“Mizara ny filazantsara amin’ny fomba mandeha ho azy: Afaka ny ho tafiditra ao anatin’ny fiainana andavan’andro ny fizarana ny filazantsara,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mizara ny filazantsara amin’ny fomba mandeha ho azy: Afaka ny ho tafiditra ao anatin’ny fiainana andavan’andro ny fizarana ny filazantsara,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fiomanana ho misiônera: Lesona 197
Mizara ny filazantsara amin’ny fomba mandeha ho azy
Afaka ny ho tafiditra ao anatin’ny fiainana andavan’andro ny fizarana ny filazantsara
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy antsika dia fitahiana sy andraikitsika ny manampy “ny fianakaviana rehetra eto an-tany ho voatahy, eny amin’ireo fitahian’ny Filazantsara” (Abrahama 2:11). Indraindray dia mety ho sarotra ny mitady fomba hampahafantarana ny hafa ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hizatra hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa amin’ny fomba mandeha ho azy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ombam-bavaka ireo toe-javatra izay ahafahan’izy ireo mizara zavatra momba ny Fiangonana na ny filazantsara ho ampahany amina resaka mahazatra. Azon’ny mpianatra atao ny mieritreritra ny fomba mety hanaovana izany amim-pahombiazana ary mitady fahafahana hanao izany.
Sahanasa fianarana azo atao
Mizara ny zavatra tianao
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra roa na telo hamariparitra fialan-tsasatra, na sakafo, na zavatra hafa tiany indrindra izay tsy mahakasika loatra ny tena manokana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny antony hanasan’izy ireo ny hafa hanandrana izany.
Asehoy ireto safidy manaraka ireto rehefa avy mizara ny mpianatra tsirairay. Angataho ny mpianatra hanainga ambony ny isan’ny rantsan-tanana izay mamaritra tsara indrindra ny zavatra tsapany momba ny zavatra nozaraina.
-
Lasa liana kokoa amin’ny fanandramana ny zavatra nozarain’izy ireo aho.
-
Somary liana kokoa amin’ny fanandramana izany aho.
-
Tsy niova ny fahalianako amin’ilay izy.
Azonao atao ny manamafy fa mety ho mora ny mizara zavatra izay tiantsika, na dia manapa-kevitra ny tsy hanandrana ny zavatra nozaraintsika aza ny hafa.
-
Ahoana araka ny eritreritrao no azo ampiharana ity sahanasa ity amin’ny fizarana ny finoantsika momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany amin’ny hafa?
-
Raha miainga avy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia inona avy ireo finoana manan-danja indrindra azonao zaraina amin’ny namanao sy ny fianakavianao? Nahoana?
Ny antony hizarantsika
Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra fitahiana sasany avy amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay azontsika zaraina dia hevero ny hanasa vondrona kely handalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Ny mpianatra tsirairay ao amin’ilay vondrona dia afaka mandalina andininy samihafa ary avy eo manao tatitra amin’ilay vondrona ny zavatra hitany.
Halalino ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny antony tianao hahafantaran’ireo olona akaikin’ny fonao ny Mpamonjy.
Isaia 1:18
Isaia 25:4, 8–9
Isaia 40:28–31
Isaia 43:25
Isaia 54:10
-
Inona amin’ireo fahamarinana ireo no tena hahafaly anao indrindra ny mizara azy amin’ireo olona akaikin’ny fonao? Nahoana?
Mandresy ny fisalasalana
Ampahafantaro ny mpianatra fa voajanahary ny mahatsapa ho mitebiteby amin’ny fizarana ny filazantsara indraindray. Na ireo mpaminany lehibe toa an’i Enoka aza (jereo ny Mosesy 6:27, 31) sy i Jeremia dia tsy maintsy nandresy fisalasalana.
Vakio ny Jeremia 1:6 dia tadiavo ny zavatra tsapan’i Jeremia rehefa nantsoina hampianatra ny vahoaka izy.
