“Genesisy 24: Ny fitahiana entin’ny fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 24: Ny fitahiana entin’ny fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 24–33: Lesona 29
Genesisy 24
Ny fitahiana entin’ny fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana
Nanomana lalana ho an’i Isaka ny Tompo na dia toa tsy takany loatra aza ilay fomba fijery ny fanambadiana mandrakizay. Afaka miantehitra amin’ny Tompo ihany koa isika ary matoky fa afaka manampy antsika hiomana sy hahazo ireo fitahiana entin’ny fanambadiana mandrakizay Izy indray andro any. Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay ao amin’ny fanekempihavanana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra fanontaniana iray mety hananany na hananan’ny olona fantany mikasika ny fanambadiana ao amin’ny tempoly ary ho tonga ao an-dakilasy hikatsaka ombam-bavaka ny valin’izany fanontaniana izany.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanambadiana any amin’ny tempoly
Saintsaino ombam-bavaka ireo fomba hanomanana sy hampianarana ity lohahevitra ity omban’ny fitandremana sy fitiavana, satria mety ho sarotra ho an’ireo mpianatra sasany ny hifanakalo hevitra momba ny fanambadiana.
Hevero ny haneho sary any am-piandohan’ny lesona miaraka amin’ity rafi-tantara manaraka ity mba hanomanana ireo mpianatra hiresaka momba ny lohahevitra mahakasika ny fanambadiana.
Eritrereto hoe misy namana iray miteny hoe: “Tena zava-dehibe tokoa ve ny fanambadiana any amin’ny tempoly? Na izany na tsy izany, sarotra amiko ny mahita ny tenako hanambady any, toa tsy ho vitako izany Te hahita olona tiako fotsiny aho.”
-
Inona avy ireo fiheverana mety ho ananan’ny namanao momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly?
-
Inona no fahamarinana mety tsy takatry ny namanao momba an’ Andriamanitra sy ny fanambadiana any amin’ny tempoly?
Asao ireo mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
-
Inona no tsapanao manokana momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly?
-
Inona avy ireo fanontaniana na olana anananao momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly?
Asao ny Fanahy hanampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny tempoly rehefa mandalina ny Genesisy 24 ianao. Katsaho ny hahatakatra tsara ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao hahazo fanambadiana maharitra mandrakizay, any amin’ny tempoly.
Dia manan-danja iray
Asao ireo mpianatra hijery ity sarintany manaraka ity mba hanampiana azy ireo hahatakatra kokoa ny sahan-kevitry ny Genesisy 24. Afaka mahita izany ao amin’ny sarintany faha 9, “Ny tontolo ao amin’ny Testamenta Taloha,” ao amin’ny fizarana Sarintanin’ny Baiboly izy ireo raha afaka mahazo ny fanontana ny Baiboly King James nataon’ny Olomasin’ny Andro Farany. Vakio na fintino ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ary asao ireo mpianatra hitady ireo toerana nolazainao eo amin’ilay sarintany. Asehoy ny mpianatra ny toerana misy an’i Kanana (laharana 13) sy Harana (laharana 8) raha ilaina.
Nipetraka tany Kanana niaraka tamin’ny olona nanompo sampy sy nanao fanao ratsy hafa i Abrahama sy ny fianakaviany. Nanana havana nonina tany Harana, izay nonenany taloha, i Abrahama.
Hazavao alohan’ny hamakiana ireto andininy manaraka ireto fa manova ny teny hoe “fe” ho “tanana” ny dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny andininy 2 sy 9. Midika izany fa nanao fifanarahana i Abrahama sy ny mpanompony.
Vakio ny Genesisy 24:1–4, 7–9 ka tadiavo ny torolalana nomen’i Abrahama ny mpanompony momba an’i Isaka zanany.
-
Nasaina nanao inona ny mpanompon’i Abrahama?
-
Inona no hitanao tao amin’ny andininy 7 izay maneho fa nanahy ny amin’izay olona alain’i Isaka ho vady ny Tompo?
Ataovy mampiasa ny maridrefy eo amin’ny sarintany ireo mpianatra hamaritana hoe firy kilaometatra io dia io. Ampio ireo mpianatra hahita fa nangataka ny mpanompony hanao dia mandroso sy miverina efa ho 1931 kilaometatra i Abrahama mba hitadiavana vady ho an’i Isaka.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mendrika ny fahafoizan-tena toy izany ny tsy nanambadian’i Isaka ny iray tamin’ireo zanakavavin’ny Kananita?
Hazavao, raha ilaina, fa rehefa nanao ny fanekempihavanany tamin’i Abrahama sy i Saraha Andriamanitra dia nilaza Izy fa ny taranak’i Abrahama dia hitandrina io fanekempihavanana manan-danja atao Aminy io raha toa ka manambady araka ny lalàny izy ireo. Nila niditra tao amin’ny “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1– 4). Miditra ao anatin’io fanekempihavanana io isika, ankehitriny, rehefa mifanambady ao amin’ny tempoly masin’ny Tompo.
Tsy nisy olona na iray aza tao amin’ny tanin’ny Kanana izay azon’i Isaka nalaina ho vady tao anatin’io fanekempihavanana io. Tsy nisy afa-tsy tao amin’ny fianakavian’i Abrahama tany Harana ihany, no azo nitehirizana ilay fanekempihavanana.
