Seminera
Ny andraikitsika azo avy amin’ny fanekempihavanana hizara ny filazantsara: “Ny taranakao … no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”


“Ny andraikitsika azo avy amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsara: -Ny taranakao … no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Ny andraikitsika azo avy amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsara: -Ny taranakao … no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana ho misiônera: Lesona 196

Ny andraikitsika azo avy amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsara

“Ny taranakao … no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”

Missionaries teaching about the Temple to a new member outside the Seoul Korea Temple.

Rehefa misafidy hanaraka ny Mpamonjy sy handeha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika dia mampanantena antsika fitahiana mitovy amin’izay nomeny an’i Abrahama Izy. Ireo fitahiana dia ahitana ny fahefan’ny fisoronana, ny fianakaviana mandrakizay, ary ny lova ao amin’ny fanjakana selestialy. Manana andraikitra masina isika ao anatin’io fanekempihavanana io dia ny hizara ny filazantsaran’ny Mpamonjy manerana izao tontolo izao mba hahafahan’ny rehetra mandray ireo fitahiana mahatalanjona ireo. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny andraikiny azo avy amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handany minitra vitsy amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina mba hitadiavana ireo fitahiana sy andraikitra ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama. Azon’izy ireo atao ny mandalina ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Abrahama 2:9–11 na mikaroka ny “Fanekempihavanan’i Abrahama” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Mandritra ny lesona dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ireo zavatra nianarany na fanontaniana ananan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny Firenena rehetra ambonin’ny tany

sary famantarana ny seminera Manomàna valopy efatra, asio isa: 1, 2, 3, na 4 ny tsirairay amin’izany.

Ataovy printy ny lafiny roa amin’ilay taratasy zaraina hoe: “Ny firenena rehetra ambonin’ny tany,” eo anoloana sy ao ambadika. Hetezo ireo tsipika mitapatapaka mba hamoronana piozila amin’ny lafiny roa. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny isa amin’ireo lohateny ao ambadiky ny tapa-taratasy tsirairay dia ataovy ao anatin’ilay valopy mitovy laharana aminy izany. Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra ary omeo valopy mitokana ny vondrona tsirairay. Raha be dia be ny mpianatrao dia hevero ny hanaovana tahadika ireo toromarika sy handaminana ny mpianatra ho vondrona valo.

Asao ny vondrona tsirairay hijery ny sary amin’ny singan’ny piozila azony ary omeo ireto torolalana manaraka ireto.

Isaky ny vondrona dia misafidiana iray amin’ireo sarin’olona ao amin’ny singan’ny piozila azonao ary mamoròna famariparitana fohy an’izany olona izany. Mety ho tafiditra ao anatin’izany:

  • Ny anarana

  • Ny fiaviana

  • Ny antsipiriany momba ny fianakavian’izy ireo

  • Ireo zavatra izay mandeha tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo

  • Ireo olana atrehan’izy ireo

Asao ny vondrona tsirairay hizara amin’ny iray kilasy ny antsipiriany noforonin’izy ireo ho an’ilay olona nosafidian’izy ireo avy amin’ny singan’ny piozila azony. Asao ireo mpianatra, rehefa avy nizara izany izy ireo, hijery mandritra ny lesona ny zavatra nasain’ny Tompo hataontsika mba hitahiana ny olona manerana izao tontolo izao, tahaka ireo izay nofaritan’ny vondrona tsirairay. Azavao fa ireo mpianatra dia hiaraka hamita ilay piozila feno ao aoriana kely, amin’ny lesona.

Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto miaraka amin’ny vondrona misy azy ireo.

Vakio ny Abrahama 2:9–11, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Abrahama fa hataony mba hitahiana ireo firenena sy fianakaviana eto an-tany. Fanamarihana: Ireo andininy ireo dia ahitana ampahany amin’ny zavatra fantatra amin’ny hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama.

  • Iza no taranak’i Abrahama? (Jereo ny andininy 10–11.)

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny Tompo mitahy ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama?

Ity fanambarana manaraka ity dia azo zaraina mba hanohanana na hanampiana ny valintenin’ireo mpianatra.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao momba ny taranak’i Abrahama:

Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Isika no taranak’i Abrahama …

Fanehoana ny maha-isika antsika ara-panahy sy ny lovantsika ara-panahy ny asa fitoriana ny filazantsara. Isika dia natokana mialoha tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary nateraka ety an-tany mba hanatanteraka ilay fanekempihavanana sy fampanantenana izay nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama. Ety an-tany isika amin’izao fotoana izao mba hanandriana ny fisoronana sy hitory ny filazantsara. Izay no maha-isika antsika, ary izay no antony ahatongavantsika ety, anio sy rahatrizay. (“Becoming a Missionary,” Liahona, Nôv. 2005, 47)

  • Ahoana no hamintinanao io fanambarana io?

