Seminera
Genesisy 15–18; 21: “Nataon’i Jehovah … araka ilay efa noteneniny”


“Genesisy 15–18; 21: -Nataon’i Jehovah … araka ilay efa noteneniny,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Genesisy 15–18; 21: -Nataon’i Jehovah … araka ilay efa noteneniny,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 18–23: Lesona 25

Genesisy 15–18; 21

“Nataon’i Jehovah … araka ilay efa noteneniny”

Sarah holds a baby Isaac in her arms. She looks down at him and smiles.

Nanao fampanantenana be voninahitra tamin’ireo mahatoky ny Tompo, saingy ny zava-misy eo amin’ny fiainantsika indraindray dia mety hahatonga antsika hanontany tena hoe ahoana no mety hahatanteraka ireo fampanantenana ireo. Mety ho nahatsapa toy izany koa i Abrahama sy i Saraha rehefa nampanantena ny Tompo fa hanan-janaka i Saraha tamin’ny fahanteran’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatokiany fa hihazona ireo fampanantenany ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hitadidy sy hisaintsaina ny andalana voalohany hita ao amin’ny Genesis 18:14: “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?” Azonao atao ny mamporisika azy ireo hieritreritra ireo fotoana nahitan’izy ireo ny Tompo nanatanteraka zavatra toa tsy azo tanterahina ao amin’ny soratra masina, na ny fiainany manokana, na ny fiainan’ny hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo fampanantenan’ny Tompo ho antsika

Asehoy ireto rafi-tantara manaraka ireto mba hanehoana ny antony mety hampanontany tena ny olona iray raha toa ka hihazona ireo fampanantenany Andriamanitra. Ho an’ny rafi-tantara iray hafa dia azonareo atao ny mijery ny “Continue in Patience” (2:41), manomboka amin’ny kaodim-potoana 1:07 ka hatramin’ny 1:55. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hamorona ny rafi-tantarany manokana, mitovitovy amin’izy ireo.

2:42
  1. Nisafidy ny ho marin-toetra ny zatovovavy iray amin’ny fianarana ataony any am-tsekoly, amin’ny finoana fa hitahy azy ny Tompo. Tsikariny fa ratsy noho ny an’ireo mpianatra hafa izay mangala-tahaka ny naotiny.

  2. Nandray ny tsodranon’ny patriarika ho azy ny zatovolahy iray, izay milaza fa hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izy. Hitan’ny dokotera fa manana olana ara-batana izy nandritra ny fizahana ara-pahasalamana ka izany dia tsy hahafahany handeha hanompo.

  3. Nisy zatovovavy iray nitsapa ny fampanantenan’i Môrônia tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy ny vavaka mba hahafantarana raha marina izany. Tsapany fa tsy nahazo valiny izy. Inona avy ireo mety ho fanontaniana ananan’ireo zatovo ireo momba an’ Andriamanitra sy ireo fampanantenany?

    • Inona avy ireo mety ho fanontaniana ananan’ireo zatovo ireo momba an’ Andriamanitra sy ireo fampanantenany?

Asao ireo mpianatra hieritreritra toe-javatra izay mety ho sarotra ho azy ireo, na ny olona fantany, ny mahita ny fomba hanatanterahan’ny Tompo ireo fitahiana nampanantenainy. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanoratra momba ireo toe-javatra ireo ao amin’ny diary fandalinany. Mety hanoratra izay fanontaniana ananany ihany koa izy ireo.

Amporisiho ireo mpianatra hanao ezaka izay afaka manasa ny Fanahy Masina amin’ny fianarany. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy azy ireo hahita ny valin’ny fanontaniany ny Fanahy Masina ary hampitombo ny fahatokiany fa hotanterahin’ny Tompo ireo fampanantenany, rehefa manao izany izy ireo.

Ireo fampanantenan’ny Tompo tamin’i Abrahama sy i Saraha

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hampihatra ny famakiana soratra masina ao anatin’ny sahan-kevitra mifanaraka amin’izany, rehefa mandalina ny tantaran’i Saraha sy i Abrahama izy ireo. Ity andiam-pehezan-teny manaraka ity dia afaka mampahafantatra ireo mpianatra io fahaiza-manao io:

Mety hanampy ny fahatakarana ny sahan-kevitra (toe-javatra na zava-nisy manodidina ny andalan-tsoratra masina iray), rehefa mandalina ny soratra masina isika. Afaka manazava sy mitondra fahatakarana lalindalina kokoa ireo tantara na fampianarana ao amin’ny soratra masina ny sahan-kevitra. Ohatra, mety hanampy ny mahafantatra, rehefa mandalina ny tantaran’i Abrahama sy i Saraha, fa nandritra ny ankamaroan’ny fiainany dia naniry ny ho ray i Abrahama (jereo ny Abrahama 1:2). Saingy rehefa nihalehibe izy sy i Saraha vadiny, dia toa hita fa tsy hiaina ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny fananana ny zanany manokana mandritra ny fiainany eto an-tany izy ireo.

sary famantarana ny seminera Afaka manampy ireo mpianatra hizatra hampiasa ny sahan-kevitra mba hahatakarana kokoa ny zavatra vakiny ao amin’ny soratra masina ny taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe; “Ireo fampanantenan’ny Tompo tamin’i Abrahama sy Saraha”. Azonao atao ny mamolavola izany amin’ny alalan’ny fandalinana ny Genesisy 15:1–6 miaraka amin’ny iray kilasy. Azonao atao avy eo ny mametraka ireo mpianatra ao anatin’ny vondrona kely mba handalina ireo andininy hafa.

