Seminera
Genesisy 25–27: Jakoba sy Esao


“Genesisy 25–27: Jakoba sy Esao,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Genesisy 25–27: Jakoba sy Esao,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 24–33: Lesona 30

Genesisy 25–27

Jakoba sy Esao

Esau sells his birthright to Jacob for a bowl of pottage.

Tanteraka ihany nony farany ilay fampanantenana momba ny taranany, ho an’i Rebeka sy Isaka, tamin’ny nahaterahan’ny Jakoba sy Esao zanak’izy ireo kambana. Nanana zo hahazo ny fampanantenana ny fizokiana izay omena ny lahimatoa i Esao, amin’ny maha kambana zokiny azy. Nampalahelo fa tsy nanao laharam-pahamehana ny fitahiana mandrakizainy i Esao, fa nikatsaka kosa ny hanome fahafaham-po ny faniriana mifanaraka amin’ny fiainan’izao tontolo izao nananany. Afaka manampy ireo mpianatra hanome lanja ny fitahiana mandrakizain’ny Tompo mihoatra noho ny faniriana arak’izao tontolo izao ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra hanombatombana amim-bavaka ny fampifandanjany eo amin’ny fiainany ireo zavatr’ Andriamanitra (toy ny vavaka, famakiana ny soratra masina, zavatra atao ao am-piangonana) sy ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Asao izy ireo hamantatra izay zavatra mahavariana eto amin’izao tontolo izao izay mety ho lasa laharam-pahamehana mihoatra ireo zavatra maharitra mandrakizay.

Sahanasa fianarana azo atao

Manome lanja ireo zavatr’ Andriamanitra

Ataovy eny amin’ny solaitrabe izao tabilao manaraka izao mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra momba ny hoe mety hisy fiantraikany amin’ny tanjona lavitra ezaka indraindray ny filana na faniriana zavatra eo no ho eo:

Amin’izao fotoana izao

Hoavy

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara tanjona iray izay ananany ho an’ny hoavin’izy ireo. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny tsanganana faharoa ireo. Misafidiana iray amin’ireo tanjona ao amin’ny tsanganana faharoa. Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo filana na faniriana eo no ho eo izay mety hanakana ny olona iray tsy hanatratra izany tanjona izany, raha toa ka tanterahiny. Omeo fahafahana hizara hevitra samihafa vitsivitsy ireo mpianatra. Ifanakalozy hevitra ny fiantraikan’ny safidy ataontsika, amin’izao fotoana izao amin’ny tanjontsika amin’ny ho avy ka mety hanakana antsika tsy hahatratra izany mihitsy aza.

Hazavao, rehefa nahavita ireo mpianatra, fa io hevitra io dia azo ampiharina amin’ny ezaka ataontsika hikatsaka fitahiana mandrakizay avy amin’ Andriamanitra. Asao ireo mpianatra hamita ity fanombanan-tena manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Saintsaino ombam-bavaka ireto fehezan-teny manaraka ireto. Raketo ao amin’ny diarinao hoe mihatra aminao toy ny ahoana ny fehezan-teny tsirairay, amin’ny fampiasana ny valiny hoe “tena izany mihitsy”, “amin’ny ankapobeny”, “somary kely fotsiny,” ary “tsy izany mihitsy.”

  • Vonona ny hahafoy ny faniriana ireo zavatra eto an-tany aho ho an’ireo fitahiana mandrakizay.

  • Takatro ny antony angatahan’ny Tompo ahy hanome lanja ny fitahiany mandrakizay mihoatra noho ireo zavatra izay tiako ho azo amin’izao fotoana izao.

  • Fantatro ireo fitahiana izay tonga rehefa manao laharam-pahamehana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ambonin’ny zavatr’izao tontolo izao aho.

Asao ny Fanahy Masina hampianatra anao hahita ny lanjan’ireo fitahiana mandrakizay, rehefa mandalina ianao anio. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy mikasika ny fomba hanaovana laharam-pahamehana ny fitahiana mandrakizay ambonin’ireo faniriana zavatra eto an-tany.

Lovan’ny fizokiana sy fitahiana

Fintino amin’ny teninao manokana ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto, mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny lanja ara-kolontsain’ireo fanapahan-kevitra noraisin’i Esao sy i Jakoba.

