Seminera
Genesisy 39: Mandresy ny fakam-panahy


“Genesisy 39: Mandresy ny fakam-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)

“Genesisy 39: Mandresy ny fakam-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 37–41: Lesona 34

Genesisy 39

Mandresy ny fakam-panahy

Joseph telling Potiphar’s wife no

Rahefa lasa mpiandraikitra ny fananan’i Potifara i Josefa, dia naka fanahy azy handika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena ny vadin’i Potifara. Fantatr’i Josefa fa “[fahotana] amin’Andriamanitra” ny fanekena hanaraka izany fakam-panahy izany ary nisafidy ny hitsoaka fakam-panahy izy (jereo ny Genesisy 39:9, 12). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampiseho ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanoherana ny fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe asaina mitarika fifanakalozan-kevitra mandritra ny kilasin’ny Sekoly Alahady mikasika ny fomba samihafa entina manohatra ny fakam-panahy ataon’i Satana izy ireo. Asao ny mpianatra hieritreritra fomba telo izay hozarain’izy ireo amin’ny kilasy misy azy.

Sahanasa fianarana azo atao

Fakam-panahy atrehintsika

Asao hanao lisitra ireo fakam-panahy izay atrehin’ny tanora ankehitriny eo amin’ny solaitrabe ny iray kilasy. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra kokoa momba ny fakam-panahy izay atrehiny manokana sy ny fihetsika hasetriny izany dia azonao atao ny manasa ny mpianatra tsirairay hamita ity sahanasa manaraka ity ao amina taratasy kely iray.

Mifidiana fakam-panahy iray dia manorata rafi-tantara fohy sy mety tena hisy izay mety hiatrehan’ny zatovo iray izany fakam-panahy izany.

Angony ireo rafi-tantara dia avereno zaraina amin’ny iray kilasy.

Vakio ny rafi-tantara vaovao izay voarainao. Soraty ao ambadiki’ilay taratasy izay zavatra mety hahatonga ny fanoherana izany fakam-panahy izany ho sarotra. Manorata ihany koa zavatra roa izay mety handrisihanao olona mba hataony mba hanampiana azy ireo hanohitra sy handresy izany fakam-panahy izany.

Ampahafantaro ny mpianatra fa na dia tsy miatrika fakam-panahy mitovy amin’izay voatanisa ao amin’ilay rafi-tantara aza izy ireo dia mety ho afaka mampihatra torohevitra mitovy amin’izany amin’ny toe-javatra iainany manokana. Ampio ny mpianatra hanombana ny fahafahany manokana manohitra sy mandresy fakam-panahy.

Eritrereto ny fakam-panahy izay hatrehanao manokana.

  • Inona no nataonao na azonao hatao mba hahazoana hery avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanoherana ireo fakam-panahy ireo?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanampy ny zavatra niainany manokana amin’ny izay nosoratany tao amin’ilay rafi-tantara. Amporisiho izy ireo hanohy hanampy hevitra hafa ao amin’ilay rafi-tantara eo am-pandalinany ny Genesisy 39. Ampahafantaro azy ireo fa rehefa mikatsaka fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo, dia afaka manome azy ireo hevitra entina manohitra ary mandresymihintsy aza ny fakam-panahy atrehany Izy.

Fakam-panahy natrehin’i Josefa

Raha nampiasa sary ianao hamintinana ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Josefa ao amin’ny Lesona 33: “Genesisy 37–41,” dia avereno aseho indray izany. Asao ny mpianatra hamintina izay tsaroany tamin’ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Josefa tao amin’ny tranon’i Potifara. Raha mila fanampiana ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky sy hamintina ny Genesisy 39:1–6.

Vakio ny Genesisy 39:7–8, dia tadiavo izay nitranga tamin’i Josefa taorian’ny nahatonga azy ho mpiandraikitra ny tranon’i Potifara.

  • Inona ny fakam-panahy natrehin’i Josefa?

Hazavao fa niatrika fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Josefa. Ampio ny mpianatra hisaintsaina izay zavatra takany momba ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanao ireto zavatra manaraka ireto.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny famaritanao ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny mahatonga izany ho zava-dehibe.

Rehefa vita ny fanoratan’ny mpianatra izany dia asehoy ity teny nambara manaraka ity. Asao ny mpianatra hamaky izany samirery, ary hitady ireo hevi-baovao izon’izy ireo hanampiana ny efa nosoratany tao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia milaza izao zavatra manaraka izao mikasika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena:

Ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena dia milaza fa Andriamanitra dia tsy manome fankatoavana ny hanaovana firaisana ara-nofo raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray vita fanambadiana ihany.

