“Genesisy 37–41: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 37–41: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 37–41
Genesisy 37–41
Topimaso ankapobeny
Na dia namidy ho toy ny andevo tany Egypta azy izy, nendrikendrehina tamin’ny zavatra tsy nataony ary nogadraina, dia niaina tamin’ny fahamarinana sy nampihatra finoana an’Andriamanitra i Josefa. Vokatr’izany dia nitahy sy nanampy azy tamin’ny fitsapana nahazo azy ny Tompo. Nametrahan’i Farao andraikitra tamin’ny fanomanana an’i Egypta amin’ny fahatongavan’ny mosary izy taty aoriana.
Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina sy hizara ny zavatra niainany rehefa nahita ny fitiavan’ny Tompo, ny heriny ary ny fampindram-pony teo amin’ny fiainan’izy ireo dia hanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa Azy. Mba hianarana kokoa momba izany dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8). Ahitana ohatra amin’ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Lesona 33: “Genesisy 37–41.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Genesisy 37–41
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanana fanantenana fa azon’Andriamanitra ampiasaina hitahiana ny fiainany ny fitsapana lalovany.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fitsapana na fanamby natrehiny na mety hatrehiny. Entano izy ireo ho tonga ao an-dakilasy efa vonona ny hizara ny fomba ahafahan’ny Tompo na efa nampiasan’ny Tompo izany fanamby izany mba hitahiana ny fiainan’izy ireo.
-
Sary aseho: Ampondra, Josefa nomena akanjo lava, Josefa andevo, Josefa sy ny vadin’i Potifara, Josefa tany amponja, Josefa teo anatrehan’i Farao
-
Votoatin-javatra haseho: Torolalana sy fanontaniana momba ny fanombanan-tena ampiasaina eo ampiandohan’ny lesona, torolalana sy fanontaniana momba ny famakian-tenyho an’ny sahanasa ao amin’ny Genesisy 39–41
Genesisy 39
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra haneho ny fanokanan-tenany amin’Andriamanitra amin’ny fanoherana ny fankam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe asaina mitarika fifanakalozan-kevitra mandritra ny kilasin’ny Sekoly Alahady mikasika ny fomba samihafa entina manohatra ny fakam-panahy ataon’i Satana izy ireo. Asao ny mpianatra hieritreritra fomba telo izay hozarain’izy ireo amin’ny kilasy misy azy.
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy ho an’ny mpianatra tsirairay
-
Sary aseho: Josefa mahazo akanjo lava, Josefa andevo, Josefa miaraka amin’ny vadin’i Potifara, Josefa tao am-ponja, Josefa eo anatrehan’i Farao
-
Votoatiny aseho: Teny nambara avy ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy
-
Taratasy zaraina: “Manamafy orina ny fahafahantsika mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena”