“Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena: Afaka manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba ho lasa mizaka tena ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena: Afaka manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba ho lasa mizaka tena ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Manorina fizakan-tena: Lesona 178
Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena
Afaka manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba ho lasa mizaka tena ny Tompo
Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia manasa Azy mba hanampy antsika amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika. Ankoatra ny fitahiana antsika amin’ny tanjaka ara-panahy sy ny fanasitranana amin’ny fahotana dia afaka manampy antsika hanorina fizakan-tena amin’ny zavatra ilaintsika ara-nofo ny Mpamonjy. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny ara-bola, ny fianarana, ny asa, ary ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetsehampo. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hampihatra ny finoan’izy ireo fa hitahy azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny ezaka ataony mba hanorenana fizakan-tena.
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra sakana manasarotra ny fananana fizakan-tena amin’ny iray na maromaro amin’ireto lafin-javatra manaraka ireto:
-
Fahalalana momba ny filazantsara
-
Filàna ara-bola amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy
-
Fianarana sy asa ivelomana
-
Filàna ara-batana
-
Filàna ara-pihetseham-po sy ara-piarahamonina
Sahanasa fianarana azo atao
Ny zavatra ilain’i Paula
Fanamarihana: Mialoha ny hampianarana ity lesona ity dia mety hanampy ny mampianatra ny Lesona 177: “Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo”. Ny lesona 177 dia mampahafantatra ny mpianatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena sy ny antony maha-zava-dehibe izany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra ny amin’ny ilàna ny ezaka ataontsika manokana sy ny fitarihan’ Andriamanitra amin’ny fahazoana ny zavatra ilaintsika. Ireto rafi-tantara sy sahanasa manaraka ireto dia fomba iray ahafahana mitarika izany fifanakalozan-kevitra izany. Mety hanampy ny manondro fa samy manahirana avokoa ireo fomba nataon’i Paula ao amin’ilay rafi-tantara.
Azonao atao ny manomboka izany amin’ny famakiana ny ampahany voalohany amin’ity toe-javatra manaraka ity. Avy eo dia zarao ireo valinteny roa mety ho hita. Miatoa isaky ny valinteny tsirairay ary asao ny mpianatra hizara amin’ny namana iray ny torohevitra mety homen’izy ireo an’i Paula.
Nientanentana ery i Paula fa ho vita afaka roa taona ny fianarany eny amin’ny lisea. Na izany aza anefa dia mahatsapa ho sahiran-tsaina izy mikasika ny habetsaky ny vola ilainy hangonina ho an’ny hoavy.
Inona no torohevitra homenao raha toa ka:
-
Nanapa-kevitra ny hivavaka isan’andro i Paula mba hanomezan’ Andriamanitra ny vola ilainy aorian’ny fahavitana fianarana. Tsy manana drafitra ny hitady asa izy, ary matoky fa hamelona azy Andriamanitra.
-
Mahatsapa i Paula fa satria tsy “zavatra ara-panahy” ny vola dia tsy ho liana amin’izany Andriamanitra. Nanapa-kevitra ny hitady asa isan’andro mifanaraka amin’ny fandaharam-potoanany any an-tsekoly izy. Nanao drafitra izy ny hiresaka amina tompon’orinasa, nametraka taratasy fangatahan’asa, ary nianatra fahaiza-manao vaovao izay hahatonga azy ho tena ilaina kokoa amin’ireo orinasa eo an-toerana.
Rehefa avy nizara ny torohevitra mety homeny an’i Paula ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny fomba azo ampiharana ity teny nambara manaraka ity amin’ny toe-javatra niainany.
Ny Eveka W. Christopher Waddell, Mpanolotsaina voalohany tao amin’ny Episkôpa Mpiahy, dia nanazava hoe:
Avy eo ny zavatra rehetra dia manondro antsika ho any amin’i Jesoa Kristy, ho ny fototra tsy maintsy hanorenantsika, eny na dia ny fiomanantsika ho an’ireo zavatra ilaina ara-batana aza.