-
Nahoana ny olona amin’izao fotoana izao izay tena maniry marina ny hanatonan’ireo olona akaikin’ny fony an’i Kristy no mbola misalasala ny hizara ny filazantsara amin’izy ireo?
Vakio ny Jeremia 1:7–9, ka tadiavo ny torohevitra sy fampanantenana nomen’ny Mpamonjy an’i Jeremia.
-
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’i Jeremia mihatra amintsika rehefa mizara ny filazantsarany isika?
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao torohevitra manaraka izao izay afaka manampy antsika ihany koa handresy ny fisalasalana hizara ny filazantsara:
Na aiza na aiza misy anao eto an-tany dia misy fahafahana marobe hizarana ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona mifanena, na miara-mianatra, na miara-mipetraka, na miara-miasa na mifanerasera aminao. …
Ny angatahiko aminao dia ny mba hitadiavanao mandrakariva fomba hizarana ny finoanao amin’ny fifaneraserana amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy amin’ny olona—na mivantana izany na amin’ny alalan’ny internet. …
Na inona na inona fomba tsotra sy mandeha ho azy aminao dia zarao amin’ny hafa ny antony mampanan-danja an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aminao. (“Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 15, 17)
-
Ahoana no hamintinanao ny fampanantenan’ny Tompo tamin’i Jeremia sy ny fampianaran’ny Loholona Uchtdorf ho lasa fehezan-teny manambara fahamarinana tsotra?
Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra fahamarinana tahaka izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Afaka manampy antsika hizara ny filazantsarany amin’ny fomba mandeha ho azy sy tsotra ny Mpamonjy.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto manaraka ireto ao anatin’ny vondrona kely maromaro, ary avy eo dia mangataha mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny valin-teniny amin’ny iray kilasy.
-
Inona no maha-samy hafa ny fizarana ny filazantsara tsapa ho “mandeha ho azy sy tsotra” na tsapa ho miambakavaka?
-
Mety misy olona fantatrao mizara ny filazantsara amin’ny fomba mandeha ho azy ve? Raha misy dia ahoana no hanaovany izany?
Raha toa ka hahazo tombontsoa avy amin’ireo ohatra hafa amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fomba mandeha ho azy ireo ny mpianatra dia azonareo atao ny mijery ny “Des moyens simples pour aimer, faire connaître et inviter,” (2:50) izay hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
Ny hoe “mitaratra ny kalitaon’ny resadresaka”
Ity fizarana ao amin’ny lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra fomba iray hitondrana ho azy an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ao anatin’ireo resadresaka. Azonao atao ny manao fanazaran-tena amin’ny fahaiza-manao samihafa miaraka amin’ireo mpianatrao izay mety hanampy azy ireo indrindra. Hevero ny hitazona fitaratra iray ary asehoy ity fanambarana manaraka ity.
Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fomba iray ahafahanao mamorona resadresaka momba ireo lohahevitry ny filazantsara.
Mahafantatra olona iray nivoaka fianarana avy amin’ny BYU izay ohatra tena tsara aho. Manamafy izy fa misy ny hoe mitaratra ny kalitaon’ny resadresaka. Raha miresaka momba ny toetrandro isika dia mamaly amin’ny firesahana momba ny toetrandro ny olona. Raha miresaka momba ny fanatanjahantena isika dia mamaly izany amin’ny firesahana momba ny fanatanjahan-tena ihany koa izy ireo. Nilaza io namana io fa anontaniany momba ny fianaran’izy ireo ny olona izay mihaona aminy dia mihaino tsara izy. Rehefa mamaly azy amin’ny fanontaniana azy momba ny sekoliny izy ireo dia milaza momba ny BYU izy ary avy eo dia mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara. Avy eo, amin’ny fomba feno hatsaram-panahy, dia manolo-tena izy ny hamela azy ireo hianatra misimisy kokoa avy amin’ireo misiônera. Tena nahomby tokoa izy tamin’ny fizarana ny filazantsara. (“How to Be a Member Missionary,” New Era, Feb. 2015, 48)
-
Ahoana no hanazavanao amin’ny fampiasana ilay hoe “mitaratra ny kalitaon’ny resadresaka” mba hiresahana ny filazantsara amin’ny hafa?
Farito
Mba hanampiana ny mpianatra hiomana hizatra amin’io fahaiza-manao io dia zarao amin’izy ireo izao manaraka izao:
Ny firesahana momba ana lafin-javatra eo amin’ny fiainantsika dia mety ho tsapa hoe mandeha ho azy kokoa raha toa ka manontany ny olon-kafa momba izay zavatra izay ihany eo amin’ny fiainany aloha isika. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny:
-
Misafidy zavatra izay nataonao vao haingana na hataonao ato ho ato mba handraisana anjara ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany.
-
Mieritreritra fanontaniana iray azonao apetraka amin’ny olona iray izay hahatonga izany ho mandeha ho azy kokoa aminao ny hizara ny zavatra nosafidinao momba ny Fiangonan’ny Mpamonjy na ny filazantsara.
-
Apetraho ny fanontanianao, henoy amin-kitsimpo ny valin-tenin’izy ireo, ary avy eo dia zarao ny zavatra nosafidinao.
Azonao atao ihany koa ny maneho ny maha-zava-dehibe ny fihainoana ny hafa amin’ny firaharahiana tanteraka alohan’ny hizarantsika momba ny tenantsika (jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, 192).
Manao maodely
Ataovy maodely ny “mitaratra ny “fitaratra ny kalitaon’ny resadresaka” amin’ny alalan’ny fanontaniana mpianatra iray ny zavatra nataon’izy ireo tamin’ity faran’ny herinandro ity. Aorian’ny fihainoana amin-kitsimpo ny valin-tenin’izy ireo dia lazao azy ireo ny momba ny faran’ny herinandronao ary ataovy izay hampidirana zavatra tsara momba ny zavatra niainanao tany am-piangonana.
Azonao atao koa ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
Anontanio hoe: “Nanao ahoana ny marainanao?” (Henoy ny valin-teniny.) Avy eo dia mizarà zavatra toy izao: “Niaina zavatra tsara indrindra aho tamin’ity maraina ity tao amin’ny fianarana seminera …”
Anontanio hoe: “Moa ve misy zavatra mahafinaritra nomaninao ho an’ity herinandro ity?” (Henoy ny valin-teniny.) Avy eo dia mizarà zavatra toy izao: “Handeha ho any amin’ny tempoly miaraka amin’ny fianakaviako aho amin’ny alarobia hariva mba …”
Manazara tena
Asao ny mpianatra hanao fanazaran-tena hampihatra io fahaiza-manao io. Miankina amin’ny fotoana misy dia azon’ny mpianatra atao ny mampihatra ilay fahaiza-manao amin’ny namana maromaro, ka mizara lafin-javatra samihafa ao amin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo isaky ny mandeha. Amporisiho izy ireo hitady fahafahana hiresaka momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ireo fitahian’ny filazantsara. Mety hanampy ny mampiseho ireto dingana manaraka ireto.
Miomana hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fahombiazana amin’ny fizarana ny filazantsara dia tsy voafaritra amin’ny hoe hanaiky na tsia ny hafatry ny Mpamonjy ilay olona. Ny hoe niezaka nizara ny fahazavan’ny Mpamonjy isika dia fahombiazana foana.
Ho famaranana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny mampiseho izao torolalana manaraka izao ary manasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany.
Vakio indray ny Jeremia 1:7–9 ary eritrereto ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao hizara ny filazantsarany. Avy eo dia makà minitra vitsy hieritreretana momba ireo toe-javatra mety hisy anao amin’ity herinandro ity izay ahafahanao miresadresaka momba ny filazantsara amin’ny olona iray. Angataho am-bavaka ny Ray any An-danitra mba hahafantarana ireo fomba ahafahanao mizara amin’ny fomba mandeha ho az ny hafatry ny Mpamonjy. Tsarovy fa tahaka ny nanampian’ny Tompo an’i Jeremia dia hanampy anao ihany koa Izy amin’ny ezaka ataonao.