Azonao atao ny manazava, alohan’ny handalinan’ireo mpianatra, fa ao tanatin’ny fanekempihavanany tamin’i Abrama sy i Saray dia novain’ny Tompo ho Abrahama sy Saraha ny anaran’izy ireo (jereo ny Genesisy 17:5, 15). Azonao atao koa ny manazava fa ny teny hoe mihomehy ao amin’ny Genesisy 17:17; 18:12; ary ny 21:6 dia avy amin’ny fototeny hebreo hoe tzachak, izay mety hidika koa hoe “mifaly” (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 17:23).

Manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny heviny amin’ny iray kilasy, rehefa avy nandalina sy nifanakalo hevitra tamin’ny vondrona misy azy ireo mpianatra. Afaka mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto ianao avy eo:

  • Inona no tsapanao fa nanampian’ilay sahan-kevitra anao mba hahatakaranao ny zavatra nohalalininao?

  • Inona no mety ho tsapanao raha toa ka niaina ny zavatra nataon’i Abrahama sy i Saraha ao amin’ireo andininy ireo ianao?

Mihazona ireo fampanantenany ny Tompo

Vakio ny Genesisy 21:1–6 ka tadiavo ny fomba nihazonan’ny Tompo ireo fampanantenany tamin’i Abrahama sy i Saraha.

  • Inona no fahamarinana ianaranao momba ny Tompo avy amin’io tantara io?

sary famantarana ny semineraAfaka mampitombo ny fahatakarany ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ireo mpianatra rehefa milaza fitsipika mampiova fo amin’ny teniny manokana izy ireo. Mety ho sarotra amin’ireo mpianatra indraindray ny fitadiavana fahamarinana avy amin’ny andalan-tsoratra masina iray. Afaka manampy amin’ny fanazavana ny zavatra ianarany sy manampy azy ireo hahomby amin’ny filazana fahamarinana ny fanomezana fanambarana avy amin’ny mpaminany tahaka izao manaraka izao. (Mba hahazoana fiofanana fanampiny amin’ny fanampiana ireo mpianatra hilaza ireo fitsipika mampiova fo dia jereo ny “Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra ho amin’ny fiovam-po sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)

Nizara lesona iray izay nianarany momba ny fampanantenan’ Andriamanitra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006.Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008.Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy ary ho tanteraka haingana araka izay mety hanantenantsika azy foana ireo fampanantenan’ Andriamanitra; tonga araka ny fotoany sy ny fombany izy ireny. (“Persévérer avec patience,” Liahona, avril 2010, 58)

Fahamarinana iray mety ho hitan’ireo mpianatra ny hoe: ny Tompo dia manatanteraka ny fampanantenany amin’ny fotoany sy amin’ny fombany.

  • Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ireo fotoana izay tsy mahatanteraka eo no ho eo amin’ny fiainantsika ireo fampanantenan’ny Tompo?

  • Inona no fantatrao momba ny Tompo izay afaka manampy anao eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny fampanantenany?

Mety hahazo tombontsoa ireo mpianatra amin’ny fitadiavana soratra masina momba ny Tompo izay afaka manampy azy ireo hamaly ilay fanontaniana teo aloha. Mety ho isan’izany ireto andalan-tsoratra masina ireto Jaona 14:18; 1 Nefia 9:6; Môzià 24:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8; 68:6.

Traikefa sy fijoroana ho vavolombelona

Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany dia hevero ny hampiseho ity fanambarana manaraka ity na jereo ny “Good Things to Come” (4:55), izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asao ireo mpianatra hieritreritra zavatra niainana manokana izay mety mifandray amin’ilay fanambarana na horonan-tsary.

4:55

Nizara izao fahatakarana manaraka izao ny Filoha Jeffrey R. Holland, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, momba ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo:

Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland.  Photographed January 2018.

“Ny fitahiana sasany dia tsy maharitra ela dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo. (“An High Priest of Good Things to Come,” Ensign, Nov. 1999, 38)

  • Inona no zavatra niainanao na niainan’ny hafa izay nanampy anao hino fa ny Tompo dia hihazona ny fampanantenany amin’ny fombany sy amin’ny fotoanany?

Ampiomano ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nianarany na tsapany. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fampisehoana ireto torolalana manaraka ireto:

Misafidiana iray amin’ireto sahanasa atao manaraka ireto izay hovitaina ao anatin’ny diary fandalinanao:

  1. Saintsaino ireo rafi-tantara nozaraina tany am-piandohan’ny lesona. Manorata taratasy ho an’ny iray amin’ireo olona ireo, ary ampidiro ny antony inoanao fa hihazona ny fampanantenany ny Tompo.

  2. Manorata andiam-pehezan-teny fohy ao amin’ny diarinao. Ampidiro ireo zavatra nianaranao sy tsapanao androany izay mety hanampy anao eo am-piandrasanao ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’ny Tompo.

Manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny zavatra tsapany amin’ny iray kilasy. Azonao atao ny mamarana amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny Tompo dia hihazona ny fampanantenany.