Ny hoe voaomana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana sy ny fizakan-tena dia midika hoe “mino fa amin’ny alalan’ny fahasoavana, na hery mampahatanjaka, an’i Jesoa Kristy sy ny ezaka ataontsika manokana, dia afaka mahazo ireo zavatra ilaina fototra ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ilaintsika ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika isika” [Finances personnelles pour l’autonomie (2017), 4]. (“Mbola nisy hanina ihany,” Liahona, ôkt. 2020, 44)
Rehefa mizara ny heviny avy amin’ny teny nambaran’ny Eveka Waddell ny mpianatra dia hazavao fa amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny ezaka ataontsika manokana dia mampitombo fizakan-tena ara-panahy sy ara-batana isika.
Hevero ny hampiseho ireto fanombanana ny tena manokana manaraka ireto, anisan’izany ireo toromarika sy sokajy, mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny filàn’izy ireo ny fanampian’ny Mpamonjy mba ho lasa mizaka tena bebe kokoa.
Soraty manomboka amin’izay mora ka hatramin’ny sarotra indrindra aminao amin’ny fanorenana fizakan-tena ireto sokajy manaraka ireto. Eo akaikin’ny iray na roa amin’izay sokajy sarotra indrindra ho anao no soraty izay sakana rehetra ilanao ny fanampian’ny Mpamonjy mba handresana izany.
-
Fahalalana momba ny filazantsara
-
Filàna ara-bola amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy
-
Fianarana sy asa ivelomana
-
Filàna ara-batana
-
Filàna ara-pihetseham-po sy ara-piarahamonina
Rehefa manohy mandalina ianao anio dia ataovy ao an-tsaina ireo lafin-javatra izay tena ilanao fanampiana indrindra. Asao ny Fanahy Masina mba hanamafy orina ny finoanao fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanampy anao amin’ny ezaka ataonao hanorina fizakan-tena.
Mampihatra finoana ny Tompo mba hanorenana fizakan-tena
Ao amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hamaky ny tantaran’i Josefa tany Egypta ao amin’ny Genesisy. Alohan’ny handalinana ilay tantara dia azonao atao ny mandefa ilay horonan-tsary hoe “Je pourvoirai au besoin de mes saints ” (3:08) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:52 ary asao ny mpianatra hitady porofo mampiseho ny herin’ny Tompo sy ny faniriany hanampy antsika rehefa mampihatra finoana Azy isika mba hanorina fizakan-tena. Ny fanaovana izany dia manampy ny mpianatra hieritreritra momba ny fanirian’ny Tompo hanampy sy hanome hery mba hitahiana an’i Josefa tao anatin’ny toe-javatra sarotra niainany.
Mba hanampiana ny mpianatra handalina ny tantaran’i Josefa dia azonao atao ny manome ilay taratasy zaraina miaraka amin’izany. Azonao atao ny manome ampahany samihafa ho an’ny vondrona tsirairay ary ataovy miomana hamaly ireo fanontaniana roa ao amin’ilay taratasy zaraina izy ireo.
Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra. Azonao ampiasaina ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity ihany koa ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho niafaran’io tantara io raha toa ka tsy nanam-pinoana an’ Andriamanitra i Josefa? Raha tsy nanam-piniavana ny hanao ezaka i Josefa?
-
Araka ny eritreritrareo, ahoana no hiaran’io tantara io amin’ny fiainan’ireo zavoto?
Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra niainan’ny fianakaviany rehefa nandray izay nilain’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanampian’ Andriamanitra sy ny ezaka nataony ny fianakaviany. Afaka mizara traikefa manokana ihany koa ianao.
Fampiharana ataon’ny tena manokana
Hevero ny hampiseho indray ireo sokajin’ny fizakan-tena izay nosaintsainin’ny mpianatra tao amin’ny fizarana voalohany amin’ny lesona sy hanasa ny mpianatra hanao izao manaraka izao.
Makà fotoana kely hiraketana ombam-bavaka ireto manaraka ireto eo am-pieritreretanao momba ireo sokajin’ny fizakan-tena izay hitanao fa sarotra taminao kokoa tany am-piandohan’ny lesona:
-
Ny zavatra nianaranao izay manamafy orina ny finoanao fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanampy anao amin’ireo sakantsakana amin’ny fizakan-tena eo amin’ny fiainanao.
-
Ny fomba ahafahanao mampihatra ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny ezaka ataonao manokana hanorenana fizakan-tena.
Hevero ny hanasa izay vonona hanolotena hizara ny ampahany amin’izay nosoratany tao amin’ny diary fandalinany.