“Mandamina asa sy laharam-pahamehana: Afaka manampy antsika hitondra filaminana eo amin’ny fiainantsika ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mandamina asa sy laharam-pahamehana: Afaka manampy antsika hitondra filaminana eo amin’ny fiainantsika ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mahomby any an-tsekoly: Lesona 195
Mandresy ny fanemorana lava
Mianatra misoroka ny hatak’andro amin’ny asa momba ny fianarana
Impiry ianao no mahita ny tenanao tsy mahavita asa na asa ampanaovina any am-pianarana izay takina? Na dia mitolona amin’ny fialana amin’ny hatak’andro aza isika rehetra dia mety ho fakam-panahy mahazatra ny hanemotra asa momba ny fianarana. Rehefa miasa mba handresena izany zava-pitranga matetika izany isika dia fomba iray hihainoantsika ny fampitandreman’ny Mpamonjy mba hisorohana ny fanemorana lava izany (jereo ny Matio 25:1–13). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo fomba handresena ny fakam-panahy hanemotra ny asa momba ny fianarana.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho vonona amin’ireo antony sasany mety hanemoran’ny zatovo ireo zavatra atao mahakasika ny fianaran’izy ireo. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ny zavatra nataon’izy ireo mba hahavitana ara-potoana ireo asa atao nampandraiketina any an-tsekoly.
Sahanasa fianarana azo atao
Mitondra amin’ny fanaovana asa ny finoana an’i Jesoa Kristy
Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hanao fifanakalozan-kevitra ankapobeny momba ny fakam-panahy hanemotra. Afaka mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto ianao:
-
Inona avy ireo zavatra mahazatra sasantsasany izay ahemotry ny zatovo matetika ny fanaovana azy?
-
Inona avy ireo antony sasantsasany mety mahatonga ny zatovo ho roboka amin’ny fanemorana lava ireo zavatra ireo? Inona no mety ho vokatr’izany?
Aorian’ny fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny mizara fa anio ny mpianatra dia hanana fahafahana hifantoka amin’ny fandresena ilay fakam-panahy hanemotra ny asa amin’ny fianaran’izy ireo.
-
Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahasarotra ny fanombohana na famaranana asa na asa ampanaovina any am-pianarana?
Azonao atao avy eo ny mampiseho ny sarin’ny Isiraelita manangona mana. Raha efa nandalina ny Lesona 47: “Eksodosy 16” ny mpianatra, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra tadidiny. Raha tsy nandalina io tantara io izy ireo dia azonao atao ny mizara fohifohy ity famintinana manaraka ity.
Sarotra ho an’ny Isiraelita ny fanangonana sakafo tany an-tany foana. Indray maraina dia nifoha izy ireo ka nahita fa ny Tompo dia nanome sakafo isan’andro tamin’ny fomba mahagaga izay ho antsoin’ny Isiraelita hoe mana.
Vakio ny Eksodosy 16:4–5, 14–15, dia tadiavo ny torolalan’ny Tompo mikasika ny fomba tokony hanangonana mana.
-
Inona no ampianarin’io fahagagana io antsika momba ny Tompo?
Vakio ny Eksodosy 16:18–22, 27, dia tadiavo ny vokatra sasany ateraky ny fanemorana lava ny fanangonana mana na ny tsy fanangonana ilay ampahany roa ny andro mialoha ny Sabata.
-
Inona no zavatra nanaitra anao?
Azon’ny mpianatra atao ny mizara fa raha toa ka nametraka mana tamin’ny tany ny Isiraelita mandra-pahatongan’ny ampitso, dia “niteraka olitra izany ka maimbo” (andininy 20). Raha toa ka tsy nanangona izy ireo ny maraina dia ho levona ilay izy (andininy 21). Tsy hisy mana omena amin’ny Sabata, ka noho izany ny tsy fanangonana ampahany roa ny andro mialoha dia midika fa ho noana izy ireo ( andininy 27).
-
Ahoana no ahafahan’io tantara io mihatra amin’ny fakam-panahy tonga amin’ny zatovo iray mba hanemotra ny asa momba ny fianarany?
Mety hanasongadina ny mpianatra fa mitovitovy amin’ny fomba hahasimba sy levona ny mana raha toa ka manemotra ny fanangonana izany ny olona, ny fanemorana lava ny asa momba ny fianarana dia hitarika amin’ny voka-dratsy na fahafahana azo araraotina tokony nisy mihitsy aza.
-
Inona avy ireo vokatra sasantsasany ateraky ny fanemorana lava ny asa momba ny fianarana izay hitanao na hitan’ny hafa fantatrao?
Aza laniana amin’ny fidonanaham-poana ny fotoananao.
Mba hanampiana antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fandresena ny fakam-panahy hanemotra dia nilaza ny Loholona Randall K. Bennett ao amin’ny Fitopololahy hoe:
Tsy maintsy manohitra ilay fironan’ny olona araka ny nofo hangatak’andro, hanemotra zavatra ary hilavo lefona isika.
Rehefa mivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika dia hanao fahadisoana, imbetsaka … Saingy ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia fitsipiky ny asa sy hery. Raha vonona ny handray andraikitra isika dia hahazo hery hibebahana sy hiovana.
Rehefa tsy manao dingana iray hafa omban’ny finoana ihany isika vao tsy mahomby. Tsy misy izany hoe tsy hahomby na tsy afaka ny hahomby izany raha mifikitra amim-pahatokiana amin’ny Mpamonjy isika—Izy ilay nahita fahombiazana foana ary tsy hanao izay tsy hahitantsika fahombiazana velively! (“Ny dingana ataonao manaraka,” Liahona, nôv. 2015, 75) (mari-potoana 7:37 hatramin’ny 8:31)
-
Ahoana no hamintinanao ny zavatra ampianarin’ny Loholona Bennett momba ny fandresena ny fanemorana lava?
Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray toy ny hoe rehefa manao asa amim-pinoana ny Mpamonjy isika dia hanampy antsika handresy ny fakam-panahy hanemotra Izy. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia azonao atao ny manontany izao manaraka izao:
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’io fahamarinana io ny olona iray izay miezaka mandresy ny fakam-panahy hanemotra ny asa momba ny fianarany?
Diniho ombam-bavaka hoe hatraiza ny fahavitanao ara-potoana ireo asa sy asa nampanaovina momba ny fianarana. Avy eo, dia fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fehezan-teny manaraka ireto.
Izaho dia manemotra (foana, indraindray, mahalana, sy ny sisa) ny asa momba ny fianarako. Ny antony hanemorako dia satria .
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny famantarana ny antony hanemorantsika dia afaka manampy antsika hanitsy fahazarana tsy mahasoa na hanakana izany tsy hitranga. Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nampanantena ny hanampy antsika handositra ireo fakam-panahy atrehantsika (jereo ny 1 Korintiana 10:13).
Na dia mahazatra aza ny miady amin’ny fanemorana lava dia manao asa amim-pinoana ny Mpamonjy isika rehefa miasa mba handresy io fakam-panahy io. Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ireo fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manatsara ny ezaka ataonao mba handresena ny fakam-panahy hanemotra ny asa momba ny fianaranao.
Ampitomboy ny fahafahanao mandresy ny fanemorana lava
-
Inona avy ireo paikady sasantsasany izay noezahanao hatao mba hanampiana anao hanohitra ny fakam-panahy hanemotra lava ny asa momba ny fianaranao?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao lisitra ireo famantarana eny amin’ny solaitrabe. Raha mila fanampiana izy ireo dia azonao atao ny mizara ireto paikady vitsivitsy manaraka ireto.
-
Maka fotoana fohy isa-maraina hivavahana amin’ny Ray any An-danitra, ka mangataka ny heriny hanampy anao hahatsiaro sy hanatanteraka ireo asa momba ny fianarana.
-
Manokana fotoana tsy miovaova isan’andro mba hanaovana ireo asa momba ny fianarana.
-
Maka fotoana fiatoana fohy sy tsy tapaka mba hamelombelomana indray ny sainao sy hiverenana mifantoka.
-
Mamantatra ireo zavatra mahavarimbariana dia miala amin’izy ireny. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny telefaonina, na solosaina, na boky.
-
Manangana vondrona fandalinana miaraka amin’ireo mpiara-mianatra izay mitovy asa ampanaovina.
-
Mitadia toerana mangina hiasana. Mety hisy fiantraikany amin’ny fahafahantsika mifantoka ny manodidina antsika.
-
Misafidy olona iray azonao itokisana izay afaka manampy anao hifantoka sy hamita asa nampanaovina.
-
Manomana valisoa ho an’ny fanatanterahana asa iray manokana mba hankalazana ny fahombiazanao sy ny asa mafy nataonao.
Rehefa hitan’ny mpianatra ny paikady sasany mba handresena ny fanemorana lava dia hevero ny hampiseho ireto rafi-tantara sy torolalana manaraka ireto. Azonao atao ny manome fitaovana fanaovana zava-kanto ho an’ny mpianatra mba hampiasain’izy ireo amin’ny fampisehoana ataony.
Manemotra (ny fandalinana ho fiomanana amin’ny fitsapam-pahaizana, ny famitana asa na tetikasa iray, sns) i Max satria .
Mamoròna peta-drindrina na sary iray izay afaka manampy amin’ny famporisihana ny mpianatra iray tahaka an’i Max mba handresy ilay fakam-panahy hanemotra lava. Ampidiro ao amin’ny peta-drindrinao izao manaraka izao:
-
Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na andinin-tsoratra masina hafa izay afaka manampy an’i Max hiantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fanampiana amin’ny fandresena io fakam-panahy io.
-
Ny iray na maromaro amin’ireo paikady izay tsapanao fa hanampy an’i Max mba ho ampiasainy eo am-pandresena ny fanemorana lava.
Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana andinin-tsoratra masina ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ohatra toy ny Josoa 24:15; Ohabolana 3:5–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–27; 88:124. Na azon’izy ireo atao ny manao sary ny tantara iray ao amin’ny soratra masina izay afaka maneho ny vokatry ny fanemorana lava, toy ny tantaran’ny Isiraelita manangona mana na i Noa manamboatra ilay sambofiara (Genesisy 7:1–10).
Afaka manomboka androany isika
Omeo fotoana ny vondrona hizara ny peta-drindriny amin’ny iray kilasy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nanao asa mba handresena ny fakam-panahy hanemotra lava izy ireo.
Saintsaino ireo fomba sasantsasany handresena ny fanemorana lava izay nozaraina androany. Misafidiana ombam-bavaka paikady iray izay tsapanao fa hanampy amin’ny fotoana manaraka hakana fanahy anao hanemotra ny asa momba ny fianaranao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina io paikady io na eo amin’ny taratasy miraikidraikitra na alefaso ho hafatra an-tsoratra amin’ny tenanao.
Azonao atao ny manome fahafahana ireo mpianatra izay vonona hizara ny zavatra tsapan’izy ireo fa tokony ho andramany.
Mety hanampy ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny ezaka rehetra atao mba hanao zavatra tsaratsara kokoa dia fanehoana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo hahafantatra fa hanampy antsika amin’ny ezaka ataontsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, na dia rehefa sarotra aza izany.