Ivelan’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia tsy azo atao ny mikasika ny faritra saro-pady sy masina eo amin’ny vatan’olona hafa iray na dia misy fitafiana aza. Rehefa misafidy ny zavatra tokony hataonao ianao, na jerenao, na vakinao, na henoinao, na eritreretinao, na avoakanao, na alefanao amin’ny alalan’ny hafatra, dia sorohy izay zavatra mety ho iniana atao mba hampifoha fiontanam-po feno fitsiriritana ao amin’ny hafa na ny tenanao. Tafiditra ao anatin’izany ny pôrnôgrafia amin’ny endriny rehetra. (Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 23, 25)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nomen’ny Ray any An-danitra antsika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Inona avy ireo fomba entin’i Satana hakana fanahy ny zatovo mba handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Isan’ny valiny mety homen’ny mpianatra ny fakana na ny fandefasana sary tsy mendrika, ny fijerena na ny fihainoana haino vaky jery manataitra ny filàna ara-nofo na mamoafady, tsy manaja ny fahamasinan’ny firaisana ara-nofo sy ny fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo. Raha mametraka fanontaniana mikasika ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy ny mpianantra dia tsara ny manazava fa “tsy fahotana ny fahatsapana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Raha manana ireo fahatsapana ireo [ny olona iray] kanefa tsy manatanteraka izany filàna izany, dia miaina ny lalàna masin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Ray any An-danitra [izy] izay.” (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 27).

Vakio ny Genesisy 39:9–12, ary tadiavo ny fomba nanoheran’i Josefa ny fakam-panahy mba tsy handika ny lalan’ny fahadiovam-pitondran-tena.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana NyGenesisy 39:9 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Josefa?

    Ny mpianatra dia mety hahita fahamarinana toy ny hoe: Ny fanolorantenatsika ho an’Andriamanitra dia manome antsika hery entina manohitra ny fakam-panahy handika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena (andininy 9).

    Azon’ny mpianatra marihina ao amin’ny soratra masiny ny zavatra afaka nataon’i Josefa noho ny fanolorantenany ho an’Andriamanitra, ohatra hoe ao amin’ny andininy 8 (“nandà izy”), andininy 10 (“tsy nety nanaiky … izy”), ary andininy 12 (“nandositra izy ka nivoaka”).

    Mba hanampiana ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto dia azonao omena rafi--tantara iray izy ireo izay azony ampiasaina hizarana ny fomba ahafahan’ny olona iray mampiasa ireo zavatra telo izay nataon’i Josefa ireo. Rafi-tantara azo omena ohatra ny hoe misy manasa hijery sarimihetsika, fety na fampisehoana izay ampiasana sary sy teny mamoafady. Rafi-tantara hafa azo omena ny fahatsapana ho voatery handefa hafatra na sary tsy mendrika amin’ny namana.

  • Inona avy ireo fomba azontsika anarahana ny ohatra nasehon’i Josefa rehefa miatrika fakam-panahy isika?

Manamafy ny fahafahantsika mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

sary famantarana ny semineraMba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany io fahamarinana io, dia zarao ilay taratasy zaraina nampiarahana amin’ny lesona. Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra ary omeo andraikitra ny mpiara-miasa tsirairay hifantoka amin’ny iray amin’ireo fanotaniana ao amin’ny taratasy zaraina.

Asao hizara ny zavatra nianarany amin’ny namany ny mpianatra.

Afaka manampy antsika handresy ny fakam-panahy ny Mpamonjy

Mety hanana mpianatra sahirana amin’ny fakantoavana ny lalan’ny fahadiovam-pitondran-tena sy mila mahatsapa fanantenana amin’ny fibebahana sy ny fandresena ny fiankinan-doha ianao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny toetra be fitiavana, faharetana ary mamela heloka ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. ChurchofJesusChrist.org Asao ny mpianatra hitady ny fomba hanomezan’ny Mpamonjy fanantenana ho antsika.

2:58

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manome fanantenana an’ireo izay sahirana amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra.

Elder Dale G. Renlund takes an official portrait in 2021.

Na ela toy ny ahoana aza ny fotoana nialantsika tamin’ilay lalana, na lasa lavitra toy ny ahoana isika no nirenireny, amin’ny fotoana izay hahatapa-kevitra antsika hiova dia manampy antsika hiverina Andriamanitra. Araka ny fomba fijerin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsim-po, sy ny fibosesehana mandroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, rehefa tafaverina eo amin’ilay lalana indray isika, dia toy ny hoe tsy niala teo amin’izany mihitsy. Ny Mpamonjy no manonitra ny fahotantsika ary manafaka antsika amin’ny fihenan’ny fahasambarana sy fitahiana izay mananontanona. (“Misafidiana ianareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 106)

  • Inona no tianao ho takatry olona iray very fanantenana noho ny safidiny teo aloha ato amin’ity teny natao’ny Loholona Renlund ity?

  • Inona no nanampy anao hanohitra fakam-panahy ka azonao atoro ny hafa?

Manao drafitra hitandremana ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena

Mba hanampiana ny mpianatra hanao drafitra entina manatanteraka izay nampianarain’ny Fanahy azy momba ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, dia omeo minitra vitsivitsy izy ireo hamaliany ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

  • Inona ny zavatra nianaranao afaka manampy anao hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena na hanohitra fakam-panahy hafa?

  • Inona no nianaranao mikasika ny fanolorantena ho an’Andriamanitra?

  • Ahoana no fomba hanombohanao mampihatra izay nianaranao sy tsapanao androany?

Amporisiho ny mpianatra hampandray anjara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny ezaka ataony hanoherana fakam-panahy. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika handresy fakam-panahy sy ny famindram-pony feno fitiavana mba hanampiana antsika hibebaka.

Fanaovana tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nianarana ity lesona ity, ary mamerin mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ilay andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina dia manao hoe “Koa hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Hita ao amin’ny votoatin’ny tovana etsy ambanin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra hanaovana ny sahanasa fitadidiana.