“Mandray andraikitra amin’ny fianaranao: Misoroka ireo fanamarinan-tena ary miasa ho an’ny fianaranao,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mandray andraikitra amin’ny fianaranao: Misoroka ireo fanamarinan-tena ary miasa ho an’ny fianaranao,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mahomby any an-tsekoly: Lesona 193
Mandray andraikitra amin’ny fianaranao
Misoroka ireo fanamarinan-tena ary miasa ho an’ny fianaranao
Rehefa lasa sarotra ny fianarana dia manamarin-tena isika indraindray ary mialangalana amin’ny fanaovana asa. Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika sy mandray andraikitra amin’ny fianarantsika dia hitombo fahendrena tahaka Azy (jereo ny Lioka 2:52). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo zavatra atao izay afaka manampy azy ireo handray andraikitra amin’ny fianarany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fianarana amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo zavatra tsara azoko atao izay manampy ahy any an-tsekoly?
-
Matetika toy ny ahoana aho no manao fanamarinan-tena izay mety hanelingelina ny fianarako?
Sahanasa fianarana azo atao
Andraikitra amin’ny fianarantsika
Asao ny mpianatra hamorona rafi-tantara iray momba ny zatovo iray sy ny fanapahan-kevitra ratsy iray izay raisiny mikasika ny fianarany. Ohatra, tsy nandalina mba hiomanana amin’ny fitsapam-pahaizana iray ilay zatovo, na tonga tara ao an-dakilasy, na tsy nahavita asa nampanaovina manan-danja iray, na tsy namerina famakafakana iray. Azonao atao ny mangataka mpianatra iray hanao sarina tapa-kazo eny amin’ny solaitrabe, hanome anarana an’ilay zatovo, ary hanoratra ny fanapahan-kevitra ratsy noraisina eo ambanin’ilay sarina tapa-kazo.
Azonao atao avy eo ny manoratra hoe Fanamarinan-tena eo ambonin’ilay sarina tapa-kazo. Manasà mpianatra hanoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona avy ireo fanamarinan-tena sasantsasany mety ataon’ny zatovo iray noho io fanapahan-kevitra ratsy io?
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no manamarin-tena isika indraindray amin’ireo karazana safidy toy izany?
Ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fahamarinana manan-danja izay tsara hotadidiana rehefa mety ho alaim-panahy hanamarin-tena noho ireo safidy ratsy any an-tsekoly isika.
Anjaranareo ny manovo fianarana. Tsy misy olon-kafa afaka manovo izany eo amin’ny toeranareo. Na aiza na aiza misy anareo dia miezaha hanana faniriana lalina ny hianatra. Ho antsika Olomasin’ny Andro Farany, ny fandrantoana fianarana dia tsy tombontsoa lehibe fotsiny ihany fa andraikitra ara-pivavahana. (“Will You Choose to Increase in Learning?,” New Era, Sep. 2014, 2)
Na eo amin’ny resaka ara-batana na ara-panahy, ny maha-tompon’andraikitra amin’ny tenantsika dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay raha tsy nisy dia tsy ho afaka isika hahatratra ny fahafenoan’ny hery anatintsika amin’ny maha-zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra antsika. D. Todd Christofferson, “Afaka mandrakizay hihetsika ho azy,” Liahona, nôv. 2014, 18)
-
Inona avy ireo zavatra nisarika ny sainao avy tao amin’ireo teny nambara ireo?
-
Nahoana no zava-dehibe ny mandray andraikitra manokana amin’ny fianarantsika?
Hevero ny hanampy ny mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity amin’ny alalan’ny fanoratana izany eo akaikin’ilay sary eny amin’ny solaitrabe: Ny fandraisana andraikitra manokana amin’ny fianarantsika dia manampy antsika hahatsapa ny hery anaty feno ananantsika amin’ny maha-zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra antsika.
-
Inona avy ireo zavatra manokana azon’ny zatovo iray atao mba handraisana andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo?
-
Ahoana no ahafahan’ny fandraisana ny andraikitra manokana amin’ny fianarantsika manampy antsika hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy?
