“Mosesy 4:1–4: ‘Hatao anie ny sitraponao, ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mosesy 4:1–4: ‘Hatao anie ny sitraponao, ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 3–4; Mosesy 4–5: Lesona 10
Mosesy 4:1–4
“Hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”
Tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia nifidy an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy ao anatin’ny drafiny ny Ray any An-danitra. Mankatò tsy tapaka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy, na dia sarotra aza izany. Afaka manampy ny mpianatra amin’ny fanirian’izy ireo hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy eo amin’ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ity lesona ity.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay manentana azy ireo hankatò kokoa ny Ray any An-danitra ny ohatra asehon’io olona io. Asao izy ireo ho tonga vonona hizara.
Sahanasa fianarana azo atao
Fanaovana ny Sitrapon’ny Ray Any An-danitra
Hanombohana ny fotoam-pianarana, dia azonao atao ny mizara ny fotoana iray nahitana ny Ray any An-danitra nangataka ny zatovo iray hanao zavatra sarotra. Mety ho zavatra niainanao manokana na efa renao izany. Ity tantara manaraka ity dia ohatra iray azonao ampiasaina. Entano ny mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana izay mety nananany ireo fahatsapana ireo.
Nizara ity tantara manaraka momba ny zanany vavy ity ny Rahalahy M. Joseph Brough tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany teo aloha:
Ry zatovo, mitaky zava-tsarotra aminareo Andriamanitra. Nisy zatovovavy 14 taona iray nandray anjara tamina fifaninanana baskety. Nofinofiny ny ho mpilalao baskety baolina an’ny lisea tahaka ny zokiny vavy. Reny avy eo fa voantso hiahy misiôna iray any Guatemala ny ray aman-dreniny.
Nony tonga tany dia hitany fa roa amin’ny kilasy atrehany dia ho amin’ny teny Espaniola, fiteny izay tsy mbola hainy. Tsy nisy na dia ekipana fanatanjahan-tenan’ankizivavy iray aza tao amin’ny sekoliny. Tany amin’ny rihana faha-14 tamin’ny tranobe iray izay voambina be no nisy azy. Ambonin’izany rehetra izany dia tsy afaka nivoaka irery tany ivelany izy noho ny tsy fandriampahalemana.
Am-bolana ireo ray aman-dreniny no nahare azy nitomany irery rehefa hatory isan-kalina. (“Andrandrao ny lohanao ary miravoravoa,” Liahona, nôv. 2018, 14)
-
Raha teo amin’ny toeran’ity zatovovavy ity ianao, inona no mety ho zavatra tena sarotra ho anao?
Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no zavatra sarotra notakian’ Andriamanitra na mety takian’ Andriamanitra aminao?
-
Ahoana ny fahavononanao hanao izany zavatra sarotra izany? Nahoana?
-
Inona no tianao hianarana na ho tsapa ato amin’ity lesona ity ka mety manampy anao ho vonona kokoa hanao izay angatahin’ Andriamanitra?
Rehefa mandalina ny Mosesy 4:1–4 ny mpianatra, dia hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahavononany hanao ireo zavatra sarotra takian’ny Ray any An-danitra Aminy izy ireo. Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hamantatra ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy manampy azy ireo amin’ny zavatra sarotra mety hangatahan’ Andriamanitra hataon’izy ireo.
Ny toetran’i Kristy
Azonao atao ny manazava ny fampahalalana ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tontolon-kevitry ny andalan-tsoratra masina hohalalinin’izy ireo anio.
Niaina niaraka tamin’ny Raintsika any An-danitra isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Nandritra izany no nampianarana antsika momba ny drafiny hanampiana antsika ho tonga tahaka Azy. Ny Mosesy 4:1–4 dia mirakitra ny tantaran’ny Filankevitra tany an-danitra rehefa nofidiana ho Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Ao amin’ireo andininy ireo no ahitantsika ny toetran’i Jesoa Kristy sy i Satana raha samy namaly tamin’ny fomba samihafa ny sitrapon’ny Ray any An-danitra izy ireo.
Azonao atao ny manao tabilao tsotra tahaka ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana ny mpianatra hahita mazava tsara ny fahasamihafana eo amin’i Jesoa Kristy sy i Satana.
|
Jesoa Kristy |
Satana |
|---|---|
Vakio ny Mosesy 4:1–4, ka tadiavo izay azonao ianarana momba ny antony manosika ary ny fihetsika nataon’i Jesoa Kristy sy i Satana.
Asao ny mpianatra hanoratra ny hevi-baovao azony eny amin’ny solaitrabe sy hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianaran’izy ireo. (Mety hahatsikaritra ny mpianatra fa mampiasa ny teny hoe “aho” imbetsaka sy ny faniriany handray voninahitra i Satana. Mifanohitra amin’izany kosa ny mety ho voamariny momba ny Mpamonjy amin’ny fampiasana ny teny hoe “anao” sy ny faniriany ny voninahitra ho an’ny Ray. Mety ho tsikaritry ny mpianatra ny fomba “nikomian’i Satana” tamin’ny Ray sy ny “fikatsahany handrava ny safidin’ny olona.” Mifanohitra amin’izany ny mety ho voamarik’izy ireo momba ny fanirian’y Mpamonjy hankatò ny sitrapon’ny Ray sy hanaiky ny drafitry ny Ray.)
-
Inona no zavatra ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny fifandraisan’i Jesoa Kristy sy ny Rainy?
