Seminera
Genesisy 19: “Aza miherika ianao”


“Genesisy 19: -Aza miherika ianao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Genesisy 19: -Aza miherika ianao,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 18–23: Lesona 26

Genesisy 19

“Aza miherika ianao”

'Then the Lord rained down sulfur and fire on Sodom and Gomorrah. It was sent down from the sky by the Lord. So he overthrew those cities and all that region, including all the inhabitants of the cities and the vegetation that grew from the ground. But Lotaas wife looked back longingly and was turned into a pillar of salt. (Genesis, Chapter 19, 24-26). Woodcut after a drawing by Julius Schnorr von Carolsfeld (German painter, 1794 - 1872) from my archive, published in 1877.'

Manahy mandrakariva ny amin’ny fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainantsika ny Tompo. Voataonan’ny faharatsiana izay nanemitra azy ireo tao an-tanànan’i Sodoma ireo olona tao amin’ny fianakavian’i Lota. Afaka manampy ireo mpianatra hisoroka ireo fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainany mba hahafahan’izy ireo manaraka tanteraka kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo fitaomana eo amin’ny fiainany na ireo fakam-panahy atrehany izay manakana azy ireo tsy hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hieritreritra hoe nahoana izy ireo no mila manala ireo sakana ireo tsy ho eo amin’ny fiainany sy ny fomba mety hanaovan’izy ireo izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Safidy kely misy vokany lehibe

Nizara fahamarinana manan-danja iray mikasika ny vokatry ny safidintsika ny Loholona Massimo De Feo ao amin’ny Fitopololahy:

Official Portrait of Elder Massimo De Feo  Photographed March 2017.

Mety ho toa madinika ireo fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro, saingy misy fiantraikany sy vokany lehibe foana izy ireny, na tsara na ratsy. (“Petits choix, conséquences importantes,” Liahona, Août. 2019, 34)

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ireo safidy madinika ataontsika izay mety hisy vokany lehibe?

Hevero ny hizara ohatra vitsivitsy, raha ilaina, toy ny haino vaky jery ampiasaintsika; ny karazana namana fidintsika; na ny safidy ataontsika momba ny fandalinana ny soratra masina, ny fandehanana miangona, na ny fivavahana. Mety manan-danja kokoa amin’ireo mpianatrao ny ohatra hafa. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra ny amin’ny mety hisian’ny fiantraikany lehibe avy amin’ireo safidy ireo, na tsara na ratsy.

Zarao avy eo ity manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hiomana ara-panahy amin’ny lesona anio.

Mieritrereta momba ireo safidy ataonao amin’izao fotoana izao izay mitarika anao mankany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Eritrereto koa ireo safidy mety hitarika anao hiala amin’ Izy Ireo. Mifantoha tsara amin’ireo fahatsapana ara-panahy mikasika ny fomba hahafahanao manakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, rehefa mandalina ianao anio.

Nanangana ny lainy nitodika tany Sodoma i Lota

Mirakitra ny tantaran’ny lehilahy iray antsoina hoe Lota, zanadrahalahin’i Abrahama, ny Testamenta Taloha. Nonina tao an-tanànan’i Sodoma, izay nalaza tamin’ny faharatsiana tafahoatra, i Lota sy ny fianakaviany (jereo ny Genesisy 13:13; 18:20; Ezekiela 16:49–50; Joda 1:7–8). Safidy toa bitika no nitarika an’i Lota sy ny fianakaviany honina tao Sodoma.

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ny toe-javatra izay nitarika an’i Lota honina tao Sodoma. Azo ampiasaina ity fanazavana manaraka ity raha ilaina.

Nisy tsy fifanarahana teo amin’ny mpiandry ombin’i Abrahama sy ny mpiandry ombin’i Lota momba ny kianja fiandrasany, taorian’ny nifindran’i Abrahama sy Lota ary ny fianakaviany avy tany Egypta ho any amin’ny tany Kanana. Nosarahin’i Abrahama sy i Lota toerana ny fianakaviany ary samy nanapa-kevitra izay hipetrahany izy ireo mba hisorohana ny fifandirana (jereo ny Genesisy 13:8–9).

Ho solon’ny famakian’ny mpianatra ireto andininy manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy, dia azon’izy ireo atao ny miasa miaraka amina namana iray. Afaka mamaky ireto andininy ireto ireo mpinamana ary manao sary mampiseho ny fihetsik’i Lota sy Abrahama.

Vakio ny Genesisy 13:10 -13 -13, 18, hitadiavana hoe taiza no nanapa-kevitra hipetraka ny fianakaviana tsirairay. (I Abrahama no Abrama ao amin’ireo andininy ireo. Nanova ny anarany ho Abrahama ny Tompo tatỳ aoriana, araka ny voarakitra ao amin’ny Genesisy 17:5.)

  • Inona no fahasamihafana hitanareo teo amin’ny fanapahan-kevitry ny fianakaviana tsirairay?

  • Inona no fanapahan-kevitra mety horaisin’ny olona iray amin’izao andro izao, izay mety hitovy amin’ny an’i Lota nanangana ny lainy nitodika any Sodoma? Inona no torohevitra azonao omena amin’ireo toe-javatra ireo?

