“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 2: Mahatakatra fotopampianarana sy mahazo fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 2: Mahatakatra fotopampianarana sy mahazo fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 18–23: Lesona 28
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 2
Mahatakatra fotopampianarana sy mahazo fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanorina ny fototry ny fiainan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity lesona ity, ary hampihatra ireo fitsipika nomen’ Andriamanitra momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay tian’izy ireo ho takatra tsara kokoa. Asao izy ireo avy eo handalina ilay andalan-tsoratra masina, hisaintsaina ny heviny ary handinika ny antony maha-zava-dehibe ilay fotopampianarana nampianarina.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Manakatra
Hevero ny hanasa ireo mpianatra hisaintsaina ny fotoana iray izay nanahirana azy ireo rehefa nianatra na nanao zava-baovao. Anisan’izany ohatra ny fianarana fiteny vaovao, ny fitendrena zava-maneno, na fanaovana fanatanjahantena. Afaka mizara zavatra izay nanampy azy ireo hianatra sy handresy ireo fanamby amin’ny fianarana zava-baovao ireo mpianatra. Azonao atao ny manampy fa ilaina ny manam-paharetana sy ny misoroka ny fampitahana ny fivoaranao amin’ny hafa, raha tsy milaza izany ireo mpianatra.
Mety ho sarotra toy izany koa ny fianarana fahaiza-manao vaovao, ny fitenin’ny soratra masina dia mety hahatonga azy ireo ho sarotra indraindray ny mahazo azy.
-
Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay nanampy anao na ny hafa hahatakatra kokoa ny fitenin’ny soratra masina?
Ny fandalinana izany amim-pitandremana, amin’ny fampiasana fitaovana fandalinana soratra masina, mba hamaritana sy hanazavana ny fiteny sy ny dikany, no fomba iray hampitomboana ny fahatakarantsika ny andalan-tsoratra masina iray.
Hazavao fa hanana fahafahana ireo mpianatra, amin’ity ampahan’ny lesona ity, hampitombo ny fahatakarany ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaran’izy ireo hatramin’izay tamin’ity taona ity. Azonao atao ny mampiseho ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana enina voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, izay hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Asao ireo mpianatra hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tiany ho takatra kokoa.
Afaka miasa manokana na ao anatina vondrona kely, miaraka amin’ireo mpianatra hafa izay nisafidy andalan-tsoratra masina mitovy aminy ireo mpianatra, ho an’ity sahanasa fandalinana ity. Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto.
-
Vakio miadana sy amim-pitandremana tsara ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, asao amim-bavaka ny Fanahy Masina mba hanampy hampitombo ny fahatakaranao. Asio marika ireo teny na andian-teny izay hitanao ho manan-danja.
-
Soraty avokoa ireo fanontaniana mety anananao na ireo hafa momba ny fiteny na ny dikan’ny andinin-tsoratra masina.
-
Mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina efa misy mba hikarohana ireo famaritana, fanazavana, toko sy andinin-tsoratra masina mifandray aminy, fanambarana avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, na koa fampahalalana hafa izay mety hanampy ny fahatakarana ilay andalan-tsoratra masina na ireo teny na andian-teny izay nasianao marika.
-
Ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’ilay andalan-tsoratra masina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nahoana, araka ny eritreritrao no mety ho zava-dehibe ho an’ny zatovo iray ny mahafantatra sy mahatakatra io andalan-tsoratra masina io?
Mba hahitana ohatra amin’ity fomba fiasa fandalinana soratra masina ity dia jereo ilay horonan-tsary “Analyzing a Passage” (08:12), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Afaka mizara amin’ny hafa ny zavatra hitany sy ny fomba nampitomboan’izany ny fahatakarany an’ilay andalan-tsoratra masina ireo mpianatra, raha ampy ny fotoana. Raha tsy izany, afaka manao fanazaran-tena manazava ny fotopampianaran’ilay andalan-tsoratra masina amin’ny namana iray ireo mpianatra amin’ny fampiasana ny fahatakarana fanampiny azony tamin’ny alalan’ny sahanasa fandalinana.
Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hampiasa ireo teknika ireo amin’ny ezaka fandalinany manokana ny soratra masina.
Saintsaino mandritra ny tontolo andro ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nofidinao, ka tadiavo ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina mampianatra anao ny fomba ahafahan’io soratra masina io hitahy ny fiainanao.