Ny fanampian’ny Tompo
Ampisehoy ity sary manaraka ity, ary asao ireo mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ilay tantara eo amin’ny sary. Azonao atao ny mamaky na mamintina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity raha ilaina.
Nandeha lavitra nankany Harana ny mpanompon’i Abrahama hitady vady ho an’i Isaka. Nivavaka sy nangataka tamin’ Andriamanitra izy, teo am-piandrasana teo akaikin’ny fantsakana iray, mba hahazoany fahafahana hahalala izay olona tian’ny Tompo ho hitany.
Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky tsirairay, na tsiroaroa, na ny iray kilasy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto.
Mety hanampy ny manazava, ho an’ilay sahanasa atao eto ambany, fa ny anarana hoe “Jehovah” ao amin’ny Baiboly dikan-teny King James dia mazàna asehony amin’ny LORD amin’ny sora-baventy manontolo. Ny teny hoe “Tompo” na “tompo”, etsy ankilany, dia mety ilazana fotsiny hoe olona manana fahefana, fanapahana, na fitaomana, toy ny tompomenakely na mpanapaka. (Jereo ny Bible Dictionary, “Jehovah”)
Vakio ny Genesisy 24:12–27, hitadiavana ny fomba nanampian’ny Tompo ny mpanompon’i Abrahama hahita vady ho an’i Isaka. Mety hanampy ny manamarika ny teny hoe TOMPO rehefa hitanao amin’ny endriny sora-baventy avokoa ny litera rehetra.
-
Inona no hitanao?
Hevero ny hamintina ny ambin’ny Genesisy 24 amin’ny alalan’ny fizarana ity andiam-pehezan-teny manaraka ity:
Nihaona tamin’ny anadahin’i Rebeka sy ny rainy ny mpanompon’i Abrahama. Nohazavainy hoe iza izy, ary koa ny fomba nanampian’ny Tompo azy hahita an’i Rebeka. Nisafidy tamim-pahasahiana ny hiverina niaraka tamin’ilay mpanompo i Rebeka ny ampitson’iny, ary nofehezina tamin’i Isaka tao anatin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay (jereo ny Genesisy 24:29–67).
-
Inona no zavatra nianaranao momba ny Tompo avy amin’ny tantaran’i Isaka sy Rebeka ary ny fanambadiana mandrakizay nataon’izy ireo?
Mety hamaly amin’ny alalan’ny fahamarinana isan-karazany ireo mpianatra, kanefa ataovy azo antoka fa takany fa hanampy antsika ny Tompo rehefa miezaka ny hiditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay isika.
-
Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo olona iray izay manao ezaka ho an’ny fanambadiana mandrakizay kanefa manahy fa tsy hahazo izany fitahiana izany mihitsy?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no tena manan-danja tokoa amin’ny Tompo ny fanambadiana mandrakizay?
Nahoana ny fanambadiana mandrakizay no tena manan-danja amin’ny Tompo?
Asao ireo mpianatra hanao sarina tempoly tsotsotra iray ao amin’ny diary fandalinany, tahaka ity ambany ity, mba hanampiana azy ireo hahatakatra kokoa ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay.
Manorata fanontaniana iray, eo ambanin’ny sarin’ilay tempoly, izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa ireo fahamarinana nianaranao androany. Mety ho fanontanianao manokana izany na fanontaniana avy amin’ny olona fantatrao, na iray amin’ireto manaraka ireto:
-
Nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana mandrakizay?
-
Inona avy ireo fitahiana mety ho azoko avy amin’ny fanambadiana any amin’ny tempoly sy ny fiezahana hanaja ireo fanekempihavanana ireo?
-
Ahoana no hanampian’ny Tompo ahy indray andro any hahazo ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay?
Asao ireo mpianatra haka 5–8 minitra hamitana ity sahanasa manaraka ity manokana na miaraka amin’ny namana. Azonao atao ny manasa azy ireo hanao lisitra ny valim-panontaniana izay hitan’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa mety tsy hahita valiny mazava amin’ny fanontaniany izy ireo; na izany aza anefa, ampahany manan-danja amin’ny fanaovana asa am-pinoana an’ Andriamanitra ny fanaovana ezaka hametraka fanontaniana sy mikatsaka fahatakarana.
Tsinjarao amin’ireo mpianatra, izay te handalina izany, ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Fanambadiana mandrakizay”.
Tadiavo ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana isan-karazany, toy ireto manaraka ireto mba hanampiana anao hamaly ny fanontanianao:
-
Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana (Genesisy 2:24; 1 Korintiana 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4)
-
Ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Fanambadiana mandrakizay”
-
“Fanambadiana” sy ireo lahatsoratra mifandraika amin’izany ao amin’nyTorolalana ho an’ny Soratra Masina, na Sujets et questions ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
-
Ireo andian-teny toy ny “fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana” na “fanambadiana any amin’ny tempoly” ao amin’ny fikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile
Asao ireo mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo.
Fandinihana ataon’ny tena manokana
Saintsaino ilay rafi-tantara tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no hamalianao ny fanontanian’ny namanao momba ny antony maha-zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny tempoly?
-
Inona no nianaranao androany momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy, izay afaka manome fanantenana anao amin’ny ezaka ataonao mba hanasa ireo fitahian’ny fanambadiana any amin’ny tempoly ho anao?
Manasà mpianatra maromaro manolo tena hizara izay zavatra nosoratany.
Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana, ary amporisiho ireo mpianatrao hanomboka hiomana amin’izany dieny izao.