Ny lahimatoa no nahazo ny fizokiana tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Nahitana ampahany roa tamin’ny tany sy harena ny lovan’ny fizokiana. Tafiditra tao anatin’izany koa ny andraikitra lehibe kokoa ny hikarakara ny reny sy ny ankohonana hafa aorian’ny fahafatesan’ny rainy. Manome tsodranon’ny fizokiana ny ray mba hanomezana ny fahefan’ny fisoronana ny lahimatoa ho fanampin’ny lova ara-materialy. Nametraka ny toeran’ilay zanakalahy tao amin’ny fianakaviana ho mpampianatra sy mpitarika io tsodrano io.

Nandritra ny taona maro i Rebeka sy Isaka no nivavaka mba hotahiana amin’ny taranaka marina maro. Voatahy tamin’ny fananana kambana mirahalahy izy ireo nony farany, dia Esao sy Jakoba. Satria i Esao no teraka voalohany, dia izy no ho zanaka lahy mandray ny fizokiana. Kanefa, nanambara tamin’i Rebeka ny Tompo fa i Jakoba no ho zanaka lahy mandray ny fizokiana (Genesisy 25:22–23).

Vakio ny Genesisy 25:27–34, hitadiavana ny fomba nanehoan’i Esao fa tsy nanome lanja ny tsodranon’ny fizokiany izy. (Midika hoe mahandro lasopy na legioma amin’ny hena ny hoe “mahandro hanina”.)

  • Inona no hitanao?

Vakio ny Genesisy 26:34–35, hitadiavana ny fanapahan-kevitr’i Esao sy ny fihetseham-pon’ny ray aman-dreniny momba ny safidiny ny amin’ny fanambadiana. (Kananita manompo andriamanitra tsy izy ny Hetita.)

  • Nahoana i Rebeka sy Isaka no nalahelo noho ny fanapahan-kevitr’i Esao?

Azonao hazavaina fa nanompo sampy ny Kananita ary nanao fombafomba hafa feno fahotana, raha toa ka tsy azon’ireo mpianatra antoka ny fomba hamaliana ilay fanontaniana teo aloha. Ny fanambadian’i Esao vehivavy Kananita dia nidika fa tsy niaina nifanaraka tamin’ilay fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama sy ny taranany izy.

Ireo fitahiana amin’ny fanomezan-danja ireo zavatr’ Andriamanitra

Azo vakiana na fintinina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity, mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny tantaran’i Jakoba sy Esao. Na azonao atao ny mizara ny horonan-tsary hoe “Jakoba sy Esao” (2:06), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2:5

Niantso an’i Esao mba hanome azy ny tsodranon’ny fizokiana i Isaka rehefa antitra na dia teo aza ny safidy ratsy nataon’i Esao. Nanova ny endrik’i Jakoba ho ny rahalahiny i Rebeka, talohan’ny nahatongavan’i Esao. Nihevitra i Isaka fa i Jakoba no Esao, koa dia nitso-drano an’i Jakoba tamin’ny tsodranon’ny fizokiana izy (jereo ny Genesisy 27:1–29). “Rehefa fantatr’i Isaka fa i Jakoba no notsofiny rano teo amin’ny toeran’i Esao, dia nilaza izy fa -hotahiana- i Jakoba (Genesisy 27:33)—izay milaza an-kolaka fa tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra” (Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022, 39).

Vakio ny Genesisy 27:34, 38, hitadiavana ny fihetsik’i Esao rehefa nahafantatra fa nomen’i Isaka an’i Jakoba ny tsodranon’ny fizokiana.

  • Inona no zavatra manaitra anao?

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianarantsika avy amin’ity tantara ity ho fehezan-teny manambara fahamarinana?

    Ampiasao ny tenin’ireo mpianatra mba hamantarana fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity: Mety hitarika alahelo sy fanenenana ny fisafidianana ny faniriana eo no ho eo na ny faniriana mifanaraka ny zavatra arak’izao tontolo izao toy izay ireo fitahiana mandrakizain’ Andriamanitra.

    Mety ho maro ny valin’ity fanontaniana manaraka ity. Afaka manampy ireo mpianatra hahazo aina hizara hevitra sy fomba fijery samihafa ny famporisihana mpianatra maromaro hizara ny valin-teniny.

  • Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny manao laharam-pahamehana ireo zavatra manana lanja maharitra mandrakizay?

Nanazava toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ao anatin’ny fahasahiranana amin’ny andavanandrontsika sy ny firotoroton’izao tontolo izao izay misy antsika, dia mety hanary ireo zavatra mandrakizay izay manan-danja indrindra isika raha toa manao ny fahafinaretana, ny harena sy ny laza ho laharampahamehan-tsika voalohany. Ny fandaniantsika andro anatin’ny fotoana fohy amin’ny “zavatr’ity izao tontolo izao ity” sy ny “voninahitry ny olona” dia mety hitarika antsika hanary ny fizokiana ara-panahy [ho amin’]ny zavatra ratsy [lavitra kokoa] noho ny voanemba. …

Tokony hanombatombana amin-kitsim-po sy amim-bavaka ny laharam-pahamehantsika ara-nofo sy ara-panahy isika tsirairay avy mba hahitana ireo zavatra eo amin’ny fiainantsika izay mety manakana ireo fitahiana miavosa izay tian’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy harotsaka amintsika. (“Tafio ny herinao, ry Ziona ô,” Liahona, nôv. 2022, 94)

Asaivo mizara ny zavatra tiany na nianarany avy tamin’ny teny nambaran’ny Loholona Bednar ireo mpianatra. Avy eo dia asao izy ireo hanao ireto zavatra telo manaraka ireto samirery na ao anaty vondrona kely:

  1. Mamorona rafi-tantara iray izay mety hahatonga ny olona iray mitovy taona aminao ho alaim-panahy “hitarika antsika hanary ny fizokiana ara-panahy [ho amin’]ny zavatra ratsy [lavitra kokoa] noho ny voanemba.”

  2. Mieritrereta ohatra iray momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy laharam-pahamehana ny sitrapon’ny Rainy noho ny faniriana eo no ho eo na ny faniriana zavatra araka ny fiainan’izao tontolo izao. (Ohatra: jereo ny Matio 4:2–10 na ny Lioka 22:41–42.)

  3. Mieritrereta ohatra iray amin’izao andro maoderina izao, momba ana olona iray izay manao laharam-pahamehana ny sitrapon’ Andriamanitra, noho ny faniriana eo no ho eo na zavatra araka ny fiainan’izao tontolo izao.

Angataho ireo mpianatra hizara ny heviny. Rehefa mizara ireo mpianatra dia azonao atao ny manasongadina fa ohatra tsara amin’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana ny fanatrehana seminera anio. Azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “No Regrets” (5:38), avy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Nisafidy ny hanatrika seminera ny zatovolahy iray toy izay hanao surf. Amporisiho ireo mpianatra hitady ireo fitahiana azony noho io safidy io.

5:39
  • Inona avy ireo fitahiana azontsika, ankehitriny sy amin’ny hoavy, noho ny fisafidianana ny zavatr’ Andriamanitra toy izay ny zavatr’izao tontolo izao?

  • Ahoana no nametrahan’ny Mpamonjy ny fitahiana mandrakizay ho ambony noho ny faniriana eo no ho eo?

Manaova drafitra

Asao ireo mpianatra hamita ity sahanasa manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany.

Tanisao ny laharam-pahamehanao dimy voalohany, manomboka avy amin’ny manan-danja indrindra mankamin’ny kely lanja indrindra.

Mariho izay fanitsiana itaoman’ny Fanahy Masina hataonao eo am-pandinihanao io lisitra io.

Raketo eo ambanin’io lisitra io izay eritreritra hafa anananao rehefa avy nanao ity sahanasa ity. Azonao atao ve ny mamantatra ny dingana manaraka mazava mba ahafahanao manao ho laharam-pahamehana ny zavatr’ Andriamanitra mihoatra noho ny zavatr’izao tontolo izao? Raha izany no izy dia soraty eo amin’ny toerana iray hahitanao azy matetika izany.

Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana azonao rehefa nanome lanja ny zavatr’ Andriamanitra mihoatra noho ny zavatr’izao tontolo izao ianao, ho famaranana ny fotoam-pianarana.