Seminera
Mahomby any an-tsekoly: Topimaso


“Mahomby any an-tsekoly: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mahomby any an-tsekoly: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana amin’ny fiainana: Mahomby any an-tsekoly

Mahomby any an-tsekoly

Topimaso

Ho an’ny maro dia mety ho tsapa fa mavesatra ireo fanamby mba hahomby any an-tsekoly. Rehefa mampandray anjara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika eo amin’ny dingan’ny fandrantoana fianarana, dia hampitombo sy hanamafy orina ny ezaka ataontsika Izy Ireo. Manaiky isika fa tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitsika isika ary misoroka ny fanaovana fanamarinan-tena noho ireo zava-bita tsy nahafam-po isika. Isika dia afaka manaraka ireo lamina nampianarin’ny Mpamonjy izay afaka manampy antsika hahay handrindra kokoa, ka hisoroka ny fakam-panahy hanemotra, rehefa mandresy amim-pahatokiana ireo fahasarotana ara-pianarana isika.

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Hevero ny hampianatra ny sasany na izy rehetra amin’ireo lesona ireo any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ny mpianatra hianatra fahaiza-manao sarobidy izay manampy azy ireo hahita fahombiazana amin’ny fianarany any an-tsekoly mandritra ny taona.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaran’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nahitan’izy ireo ny Tompo nanampy azy ireo na ny olona iray fantany tany an-tsekoly. Azon’izy ireo atao ny miomana hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy.

  • Fitaovana: Manomàna sahanasa iray izay hitaky mpianatra iray hamita asa iray miaraka amin’ny fanampian’ny hafa (toy ny fisarihana vatomamy araka ny lokony kanefa mitampi-maso)

  • Votoatiny haseho:Torolalana ho an’ny sahanasa fanoratana diary any amin’ny fiafaran’ny lesona

  • Taratasy zaraina:Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao

Mandray andraikitra amin’ny fianaranao

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hamantatra ireo asa izay afaka manampy azy ireo handray andraikitra amin’ny fianarany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fianarana amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo zavatra tsara azoko atao izay manampy ahy any an-tsekoly?

    • Matetika toy ny ahoana aho no manao fanamarinan-tena izay mety hanelingelina ny fianarako?

  • Taratasy zaraina: “Mandray andraikitra

Fandrindrana asa sy laharam-pahamehana

Sosokevitra momba ny fandrindrana: Ity lesona ity dia mampiasa ny tantaran’ny Fahariana ao amin’ny Abrahama 4–5 mba hanorenana lamina sy fandaminana ny olona iray izay nanao safidy nentanim-panahy araka an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Azonao atao ny mampianatra io lesona io amin’ny fotoana ampianaranao ny Lesona 7: “Genesisy 1:1–25.”

Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hianatra ireo fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy manampy amin’ny fitondrana filaminana eo amin’ny asa ataon’izy ireo any am-pianarana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao ny lisitr’ireo asa atao any am-pianarana izay ilain’izy ireo tontosaina amin’ity herinandro ity. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo enti-mody, fitsapam-pahaizana, tetikasa, na vakiteny nomena (anisan’izany ny ato amin’ny seminera).

  • Votoatiny haseho: Sarina zavatra iray izay mitaky dingana maro ny famitana azy (toy ny fomba fanaovana sakafo iray, na ny piozila, na tetikasa ho vitainao manokana); sarin’ny lanitra sy ny tany

  • Taratasy zaraina:Mandamina sy manao laharam-pahamehana ny zavatra ataoko any an-tsekoly

Mandresy ny fanemorana lava

Tanjon’ny lesona: Hanampy ireo mpianatra hamantatra ireo fomba handresena ny fakam-panahy hanemotra lava ny asa atao mifandray amin’ny fianarana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho vonona amin’ireo antony sasany mety hanemoran’ny zatovo ireo zavatra atao mahakasika ny fianaran’izy ireo. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ny zavatra nataon’izy ireo mba hahavitana ara-potoana ireo asa atao nampandraiketina any an-tsekoly.

  • Votoatiny haseho: Sarin’ny Isiraelita manangona mana

  • Fitaovana: Fitaoavana hanamboarana zava-kanto hampiasain’ny mpianatra hamoronana peta-drindrina iray

  • Horonan-tsary:Your Next Step,” mari-potoana 7:38 ka hatramin’ny 8:29