Fahamarinana iray mety ho hitan’ny mpianatra mandritra ny fifanakalozan-kevitra ny hoe Mankatò amim-panetrentena ny Raintsika any An-danitra i Jesoa Kristy.
Ireto tantara manaraka momba ny Mpamonjy ireto dia afaka manampy ny mpianatra hianatra avy amin’ny ohatra nasehony. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fianarana misimisy kokoa momba ny fankatoavan’ny Mpamonjy ny Ray, na dia sarotra aza izany, dia afaka mampitombo ny faniriantsika hanaraka ny ohatra nasehony.
Vakio ireto tantara manaraka ireto, ka tadiavo ny fanirian’i Jesoa Kristy hankatò tsy tapaka ny Ray any An-danitra, na dia sarotra aza izany.
-
Lioka 2:49 (tamin’ny faha 12 taonany)
-
Jaona 8:28–29 (rehefa olon-dehibe)
-
Matio 26:36–39 (tao amin’ny zaridainan’i Getsemane)
-
3 Nefia 11:10–11 (amin’ny maha-olona efa nitsangana tamin’ny maty azy)
Ifanakalozy hevitra amin’ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo ohatra ireo. Avy eo dia asao izy ireo hizara ohatra hafa avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy rehefa nankatò tamim-panetrentena ny sitrapon’ny Ray.
Asao ireo mpianatra hitadidy ny zavatra sarotra teo amin’ny fiainan’izy ireo izay noeritreretiny tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Mba hanampiana azy ireo hampifandray ny zavatra ianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fiainan’izy ireo, dia mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
Inona no nolazain’i Jesoa Kristy na nataony ka mety hitaona ny olona iray hisafidy ny hankatò ny Ray any An-danitra, na dia sarotra aza izany?
-
Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara maneho ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray? Inona ny zavatra nianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo?
-
Inona no manosika anao hankatò ny sitrapon’ny Ray any An-danitra, na dia sarotra aza izany?
Fanarahana ny ohatra nasehon’i Kristy
Ilay zatovovavy tao amin’ny tantara tany am-piandohan’ny lesona dia ny zanakavavin’ny Rahalahy Brough. Raha mizara ny tantaran’ilay zanany vavy ianao, dia lazao amin’ireo mpianatra fa niatrika tamin-kerim-po ny telo taona niasan’ny ray aman-dreniny nandritra ny naha-mpitarika misiôna azy ireo tany Goatemalà izy.
Zarao ity tohin’ny tantarany manaraka ity, ka asao ny mpianatra hitady ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitan’izy ireo ao amin’ny ohatra nasehony. Raha nizara tantara hafa ianao tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana, dia hevero ny hizara ny tohiny, toy ny famintinana ilay tantara na zavatra niainana iray hafa teo amin’ny fiainan’io olona io. Asao ireo mpianatra hitady toetra tahaka ny an’i Kristy ao anatin’io olona io.
Notohizan’ny Rahalahy Brough hoe:
Tamin’ny fiafaran’ny misiônanay dia nanontaniako ny zanakay vavy raha toa ka handeha hanompo amin’ny fotoana feno izy. Izao no valinteniny: “Tsia ry Dada, efa avy nanompo aho.”
Tsy nampaninona ahy ny fanapahan-keviny! Kanefa enim-bolana teo ho eo taorian’izay dia namoha ahy tamin’ny alina ny Fanahy tamin’ny eritreritra hoe: “Nantsoiko hanao asa fitoriana ny zanakao vavy.”
Toy izao no nasetriko “Ry Ray any An-danitra, efa betsaka tokoa ny natolony.” Nanarin’ny Fanahy faingana aho ka takatro fa ny asa fitoriana hataony dia takin’ny Tompo.
Tsy ela dia nentiko nisakafo antoandro ny zanako vavy. Nifanatrika taminy teo amin’ny latabatra no nilazako taminy hoe “Ganzie a! Fantatrao ve ny antony maha-eto antsika?”
Hoy izy: “Eny ry dada! Fantatrao hoe tsy maintsy manao asa fitoriana aho. Tsy te handeha aho, saingy handeha aho.”
Satria natolony ho an’ny Ray any An-danitra ny sitrapony dia nanompo Azy tamin’ny fony, ny heriny, ny sainy ary ny tanjany manontolo izy. Nampianariny tamin’ny rainy ny fomba fanaovana zavatra sarotra. (“Andrandrao ny lohanao ary miravoravoa,” Liahona, nôv. 2018, 14)
-
Eritrereto ireo andininy izay vakinao momba an’i Jesoa Kristy anio. Ahoana no nanarahan’ity zatovovavy ity ny ohatra nasehony?
Ny fametrahana fanontaniana malalaka dia afaka manampy ny mpianatra hahita sy hampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana. Mampiasà fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hamelana ny mpianatra haneho ny zavatra nianaran’izy ireo sy ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. (Mba hahazoana fanofanana fanampiny momba izany dia jereo ny “Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny valin’ireto fanontaniana roa manaraka ireto, ka diniho ny eritreritra na fahatsapana avy amin’ny Fanahy:
-
Inona no nianaranao androany momba an’i Jesoa Kristy ka afaka manampy anao hankatò ny Ray any An-danitra, indrindra raha mangataka anao hanao zavatra sarotra Izy?
-
Inona no tsapanao fa tokony hataonao noho ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany?
Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ny fahaizany manampy antsika hanao izay nangatahin’ Andriamanitra.