“Genesisy 42–50: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 42–50: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 42–50
Genesisy 42–50
Topimaso ankapobeny
Nandritra ireo fito taona nisian’ny mosary izay tao anaty faminanian’i Josefa tany Egypta dia tonga avy tany amin’ny tanin’i Kanana ireo rahalahiny mba hividy sakafo tany Egypta. Tsy nahafantatra azy ny rahalahin’i Josefa, saingy fantany izy ireo. Niampanga azy ireo ho mpisafo tany i Josefa, nihazona an’i Simeona tao am-ponja ary nilaza tamin’izy ireo mba hiverina miaraka amin’i Benjamina zandriny faralahy. Nomen’i Josefa sakafo izy ireo ary napetrany tao anatin’ny kitapon-tsakafon’izy ireo ny vola naloan’izy ireo. Taty aoriana, rehefa niverina niaraka tamin’i Benjamina izy ireo dia nanambara ny tenany tamin’ireo rahalahiny i Josefa ary namela azy ireo. Tonga nipetraka tany Egypta nony farany i Jakoba rain’i Josefa sy ny fianakaviany rehetra. Tany amin’ny fiafaran’ny fiainany dia naminany i Josefa tany Egypta fa amin’ny andro farany dia hanangana mpaminany ny Tompo mba hitondra ny vahoaka hiala ao amin’ny haizina. I Joseph Smith izany mpaminany izany.
Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao. Rehefa mahatsapa ny fitiavanao ireo olona ampianarinao dia ho mora kokoa amin’izy ireo ihany koa ny hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo rehefa mampianatra ianao. Nitady fomba miavaka sy an’ny tena manokana foana ny Mpamonjy mba hanampiana ny olona nampianariny hahatsapa ny fitiavany. Raha handalina bebe kokoa dia jereo ny “Naneho ny fitiavany an’ireo izay nampianariny ny Mpamonjy“ (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 14–15).
Mitadiava fahafahana amin’ity herinandro ity mba hanehoana tsara ny fitiavanao ireo mpianatrao. Fomba iray ahafahanao manao izany ny fandefasana hafatra any amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra vitsivitsy hizarana zavatra tsara tsikaritrao momba ny zanany. (Mba hahitana fiofanana fanampiny dia jereo ny “Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao“ ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Genesisy 42–45
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fahaizana mamela heloka kokoa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny didin’ny Mpamonjy hoe “hamela ny olon-drehetra“ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10). Angataho izy ireo hitanisa ny sasany amin’ireo fitahiana niainan’izy ireo na ny hafa tamin’ny alalan’ny famelana olona iray.
-
Horonan-tsary: “Joseph and the Famine“ (2:26) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:42; “Forgiving Others: An Easter Message from President Russell M. Nelson“ (5:01); “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy“ (17:17) manomboka eo amin’ny mari-potoana 15:12 hatramin’ny 15:54
Dikantenin’ i Joseph Smith, Genesisy 50
Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith izay nanampy azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Afaka mangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray izy ireo mba hizara ihany koa ny eritreriny sy ny fahatsapany.
-
Votoatiny haseho: Tabilao misy tsanganana roa ka ny tsanganana iray mitondra ny lohateny hoe “Faminaniana momba an’i Joseph Smith“ ary ilay iray hafa hoe “Mety ho fomba nahatanterahan’io faminaniana io“
-
Sary: Josefa tany Egypta; Mosesy; Joseph Smith; Jesoa Kristy
-
Horonan-tsary: “Joseph Smith“ (14:49) manomboka amin’ny mari-potoana 11:44 ka hatramin’ny 12:48
Tombano ny fianaranao 2
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hisaintsaina ny tanjona izay napetrak’izy ireo sy ny fivoarana niainan’izy ireo nandritra ny fianarany ny Genesisy 12–50 sy ny Abrahama 1–2.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho vonona hizara ireo fomba nitomboan’izy ireo ara-panahy avy amin’ny fandalinany ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy tamin’ity taona ity. Azonao atao ny mandroso hevitra ny hamakian’izy ireo ny diary fandalinany na ireo fanamarihana ao amin’ny soratra masin’izy ireo mba hanampiana azy ireo hahatsikaritra ny fivoarany sy ny fianarany.
-
Votoatiny haseho: Sarina hazo tanora sy hazo matotra; sarin’ny tempoly ampiasaina ao amin’ny Lesona 29: “Genesisy 24“; sary momba ny drafitry ny mpianatra mba hanangonana an’i Isiraely
-
Sary: Ny nofin’i Jakoba