“Genesisy 22: Tandindon’i Jesoa Kristy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 22: Tandindon’i Jesoa Kristy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 18–23: Lesona 27
Genesisy 22
Tandindon’i Jesoa Kristy
Mety tsy ho takatry ny saintsika tanteraka na oviana na oviana amin’ny maha-olombelona antsika ny didy mahavaky fo nomen’ Andriamanitra an’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka zanany lahy. Nampitombo ny fahatakarantsika ny sary an’ohatra mahery vaikan’io didy io i Jakôba mpaminany Nefita, rehefa nampianatra izy fa ny sorona dia “tandindon’ Andriamanitra sy ny Zanany Lahitokana” (Jakôba 4:5). Afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamantatra andinin-tsoratra masina iray izay hitan’izy ireo fa manampy azy ireo hamantatra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika. Asaivo miomana hizara izany izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fitiavan’ Andriamanitra
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ity teny nambara manaraka ity.
Namaritra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ny zanany ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:
Eritrereto ny fitiavana madio indrindra, tena mandany ny rehetra azonao eritreretina. Ampitomboy amin’ny habeny tsy manam-petra izany fitiavana izany—izany no fatran’ny fitiavan’ Andriamanitra anao.
Tsy mijery ny fisehoana ivelany Andriamanitra. Mino aho fa tsy raharahiany na dia kely akory aza na mipetraka any amin’ny lapa isika na any amin’ny trano bongo, na tsara tarehy isika na ratsy tarehy, na olo-malaza isika na adino ny fisiantsika. Na dia tsy tanteraka aza isika dia tia antsika amin’ny fitiavana feno tanteraka Andriamanitra. Na dia tsy lavorary aza isika dia tiany amin’ny fomba lavorary. Na dia mahatsiaro ho very sy tsy misy mpitarika aza isika dia manemitra antsika tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra. Ny fitiavan’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2009, 22)
-
Ankoatra ireo teny nampiasain’ny Filoha Uchtdorf, dia inona ireo teny na andian-teny hafa sasantsasany azonao ampiasaina hamaritana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika?
Asao ireo mpianatra handinika hoe impiry izy ireo no mahatsapa na mahafantatra ny fitiavana ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo mba hanampiana azy hampihatra ny lesona amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo handinika ireo fanontaniana ananan’izy ireo amin’izao fotoana izao momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Amporisiho ireo mpianatra rehefa mandalina androany mba hifantoka amin’ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina izay afaka manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ny fisehon’ny fitiavan’ Andriamanitra
Mirakitra fampianarana maro izay mamaritra ny fitiavana ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho antsika ny soratra masina. Ohatra anankiray ny ao amin’ny Jaona 3:16.
Vakio ny Jaona 3:16, hitadiavanany fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra.
Ahoana no hamintinanao ny zavatra hitanao?
Mety hizara zavatra toy izao ireo mpianatra: Naneho ny fitiavany antsika tamin’ny alalan’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy Zanany ny Ray any An-danitra.
-
Ahoana no hanehoan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika?
Nodidina hanao sorona ny zananilahy i Abrahama
Hazavao fa handalina tantara iray izay afaka mampianatra antsika momba ny fitiavana nasehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ireo mpianatra anio.
Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity.
-
Inona no fantatrao avy amin’ny fiainan’i Abrahama sy Isaka momba an’io zavatra niainana io?
Hazavao izao manaraka izao, aorian’ny fizaran’ireo mpianatra ny valin-tenin’izy ireo.
Afaka mampianatra antsika momba ny fitiavana nasehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamintsika tamin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ny tantaran’i Abrahama sy Isaka.
Vakio ny Jakôba 4:5, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Jakôba momba an’io tantara io.
-
Inona no hitanao?
Rehefa mandalina ny tantaran’i Abrahama sy Isaka ao amin’ny Genesisy 22 ireo mpianatra dia asao izy ireo hifantoka amin’ny zavatra azon’io tantara io ampianarina azy ireo ara-panoharana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Manaova tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe mba hanomanana ireo mpianatra hanao izany. Ny lohateny eo amin’ny tsanganana iray dia Abrahama sy Isaka ary ilay tsanganana iray hafa dia Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hamorona ity tabilao ity ao amin’ny diary fandalinany.
