“Fiomanana ho misiônera: Topimaso ankapony,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fiomanana ho misiônera: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha
Fiomanana ho misiônera
Fiomanana ho misiônera
Topimaso ankapobeny
Afaka manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely isika amin’ny alalan’ny fitiavana ny hafa sy ny fizarana ny hafatr’i Jesoa Kristy ary ny fanasana azy ireo hanatona ny Mpamonjy. Mitahy ireo misiônera Andriamanitra rehefa manompo amim-pahavitrihana sy mampianatra ny olona ao amin’ny fiarahamonina misy azy ireo sy manerana izao tontolo izao izy ireo.
Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Misy safidy tsara maro azo eritreretina mba handaminana ny fotoana ho an’ireo lesona ireo. Ohatra:
-
Ampianaro akaikin’ny fiafaran’ny taom-pianarana izay mety hiasan’ireo mpianatra zokiny amin’ny fandefasana ny taratasiny momba ny asa fitoriana ireo sasany na izy rehetra amin’ireto lesona ireto.
-
Ampianaro ny sasany amin’ireo lesona ireo rehefa mandalina ireo ampahany amin’ny Testamenta Taloha izay voaresaka ao amin’ireo lesona ireo ianareo. Ny sosokevitra sasany dia voatanisa eo akaikin’ireo lesona manokana hita etsy ambany.
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.
Ny andraikitsika ao amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsara
Sosokevitra momba ny fandrindrana ny fotoana: Azonao atao ny mampianatra ity lesona ity amin’ny fotoana manakaiky ny fampianarana ny Lesona 121: “Isaia 49.” Ny Isaia 49 dia ahitana faminaniana momba ny taranak’i Abrahama izay manampy ny Tompo hanatanteraka ny fanekempihavanany hanangona an’i Isiraely amin’ny andro farany (jereo ny 1 Nefia 22:7–9).
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany momba ny andraikitr’izy ireo ao amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handany minitra vitsy amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina mba hitadiavana ireo fitahiana sy andraikitra ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama. Azon’izy ireo atao ny mandalina ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Abrahama 2:9–11 na mikaroka ny “Fanekempihavanan’i Abrahama” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Mandritra ny lesona dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ireo zavatra nianarany na fanontaniana ananan’izy ireo.
-
Zavatra tokony homanina: Valopy efatra, ny tsirairay amin’izany dia misy isa: 1, 2, 3, na 4; ataovy printy ny lafiny roa amin’ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ny fianakavian’ny tany”; hetezo eo amin’ireo tsipika mitsitapatapaka ka mamoròna piozila misy lafiny roa; ampiasao ny laharan’ireo lohateny ao ambadiky ny tapa-taratasy tsirairay dia ataovy ao anatin’ilay valopy misy ny isa mifanaraka amin’izany ireo.
-
Votoatiny haseho: Torolalana ho an’ny vondrona mba handalina ny soratra masina sy ireo teny nambara ao ambadiky ny piozila hita ao amin’ny valopin’izy ireo
-
Horonan-tsary: Mampahafantatra ny Torio ny Filazantsarako, Edisiôna Faharoa ny Filoha Russell M. Nelson manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:55
Mizara ny filazantsara amin’ny fomba mandeha ho azy
Sosokevitra momba ny fandrindrana fotoana: Ny ampahany amin’ity lesona ity dia mampianatra fa ny Tompo dia afaka manampy ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hizara ny filazantsara tahaka ny nampanantenainy ny hanampy an’i Jeremia. Azonao atao ny mampianatra ity lesona ity amin’ny fotoana iray izay ampianaranao ny Lesona 130: “Jeremia 1.”
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hizatra hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa amin’ny fomba mandeha ho azy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ombam-bavaka ireo toe-javatra izay ahafahan’izy ireo mizara zavatra momba ny Fiangonana na ny filazantsara ho ampahany amina resaka mahazatra. Azon’ny mpianatra atao ny mieritreritra ny fomba mety hanaovana izany amim-pahombiazana ary mitady fahafahana hanao izany.