Azonao atao ny mizara ohatra vitsivitsy raha toa ka sarotra amin’ireo mpianatra ny mieritreritra fanapahan-kevitra amin’izao andro izao izay mitovy amin’ny nananganan’i Lota ny lainy nitodika tany Sodoma, dia avelao ireo mpianatra avy eo hanome torohevitra momba ireo toe-javatra ireo. Ohatra amin’izany ny fampiasana fiteny maloto, ny fisafidianana haino vaky jery misy votoaty tsy mendrika, ny fampidinana ny fenitry ny fitafy na ny fahamaotinana mba ho eken’ny hafa, na ny fiarahana amin’ireo namana izay tsy miraharaha ny fampianaran’ny Mpamonjy.

Ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora

Tsy nijanona tao amin’ny lainy izay natsangana hitodika any Sodoma i Lota sy ny fianakaviany. Nifindra izy ireo nony farany “ary nonina tao Sodoma” (Genesisy 14:12; nampiana fanamafisana).

Afaka mampifandray ny Genesisy 14:12 sy ny Genesisy 13:12 ao amin’ny soratra masiny ireo mpianatra. Azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra hanavao ny sariny, raha toa ka nanao sary izy ireo tany am-piandohan’ny lesona, mba hahitana ny toerana vaovao nonenan’i Lota.

Nolavin’ny mponin’i Sodoma sy ny tanànan’i Gomora teo akaiky teo ireo mpaminany nirahin’ny Tompo hampitandrina azy ireo (jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 203). Nandefa iraka tany Sodoma ny Tompo, noho ny famindram-pony, hampitandrina an’i Lota sy ny fianakaviany hiala alohan’ny handravana ilay tanàna (jereo ny Genesisy 19:12–13). Satria nandà ny mpaminany ny vahoaka ary niziriziry tamin’ny faharatsiana dia ringana izy ireo.

Vakio ny Genesisy 19:14–17, 24–26, ka tadiavo ny fomba namalian’i Lota sy ny fianakaviany ireo toromarika hiala haingana ny tanàna.

  • Inona no manaitra anao ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana?

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao momba ny Tompo?

Azonao atao ihany koa ny manontany ireo mpianatra ny zavatra ianarany ka afaka manampy olona iray izay mahatsapa fa tsy dia mampaninona loatra ny fandraisana anjara amin’ireo zavatra ratsy izay toa bitika.

Mety hanampy ny manazava mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny antony nahatonga ny vadin’i Lota ho “vongan-tsira mitsangana” (andininy 26), fa mety tsy niherika fotsiny ny vadin’i Lota fa mety niverina tany Sodoma mihitsy (jereo ny Lioka 17:28–32). Azonao atao ihany koa ny mizara ity teny nambaran’ny Filoha Jeffrey R. Holland manaraka ity.

Nizara izay mety ho antony nahatonga ny vadin’i Lota niova ho “vongan-tsira mitsangana” (andininy 26) ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland.  Photographed January 2018.

Tsy ny fiherehany fotsiny ihany no fahadisoan’ny vadin’i Lota, raha ny fahitana azy; fa te hiverina izy raha ny tao am-pony. …

Mety ho azo heverina fa nitodika tany aoriana tamim-pahasosorana tamin’ny Tompo ny vadin’i Lota noho ny zavatra izay nangatahiny taminy mba hilaozany. (“Remember Lot’s Wife” [fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young, 13 jan. 2009], 2, speeches.byu.edu)

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity miaraka amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kely alohan’ny hizaran’izy ireo ny valin-teniny amin’ny iray kilasy.

  • Inona avy ireo fahamarinana sasantsasany ianaranao avy amin’ny tantaran’i Lota sy ny fianakaviany izay mety mihatra amin’ireo toe-javatra atrehinao eo amin’ny fiainanao?

    Afaka mamantatra fahamarinana toy izao manaraka izao ireo mpianatra amin’ny fampiasana ny teniny manokana:

    Ny famelana ireo fitaomana ratsy ho eo amin’ny fiainantsika—na dia toa bitika aza—dia afaka mitarika antsika hiala amin’i Jesoa Kristy.

    Tokony handositra ny faharatsiana isika ka tsy hiherika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.

    Hevero ny hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana ireo:

  • Inona no afaka manampy anao hamantatra ireo fitaomana izay toa bitika, izay hitarika anao hiala amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika handao ny fahadisoantsika taloha ary handroso amim-pinoana?

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra niainany izay mifandray amin’ireo fahamarinana izay ifanakalozanareo hevitra. Azonao atao koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana.

Ampiharo amin’ny fiainanao izany

Asehoy ireto torolalana sy fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana izay nohalalininy. Asao ireo mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra mba hamantatra ny fiovana izay tiany hataon’izy ireo.

Mieritrereta momba ana fanampahan-kevitra nitaoman’ny Fanahy anao hataonao vokatry ny zavatra izay nohalalininao androany? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny drafitra momba ny zavatra ho ataonao sy ny fotoana hanaovanao izany. Afaka manampy anao hamolavola drafitra ireto fanontaniana manaraka ireto, raha ilaina:

  • Inona avy ireo fanapahan-kevitra raisinao sasantsarany izay toa bitika amin’izao fotoana izao ka mety hitarika anao hiala amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny farany? Inona avy ireo fiovana hoataonao?

  • Inona no hoataonao mba hialana amin’ireo fahadisoana taloha sy handrosoanao amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?

Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nohalalininareo androany. Amporisiho hanao zavatra araka ny drafitra nataon’izy ireo ny mpianatra.