Ny mpianatra dia mety hilaza zavatra toy ny hoe, amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika dia manana andraikitra izay azo avy amin’ny fanekempihavanana ny hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao isika. Hevero ny hampiasa ny tenin’ireo mpianatra mba hanoratana izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe.

Mba hahatakarana kokoa ny maha-zava-dehibe an’io andraikitra io, ny mpianatra dia azo asaina hamaky ny andiam-pehezan-teny telo voalohany ao amin’ny pejy 1 amin’ny Torio ny Filazantsarako eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny asa nampiandraiketana anao mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.”

  • Nahoana ny olona sasany no mety hientanentana amin’io andraikitra io? Nahoana ny sasany no mety misalasala?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mitahy ny olona tahaka ireo izay nofaritanao tao amin’ny singan’ny piozila nataonao?

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny lanjan’ny fizarana ny filazantsara dia azonao atao ny manontany ny zavatra tadidin’izy ireo momba ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama na manazava izao manaraka izao (ho an’ny antsipiriany kokoa jereo ny “Lesona 23: -Genesisy 12; 17-” sy ny “Lesona 24: -Abrahama 2:9–11-”):

Ao anatin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama dia nampanantena antsika ireo fitahian’ny fisoronany sy ny fianakaviana mandrakizay ary ny lova ao amin’ny fanjakana selestialy Andriamanitra. Fitahiana iriany ho an’ny zanany rehetra ireo, ary manana tombontsoa sy andraikitra isika hizara izany amin’izao tontolo izao.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo fitahiana ireo mandrisika antsika hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?

Eritrereto ny fahatsapanao manokana momba ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Tohizo ny fitadiavana hevi-baovao izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa ireo fitahiana sy tombontsoa avy amin’izany andraikitra masina izany.

Fanatanterahana ny andraikitsika amin’ny fanekempihavanana

Ny Isaia 49 dia ahitana faminaniana momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany, anisan’izany ny fitoriana ny filazantsara. Nanazava i Nefia mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ireo faminaniana ireo dia fampahatsiahivana ny hihazonan’ Andriamanitra ny fanekempihavanany hitahy ny firenena amin’ny tany amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama (jereo ny 1 Nefia 22:7–9). Fanamarihana: Ilay mpanompo voalaza ao amin’ny Isaia 49:3 sy 5 dia mamariparitra ireo olona izay mitarika ny vahoaka hanatona an’i Kristy, anisan’izany ireo mpikambana ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely, ireo mpaminany, ary ny Mpamonjy mihitsy aza.

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny mameno izany miaraka amin’ny vondrona misy azy ireo.

Fantaro ireo faminanian’i Isaia amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina sy ny fanambarana ao ambadiky ny piozila azonao. Mifanakaloza hevitra ary miomàna hizara izao manaraka izao amin’ny iray kilasy:

  1. Ireo zavatra ianaranao momba ny andraikitsika azo avy amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsara.

  2. Ireo fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manohana antsika rehefa manatanteraka io andraikitra io.

  3. Ohatra amin’ny fomba hampiharan’ny misiônera sy ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo izany.

Rehefa avy nahazo fotoana ampy nanaovana izany dia asao ny vondrona tsirairay hizara fohy ny zavatra hitany amin’ny iray kilasy. Amporisiho ny olona maromaro ao amin’ny vondrona tsirairay mba hizara zavatra. Rehefa avy mizara ny vondrona tsirairay dia azon’izy ireo atao ny mametraka ny singan’ny piozila eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fahamarinana izay nosoratana teo aloha. Ireo singa avy amin’ny vondrona tsirairay dia hitambatra mba hamoronana sarin’olona maro sy ny andian-teny hoe “Ny firenena amin’ny tany.” Rehefa vitan’izy ireo izany dia hevero ny hijery ny “President Russell M. Nelson Introduces (Ny Filoja Russell M. Nelson dia mampahafantatra ny) Preach My Gospel (Torio ny filazantsarako), Second Edition (Edisiôna faharoa)” manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 0:55, hita ao amin’nyChurchofJesusChrist.org. Azon’ny mpianatra atao ny mitady hevi-baovao fanampiny momba ny andraikitsika azo avy amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsara.

2:59

Teny famaranana

Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray na maromaro amin’ireto fanambarana manaraka ireto amin’ny fifandraisany amin’ny andraikitsika azo avy amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsara:

Androany aho dia nianatra fa ny olona manerana izao tontolo izao dia …

Androany dia nianatra aho fa …

Androany aho dia nianatra fa ny Mpamonjy dia …

Manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. Farano amin’ny fizarana ny fahatsapanao momba ny andraikitsika azo avy amin’ny fanekempihavanana mba hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa ny lesona. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa asan’ny Mpamonjy izao, ary hanampy azy ireo amin’ny ezaka ataony Izy.