Seminera
Mitantana amim-pahendrena ny vola: Mampiasa ireo fitsipiky ny Tompo mba handraisana fanapahan-kevitra ara-bola


“Mitantana amim-pahendrena ny vola: Mampiasa ireo fitsipiky ny Tompo mba handraisana fanapahan-kevitra ara-bola”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mitantana amim-pahendrena ny vola: Mampiasa ireo fitsipiky ny Tompo mba handraisana fanapahan-kevitra ara-bola”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Manorina fizakan-tena: Lesona 179

Mitantana amim-pahendrena ny vola

Mampiasa ireo fitsipiky ny Tompo mba handraisana fanapahan-kevitra ara-bola

A collection of international currency.

Nampianatra ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny Tompo dia mijery ireo antsipirian-javatra bitika eo amin’ny fiainantsika” (“Amin’ny alalan’ny drafitra masina,” Liahona, nôv. 2017, 56). Tafiditra ao anatin’izany ireo fanapahan-kevintsika ara-bola. Ny fianarana mampandray anjara ny Tompo amin’ny fanapahan-kevintsika ara-bola dia afaka manampy antsika ho lasa mizaka tena bebe kokoa. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hampiasa ireo fitsipika nentanim-panahy mba hitantanana ireo fanapahan-kevitra ara-bola amin’ny fomban’ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Alohan’ny hampianarana ity lesona ity dia hevero ny hampiseho ny “Kisarin’ny Fahombiazana amin’ny fitantanam-bola” eny amin’ny solaitrabe ary asao ny mpianatra haka ny sarin’izany amin’ny findain’izy ireo. Azonao zaraina amin’ny mpianatra ihany koa ny tahadikan’izany amin’ny taratasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo fanapahan-kevitra ara-bola

(Fanamarihana: Ity lesona ity dia azo ampianarina miaraka amin’ny lesona 158: “Malakia 3”, izay mirakitra ireo sahanasa fandalinana mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena.)

Ataovy sary na asehoy eny amin’ny solaitrabe ity kisary ity, mialoha ny hanombohana ny fotoam-pianarana.

Ireo fanapahan-kevitra ara-bola manan-danja

Olana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra

Asao ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ary hameno ilay tabilao rehefa mandinika ireo fanapahan-kevitra ara-bola horaisin’izy ireo ao anatin’ny 5 ka hatramin’ny 10 taona manaraka. Rehefa manao izany ny mpianatra dia azonao atao ny mandehandeha eran’ny efitrano fianarana ary mamporisika azy ireo hizara ny eritreriny eny amin’ny solaitrabe na aminao.

Ireo fanapahan-kevitra mety hotanisain’ny mpianatra dia ahitana ny fandoavana ny saram-pianarana sy ny asa fitoriana, ny fanampiana ny fianakaviana, na ny fividianana na fanofana toerana iray honenana. Mety ho tafiditra ao anatin’ny olana ny tsy fahampian’ny vola, ny tsy fahafantarana ny fomba hanaovana teti-bola, ny famelana asa iray hanaovana asa fitoriana, na ny tsy fahafantarana hoe iza no tokony hitokiana rehefa mandray fanapahan-kevitra ara-bola.

Eritrereto ny sasany amin’ireo fanapahan-kevitra ara-bola manan-danja izay hatrehanao na ho atrehanao tsy ho ela rehefa misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Inona no fanontaniana anananao momba ny fomba handraisana ny fanampian’ny Tompo amin’ireo fanapahan-kevitra ireo?

  • Inona no zavatra nandramanao taloha izay nanampy anao? Inona no tsy nanampy?

Rehefa misokatra ho an’ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika dia afaka mampiseho amintsika ny fomba handraisana fanapahan-kevitra ara-bola amim-pahendrena mandritra ny fiainantsika ny Ray any An-danitra. Misokafa amin’ireo fahatsapana ireo eo am-pandalinanao anio.

Mandray fanapahan-kevitra ara-bola amin’ny fomban’ny Tompo

Te hitarika antsika amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tafiditra ao anatin’izany ireo fanapahan-kevintsika ara-bola. Nanome fitarihana antsika ao amin’ny soratra masina izay afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra ara-bola hendry Izy Ireo.

Soraty eny amin’ny tampon’ny pejy iray ao anatin’ny diary fandalinanao izao manaraka izao: Afaka mandray fanapahan-kevitra ara-bola amin’ny fomban’ny Tompo aho amin’ny alalan’ny

Vakio ny telo amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto. Fenoy amin’ny zavatra nianaranao avy amin’ny soratra masina ilay fahamarinana ao amin’ny diary fandalinanao.

  • Genesisy 41:46–49, 53–57 (Nanendry an’i Josefa i Farao mba hanara-maso ny famokarana voa tany Egypta nandritra ny taom-pamokarana zina maro mba hiomanana amin’ireo taonan’ny mosary nambaran’ny faminaniana.)

  • Deoteronomia 15:7–8

  • Salamo 24:1

  • Malakia 3:8–11

  • Jakôba 2:18–19

  • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:78

Rehefa avy nandalina ireo soratra masina ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany. Fomba iray hanaovana izany ny fampisehoana ilay hoe “Kisarin’ny Fahombiazana amin’ny fitantanam-bola” eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny zavatra nianarany sy ireo andininy nianarany an’izany eo akaikin’ny toerana eo amin’ilay kisary izay hitany fa mety indrindra ho an’izany.

Raha tsy izany dia azonao atao ny mamorona tsanganana fahatelo ao amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe izay nitondra ny lohateny hoe Ny fomban’ny Tompo ary asao ireo mpianatra hanoratra ny zavatra hitany.

Hevero ny hanamafy ireo fahamarinana izay manan-danja indrindra amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao. Ireto manaraka ireto dia fomba azo hamenoana ilay fanambarana:

manangom-bola mba hiomanana amin’ny fotoan-tsarotra (Genesisy 41:46–49, 53–57).

manampy ny hafa izay sahirana (Deoteronomia 15:7–8).

mahatsiaro fa avy amin’ny Tompo ny zava-drehetra izay ananantsika (Salamo 24:1).

mankatò ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena (Malakia 3:8–11).

mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra alohan’ny harena (Jakôba 2:18–19).

manefa trosa (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana104:78).

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra ianaranao avy amin’ny soratra masina manampy anao handray fanapahan-kevitra ara-bola amin’ny fomban’ny Tompo?

Manao ho laharam-pahamehana ny fandaniana ataontsika

sary famantarana ny seminera Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny fampiasana ireo fahamarinana nentanim-panahy hitan’izy ireo mba handraisana fanapahan-kevitra ara-bola. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona efatra ary manome ny vondrona tsirairay ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Mandray fanapahan-kevitra ny ara-bola araka ny fomban’ny Tompo”. Omeo iray amin’ireo sokajin-taona voarakitra ao amin’ilay taratasy zaraina ny mpianatra tsirairay ao amin’ilay vondrona.

Asehoy ity rafi-tantara sy toromarika manaraka ity. Ankoatra izay ambaran’ny mpianatra fa laharam-pahamehana amin’ny fandaniana ataon’i Elizabeta dia azonao atao ny manonona sandam-bidy mifanaraka amin’ny vola ampidirin’i Elizabeta isaky ny sokajin-taona nomena ao amin’ilay taratasy zaraina. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manao fampiharana amin’ny fanaovana tetibola momba ny fandaniana miainga avy amin’ny tetibola misy.

Raha tsy izany dia azonao atao ny mizara ny mpianatra ao anaty vondrona kely ary manasa azy ireo hanao ilay sahanasa amin’ny alalan’ny fampiasana izay voasoratra eo ambanin’ny Fanapahan-kevitra ara-bola manan-danja ao amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe.

I Elizabeta, izay vehivavy iray tao amin’ny sampana misy anao, dia nanomboka niasa tamin’ny asa tsy mila fari-pahaizana ambony tao amin’ny hotely iray rehefa feno 16 taona. Rehefa afaka taona maro dia nisondrotra izy ary lasa mpitantana ilay toeram-pisakafoana. Rehefa nanakaiky ny fisotron-dronono izy dia afaka nividy sy nanangana toeram-pisakafoana ho azy manokana.

  1. Tanisao ireo “fandaniana mety hatao” milahatra arakaraka ny laharam-pahamehana izay tianao aroso an’i Elizabeta.

  2. Soraty eo akaikin’ny fandaniana roa samihafa ny andinin-tsoratra masina nohalalininao izay nanampy tamin’ny fitarihana ny fomba nanaovanao laharam-pahamehana ireo fandaniana.

  3. Miomàna hanazava ny fomba nanampian’ireo fahamarinana nianaranao tao amin’ny soratra masina anao nandray fanapahan-kevitra tamin’ny fomba nanaovanao laharam-pahamehana ireo fandaniana.

Raha manampy dia azonao omena ohatra vitsivitsy ny mpianatra. Ohatra, azonao atao ny manazava fa ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny tahiry dia fomba iray hiomanana amin’ny fotoan-tsarotra, araka ny torohevitry ny Tompo (jereo ny Genesisy 41:46–49, 53–57), na ny fahatsiarovana fa ny zavatra rehetra ananantsika dia avy amin’ny Tompo (jereo ny Salamo 24:1), dia afaka manampy antsika hanao laharam-pahamehana ny fandoavana fahafolonkarena.

Omeo fotoana ny mpianatra hizarana amin’ny hafa ny fomba nanaovany laharam-pahamehana ireo fandaniana araka ny fitsipiky ny Tompo.

Asao ny mpianatra hizara ny fomba nanampian’ny Tompo azy ireo na ny olona fantany hafa rehefa nandray fanapahan-kevitra ara-bola tamin’ny fombany. Raha manampy dia azonao atao ny mijery ny “Ny varavaran’ny lanitra”, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:39 ka hatramin’ny 2:22. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba nitahiana ny fianakavian’ny vadiny rehefa nanao laharam-pahamehana ny fandoavana ny fahafolonkarenany izy ireo.

16:57

Fampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fanapahan-kevitro ara-bola

Omeo fotoana ny mpianatra mba hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo mampandray anjara ny Tompo eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-bola. Fomba iray hanampiana azy ireo hanao izany ny fampisehoana ity fanambarana manaraka ity alohan’ny hamalian’ny mpianatra ireo fanontaniana miaraka amin’izany.

Ny Eveka L. Todd Budge ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nizara hoe:

Former Official portrait of L. Todd Budge. Sustained April 6, 2019 as a General Authority Seventy.  Replaced Dec 2023.

Ny zavatra hitako teo amin’ny fiainako manokana dia ny hoe afaka mivavaka ihany koa aho amin’ny raharaha ara-nofo ataoko. Afaka mivavaka ho an’ny ara-bolako aho. Afaka mivavaka aho raha toa ka hividy ity trano ity na izany trano izany na hanao ity fampiasam-bola ity na izany fampiasam-bola izany. Tokony hampandray anjara ny Tompo isika, tsy amin’ny lafiny ara-panahy eo amin’ny fiainantsika fotsiny ihany fa amin’ny lafiny ara-nofo eo amin’ny fiainantsika ihany koa. (“Quatre principes que nous pouvons apprendre de la façon dont l’Épiscopat président travaille,” Liahona, fév. 2024, 14)

Eritrereto ireo fanapahan-kevitra ara-bola ilainao atao amin’izao fotoana izao na amin’ny hoavy. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao:

  • Inona avy ireo fitsipika afaka manampy anao handray ireo fanapahan-kevitra ara-bola ireo amin’ny fomban’ny Tompo?

  • Ahoana no ahafahan’ny fampiharana ireo fitsipika ara-bola ireo manomana anao hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa?

Hevero ny mizara ohatra fohy avy amin’ny fiainanao mikasika ny fomba nampiasanao ny zavatra nianaran’ny mpianatra androany mba handraisana fanapahan-kevitra ara-bola. Azonao atao ihany koa ny mizara izay nampianarin’izany zavatra niainana izany anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.