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ireo toe-javatra mifandray amin’izany ny ambin’ny lesona. Mety hilaina ny manasa ireo mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mialoha ny hanohizana. Ireo sahanasa famerenana naroso dia tafiditra ao amin’ny fizarana ao amin’ny tovana mitondra ny lohateny hoe “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.” Hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ny famariparitana ireo fitsipika.
Tsarovy fa tsy natao hampidirana votoaty vaovao ny lesona fampiharana fifehezana fotopampianarana. Manome fahafahana ireo mpianatra hamerina hijery ny zavatra nianarany sy hanao fanazaran-tena manazava izany ary hampihatra izany amin’ny rafi-tantara iray mifandray amin’izany, ny lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana. Afaka mampitombo ny fahafahan’ireo mpianatra mitadidy sy mampiasa ireo fitsipika ara-potopampianarana manan-danja eo amin’ny fiainany izany.
Hevero ny hampiseho ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Azonao atao ny mampifanaraka ny antsipirian’ilay rafi-tantara amin’ny toe-java-misy mba hitondrana araka ny mety indrindra ny zavatra ilain’ny kilasinao.
Eo amin’ny toeran’ilay rafi-tantara dia azonao atao ny mampiasa ilay horonan-tsary “Find Answers through Jesus” (1:04).
Nizara i Andy namanao fa mahatsiaro ho tsy afa-po amin’ny fiainany izy. Mandany fotoana betsaka amin’ny findainy izy, milalao jeux vidéos, ary miaraka amin’ny namany, saingy hitany fa tsy manam-potoana firy ho an’ Andriamanitra sy ny fianakaviany izy. Nanontany tena izy tato ho ato raha misy tanjony sy dikany mihoatra ny zavatra iainany amin’izao fotoana izao ny fiainany.
Ampisehoy eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika telo momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ireto fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny handamina ireo mpianatra ho vondrona kely mba hifanakalo hevitra momba ireo fitsipika sy ny fomba mety hanehoan’izy ireo izany amin’ny endri-javatra azo jerena. Asao ireo mpianatra hamorona bokikely na peta-drindrina izay afaka manampy olona iray hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hamahana ny olany. Azonao atao ny manome taratasy sy fitaovana fanaovana zavakanto. Azon’ireo mpianatra atao ny mamoritra ho telo ilay taratasy, ho an’ny bokikely iray, ary mampiseho fitsipika iray isaky ny fizarana. Amporisiho ireo mpianatra ho tia mamorona amin’ny fanehoana an-tsary ireo fitsipika telo.
Raha ilaina dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireto fanontaniana manaraka ireto. Ataovy ao an-tsaina fa natao hanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao fanazaran-tena mizara ny zavatra nianarany ity sahanasa ity. Ataovy izay fara-herinao hamoronana sehatra ahafahan’ny fifanakalozan-kevitra tarihin’ireo mpianatra, na dia afaka manampy amin’ny fanamorana ny resadresaka sy manome fanampiana araka izay ilaina aza ianao amin’ny maha-mpampianatra anao.
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
-
Ahoana no ahafahan’ny fihazonana ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy amin’io toe-javatra io?
Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
-
Inona avy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, na toko sy andinin-tsoratra masina hafa, na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay mety hanampy an’i Andy sy ny toe-javatra iainany?
Hevero ny hamporisika ireo mpianatra hampiasa ny Médiathèque de l’Évangile mba hitady loharano telo na mihoatra izany izay hatolony an’i Andy mba hohalalininy. Azonao atao ny manolotra toko sy andinin-tsoratra masina, raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana andinin-tsoratra masina ireo mpianatra, toy ny Genesisy 12:1–3; Mosesy 1:6, 39; Mosesy 6:26–33; ary ny Abrahama 3:22–23.
Manao asa amim-pinoana
-
Inona avy ny zavatra voafaritra mazava tsara sasany azon’i Andy hatao mba hahatsapany fa misy dikany sy tanjona lehibe kokoa eo amin’ny fiainany?
Omeo fahafahana ireo mpianatra hizara ny peta-drindriny na ny bokikeliny amin’ny vondrona hafa.
Azonao atao ny manome fahafahana ireo mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ho fifanakalozan-kevitra na hiraketana ny eritreriny ao amin’ny diary fandalinany, ho famaranana ny fotoam-pianarana.
-
Inona avy ireo hevi-baovao hitanao fa manan-danja rehefa nandalina ianao androany?
-
Ahoana no ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?