Azon’ireo mpianatra atao ny mamita samirery na miaraka amin’ny namany iray ity sahanasa manaraka ity. Hevero ny hizara ohatra iray avy amin’ilay tabilao efa nofenoina (hita aoriana ao amin’ny lesona) alohan’ny hanombohan’ireo mpianatra ny fandalinany.
Vakio ombam-bavaka ny Genesisy 22:1–14, hitadiavana ireo fitoviana raha ampitahaina amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asongadino ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Raketo an-tsoratra ireo eritreritrao momba ny zavatra ampianarin’ireo andian-teny ireo anao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ahitana ohatra momba ny fahatarakana mety ho hitan’ireo mpianatra ity tabilao manaraka ity, rehefa mandalina ity tantara ity izy ireo. Azonao ampiasaina ireto ohatra ireto, raha ilaina, mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny fandalinany. Azonao atao ohatra ny mizara ny fanazavana momba ny tanin’i Môria (jereo ny Genesisy 22:2) mialoha na aorian’ny fandalinan’ireo mpianatra.
|
Abrahama sy Isaka |
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy |
|---|---|
|
Genesisy 22:2, 12—“ny lahitokanao” |
Zanaka Lahitokan’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 3:16). |
|
Genesisy 22:2—“ny tanin’ny Moria” |
“Ilay toerana fantatra amin’ny fomba mahazatra ho ny toerana nanoloran’i Abrahama an’i Isaka dia … teo amin’ilay faritra izay hanaovan’ny Ray sorona ny Zanany” (Old Testament Student Manual, 3rd ed. [2003], 77). |
|
Genesisy 22: 2—“fanatitra dorana” |
Miendrika sorona biby ny fanatitra dorana. Tandindon’i Jesosy Kristy ny sorona biby (jereo ny Mosesy 5:4–7). |
|
Genesisy 22:6—“nalain[y] ny hazo hataina amin’ny fanatitra dorana ka natataony an’Isaka zanany” |
Nitondra ny hazo fijaliany i Kristy (jereo ny Jaona 19:16–18). |
|
Genesisy 22:7–8—“Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana” |
Nandefa ny Zanany ny Ray any An-danitra, ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra, ho sorona fanavotana (jereo ny Jaona 1:29). |
|
Genesisy 22:9—“namatotra an’i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ny alitara teo ambonin’ny kitay” |
Nahantona teo amin’ny hazo fijaliana i Kristy (jereo ny 1 Nefia 11:33). |
Rehefa avy nomena fotoana hianarana ireo mpianatra dia omeo fahafahana hizara ny zavatra nampianarin’ny Fanahy azy ireo rehefa nandalina ireo andininy ireo izy ireo. Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity.
-
Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny tantaran’i Abrahama sy Isaka?
-
Inona avy ireo tandindon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sasantsasany izay tena manan-danja aminao? Nahoana?
Ny fitiavan’ Andriamanitra ahy
Omeo fahafahana ireo mpianatra hisaintsaina ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo. Azonao atao ny mihira na mihaino hira iray izay mifantoka amin’izany fitiavana izany mba hanomanana azy ireo hisaintsaina, toy ny hoe: “Notre Dieu nous a tant aimés” (Cantiques, no. 111).
Azonao atao ihany koa ny mihevitra ny hizara ny fanambarana nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Loharanom-pitaovana fanampiny.
-
Inona no fiantraikan’ny fahatsiarovana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho anao eo amin’ny fiainanao?
-
Inona no nanampy na afaka manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Farano ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra hieritreritra momba ny zavatra nianarany sy tsapany androany mikasika ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo. Asao izy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreritra sy fahatsapana ara-panahy ananan’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany. Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika tsirairay. Amporisiho ireo mpianatra hikaroka zavatra niainana izay hanampy azy ireo hahatsapa lalandava ny fitiavan’ Andriamanitra azy.