Seminera
Genesisy 24 -33: Topimaso ankapobeny


“Genesisy 24–33: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Genesisy 24–33: Topimaso ankapobeny,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 24–33

Genesisy 24–33

Topimaso ankapobeny

Nanomana lalana ho an’i Isaka mba hidirana amin’ny fanambadiana mandrakizay ny Tompo. Taty aoriana dia niteraka kambana, dia iJakoba sy i Esao izy sy i Rebeka. Kanefa rehefa nihalehibe i Esao dia tsy nataony laharam-pahamehana ny fandraisana ny fizokiana na ireo fitahiana mandrakizay natao ho azy. Noraisin’i Jakoba ny fizokiana ary nankany amin’ny tany niavian’ny reniny izy mba hitady vady. Teny an-dalana dia tonga taminy ny fahitana, izay nitondra azy hiditra tamin’ny fanekempihavanan’i Abrahama niaraka tamin’Andriamanitra. Nanao ezaka lehibe izy mba hanambadiana ao anatin’ny fanekempihavanana, hahazoana ny fitahian’ny Tompo amin’ny asany andavanandro, ary hanaovana izay nasain’Andriamanitra nataony mba hanamboarana ny fifandraisan’ny fianakaviany.

sary famantarana ny seminera Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany. Ny fanasana ny mpianatra hifampizara izay zavatra nianarany dia afaka manampy azy ireo hahatsapa fahatokisan-tena bebe kokoa ao an-dakilasy. Raha te hianatra misimisy kokoa dia jereo ny “Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa hizara ireo fahamarinana nianaran’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy p. 26). Ahitana ohatra amin’ny fomba hanaovana izany ao amin’ny Lesona 31: “Genesisy 28.”

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.

Genesisy 24

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra fanontaniana iray mety hananany na hananan’ny olona fantany mikasika ny fanambadiana ao amin’ny tempoly ary ho tonga ao an-dakilasy hikatsaka ombam-bavaka ny valin’izany fanontaniana izany.

  • Sary: Fanambadiana ao amin’ny tempoly, “Rebeka teo am-patsakana,” sarina tempoly tsotsotra

  • Taratasy zaraina: Lohatenin’ny taratasy zaraina “Fanambadiana mandrakizay

Genesisy 25–27

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hanome lanja ireo fitahiana mandrakizay avy amin’ny Tompo mihoatra ny faniriana araka izao tontolo izao.

  • Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra hanombatombana amim-bavaka ny fampifandanjany eo amin’ny fiainany ireo zavatr’ Andriamanitra (toy ny vavaka, famakiana ny soratra masina, zavatra atao ao am-piangonana) sy ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Asao izy ireo hamantatra izay zavatra mahavariana eto amin’izao tontolo izao izay mety ho lasa laharam-pahamehana mihoatra ireo zavatra maharitra mandrakizay.

Genesisy 28

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatsapa faniriana misimisy kokoa hanao fanekempihavanana amin’Andriamanitra ao amin’ny tempoly.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fampanantenana ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama (Abrahama 2:8–11). Azo atao ny mamporisika ny mpianatra hanandrana sy hanazava amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany mikasika ny fanekempihavanan’i Abrahama sy ny maha zava-dehibe izany ho azy ireo.

  • Sary: Sarina tempoly

Genesisy 29–33

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampitombo ny fahavononany hamela an’Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitanisa ireo fomba maha hery mitarika an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Raha maniry ny hianatra kokoa mikasika io lohahevitra io ny mpianatra dia afaka mihaino, mijery na mamaky ampahany amin’ny lahatenin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Aoka Andriamanitra no hanjaka” (18:51) izy ireo.

Raha misafidy ny hanasa ny mpianatra na vondrona mpianatra hampianatra votoatin-javatra ao amin’ny taratasy zaraina miisa telo ao amin’ity lesona ity ianao dia omeo azy ireo amin’ny fotoam-pianarana iray mialoha ny kilasy manaraka izany farafahakeliny. Ho Fanomanana ny mpianatr’izy ireo dia asao izy ireo handalina ilay votoatin-desona ary hiomana hitaraika ny fampianarana.