“Ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny asa fitoriana: -Sokafy ny vavanao, dia hofenoina izany,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny asa fitoriana: -Sokafy ny vavanao, dia hofenoina izany,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fiomanana ho misiônera: Lesona 199
Ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny asa fitoriana
“Sokafy ny vavanareo, dia hofenoina izany”
Na dia nangataka antsika hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa aza ny Ray any An-danitra dia tsy manantena antsika hanao izany irery Izy. Rehefa mianatra mamantatra sy manaraka ny Fanahy isika dia hitarika antsika amin’ny ezaka ataontsika amin’ny asa fitoriana Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hikaroka ireo fomba ahafahan’ny Fanahy manampy azy ireo hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka misiônera efa nahavita asa fitoriana mba hizara zavatra niainana iray izay nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo tamin’ny asa fitoriana nataony. Na azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina ireo zavatra niainan’izy ireo rehefa nanampy azy ireo hizara ny filazantsara tamin’ny hafa ny Fanahy Masina.
Sahanasa fianarana azo atao
Manan-danja ny Fanahy Masina
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanomezana ny mpianatra iray asa izay tsy azo vitaina raha tsy misy zavatra iray. Ohatra, azonao atao ny mametraka visy eo amin’ny hazo iray ary mangataka mpianatra iray hanala izany saingy aza omena fitaovana hanaovana izany izy ireo. Avy eo, rehefa tsy afaka namita ilay asa ilay mpianatra dia omeo azy ireo ilay zavatra ilaina, toy ny fanodinana visy.
-
Inona avy ireo asa sasantsasany izay tsy azo atao raha tsy misy zavatra iray manokana?
Ankoatra ity fanambarana manaraka avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith ity, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14, ka hitady izany zavatra ilaina izany.
Vakio ity teny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) ity, ka tadiavo ny zavatra ilaintsika mba hizarana amim-pahombiazana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Ny olona rehetra dia tokony hitory ny Filazantsara amin’ny alalan’ny hery sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina; ary tsy misy olona afaka mitory ny Filazantsara raha tsy misy ny Fanahy Masina. (Ensignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 332)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no tsy afaka mitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika raha tsy misy ny Fanahy Masina?
Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fomba betsaka indrindra azonao eritreretina ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika hitory ny filazantsara.
Omeo toky ny mpianatra fa tsy maninona raha tsy mahazo an-tsaina fomba maro izy ireo. Angataho izy ireo hanampy ao amin’ny lisitra nataony rehefa mandalina ity lesona ity. Amporisiho ihany koa izy ireo hikatsaka fanentanam-panahy mikasika ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy azy ireo eo amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy.
Ireo anjara andraikitry ny Fanahy Masina
Manampy antsika hizara ny filazantsarany amin’ny hafa ny Tompo amin’ny alalan’ny fandefasana amintsika ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79:1–2). Mampianatra antsika ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika amin’ny asa fitoriana ny soratra masina.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto torolalana manaraka ireto alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana: Hevero ny hampamaky andininy samy hafa amin’ny mpiara-miasa.
Azonao atao ny manazava amin’ny mpianatra fa indraindray ny soratra masina dia miantso ny Fanahy Masina amin’ny anarana samihafa. “Ireo anarana hafa izay indraindray ilazana ny Fanahy Masina dia ny Fanahy Masina, Fanahin’ Andriamanitra, Fanahin’ny Tompo, Mpampionona, ary Fanahy” (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masina”).
Mety hanampy ihany koa ny manazava fa ny hoe “izy ireo” ao amin’ny Almà 17:3 dia ireo zanakalahin’i Môzià, ary ny hoe “Ahy” ao amin’ny 3 Nefia 28:11 dia i Jesoa Kristy.
Ampiasao ireto soratra masina manaraka ireto mba hamenoana ilay fehezan-teny hoe: Ny Fanahy Masina dia afaka …
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:11
Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny fomba hamenoany ilay fehezan-teny. Mety hamariparitra ny anjara asan’ny Fanahy Masina toy izao manaraka izao izy ireo: Ny Fanahy Masina dia afaka …
-
Manampy antsika hahafantatra izay tokony holazaina (Mosesy 6:32, 34).
-
Mitondra ny hafatry ny Tompo ho ao am-pon’ny hafa (2 Nefia 33:1).
-
Manampy antsika hampianatra amin’ny hery sy fahefan’ny Tompo (Almà17:3).
-
Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (3 Nefia 28:11).
-
Manampy antsika hahafantatra ny tokony hatao sy ny toerana haleha (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:11).
Rehefa avy nanoratra teny amin’ny solaitrabe ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara anjara asa fanampiny izay azon’ny Fanahy Masina tontosaina rehefa mizara ny filazantsara isika.
Azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa mitaky asa ara-panahy ny fahamendrehana ho naman’ny Fanahy Masina.
-
-
Inona no tokony hataontsika mba hananana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva?
Mety hizara zavatra toy ny vavaka amin-kafanam-po, fandalinana tsy tapaka ny soratra masina, fitandremana fanekempihavanana, ary fankatoavana ny didin’ Andriamanitra ny mpianatra (jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [2023], 101).
Ity zavatra niainana manaraka avy amin’ny Loholona Rasband ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ireo anjara asan’ny Fanahy Masina ireo manampy antsika hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Ho solon’ny famakiana ilay tantara dia azonao atao ny mampiseho horonan-tsary fohy iray avy ao amin’ny “Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina,” manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:43 ka hatramin’ny 5:59, ka ampiatoy in-droa na in-telo izany mba hifanakalozana hevitra momba izay ahitan’ny mpianatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina.
Vakio ity tantara manaraka avy amin’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ka tadiavo hoe aiza no ahitanao ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny zavatra niainan’ny Loholona Rasband mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Indray marainan’ny jolay mahamay dia nahatsapa ho notaomim-panahy hijery ireo olona natolotry ny Temple Square izaho sy ny mpiara-mitory tamiko. Nandondòna ny varavaran’ny tranon’i Elwood Schaffer izahay. Nangataka anay mba hiverin-dalana tamim-panajana Ramatoa Schaffer.
Raha nanomboka nanakatona ny varavarana izy dia nahatsapa aho fa tokony hanao zavatra izay tsy mbola nataoko mihitsy teo aloha ary tsy nataoko intsony hatrizay! Natsatoko teo amin’ilay varavarana ny tongotro dia nanontany aho hoe: “Misy olon-kafa mety ho liana amin’ny hafatray ve?” Liana i Marti, zanany vavy, izay 16 taona, ary efa nangataka fitarihana mafy izy ny omalin’io mihitsy. Nihaona taminay i Marti, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia nandray anjara tamin’ireo lesona ny reniny. Samy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy roa.
Vokatry ny batisan’i Marti dia olona 136 no vita batisa sy nanao ireo fanekempihavanan’ny filazantsara, ka anisan’izany ny maro amin’ny fianakaviany. Tena feno fankasitrahana aho fa nihaino ny Fanahy ka nanatsatoka ny tongotro teo amin’ilay varavarana tamin’io andro mahamain’ny jolay io. (“Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina,” Liahona, mey 2017, 96)
-
Ahoana no nahitanao ny fitaoman’ny Fanahy Masina teo amin’ny zavatra niainan’ny Loholona Rasband?
Alohan’ny hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto dia hevero ny hilaza zavatra toy izao: “Rehefa avy mametraka ny tsirairay an’ireto fanontaniana manaraka ireto aho dia hanome anareo 30 segaondra mba hisaintsainana alohan’ny hamalianareo izany.” Apetraho ny fanontaniana voalohany ary jereo mangina ny famantaranora na manisà amim-pahanginana ao an-tsainao alohan’ny hanasana ny fanomezana fanehoan-kevitra. Rehefa avy mizara ny mpianatra dia avereno izany dingana izany ho an’ilay fanontaniana faharoa. Ny fanomezana fotoana ny mpianatra hisaintsainana ireo fanontaniana alohan’ny hanasana ny fanomezana fanehoan-kevitra dia afaka manasa ny Fanahy Masina, manome fahafahana ny mpianatra maro kokoa hieritreritra valiny, ary matetika mitarika amin’ny fandrenesana avy amin’ireo mpianatra izay mety tsy mizara matetika.
-
Oviana ny Tompo no nanampy anao na ny olona iray fantatrao hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Fanahy Masina?
-
Oviana ianao no nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa nisy olona nizara ny filazantsara taminao?
Mikatsaka ny Fanahy Masina rehefa mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
-
Inona avy ireo fahafahana azo araraotina sasany hahafahanao mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?
Ny mpianatra dia mety hizara zavatra toy ny hoe rehefa mametra-panontaniana momba ny finoan’izy ireo ny namana iray, rehefa mankahery olona iray ao amin’ny fianakaviana izy ireo, rehefa mampianatra lesona any am-piangonana, rehefa mamoaka zavatra amin’ny tambajotran-tserasera, sy ny sisa. Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo.
Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona kely dia asao izy ireo hamita ity sahanasa manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ny mizara soratra masina iray, tahaka ireo teo aloha tao amin’ny lesona, izay afaka manampy azy ireo hahatsiaro ny fomba ahafahan’ny Fanahy manampy azy ireo ao anatin’ireo toe-javatra ireo.
Misafidiana toe-javatra roa izay mety ahafahanao mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto ho an’ny toe-javatra tsirairay:
-
Ahoana no ahafahanao mikatsaka sy manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ao anatin’io toe-javatra io?
-
Ahoana no mety hanampian’ny Tompo anao hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao amin’io toe-javatra io amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?
Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona tsirairay hizara zavatra avy amin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny vondrona misy azy. Azonao atao ny manontany ny mpianatra ny zavatra nanampy azy ireo hianatra ny fomba firesahan’ny Fanahy Masina amin’izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny Fanahy Masina rehefa mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.
Azonao atao ny manazava amin’ny mpianatrao fa ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Fizarana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampianatra fa ny fianarana mamantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia “dingana tsikelikely izay mitaky ezaka amim-pahazotoana sy amim-paharetana” (106). Amporisiho izy ireo hanana faharetana rehefa manao ezaka isan’andro mba hamantatra sy hiantehitra amin’ny Fanahy Masina. Rehefa manao izany izy ireo dia ho lasa misiônera mahery vaika eo an-tanan’ny Tompo.