Rehefa mamaly ireo fanontaniana etsy ambony ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ireo toetra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa nandray andraikitra tamin’ny asa fanompoany sy ny asa nanirahana Azy Izy (toy ny fahazotoana, fanetrentena, ary fitiavana).
Makà fotoana hieritreretana ny fomba ahafahan’ny fikolokoloana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy manampy anao handresy ireo fanamarinan-tena sy handray andraikitra amin’ny fianaranao. Henoy ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina izay afaka manampy anao hamantatra ireo toetra azonao kolokoloina na asa azonao atao mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianaranao ianao.
Ohatra ao amin’ny soratra masina amin’ny fandraisana andraikitra
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo fahamarinana momba ny hoe tompon’andraikitra amin’ny fianarany izy ireo dia azonao asaina izy ireo hameno ilay taratasy zaraina hoe “Mandray andraikitra.” Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba azo ampiharana ireo tantara ao amin’ilay taratasy zaraina amin’izy ireo. Azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona kely ary manasa ny sasany amin’ireo mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay mba hamaky sy hamaly ireo fanontaniana ho an’ny tantaran’i Davida ary ny hafa kosa handalina ny fanoharana momba ny talenta.
Fanamarihana: Ny fizarana farany amin’ilay taratasy zaraina dia ho ampiasaina any aoriana ao amin’ny lesona.
Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara, dia asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nianaran’izy ireo.
Mandresy ireo fanamarinan-tena mba handraisana andraikitra amin’ny fianarana
Mba hanampiana ny mpianatra hiomana handinika ny fiainan’izy ireo manokana sy handresy ireo fanamarinan-tena mety ataon’izy ireo dia mety hanampy ny fanaovan’ny iray kilasy ity sahanasa manaraka ity.
Saintsaino ilay zatovo tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Eritrereto ny zavatra nianaranao avy amin’ny soratra masina sy ny zavatra niainanao manokana momba ny fandraisana andraikitra amin’ny fianaranao. Ampio io zatovo io amin’ny alalan’ny fanoroana ireo toetra sy asa tahaka ny an’i Kristy izay mampiseho fahavononana handray andraikitra amin’ny fianarana ka mahavaly ireo fanamarinan-tena eny amin’ny solaitrabe.
Alohan’ny hanombohan’izy ireo dia mety hanampy ny manome ohatra ho an’ny mpianatra. Ny fanamarinan-tena ho an’ny fahatongavana tara dia mety hoe “tsy namoha ahy ara-potoana ny mamako.” Mety hilaza ny mpianatra hoe: “Ho tompon’andraikitra tahaka ny Mpamonjy aho ka hametraka fanairana mba hakana antoka fa ho tonga ara-potoana any an-tsekoly aho.” Azonao soratana eo akaikin’ny fanamarinan-tena tsirairay ny sosokevitra omen’ny mpianatra.
-
Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba handray andraikitra amin’ny fianarantsika?
Hevero ny hanasa mpianatra izay vonona hizara ny zavatra nataony teo amin’ny fiainany mba handraisana andraikitra manokana amin’ny fianarany. Rehefa mizara izany izy ireo dia dokafy ny mpianatra noho ny ezaka ataon’izy ireo.
Andraikitra amin’ny fianarako
Asao ireo mpianatra hamita ny fizarana farany ao amin’ilay taratasy zaraina. Azonao atao ny mizara ity manaraka ity amin’izy ireo rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Tompo izy ireo mba handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo.
Rehefa mikatsaka fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra momba ny fomba hivoarana ianao dia afaka mitaona anao amin’ireo fanovana ilaina ny Fanahy Masina. Afaka mahatsiaro ihany koa isika fa tsy voatery hanao izany irery isika. Afaka mikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy isika (jereo ny Isaia 41:10).
Hevero ny hanasa mpianatra vonona hizara ny zavatra tsapany fa tokony hataony. Azonao atao ny mizara ohatra iray avy amin’ny fiainanao amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fianaranao. Amporisiho ny mpianatra hitondra ny taratasy nozaraina hody mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny zavatra tsapany fa tokony hataony anio.