“Genesisy 28: Fanekempihavanana amin’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 28: Fanekempihavanana amin’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 24–33: Lesona 31
Genesisy 28
Fanekempihavanana amin’ny Tompo
Nasain’ny ray aman-dreniny hankany amin’ny tanindrazan’ny reniny i Jakoba mba hitady vady any, taorian’ny nandrahonan’i Esao rahalahiny azy ho faty. Nahita fahitana izy nandritra ny diany, izay nitarika azy hiditra tao amin’ny fanekempihavanana tamin’i Abrahama. Afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana mitombo kokoa hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fampanantenana ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama (Abrahama 2:8–11). Azo atao ny mamporisika ny mpianatra hanandrana sy hanazava amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany mikasika ny fanekempihavanan’i Abrahama sy ny maha zava-dehibe izany ho azy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Nahoana ny olona iray no tokony hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra?
Afaka manomboka ny fotoam-pianarana ianao, amin’ny alalan’ny fanehoana sarina tempoly iray ary ny fihirana ny hiran’ny kilonga hoe: “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99).
Asehoy ity toromarika manaraka ity avy eo. Asao ireo mpianatra hifidy ny fanambarana izay heverin’izy ireo ho marina indrindra. Raha tsy izany dia afaka mizara ny ampahany voalohany amin’ilay fanambarana ihany ianao, ary afaka mamarana ilay fanambarana amin’ny fehezan-teny iray na roa izay maneho tsara ny fihetseham-pony sy ny eritreriny ireo mpianatra.
Rehefa mieritreritra ny handeha any amin’ny tempoly hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra aho amin’ny hoavy dia:
-
Tsy haiko hoe inona no hoeritreretina. Tsy dia mieritreritra an’izany loatra aho.
-
Mientanentana aho. Tena miandrandra izany andro izany aho.
-
Sahiran-tsaina kely aho. Tsy fantatro izay miandry ahy.
-
Tsy dia hitako loatra izay hilana an’io.
Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratany ny valin-teniny. Asao izy ireo hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mandritra ny lesona. Afaka manampy azy ireo hankasitraka ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ny Fanahy Masina.
Ny nofin’i Jakoba
Asao ireo mpianatra hanoratra ity fahamarinana tsy feno manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany. Azonao atao ihany koa ny manoratra azy io eny amin’ny solaitrabe ary manampy ao amin’izany mandritra ny lesona.
Mandritra ity lesona ity ianao dia handalina momba an’i Jakoba ao amin’ny Genesisy 28. Nanao fanekena tamin’i Jakoba Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 28:3–4, 12–20, izay neken’i Jakoba. Afaka mianatra lesona manan-danja, avy amin’io tantara io, momba ny lanjan’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika. Mitadiava fomba hamenoana ity fahamarinana ity, eo am-pandalinana ity lesona ity: Rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika, Izy dia …
Angataho ireo mpianatra hizara ny zavatra tadidiny momba ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama. Jereo ny Lesona 23: “Genesisy 12, 17” mba hahitana antsipiriany manokana momba io fanekempihavanana io. Fintino amin’ny teninao manokana ity andiam-pehezan-teny manaraka ity aorian’ny fizarana ataon’ireo mpianatra.
Nahatsapa i Jakoba fa mety tsy ho azony ny fitahiana avy amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama na dia zafikelin’i Abrahama aza izy. Tsy mbola nanambady tao amin’ny fanekempihavanana i Jakoba. Nitarika an’i Esao hikasa hamono an’i Jakoba ihany koa ny fifandirana momba ny fizokiana sy ny tsodrano (Genesisy 27:41). Nanome toromarika an’i Jakoba ny ray aman-dreniny handao ny tranony ary hanao dia kilaometatra an-jatony ho any amin’ny tanindrazan-dreniny mba hiarovana sy hahazoana antoka fa hanana fahafahana hanambady ao anatin’ny fanekempihavanana izy (jereo ny Genesisy 27:42–46; 28:1–2). Hitondra an’i Jakoba lavitra an’i Kanana, ilay tany nampanantenain’ny fizokiana azy, io dia io.
Vakio ny Genesisy 28:10–15 ka tadiavo ny zavatra niainan’i Jakoba indray alina nandritra ny diany.
Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanao ny sarin’ny zavatra hitan’i Jakoba tao amin’ny nofiny. Afaka mizara ny sariny amin’ny mpiara-mianatra iray ny mpianatra ary manazava ny zavatra nanan-danja indrindra tamin’izy ireo avy amin’ireo andinin-tsoratra masina.
Azonao atao avy eo ny mampiseho ity sary manaraka ity mba ho sary maneho ilay fahitana.
-
Inona no fampanantenana avy amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama nomen’ny Tompo an’i Jakoba ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
-
Inona no fampanantenana fanampiny nomen’ny Tompo an’i Jakoba tao amin’ny andininy 15?
Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanampy ireo fampanantenana fanampiny ireo amin’ireo fahamarinana hitan’izy ireo. Azonao atao ny mitanisa ireo valiny azo aroso, eny amin’ny solaitrabe. Mety ho tafiditra ao amin’ireo valiny ny hoe: miaraka amintsika, miaro sy mikarakara antsika, tsy mandao antsika.
-
Nahoana, araka ny eritreritrao, no mety ho nanana lanja manokana tamin’i Jakoba ireo fampanantenana ireo tamin’io fotoana io?
Asao ireo mpianatra hanatanteraka ity sahanasa manaraka ity, miaraka tsiroaroa na ao anaty vondrona kely vitsivitsy, mba hanampiana azy ireo hahatakatra kokoa ireo fampanantenana ireo. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hitady soratra masina na fanambarana fanampiny izay manamafy ireo fampanantenana ireo.
