.
The Old Testament prophet Moses standing with his arm extended toward the Red Sea. Moses is commanding the Red Sea to part to allow the Israelites to escape the Pharoah of Egypt.
Portrait of Joseph Smith Jr. standing and holding a copy of the Book of Mormon.
A fine art painting of Jesus Christ

Rehefa avy nizara ny eritreriny ny mpianatra, dia ampiasao ny sary sy ny andiam-pehezan-teny eo ambany mba hamintinana ny zava-nitranga sy ny faminaniana ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Genesisy 50.

Rehefa ho faty i Josefa tany Egypta dia naminany fa hanangana mpaminany roa ny Tompo, izay avy amin’ny taranak’i Jakoba, mba hanafaka ny olony amin’ny fanandevozana. Ho avy hanafaka ny Israelita tamin’ny fanandevozana ara-batana tany Egypta i Mosesy (jereo ny DJS Genesisy 50:24, 29). Ary amin’ny andro farany, dia hanavotra ny olony amin’ny haizina ara-panahy ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Mba hanampiana ny mpianatra hanombatombana izay zavatra fantany sy inoany mikasika an’i Joseph Smith dia asao izy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

  • Inona no zavatra tonga ao an-tsainao na fihetseham-po ananao raha vao mieritreritra momba ny Mpaminany Joseph Smith ianao?

  • Ahoana no hamaritanao ny toetry ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny hoe nantsoin’ Andriamanitra ho mpaminany izy?

Rehefa mandalina ianao androany dia henoy ny fitaomana avy amin’ny Fanahy izay manamafy fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany ny Tompo. Afaka mandefa hevitra ao an-tsainao na fahatsapana ao am-ponao ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay milaza aminao fa marina ny zavatra halalininao.

Naminany momba an’i Joseph Smith i Josefa tao Egypta

Asao ny mpianatra hanao tabilao tsy misy nainona na inona tahaka io ambany io ao amin’ny diary fandalinana soratra masin’izy ireo. Afaka miara-miasa tsiroaroa na ao anaty vondrona kely maromaro ny mpianatra mba hameno ilay tabilao. Azonao atao ny mampiasa ny fampahalalana nomena ao anatin’ilay tabilao hanehoana ny fomba fanaovana izany ary ampio ny mpianatra hahita valinteny araka izay ilaina.

Azonao atao ny manampy ny mpianatra hitady ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana ao amin’ny soratra masin’izy ireo na ao amin’ny fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Azonao atao koa ny mampahatsiahy ny mpianatra fa ny mpahita dia mpanambara sy mpaminany mahalala ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavy (jereo Môzià 8:17), ny “nateraky ny kibonao” (DJS Genesisy 50:27) dia miresaka ny taranak’i Josefa tao Egypta, ny Bokin’i Môrmôna no tiana ambara amin’ny asa soratry ny taranak’i Josefa, ary ny Baiboly no tiana ambara amin’ny asa soratry ny taranak’i Joda (jereo ny DJS Genesisy 50:31).

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Genesisy 50:26–33 hamenoana ity tabilao manaraka ity.

Faminaniana mikasika an’i Joseph Smith (tafiditra ao amin’izany ny andinin-tsoratra masina):

Ireo fomba mety nahatanteraka ity faminaniana ity:

Faminaniana mikasika an’i Joseph Smith (tafiditra ao amin’izany ny andinin-tsoratra masina):

“Hohajaina fatratra tokoa izy” (andininy 27)

Ireo fomba mety nahatanteraka ity faminaniana ity:

Mpino an-tapitrisany maro no mandray an’i Joseph Smith ho Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Faminaniana mikasika an’i Joseph Smith (tafiditra ao amin’izany ny andinin-tsoratra masina):

“Ary hitondra azy ireo ho amin’ny fahalalana ny fanekempihavanana izay efa nataoko tamin’ireo rainao izy” (andininy 28)

Ireo fomba mety nahatanteraka ity faminaniana ity:

Afaka manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy ny ôrdônansy hafa isika amin’ny alalan’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny.

Isan’ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna ny fitondrana ny mpianakavin’ i Isiraely ho amin’ny fahalalana ny fanekempihavanan’ny Tompo.

Faminaniana mikasika an’i Joseph Smith (tafiditra ao amin’izany ny andinin-tsoratra masina):

“Izy no homeko fahefana hitondra ny teniko” (andininy 30)

Ireo fomba mety nahatanteraka ity faminaniana ity:

Nanambara ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Dikantenin’i Joseph Smith, ary ireo asa soratra nentanim-panahy hafa tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo.

Faminaniana mikasika an’i Joseph Smith (tafiditra ao amin’izany ny andinin-tsoratra masina):

“Ao amin’ny fahelemeny no hanatanjahana azy” (andininy 32)

Ireo fomba mety nahatanteraka ity faminaniana ity:

Tonga mpaminany lehibe i Joseph Smith raha niainga tamin’ny fiainana feno fahasahiranana sy zara raha nianatra tany an-tsekoly.

Faminaniana mikasika an’i Joseph Smith (tafiditra ao amin’izany ny andinin-tsoratra masina):

“Ary ireo izay mikatsaka ny handringana azy dia hampangaihaizina” (andininy 33)

Ireo fomba mety nahatanteraka ity faminaniana ity:

Tsy hahomby ireo rehetra mikasa ny hanaratsy an’i Joseph Smith sy ny asany.

