“Genesisy 1:28–31; 2:1–25: ‘Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Genesisy 1:28–31; 2:1–25: ‘Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5:Lesona 9
Genesisy 1:28–31; 2:1–25
“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”
Taorian’ny famoronana an’i Adama sy Eva, dia nampiray azy ireo tamin’ny alalan’ny fanambadiana ny Ray any An-danitra. Nandidy azy ireo hihabetsaka sy hameno ny tany Izy ary hifamatotra. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny anjara asa fototra ananan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny -famonjen’ny Ray any An-danitra ity lesona ity.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ilay hoe “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ka hitady fampianarana izay mamaritra ny antony maha-ivon’ny fianakaviana amin’ny drafitry ny famonjenan’ ny Ray any An-danitra.
Sahanasa fianarana azo atao
Rehefa mifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny ankohonana ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra, dia fantaro fa maro amin’ny mpianatra ankehitriny no tsy miaina ao anaty toe-javatra hiainan’ny fianakaviana tonga lafatra Fantaro tsara ny filana sy ny fanontaniana ananan’ny mpianatra.
Ireo zavatra manana anjara fototra
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fehezan-teny iray na maromaro tsy feno izay maneho fa ny zavatra iray, ny asa atao, ny olona, sy ny sisa dia mety ho ivon’ny fanatanterahana zavatra iray. Mety hanampy ireto ohatra manaraka ireto: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba hamenoan’izy ireo ny banga, ary avy eo dia mangataha mpianatra samihafa hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy. Mety hanampy ny fanazavana fa ny teny hoe ivo dia mety midika ihany koa hoe tena ilaina na mavesa-danja indrindra.
dia ivon’ny fahombiazana any an-tsekoly satria .
dia anisan’ny ivon’ny fiainana feno fahasambarana satria .
dia mitana anjara asa fototra eo amin’ny fiainako satria .
Rehefa avy nizara ny valintenin’izy ireo ny mpianatra, dia asehoy ity fanambarana ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany amin’ny feo mafy Angataho ny mpianatra hitady lafiny fototra iray amin’ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra.
“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia manambara toy izao:
Izahay, Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manambara amim-boninahitra fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany. (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no manana anjara toerana lehibe toy izany eo amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahitanao an’i Satana miasa mba hanafika ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’izao androntsika izao?
Asao hieritreritra ny sasany amin’ireo fanontaniana mety hananan’izy ireo na ny hafa momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny manoratra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Omeo fandrisihana izy ireo rehefa mandalina androany mba hitady fahamarinana sy hihaino ny fahatsapana ara-panahy izay afaka manampy azy ireo hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo.
Fampianarana avy amin’ny soratra masina
Hazavao fa ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra taorian’ny Fahariana ny tany dia afaka manampy antsika hahatakatra ny anjara asa fototry ny fanambadiana sy ny fiankaviana ao amin’ny drafitra nataony. Asehoy ireto torolalana sy loharanom-pitaovana manaraka ireto, ary omeo fotoana handalinana izany ny mpianatra. Azonao atao ny mandalina ireto miaraka amin’ny iray kilasy, na afaka mandamina ireo mpianatra ho vondrona ianao mba handalina sy hifanakalo hevitra momba ireo loharanom-pitaovana ireo.
Rehefa mamaky ireo andininy ao amin’ny Genesisy 2 ny mpianatra, dia mety tianao ny manazava fa ireo teny hoe manampy ahita ao amin’ny andininy 18 dia midika hoe “mpanampy sahaza, mendrika na mifanaraka” ho an’i Adama (jereo ny fanamarihana ambany pejy 18b). Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny tantara momba ny famoronana an’i Eva avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama dia tandindona ary afaka maneho ny fiaraha-miasa mitovy eo amin’ny mpivady (jereo ny Russell M. Nelson, “Lessons from Eve,” Ensign, Nôv. 1987, 87).
Halalino ireto fanambarana sy soratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny porofo mivaingana amin’ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ Andriamanitra.
Nampianatra toy izao ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985):
Ny Tompo… dia nanakambana an’i Adama sy Eva, ny lehilahiny voalohany sy vehivaviny voalohany tety an-tany, ary nanatanteraka fanamasinam-panambadiana ho azy ireo mba hahatonga azy ireo ho mpivady. (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 192)
Andinin-tsoratra masina hohalalinina:
Genesisy 1:27–28 (Didy nomen’ Andriamanitra an’i Adama sy Eva)
Genesisy 2:18, 21–24 (Famoronana an’i Eva)
Ny Genesisy 2:24 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 (Ny fampianaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith)
-
Inona avy no fahamarinana hitanao ka maneho ny lanjan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ Andriamanitra?
Mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra:
Nandidy ny mpivady Andriamanitra mba hiteraka (Genesisy 1:28).
Ny mpivady dia natokona ho iray ary ho mpiara-miasa mira lenta (Genesisy 2:18, 24).
Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15).
Noforonina ny tany mba hanomezana toerana ahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra ho lasa fianakaviana sy handroso miaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16–17).
Rehefa miara-midinika momba an’ireo fahamarinana ireo ianareo, dia mety hanampy anareo koa ny fifanakalozan-kevitra momba ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity.
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanamafy ny anjara asa lehibe ananan’ny fianakaviana taorian’ny namoronan’ Andriamanitra ny tany:
Na dia lehibe toa inona aza ny planeta Tany dia mbola ampahany amina zavatra iray mbola lehibe kokoa, dia ilay drafitra lehiben’ Andriamanitra. Raha fintinina amin’ny teny tsotra dia nohariana mba hisian’ny fianakaviana ny tany. Manazava ny soratra masina fa ny mpivady dia “ho nofo iray ihany izy roroa; ary izany rehetra izany dia ny mba hahatratraran’ny tany ny tanjona namoronana azy” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16]. (“The Creation,” Ensign, Mey 2000, 85)
-
Ahoana no fomba ahafahan’ny fitadidiana ny anjara asa fototry ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra hisy fiantraikany amin’ny safidy raisinao eo amin’ny fiainanao?
-
Ahoana no fomba ahafahan’ireo fahamarinana sy fampianarana ireo manampy antsika hamaly rehefa mandre ny tsikera na ny fanamaivanana ny fotopampianaran’ny fanambadiana na ny fianakaviana isika?
-
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao ho lasa tahaka Azy bebe kokoa ny fanarahana ny fenitry ny Ray any An-danitra mifandray amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana?
Mamorona valiny
Mba hanampiana ny mpianatra hanazava ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, dia hevero ny hizara rafi-tantara toy ity manaraka ity. Azonao amboarina araka izay ilaina mba hitombina kokoa amin’ny kolontsainareo sy ny fiainan’ireo mpianatra ity rafi-tantara ity. Aorian’ny fizarana ilay rafi-tantara, dia asehoy ny mpianatra ireo torolalana mba hamoronana valiny.
Nitranga ny adihevitra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana tao amin’ny kilasy iray tao amin’ny sekolin’i Elizabeth. Nizara ny sasany tamin’ny fomba fijeriny momba ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy sy ny maha zava-dehibe ny olon-droa mpivady manan-janaka i Elizabeth. Maro amin’ireo mpiara-mianatra amin’i Elizabeth no nizara hevitra izay tena tsy mitovy amin’ny azy. Rehefa vita ny fampianarana, dia nisy tovolahy iray antsoina hoe Isaac, izay miray kilasy amin’i Elizabeth ao amin’ny seminera ihany koa nanontany azy hoe, nahoana no nanana hevitra efa lany andro momba ny fanambadiana sy ny fiankaviana toy izany izy.
Amin’ny fampiasana ny zavatra nianaranao androany dia mamoròna valiny izay azon’i Elizabeth zaraina amin’Isaac. Ampidiro amin’ny valinteninao izao manaraka izao:
-
Fanazavana momba ny antony maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ho an’ny famonjena
-
Fampianarana iray na mihoatra avy amin’ny soratra masina na avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana
-
Fanasana azon’i Elizabeth zaraina amin’i Isaac ka hanampy azy
Rehefa avy nanam-potoana hiomanana ny mpianatra, dia omeo fotoana izy ireo hizara ny valintenin’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mizara izany amina namana iray na amina vondrona kely. Azo asaina ihany koa ny mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy na hilalao an-tsehatra ilay rafi-tantara.
Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy tsapany nandritra ny fianarany androany. Azon’izy ireo atao ny mieritreritra fahamarinana nianaran’izy ireo izay namaly ny sasany tamin’ireo fanontaniana ireo. Asao izy ireo hanoratra izay fahatsapana ara-panahy ananany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahinareo androany.
Ampiasao ny fitadidiana
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerin mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ho an’ny Genesisy 2:24 dia hoe “Ny lehilahy dia … hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.” Ireo hevitra ho an’ny asa fitadidiana dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana etsy ambany “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”