“Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: Topimaso,” Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)
“Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: Topimaso,” Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha
Genesisy 3–4; Mosesy 4–5
Genesisy 3–4Mosesy 4–5
Topimaso
Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nikatsaka ny hamotika ny fahafahantsika nisafidy i Satana, ary nifidy an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika ny Ray any An-danitra. Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia dingana firosoana iray nilaina teo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Tonga nanavotra antsika tamin’ny vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana.
Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ahitana hery ny fandalinana, fisaintsainana, ary fianaranao ho an’ny tenanao manokana ny fotopampianaran’ny Mpamonjy ho fanomananao hampianatra ny mpianatrao. Raha te hianatra misimisy kokoa momba ity dia jereo ny fizarana “Nianatra ny fotopampianarana ny Mpamonjy” ao amin’ny (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20–21). Ny fametrahana fanontaniana tsy valina fotsiny amin’ny hoe eny na tsia ao an-dakilasy dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina sy haneho hevitra ary hianatra tsaratsara kokoa momba ny fotopampianaran’ny Mpamonjy ho an’ny tenan’izy ireo manokana. Hita ao amin’ny Lesona 10 ny ohatra iray hanaovana izany: “Mosesy 4:1–4.”
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Mosesy 4:1–4
Tanjon’ny lesona: Mba hampitomboana ny fanirian’ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny fankatoavana ny Ray any An-danitra.
-
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay manentana azy ireo hankatò kokoa ny Ray any An-danitra ny ohatra asehon’io olona io. Asao izy ireo ho tonga vonona hizara.
Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Fizarana 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny vokatry ny Fahalavoana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.
-
Fiomanan’ ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitadidy ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 2 Nefia 2:25 ary hanontany ny rainy na ny reniny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny hevitr’izany amin’izy ireo.
-
Sary: I Adama sy Eva; (azonao atao ihany koa ny misafidy ny mampiseho sary isan-karazany izay maneho asa mafy, fitsapana, alahelo, ary fahafatesana)
-
Horonan-tsary: “Adam and Eve” (1:53)
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy zaraina ho an’ny mpianatra tsirairay
-
Votoatin-kevitra haseho: Toromarika ho an’ny famoronana bokikely
Mosesy 4:5–32; 5:1–15, Fizarana 2
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fanavotana avy amin’ny Fahalavoana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
-
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady ny vokatry ny fahalavoan’i Adama sy Eva manodidina azy ireo. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fahaterahana, ny fahafatesana, ny vatana, ny fahotana, ny hanoanana, ny aretina, sy ny sisa. Angataho hisaintsaina ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy manoloana ny vokatra tsirairay hitan’izy ireo ny mpianatra.
-
Sary: Olona iray nianjera avy tamin’ny fiaramanidina; I Adama sy i Eva nanao sorona ny voalohan-teraky ny biby fiompiny
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Bokikely izay natomboky ny mpianatra noforonina tamin’ny lesona teo aloha
-
Votoatin-kevitra aseho: Toromarika ho an’ny famoronana bokikely
-
Taratasy zaraina: “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manavotra ahy amin’ny …”