“Genesisy 29–33: -Aoka Andriamanitra no hanjaka,-” : Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 29–33: -Aoka Andriamanitra no hanjaka-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 24–33: Lesona 32
Genesisy 29–33
“Aoka Andriamanitra no hanjaka”
I Jakoba mpaminany dia ohatra tsara amin’ny famelana an’Andriamanitra hanjaka teo amin’ny fiainany. Nanao ezaka lehibe izy mba hanambadiana ao anatin’ny fanekempihavanana, hahazoana ny fitahian’ny Tompo amin’ny asany andavanandro, ary hanaovana izay nasain’Andriamanitra nataony mba hanamboarana ny fifandraisan’ny fianakaviany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahavononany hamela an’Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitanisa ireo fomba maha hery mitarika an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Raha maniry ny hianatra kokoa mikasika io lohahevitra io ny mpianatra dia afaka mihaino, mijery na mamaky ampahany amin’ny lahatenin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Aoka Andriamanitra no hanjaka” (18:51) izy ireo.
Horonan-tsary: “Aoka Andriamanitra no hanjaka” (18:51) manomboka amin’ny minitra 12:18 ka hatramin’ny minitra 13:02
Sahanasa fianarana azo atao
Ireo fitaomana eo amin’ny fiainantsika
Asao ny mpianatra hanao lisitra ireo hery mitaona eo amin’ny fiainany ao anatin’ny diary fandalinany. Azony ampidirina ao anatin’izany ny namana, mpampianatra, mpanolotsaina, olo-malaza ao amin’ny haino vaky jery, ray aman-dreny, mpaminany, ny Tompo, eny fa na dia ny eritreriny manokana sy ny faniriany aza.
Asao izy ireo avy eo handahatra amim-pieritreretana tsara ny hery mitaona ananan’ireo zavatra voalaza tsirairay avy izay? Afaka mametraka laharana 1 eo akaikin’ny hery mitaona matanjaka indrindra eo amin’ny fiainany ny mpianatra, dia avy eo ny laharana 2, dia toy izany hatrany. Na, azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manoratra teny toy ny hoe “lehibe,” “antonony,” na “kely” hanehoana ny halehiben’ny hery ananan’ny singa tsirairay.
Alohan’ny hamakiany ity teny nambara manaraka ity dia mety hanampy ny manazava amin’izy ireo fa ny famelana an’Andriamanitra hanjaka dia midika hoe mamela Azy ho fitaomana lehibe indrindra eo amin’ny fiainatsika.
Vakio ity fanontanina nentanim-panahy avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity. Saintsaino ny mety hamalianao izany.
Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve hoavelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony? Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra? Vonona ve ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony? (“Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94).
Asao ireo mpianatra hanoratra ny valin-teniny amin’ireo fanontaniana ireo ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fomba hananan’izy ireo fahavononana hamela an’Andriamanitra hanjaka na ho fitaomana lehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Azony ampidirina ao ihany koa ireo fomba maneho ny tsy fahavononan’izy ireo sy ny antony mahatonga izany ho sarotra aminy.
Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanome anao hevitra sy hanampy amin’ny olana na ny fahasarotana rehetra lalovanao, ary hanampy anao hahatsapa faniriana misimisy kokoa hamela Azy hanjaka kokoa eo amin’ny fiainanao.
Ny ohatra nasehon’i Jakoba
Indray mandeha dia “natahotra indrindra [Jakoba] ka poritra dia poritra” (Genesisy 32:8), nanahy ny amin’ny fiarovana ny tenany sy ny fianakaviany. “Nitolona” (Genesisy 32:25) nandritra ny alina izy, hahazoana ny fitahian’ny Tompo hamahana ilay toe-javatra sarotra nolalovany. (Hianatra kokoa momba io toe-javatra io ianao ao aoriana kely ao amin’ity lesona ity.) Ho setrin’izany dia nampanantena ny Tompo fa hanampy an’i Jakoba, saingy novainy ihany koa ny anaran’i Jakoba.
Vakio ny Genesisy 32:28 ary asio marika ny anarana vaovao nomen’ny Tompo an’i Jakoba sy ny anton’izany.
Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny soratra masiny fa iray amin’ny hevitry ny anarana hoe Israely ny hoe “Aoka Andriamanitra no hanjaka.,”
Ity lesona ity dia mampisongadina sehatra telo teo amin’ny fiainan’i Jakoba, na i Israely, izay namelany an’Andriamanitra hanjaka. Eo ampianarana izany ianao dia mitadiava ohatra momba ireto fitsipika manaraka ireto: Rehefa vonona ny hamela an’Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika dia hitahy antsika amin’ny zavatra rehetra Izy.
Manomana dika mitovy amin’ireto taratasy zaraina manaraka ireto ary ataovy ny iray amin’ireto manaraka ireto:
-
Omeo an’ny mpianatra miisa telo, na vondrona mpianatra maromaro mialoha ny fotoana ireto taratasy zaraina ireto, ary asao izy ireo hitarika ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny votoatin’ilay taratasy zaraina.
-
Asao ny mpianatra hamita ireo sahanasa telo ireo ao anatina vondrona kely maromaro.
-
Omeo famintinana fohy mikasika ireo taratasy zaraina miisa telo ny mpianatra ary avelao izy ireo hisafidy iray na roa mba hohalalininy.
Raha nandalina ireo fizarana telo ireo tao anatina vondrona maromaro ny mpianatra dia asao izy ireo hizara izay nianarany sy ny maha zava-dehibe izany amin’izy ireo. Raha tsy tononin’izy ireo avy hatrany izany, dia anontanio azy ireo izay nianarany mikasika ny Tompo.
Angataho ny mpianatra hizara ireo ohatra ana olona hafa hitany izay namela an’Andriamanitra hanjaka teo amin’ny fiainan’izy ireo.
Mamela an’Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao
Manokana fotoana hisaintsainana izay zavatra nianaranao na tianao ho tsaroana avy tamin’ity lesona ity. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-panoratanao ny eritreritrao ao anaty diary fandalinanao hatrany am-piandohan’ny lesona. Ampidiro ao anatin’izany ireo antony mety hitiavanao an’Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao. Azonao atao ihany koa ny manoratra izay zavatra tsapanao fa azonao atao mba hampitomboana ny fanirianao hamela an’Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao.
Raha tsy mahakasika azy ireo manokana loatra izany, dia asao hizara ny eritreriny ireo ny mpianatra. Hevero ihany koa ny hizara eritreritrao sy fijoroana ho vavolombelona anananao manokana.