Halalino ireto soratra masina sy fanambarana manaraka ireto, ka tadiavo ny fomba hanampian’izy ireo anao hahatakatra lalindalina kokoa ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Jakoba.
Jaona 14:18
Asan’ny Apostoly 17:27 (mariho ny Dikantenin’i Joseph Smith)
Nanambara toy izao ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Rehefa mandia ny lalan’ny fanekempihavanana ianao, manomboka amin’ny batisa ka hatrany amin’ny tempoly ary mandritra ny fiainanao, dia mampanantena anao hery hanoherana ny fironan’izao tontolo izao izay manosika anao aho—hery hianarana, hery hibebahana ka hohamasinina, ary hery hahitana fanantenana, fiononana, ary indrindra fifaliana rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana ianao. Mampanantena anao sy ny fianakavianao fiarovana amin’ny fitaoman’ny fahavalo aho, indrindra indrindra rehefa ataonareo ho zavatra lehibe ifantohana eo amin’ny fiainanareo ny tempoly. (“Mahazo ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana,” Liahona, mey 2023, 37)
Mety hanampy ireo mpianatra ny mahatakatra fa tsy manafaka antsika amin’ireo fanamby eo amin’ny fiainana ny fanaovana fanekempihavanana. Na izany aza, nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson fa ireo fanekempihavanana ireo dia manome ny “fanantenantsika lehibe indrindra mba hisorohana ireo fijaliana azo sorohina etsy andaniny, ary mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo fahoriana mitranga eo amin’ny fiainana izay tsy azo sorohina etsy ankilany” (“Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” Liahona, mey 2021, 117).
-
Inona amin’ireo fampanantenana ireo no tena manan-danja indrindra aminao?
Ny fihetseham-pon’i Jakoba momba ny zavatra niainany
Mety hanampy ny mampiseho ireto andalan-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto. Asao ireo mpianatra hiaraka tsiroaroa na ao anaty vondrona kely hamaky sy hifanakalo hevitra. (Hevero ny hizara amin’ireo mpianatra fa ireo teny “matahotra” sy “mahatahotra” dia maneho fa tao anatin’ny fitalanjonana i Jakoba. Tsara kokoa ny handikana ny hoe “mahatahotra” ho “mahatalanjona.”)
Vakio ny Genesisy 28:16–21, hitadiavana ny fihetsik’i Jakoba teo anatrehan’ny zavatra niainany.
-
Inona no fahatsapana hitanao fa nambaran’i Jakoba momba ny Tompo?
-
Ahoana no mety ho nanosehan’ireo fahatsapana ireo azy hanao fanekempihavanana amin’ny Tompo?
Rehefa avy nomena fotoana nifanakalozana hevitra ny mpianatra dia azonao atao ny manasa vitsivitsy amin’izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany.
Afaka mampitombo ny fahatokian-tenany amin’ny fandraisana anjara amin’ny resaka momba ny filazantsara ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra hifampizara ny zavatra nianarany. Jereo ny “Amporisiho ireo mpianatra hizara ireo fahamarinana izay nianarany” ao amin’ny fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra, mba hahazoana fiofanana fanampiny amin’ny fomba hamporisihana ireo mpianatra hizara amin’ny hafa. (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 35)
-
Inona avy ireo teny na andian-teny avy amin’ny andininy 16–21 izay azo ampifandraisina amin’ny tempoly amin’izao andro maoderina izao?
Afaka manasongadina teny na andian-teny ireo mpianatra toy ny hoe: “Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah” (andininy 16); “tranon’ Andriamanitra” sy “vavahadin’ny lanitra” (andininy 17); “Betela” (andininy 19), izay midika hoe: “tranon’ Andriamanitra”; ary ny hoe: “nivoady” (andininy 20). Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.
Afaka manampy zavatra eo amin’ny sarin’izy ireo momba ilay fahitana ireo mpianatra, amin’ny alalan’ny fanoratana ny hoe: “tranon’ Andriamanitra,” “vavahadin’ny lanitra,” na “tempoly” eo amin’ny faritra ambanin’ilay tohatra.
Manao fanekempihavanana amin’ny Tompo
Asao ireo mpianatra hanao izao sahanasa manaraka izao ao amin’ny diary fandalinany. Mety hanampy ny milaza amin’ireo mpianatra fa hisaintsaina ireo valim-panontaniany ireo izy ireo amin’ny lesona ho avy. Hampiasa ny zavatra soratany eto ireo mpianatra mba hamitana sahanasa fanombanana iray ao amin’ny lesona 37: “Tombano ny fianaranao 2.”
Azonao atao ny mizara ity andiam-pehezan-teny manaraka ity amin’ny teninao manokana mba hanomanana ireo mpianatra hanoratra ny valin-teniny.
Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra i Jakoba, rehefa nandao ny tranon’ny ray aman-dreniny izy ary nandeha irery. Nampanantena Andriamanitra fa hiaraka sy hikarakara ary hiaro an’i Jakoba. Hiatrika ireo safidy maro momba ny zavatra hataonao manaraka eo amin’ny fiainanao ianao ao anatin’ny taona vitsy. Anisan’ireny fanapahan-kevitra ireny ny fahafahana manao ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly. Eritrereto io fotoana amin’ny hoavy io rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao ianao:
-
Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina efa niainanao avy tamin’ny fiezahanao hitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra na tamin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly?
-
Inona avy ireo toe-javatra mety hatrehinao amin’ny hoavy izay hahafahanao migoka tombontsoa avy amin’ny fikarakarana sy fiarovana ampanantenain’ Andriamanitra ny olona izay manao fanekempihavanana Aminy?
Hevero ny hizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fomba niainanao ireo fampanantenana mifandray amin’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ny Tompo.