-
Horonan-tsary: “Des moyens simples pour aimer, faire connaître et inviter,” (2:50)
-
Votoatiny haseho: Safidy azon’ny mpianatra atao ny manangana ny isan’ny rantsan-tanana izay mamaritra tsara indrindra ny zavatra tsapany momba ny zavatra nozaraina; fitaratra iray, teny nambaran’ny Loholona Quentin L. Cook; torolalana ho an’ny mpianatra mba hampiharana ilay fahaiza-manao hoe “mitaratra ny kalitaon’ny resadresaka”
Misafidy ny hanao asa fitoriana
Tanjon’ny lesona:Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa faniriana hanompo ny Tompo amin’ny maha-misiônerany azy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray fantatr’izy ireo fa nanao asa fitoriana ny momba ireo fitahiana fantatr’izy ireo fa nomen’ny Tompo azy noho ny asa fanompoana nataony. Azon’izy ireo atao mivantana izany, na amin’ny telefaonina, na amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra na email. Angataho izy ireo mba ho tonga vonona hizara izay zavatra hitany.
-
Taratasy zaraina: “Fitahiana omen’ Andriamanitra ny misiônerany”
-
Horonan-tsary: “The Book of Mormon” (2:10); “Missions and Eternal Companions” (1:07); “Missions and Careers” (1:37); “Education” (1:44) (Azonao atao ny mampiseho iray na roa izay tsapanao fa tena hahaliana ny mpianatrao.)
Ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny asa fitoriana
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hikaroka fomba ahafahan’ny Fanahy manampy azy ireo hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka misiônera efa nahavita asa fitoriana mba hizara zavatra niainana iray izay nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo tamin’ny asa fitoriana nataony. Na azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina ireo zavatra niainan’izy ireo rehefa nanampy azy ireo hizara ny filazantsara tamin’ny hafa ny Fanahy Masina.
-
Zavatra tokony homanina: Asa iray izay tsy ho vitan’ny mpianatra raha tsy amin’ny alalan’ny zavatra iray, toy ny fanesorana visy avy amin’ny hazo iray amin’ny alalan’ny fampiasana fanalana visy
-
Votoatiny haseho: Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny Fanahy Masina dia afaka … miaraka amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Mosesy 6:32, 34; 2 Nefia 33:1; Almà 17:3; 3 Nefia 28:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:11
-
Horonan-tsary: “Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina,” manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:43 ka hatramin’ny 5:59
Ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana eo amin’ny fitondrana ny hafa hanatona an’i Kristy
Sosokevitra momba ny fandrindrana fotoana: Ity lesona ity dia mampiasa ny tantaran’i Daniela ho ohatra amin’ny fomba ahafahan’ny fankatoavana manampy antsika hitondra ny hafa hanatona an’i Kristy. Azonao atao ny mampianatra ity lesona ity amin’ny fotoana izay ampianaranao ny Lesona 145: “Daniela 6.”
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana eo amin’ny fanaovana ny asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-misiônera azy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny sasany amin’ireo fenitra momba ny asa fitoriana izay hita ao amin’ny Fizarana 3 ao amin’ny “Règles missionnaires pour les disciples de Jésus-Christ” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny miresaka amin’ny olona iray izay efa nanao asa fitoriana ary manontany hoe inona avy ireo fenitry ny misiôna tsaroan’izy ireo.
-
Votoatiny haseho: Sarin’ny misiônera iray; Règles missionnaires pour les disciples de Jésus-Christ; torolalana amin’ny fanoritsoritana lahateny iray maharitra telo ka hatramin’ny dimy minitra ao amin’ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Zarao ny zavatra nianaranao”
-
Taratasy zaraina: “Ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana rehefa mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” sy ilay taratasy zaraina hoe “Mamorona rindran-damina ho an’ny lesona”