“Misafidy ny hanao asa fitoriana: Ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Misafidy ny hanao asa fitoriana: Ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fiomanana ho misiônera: Lesona 198
Misafidy ny hanao asa fitoriana
Ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara
Fahafahana mahafinaritra ny fanaovana asa fitoriana ho an’ny Tompo. Mitahy ireo misiônera ny Ray any An-danitra rehefa manompo sy mampianatra ireo olona eo amin’ny fiarahamonina misy azy ireo sy manerana izao tontolo izao izy ireo. Na izany aza dia mety ho sarotra ny manapa-kevitra ny handeha hanao asa fitoriana. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana hanompo ny Tompo ka ho lasa misiônerany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray fantatr’izy ireo fa nanao asa fitoriana ny momba ireo fitahiana fantatr’izy ireo fa nomen’ny Tompo azy noho ny asa fanompoana nataony. Azon’izy ireo atao mivantana izany, na amin’ny telefaonina, na amin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra na email. Angataho izy ireo mba ho tonga vonona hizara izay zavatra hitany.
Sahanasa fianarana azo atao
Hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fomba izay manampy ny mpianatra hieritreritra ny hanompo ny Tompo amin’ny maha-misiônerany amin’ny fotoana feno. Azonareo atao ny mihira ny “Appelés à servir” (Cantiques, no. 160) ary angataho ny mpianatra hizara hoe iza no fantatr’izy ireo fa nanao na eo am-panaovana asa fitoriana ary taiza no nanompoany. Na azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy alohan’ny fotoam-pianarana mba hitondra sarin’olona iray fantatr’izy ireo izay manompo ny Tompo tamin’ny asa fitoriana.
-
Inona no nampianarin’ny Tompo momba ny andraikitry ny zatovolahy sy ny zatovovavy mba ho misiônera?
Rehefa mamaly ny mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo izao manaraka izao.
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. … Ho anareo vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany, fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voatery handeha ianareo. (“Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, apr. 2022, 6)
Tafiditra ao anatin’izany ny asa misiônera fitoriana ny filazantsara sy ny asa misiônera misahana asa fanompoana.
Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto dia mangataha mpianatra maromaro hizara ny eritreriny amin’ny iray amin’izany:
-
Inona avy ireo antony sasantsasany mety hanirian’ny olona iray hanaovana asa fitoriana?
-
Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahasarotra ny hisafidy ny hanao asa fitoriana?
Raha ilaina dia hazavao fa olona maro no miatrika ahiahy ihany koa. Ohatra, tamin’ny fotoana nanapahan’ny Filoha M. Russell Ballard (1928–2023) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hanao asa fitoriana, dia tsy navitrika tao am-piangonana ny ray aman-dreniny (jereo ny “Nitahy ny fiainako mandrakizay ny asa fitoriana,” Liahona, mey 2022, 8). Ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fa “tsy mbola nisy misiônera tao amin’ny fianakaviany” (jereo ny “My Mission Influence” [3:31] manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:01 ka hatramin’ny 2:16 izay hita ao ChurchofJesusChrist.org). Tsy navitrika tao am-piangonana ny rain’ny Loholona Quentin L. Cook ary namporisika ny rahalahiny handeha ho any amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo fa tsy handeha hanao asa fitoriana (jereo ny “Se convertir à la volonté de Dieu,” Ensign, mai 2002, 54)
Makà fotoana hanoratana ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tsapanao momba ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy ny anton’izany.
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Tompo mba hanampy anao amin’ny fanapahan-kevitrao ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno na tsia sy ny fomba hamaliana ireo olana mety anananao.
Rehefa mankatò ny Tompo isika
Vakio ny Deoteronomia 28:1–6, 9, dia tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo tamin’ny alalan’i Mosesy raha toa ka manao izay angatahiny amintsika isika.
Asao hizara ny zavatra hitany ny mpianatra. Hevero ny hangataka ny mpianatra hizara ohatra amin’ireo karazana fitahiana nampanantenain’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny “ateraky ny kibonao” (Deoteronomia 28:4) dia entina ilazana ny taranaka.
-
Nahoana no ilaina ny mahafantatra ireo fitahiana maro samihafa ampanantenain’ny Tompo antsika raha manao izay angatahiny isika?
-
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fampanantenan’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo mihatra amin’ny fankatoavantsika mba hanompo Azy ho misiônerany?
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:
Ry tanora namako malala isany, tena ilain’ny Tompo ny tsirairay avy aminareo. Tsy nalefan’ny Tompo raha tsy amin’izao fotoana izao ianareo mba hanampianareo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ny fanapahan-kevitrareo ny hanao asa fitoriana, na misiônera mpanao asa fitoriana na mpanao asa fanompoana, dia hitahy anareo sy ny hafa. (“Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey. 2022, 6)
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: Hitahy antsika sy ny maro hafa ny Tompo rehefa misafidy ny hanao asa fitoriana isika.
Ny fahatakarana ny sasany amin’ireo fitahiana omen’ Andriamanitra dia afaka manampy amin’ny fanapahan-kevitsika hanao asa fitoriana.
Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa misiônera manompo amin’ny fotoana feno izy ireo. Hevero ny hametrahana ny mpianatra ho Elders sy Soeurs mpinamana tsiroaroa na tsitelotelo. Afaka mifampizara ny ho anaran’izy ireo amin’ny asa fitoriana ny mpianatra: Elder (anarana) na Soeur (anarana). Azonao atao ny manazava fa mandritra ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia miara-mandalina isa-maraina ireo misiônera mpiara-mitory.
Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny votoatin’ilay taratasy zaraina hoe “Ireo fitahiana omen’ Andriamanitra ireo misiônerany” ho an’ny fandalinan’ny mpiara-mitory ataon’izy ireo.
Vakio ny sasany na izy rehetra amin’ireo soratra masina sy teny nambara ao amin’ilay taratasy zaraina hoe “Ireo fitahiana omen’ Andriamanitra ny misiônerany,” na mitadiava soratra masina na teny nambara fanampiny. Azonao atao ny manisy marika na manao anaty faribolana ireo fitahiana izay manan-danja aminao. Mariho fa manome ireo fitahiana ireo ny Tompo mandritra sy aorian’ny asa fitoriana.
Mba hahazoana fitahiana fanampiny avy amin’ny fanompoana ny Tompo amin’ny maha-misiônerany, dia hevero ny hampiseho horonan-tsary iray ahitana ny Filoha Jeffrey R. Holland sy ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy mifanakalo hevitra momba ny iray amin’ireto fitahiana manaraka ireto:
-
Fijoroana ho vavolombelona mitombo momba ny “Ny Bokin’i Môrmôna” (2:10)
2:10 -
“Ny asa fitoriana sy ny ho namana mandrakizay” (1:07)
1:7 -
“Ny asa fitoriana sy ny asa” (1:37)
1:37 -
“Fianarana” (1:44)
1:44
Ireo horonan-tsary ireo dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manampy ireo fitahiana tsikaritr’izy ireo avy amin’ny fizarana ny filazantsara amin’izao fotoana izao ary misaintsaina ny fomba mety ifandraisan’izy ireo amin’ny fanaovana asa fitoriana amin’ny hoavy.
Rehefa avy mandalina ny mpianatra dia asao ny mpiara-mitory tsirairay hanao izao manaraka izao:
Manomana zavatra izay azonao zaraina amin’ny olona iray izay manapa-kevitra ny hanompo ny Tompo na tsia amin’ny asa fitoriana. Ampidiro ny roa amin’ireto manaraka ireto farafahakeliny:
-
Fitahiana iray na roa izay nianaranao fa omen’ Andriamanitra rehefa manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy ny zavatra tsapanao momba azy ireo.
-
Ohatra iray amin’ny olona fantatrao izay nandray ny iray amin’ireo fitahian’ Andriamanitra hitanao tamin’ny alalan’ny asa fitoriana nataon’izy ireo.
-
Ny fiantraikan’ny zavatra nianaranao teo amin’ny fanirianao hanompo ny Tompo amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno.
-
Ny zavatra nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka manampy olona iray hisafidy ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.
Rehefa avy niomana ny mpianatra dia asao ny mpiara-mitory tsirairay hizara ny hafatr’izy ireo ao anatina fizarana roa. Asaivo manapa-kevitra izy ireo hoe iza amin’izy ireo no hizara ny ampahany inona. (Ohatra, afaka mizara fitahiana iray sy ny fahatsapan’izy ireo momba izany ny olona iray dia afaka mizara ohatra iray avy eo ilay iray hafa ary ny fomba mety hanampian’ny fifantohana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.) Eritrereto raha toa ka mahomby kokoa ny fananana mpiara-mitory maromaro eo anoloan’ny kilasy, na raha tsaratsara kokoa raha mifampizara izany ao anatina vondrona kely izy ireo. Raha mizara anaty vondrona kely izy ireo dia azonao atao ny manontany aorian’izay ny zavatra manan-danja tamin’izy ireo izay henony avy tamin’olon-kafa na nozarain’izy ireo mihitsy.
Ny fanapahan-kevitrao
Makà fotoana hanakimpiana ny masonao sy hieritreretana momba ny Ray any An-danitra. Tsarovy ny fitiavany anao. Ry zatovovavy, alaivo sary an-tsaina ny mety ho tsapany rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapony momba ny fanaovana asa fitoriana ianao. Ry zatovolahy, eritrereto ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hataonao amin’izao fotoana izao mba hiomanana ho tonga misiônera mahomby na hiresaka izay mety ho olana mety hanananao momba ny fanompoana.
Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra rehefa manoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao na ny zavatra tiany hotsaroanao avy amin’ity lesona ity ianao eo am-pandinihanao ny hanompo ny Tompo amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno.
Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapany tato amin’ity lesona ity. Zarao ihany koa ny eritreritra sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana.