“Hamatsy ho an’ny tenantsika sy hikarakarantsika ireo sahirana: Fanampiana ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Hamatsy ho an’ny tenantsika sy hikarakarantsika ireo sahirana: Fanampiana ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Manorina fizakan-tena: Lesona 180
Hamatsy ho an’ny tenantsika sy hikarakarantsika ireo sahirana
Manampy ny hafa tahaka ho ataon’ny Mpamonjy
Misy olona iray tonga ao an-tsainao ve izay azo atao ohatra tsara amin’ny fizakan-tena? Araka ny fitarihan’ Andriamanitra, i Josefa tany Egypta dia ohatra tsara azo raisina amin’ny olona izay maneho fizakan-tena, tahaka ny Mpamonjy, ary manampy ny hafa sahirana. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hamantatra ireo fomba ahafahan’ny fanorenana fizakan-tena manome fahafahana azy ireo hanampy ny hafa tahaka izay ho nataon’i Jesoa Kristy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hihaino na hamaky ny tonon’ilay fihirana hoe “Je rencontrais sur mon chemin” (Cantiques, no. 17). Afaka mitady fomba ahafahantsika mikarakara ny hafa tahaka izay ho nataon’i Jesoa ny mpianatra.
Sahanasa fianarana azo atao
Saron-tava fifohana oksizena ara-panahy
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra hoe ahoana no ahafahan’ny fananana izay ilaintsika manokana manome fahafahana antsika hanampy ny hafa amin’ny fomba tsaratsara kokoa. Ny fomba iray ahafahanao manao izany dia ny mampiseho ny sarin’ny saron-tava fifohana oksizena anaty fiaramanidina, tafiditra ao anatin’ity lesona ity, ary ity teny nambara manaraka ity.
Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Herinandro vitsivitsy lasa izay dia nandeha fiaramanidina nankany Amerika Atsimo aho. Nisarika ny sainay hijery horonan-tsary mikasika ny fiarovan-tena ny mpikarakara mpandeha fiaramanidina iray. Nampitandremana izahay hoe: “Mety tsy hisy an’izany, kanefa raha miova ny tosiky ny rivotra ato anatin’ny fiaramanidina dia hisokatra ireo takela eo ambonin’ny sezanareo ary hivoaka avy ao ireo saron-tava fifohana oksizena. Raha mitranga izany dia takaro ary sintony mankany aminao ny saron-tava. Apetaho eo amin’ny oronao sy ny vavanao izany. Atsofohy amin’ny lohanao ilay tady mihazona ilay saron-tava ary tereo na alalaho ilay izy raha ilaina.” Dia avy eo izy nampitandrina hoe: “Apetaho tsara aloha ny saron-tavanao izay vao manampy ny hafa ianao.” (“Joseph Smith”, na ny Liahona, Nôv. 2014, 30)
-
Nahoana no zava-dehibeny mametaka ny saron-tava fifohana oksizena anao manokana aloha vao manampy ny hafa?
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany azo ampiharana izany amin’ny ezaka ataontsika ara-panahy sy ara-batana mba hanarahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Fomba iray azo ampiharana izany ny ezaka ataontsika hanorina fizakan-tena mba hahafahantsika manampy ny hafa.
Mety hanampy ny mampahatsiahy ny mpianatra fa nanoro hevitra antsika ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba “hanama[fisantsika] orina ny fizakan-tena[ntsika] manokana amin’ny alalan’ny asa feno fahavitrihana sy ny fanampian’ny Tompo. Ny fizakan-tena dia ny fahafahana … hamatsy ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena manokana sy ny fianakaviana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 22.0, Médiathèque de l’Évangile).
I Josefa tany Egypta
Mety efa nandalina ny tantaran’i Josefa tany Egypta tao amin’ny Lesona 35: “Genesisy 42–45” na ao amin’ny Lesona 178: “Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena” ny mpianatra. Ity andiam-pehezan-teny manaraka ity dia azo ampiasaina mba hampahatsiahivana ny mpianatra ny fizotran’ny tantara. Raha tsy izany dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hitantara ny tantaran’i Josefa tany Egypta izay hita ao amin’ny Genesisy 42–45.
I Josefa tany Egypta dia ohatra iray amin’ny olona izay naneho fizakan-tena ary vokatr’izany dia nomanin’ny Tompo hanampy ny hafa izy. Nandritra ny vanim-potoanan’ny mosary dia nandeha tany Egypta ireo zokiny lahy mba hitady voa. Nitahiry voa betsaka i Egypta satria nitaona an’i Josefa Andriamanitra mba hiomana mialoha ho amin’ny mosary. Rehefa tonga ireo rahalahin’i Josefa ka nikatsaka fanampiana ara-batana, dia nanambara ny tenany ho rahalahiny i Josefa.
Vakio ny Genesisy 45:4–11; 47:11–12, ka tadiavo ny fomba nitahian’i Josefa ny fianakaviany.
-
Inona no fifandraisana hitanao eo amin’io tantara io sy ny ohatra momba ilay saron-tava fifohana oksizena?
-
Inona ao amin’ny tantaran’i Josefa no mampahatsiahy anao ny Mpamonjy?
Ampio ireo mpianatra hamantatra fahamarinana toy ity iray ity: Rehefa mizaka tena amin’ny alalan’ny fanampian’ Andriamanitra isika dia lasa afaka manampy ny hafa tsaratsara kokoa. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra fanampiny momba io fahamarinana io dia azonao atao ny mandamina ny iray kilasy ho vondrona roa ary omeo ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay.
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo ohatra amin’ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy sy i Jakôba io fahamarinana io.
Lioka 22:31–32
-
Inona no ohatra amin’io fahamarinana io ka hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Ity fanombanana ny tena manokana manaraka ity dia mety hanampy ny mpianatra hampifandray ny ezaka ataon’izy ireo hanorina fizakan-tena sy hanampy ny hafa amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana.
Na dia niaina fahasarotana tany Egypta aza i Josefa dia nanomana azy hitahy ny hafa ny Tompo vokatr’izany (jereo ny Genesisy 45:5–8). Torak’izany koa ny Tompo dia afaka manomana anao hitahy sy hanampy ny hafa vokatry ny zavatra niainanao. Rehefa mieritreritra ny fiainanao ianao dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no iainanao amin’izao fotoana izao ka manampy anao hizaka tena bebe kokoa amin’ireo lafin-javatra samihafa eo amin’ny fiainanao? (Mety ho ara-panahy, ara-bola, ara-tsaina, ara-batana, na ara-pihetseham-po izany.)
-
Ahoana no ahafahan’ny Tompo mampiasa ireo zavatra niainana ireo mba hanampiana anao hitahy ny hafa amin’ny hoavy?
Rehefa manohy mandalina ianao anio, dia mifantoha amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina izay afaka manampy anao ho lasa mizaka tena bebe kokoa ka hanampy ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy.
Manorina fizakan-tena
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny fomba ahafahan’ny ezaka ataon’izy ireo hanorina fizakan-tena manampy ny hafa. Hevero ny handamina ny mpianatra ho vondrona dimy ary omeo lafiny iray amin’ny fizakan-tena ny vondrona tsirairay. Ao anatin’ny kilasy kely kokoa dia azonao omena ny tsirairay avy amin’ireo lafiny ireo ny mpianatra.
Mampisehoa sary iray toy ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ary zarao tsirairay ireo toromarika etsy ambany.
-
Manaova sarina saron-tava fifohana oksizena roa ao amin’ny diary fandalinanao.
-
Omeo anarana amin’ireto lafim-pizakan-tena manaraka ireto ilay saron-tava fifohana oksizena voalohany:
- Fahalalana momba ny filazantsara
- Filàna ara-bola
- Fianarana sy asa fivelomana
- Filàna ara-batana
- Filàna ara-pihetseham-po sy ara-piarahamonina
-
Mieritrereta zavatra azon’ny zatovo iray atao mba hanorenana fizakan-tena amin’ny lafiny nofanteninao. Soraty eo amin’ilay saron-tava fifohana oksizena voalohany ireo zavatra ireo.
Ohatra, ny mpianatra dia mety hilaza zavatra toy ny hoe mandalina samirery ny soratra masina (fahalalana momba ny filazantsara), mianatra fa hanao fitsapam-pahaizana ny matematika (fianarana), na manaraka drafitra fanatanjahan-tena (ara-batana).
-
Omeo anarana hoe “Manampy ny hafa” ilay saron-tava fifohana oksizena faharoa.” Mifantena roa na telo amin’ireo hevitra nosoratana teo amin’ilay saron-tava fifohana oksizena voalohany. Ho an’ny hevitra tsirairay nofanteninao dia soraty ny fomba manokana ahafahan’ny zatovo mampiasa izany traikefa izany mba hanampiana ny hafa hanorina fizakan-tena. Soraty eo amin’ilay saron-tava fifohana oksizena faharoa ireo antsiprian-javatra ireo.
Ny mpianatra dia mety hanoratra toy ny hoe mampiasa ny traikefako amin’ny fandalinana soratra masina mba hanampiana ny zandriko lahy hianatra ny fomba fandalinana soratra masina (ara-panahy), mampianatra venti-kevitry matematika ho an’ireo namako ao an-dakilasy (fianarana), na manasa ireo namako mba hanao fanatanjahan-tena miaraka amiko (ara-batana).
Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra namitana ilay asa fampiharana dia asao izy ireo mba hizara izay nosoratany teo amin’ilay saron-tava fifohana oksizena. Azon’izy ireo atao izany amin’ny alalan’ny fizarana izay nianarany amin’ireo mpianatra izay nifantoka tamin’ny lafim-pizakan-tena hafa. Ho ampahany amin’ny fizarana dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky ny Ohabolana 28:27, ka hitady ny fampanantenana ho an’ireo izay manome ny hafa. (Fanamarihana: ny teny hoe mahantra dia azo ampiharina amin’ny lafiny rehetra amin’ny fizakan-tena, fa tsy ara-bola fotsiny.)
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampiananao ny hafa tamin’ny alalan’ireo ezaka nataonao mba ho lasa mizaka tena? Ahoana no nanampian’izany anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Rehefa mizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fa tsy mila mizaka tena tanteraka amin’ny lafiny rehetra izy ireo mba hanampiana olon-kafa.
Manampy ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy
Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanomezana fotoana ny mpianatra hieritreretana ny fomba ahafahany manampy ny hafa amin’ny alalan’ny ezaka ataony amin’ny fanorenana fizakan-tena.
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanambarana tsy feno manaraka ireto:
-
Manorina fizakan-tena aho amin’ny alalan’ny …
-
Ireo avy ny sasany amin’ireo fomba ahafahako manampy ny hafa amin’ity lafiny ity …
Katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hamenoana ireo fanambarana roa ireo.
Asao ny mpianatra handinika ombam-bavaka ny zavatra izay ho ataony. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny famantarana olona iray manokana izay tian’izy ireo hampiana sy ny fomba mety hanampiany azy.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo. Ho fanontaniana fanombanana fahatakarana dia azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny mpianatra:
-
Ahoana no ahafahan’ny fikarakarana ny hafa manampy anao ho tonga tahaka nyMpamonjy kokoa?
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba nahafahanao nanampy ny hafa tamin’ny alalan’ny fanorenana fizakan-tena. Asao ny mpianatra hampihatra ireo bitsika mety ho voarainy mba hanampiana ny hafa tahaka izay ho nataon’i Jesoa Kristy.