Azonao ampahafantarina ao anatin’ny adihevitra ataonareo fa miverina impito ny fampiasana ny teny hoe “hatsangana” ao amin’io andininy io. Azo raisina ho hevitr’io andian-teny ny hoe nantsoina, voafidy na nomanina hanatanteraka asa izay hitondra ny olon’ny Tompo ho amin’ny famonjena (andininy 33). Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hijery ohatra hafa amin’ny alalan’ny fanisiana marika ny fotoana tsirairay ahitana fa ny Tompo no manao ny asa, toy ny hoe “no hatsangako” (andininy 27) na “no homeko fahefana” (andininy 30).

  • Inona no faminaniana nanan-danja taminao tao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

    Ampahafantaro ity manaraka ity izay isan’ireofamaharinana mety ho hitan’ny mpianatra: Nifidy sy nanomana an’i Joseph Smith ny Tompo hamoahana ny Bokin’i Môrmôna. Asao ny mpianatra hanoratra io fahamarinana io eo akaikin’ny andininy 30–33.

  • Inona ny fahamarinana hitanao mikasika ny Tompo avy amin’ny zavatra nianaranao momba an’i Joseph Smith?

  • Araka ny hevitrao, dia amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny Bokin’i Môrmôna ny olon’ny Tompo ho amin’ny famonjena?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Bokin’i Môrmôna ny fiainanao?

Mahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny Mpaminany Joseph Smith

Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Former Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.   Replaced September 2019.

Ny mpino tsirairay dia mila fanamafisana ara-panahy mikasika ny iraka masina nampanaovina ny Mpaminany Joseph Smith sy mikasika ny toetrany. Marina izany ho an’ny taranaka rehetra izay mifandimby. (“Joseph Smith,” Liahona, Nôv. 2014, 29–30)

  • Inona araka ny hevitrao no maha zava-dehibe ny fandraisantsika tsirairay avy fanamafisana ara-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, momba ny iraka masina nampanaovina an’i Joseph Smith?

Zarao ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Andersen ity na asehoy ilay horonan-tsary “Joseph Smith” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org manomboka eo amin’ny minitra 11:44 ka hatramin’ny minitra 12:48.

14:49

Nizara fomba roa ahafahantsika mahazo na manamafy orina ny fijoroana vavolombelona ananantsika mikasika ny Mpaminany Joseph Smith ny Loholona Andersen.

Former Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.   Replaced September 2019.

Fanamby voafaritra mazava tsara no omeko an’ireo zatovo izay mihaino an’ireto teny ireto amin’izao fotoana izao na mamaky ireto teny ireto any aoriana: Ataovy izay hahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenanao manokana momba ny Mpaminany Joseph Smith. Aoka ny feonareo hanampy amin’ny fanatanterahana ireo teny faminanian’i Môrônia ka hanatsara ny lazan’ny Mpaminany. Ireto misy hevitra roa: Voalohany dia mitadiava soratra masina maromaro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay tsapanareo sy fantatrareo hoe marina tanteraka. Avy eo dia zarao amin’ny fianakavianareo na ny namanareo izy ireo mandritra ny takarivan’ny mpianakavy sy ny seminera ary ny kilasin’ny Zatovolahy sy Zatovovavy, miaraka amin’ny fanekena fa fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra i Joseph. Vakio avy eo ny fijoroan’ny Mpaminany Joseph Smith ho vavolombelona ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. … Izy ity dia fijoroan’i Joseph ho vavolombelona mikasika izay tena niseho marina. Vakio matetika izany. (“Joseph Smith,” Liahona, Nôv. 2014, 30)

Aorian’ny fizaranao izany teny nambara izany dia asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ny soso-kevitra nomen’ny Loholona Andersen hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona hananan’izy ireo manokanafa ny Tompo dia niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany.

Safidy 1: Mitadiava soratra masina manan-danja manokana iray na vitsivitsy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mamorona sary na manorata andiam-pehezan-teny manamafy izay zavatra nosafidianao. Soraty ao ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao mikasika ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fampianarany anao hianatra momba ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ampidiro ao ihany koa ny fomba nanamafisan’izany fa fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra i Joseph.

Safidy 2: Vakio ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith izay voarakitra ao amin’ny Joseph Smith Tantara 1:15–20 sy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joseph Smith voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Mamoròna sary na manorata andiam-pehezan-teny mikasika izay zavatra nianaranao sy tsapanao momba ny nisafidianan’ny Mpamonjy sy nanomanany an’i Joseph Smith ho mpaminanin’ ny Famerenana amin’ny laoniny.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith

Rehefa vitan’ny mpianatra ilay sahanasa dia asao izy ireo hizara ny zavatra noforoniny amin’ny mpiara-mpianatra aminy.

Azonao atao avy eo ny manasa izay mpianatra vitsivitsy vonona hijoro ho vavolombelona momba ny fomba niantsoan’i Jesoa Kristy an’i Joseph Smith ho mpaminany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no zavatra nianaranao androany ka nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika an’i Joseph Smith?

  • Manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika an’i Joseph Smith?

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny asa nataon’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny lesona. Asao ny mpianatra hanohy hihaino ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy mba hahafantarany manokana fa i Jesoa Kristy dia niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany.